FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/11 p. 15
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampiraisana hafahafa
  • Avy eo amin’ny nofinofy mankeo amin’ny ranomaso
  • Mitombo ny fampiasana ny fanafody mahankona
  • Mampiditra anao ao amin’ny tena fiadanana ve ny zava-mahadomelina?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
  • Nahoana ny Olona no Midoroka Zava-mahadomelina?
    Mifohaza!—2001
  • Iza no Mampiasa Zava-mahadomelina?
    Mifohaza!—2001
  • Jiosy
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/11 p. 15

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Fampiraisana hafahafa

Misy fiovana hafahafa eo an-dalam-panovana ny fifandraisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny jodaisma. Taorian’ny taonjato maro tsy nifanarahana dia manomboka mifamatotra ny fatoram-pisakaizana. Fandaminana ara-pivavahana mihamaro hatrany no mamela ny hevitra ilazana fa nanda ny Isiraely Andriamanitra na hoe ny Jiosy dia tsy maintsy mandalo amin’ny alalan’i Jesosy mba hahatongavana any amin’ny Ray. “Nanatanteraka izany fiovana tampoka mahatalanjona izany ny Protestanta sy ny Katolika, ary izany dia avy any amin’ny lafiny roa amin’i Atlantika”, hoy ny nasehon’i Paul Van Buren, teolojiana malaza iray avy ao amin’ny oniversite Temple, any Pennsylvanie.

Eny fa na dia ny fikambanan’ireo filoha ambony sy mpitory ny filazantsara aza dia miandraikitra sy manohana ny mpitondra jiosy. Nampiantrano mpitory evanjelistra sy batista ny praiminisitra isiraeliana ary niresaka tamin’izy ireny. “Mampiasa fandrebirebena etsy ankavanan’ny mpitory filazantsara Isiraely, ary miely ny hevitra fa tokony hotohanana amin’izay rehetra ataony Isiraely satria momba azy Andriamanitra”, hoy ny fanizingizin’i Timoty Smith, profesoran’ny teolojia any amin’ny oniversite Johns Hopkins, tao amin’ny fanambarana iray notantarain’ny New York Times.

Be dia be angamba no hihevitra an’io fifanekena amboamboarina io ho toy ny zavatra tsara. Kanefa hiharihary fa hitondra fitahiana va izany raha miorina amin’ny fahadisoan-kevitra? Hoy Jesosy tamin’ireo Jiosy nihaino azy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6). Fanampin’izany, ny apostoly Paoly dia nilaza mazava tsara afa tsy ho tafakambana mihitsy ny andaniny roa raha tsy amin’ny alalan’i Kristy, fa tsy avy amin’ny fifanekena namboamboarin’olombelona akory. “Fa Kristy mihitsy no nampihavana antsika tamin’ny nanaovany ny Jiosy sy ny tsy Jiosy ho vahoaka iray ihany. Tamin’ny nanolorany ny tenany no nandravany ny efitra mampisaraka azy ireo sy nahatonga azy ho mpifahavalo.”​—Efesiana 2:14, Baiboly amin’ny teny frantsay mahazatra.

Avy eo amin’ny nofinofy mankeo amin’ny ranomaso

Voasinton’ny fitomboan-karenan’i Nigéria ny vahiny an’arivony maro ka nirohotra nonina tao amin’io tany io. Tsitapitapitr’izay dia niova ho nofy ratsy ny nofinofin-karenany. Noho ny fihenan’ny vidin-tsolitany maneran-tany dia nihitsoka ny toe-karen’i Nigéria. Nanome roa herinandro ho an’ny vahiny rehetra niorim-ponenana tsy ara-dalàna tao ny firenena mandroso indrindra ao Afrika mba hialana ao amin’ilay tany. Olona roa tapitrisa no nandositra. Am-polony maro no maty rehefa niverina ho any aminy any Cameroun, any Mali, any Tchad, any Niger ary any Ghana. Teo anoloan’izany hamaroan’isa tsy nisy farany teo amin’ny mpiasa mpifindra monina namonjy ny taniny izany, dia toy izao no nambaran’ny mpandinika ganeana iray: “Niainga feno nofinofy izy ireny ary nody tamim-pitomaniana.”

Ny tantaran’izao tontolo izao dia rakotra fikororosiana ara-toe-karena tampoka sy tsy ampoizina karazan’izany. Olona an-tapitrisany maro no nahita ny fanantenany nanjavona satria nino izy ireny fa ny fananana ara-nofo dia ho afaka hiaro azy amin’ny fahoriana. Izy ireny dia misy itovizana amin’ireo izay lazain’ny Ohabolana 18:11 hoe: “Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy, ary raha araka ny fiheviny, dia toa mànda avo izany.” Mifanohitra amin’izany, ny andininy eo aloha dia maneho amintsika izay tokony hametrahana ny fitokisantsika raha tsy tiantsika ny ho diso fanantenana: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.”​—Ohabolana 18:10.

Mitombo ny fampiasana ny fanafody mahankona

Nilaza i Jesosy fa ‘ny fitomboan’ny tsi-fankatoavan-dalàna’ dia hampiavaka ny andro farany (Matio 24:12). Ny fampiasana tsy ara-dalàna ny fanafody mahankona dia tonga iray amin’ny antony lehibe indrindra mahatonga ny fanaovana heloka bevava. Raha ny marina, ny Birao mpanara-maso ny fanafody mahadomelina iraisam-pirenena any Vienne dia mihevitra fa ny fampiasana tsy ara-dalàna fanafody mahankona miely patrana ankehitriny no fototry ny heloka bevava feno halozana sy ny fivadibadihana ara-politika. Io fiasan’ny Firenena mikambana io dia amoaka boky 32 pejy misy tatitra manaitra momba ny famokarana sy ny fampiasana tsy ara-dalàna ny fanafody mahankona eran’izao tontolo izao. Azo atao ny mamaky ao fa tato anatin’ny roa taona farany, ny fambolena tsy ara-dalàna zava-maniry fakana opioma ao amin’izay antsoina hoe Telolafy volamena​—Birmanie, Thaïlande sy Laos​—dia nameno opioma, “morphine” sy “héroïne” ny tsenan’ny fanafody mahankona itovizana eran’izao tontolo izao. Noho ny fahatairany, dia niampanampana i Eoropa Andrefana, araka ny asehon’ny taratasy fanamarinana teo aloha hoe: “Mora dia mora ny hahazoana ‘héroïne’ (...), nihena ny vidiny, ary betsaka aoka izany ny isan’ny mpitia ny fanafody mahankona.”

Raha tsy misy mihitsy olona mividy fanafody mahankona tsy ara-dalàna, dia hihena ny fanaovana izany ary hitsahatra hatreo aza ny famokarana sy ny fampiasana azy amin’ny fomba ratsy. Kanefa, satria olona maro no tonga “tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”, ny fivarotana fanafody mahankona an-tsokosoko dia mitombo aoka izany ary miharihary ho varotra mandroso — izany dia manaporofo indray mandeha koa fa isika dia miaina amin’ny “fotoan-tsarotra” izay mampiavaka ny “andro farany” ho an’ny faharatsiana.​—II Timoty 3:1, 4, MN.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara