FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/10 p. 28
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Andriamanitra “voafetra” amin’ny asany
  • Hahafantatra azy ireo ve Jesosy?
  • “Fanafohezana ny fahavelomana ho ‘fanafody’”
  • Azo Atao ve ny Manapitra ny Ain’ny Marary Efa Tsy Avotra Intsony?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Fanampiana Tsara Indrindra!
    Mifohaza!—2005
  • Tsy Tena Mamaha Olana ny Fanalana Zaza
    Mifohaza!—2009
  • Manana ny Valiny ve Ireny Fivavahana Ireny?
    Mifohaza!—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/10 p. 28

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Andriamanitra “voafetra” amin’ny asany

Nahoana Andriamanitra no mamela ny faharatsiana sy fahoriana aoka izany eo amin’izao tontolo izao? Ilay ratsy atao hoe Harold Kushner, mpanoratra boky iray be mpividy (When Bad Things Happen to Good People) dia mamaly fa satria Andriamanitra, na dia tsara sy feno fitiavana aza dia “voafetra” amin’ny asany. Taorian’ny nahafatesan’ny zanany lahy kely dia nanoratra i Kushner hoe: “Mora amiko kokoa ny manompo Andriamanitra iray mankahala ny fahoriana nefa tsy afaka manafoana izany toy izay Andriamanitra mampahory ankitsirano sy mamono ankizy.”

Toa miseho ho marina ny fomba fihevitry ny raby Kushner raha ampitahaina amin’ny hevitra tena fatra-piely izay mieritreritra an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny loza, ny fahafatesan’ny ankizy, ohatra. Raha ny tena izy, ireo fanazavana ireo dia mampiseho tsara, izy roa, ny fahamarinan’ireto tenin’Andriamanitra ireto mihitsy: “Ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako.” Tamin’ny fampisehoana fa tsy “voafetra” velively amin’ny asany izy, dia nanampy toy izao Andriamanitra: “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako; tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:8-11.

Tsy tompon’andraikitra amin’ny fahorian’ny olombelona koa Andriamanitra araka izay niaiken’i Mosesy toy izao: “Tanteraka ny asany (...). Marina sy mahitsy izy. (...) Tsininy izany [azy ireo ny tsiny, MN].” (Deoteronomia 32:4, 5). Tsy ho ela, mifanohitra amin’izany, ireo tsy fahatanterahana nolovana ireo dia nilaina ny fotoana mba hamaliana ireo fanontaniana nipetraka tamin’ny fikomiana tao Edena, dia efa madiva hifarana io fotoana io. Ny fikasan’Andriamanitra hanorina paradisa eto an-tany dia hahita ny fahatanterahany tsy ho ela. — Mika 7:18-20; Isaia 65:17-25.

Hahafantatra azy ireo ve Jesosy?

“Miaiky aho fa mila ‘fahaterahana indray’ tanteraka ny fivavahana lazaina fa kristiana raha maniry mbola hisy ihany amin’ny ho avy, amin’ny maha-fandehan-javatra ara-pivavahana”, hoy ny nambaran’i Tom Harpur, mpanoratra tantara ara-pivavahana toa amin’ny Star any Toronto sady pretra teo aloha. Nanampy izy hoe: “Amin’ny ampahany lehibe, izay rehetra nampidirina nandritra ireo taonjato dia tokony hovana tanteraka na hotsoahina manontolo.”

Manontany izy aloha raha toa Jesosy ‘hahafantatra ireo izay milaza amim-pitabatabana ho avy amin’ny kristinisma eo amn’izao tontolo izao ankehitriny’. Mametraka ireto fanontaniana ireto izy: “Inona no tena niraisany (iraisany) amin’ireo filoham-pivavahana ankehitriny sy ny rehaka, ny firentin’ireo fiangonana? Amin‘ny ahoana izy no nanakaiky (akaiky) ireo evanjelisitra malefaka am-bava ao amin’ny televiziona sy ny fihatsarambelatsihiny? Hatraiza izy no hahatsiaro tena ho finaritra raha nanatrika, ohatra, fanompoam-pivavahana nankalazaina teo amin’ny fiangonana anglikana Saint-Jacques, na ny katedraly katolika Saint-Michel?”

Tsy tokony hisy heviny ireo fanontaniana ireo raha toa ireo Fiangonana nanaraka hatramin’ny voalohany ny torohevitra araka ny Baiboly mba ‘hanamarina ny zavatra rehetra ary hihazona mafy izay tsara’. — I Tesaloniana 5:21.

“Fanafohezana ny fahavelomana ho ‘fanafody’”

Ny ‘fitomboana isan’ireo olona antitra tsy mbola nisy toy izany” sy ny “vola be dia be lany mba hikarakarana ireo olona be taona any amin’ny tany mandroso”, izany rehetra izany dia mety hitarika ireo taranaka vaovao hangataka ny fanafohezana ny fahavelomana ho “fanafody”, hoy ny nohamafisin’ny dokotera Lachlan Chipman, ao amin’ny sampan-draharahan’ny fianarana momba ny lalàna any amin’ny oniversiten’i Sydney, any Aostralia.

Araka ny The Medical Post any Canada, ny dokotera Chipman dia nanambara fa ny “famonoana ireo olona be taona iniana atao dia tsy hevi-dravina loatra araka ny fisehony akory”. Marina tokoa, hoy ny fanazavany, fa “ny taranaka iray izay efa nanaiky ny hevitra ny amin’ny fanalana zaza amin’ny maha-rafitra mandaitra sy tsy tsara tsy ratsy ara-pitondrantena (...) amin’ny lafiny fahaterahana dia hanaraka haingana (...) ny fanafohezana ny fahavelomana ho ‘fanafody’ ho toy ny rafitra hahafahana miala amin’ny tafahoatra amin’ny mponina lafiny fahafatesana”.

Endrey ny mety ho fitsimbadihan’ny tarehin-javatra raha ireo izay miady ho an’ny famonoana ny zaza am-bohoka amin’ny fanalana zaza ihany no ho tratry ny “fanafohezana ny fahavelomana” ho ‘fanafody’ raha toa ka horaisina io fepetra io amin’ny ho avy! Mba hanohanana ny fanalana zaza na ny fanafohezana ny fahavelomana “lafiny fahafatesana” dia ho fahendrena kokoa ny hiheverana ity torohevitr’i Jesosy ity: “Aza mamono olona, (...). Manajà ny rainao sy ny reninao”, ary dia hametraka amin’izany fototra ho an’ny “fiainana mandrakizay”. — Matio 19:16-19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara