Rehefa miady amin’ny fahantrana
MOA ve ianao mpitondratena? Raha ny amiko, dia toy izany no izy. Angamba tahaka ahy ianao dia nanirery tampoka, tsy misy fidiram-bola nefa manan-janaka maro iandraiketana. Rehefa maty tamin’ny 1973 ny vadiko dia namela zanakalahy telo ho ahy, 20, 16 sy 14 taona. Tena fahavoazana mafy tamiko ny fahafatesany ary niteraka fahabangana lehibe teo amin’ny fiainako. Kanefa fotoana fohy taorian’ny nahafatesany, dia nidonan-javatra hafa indray aho rehefa nanapa-kevitra ny roa tamin’ireo zanako, ny zokiny sy ny zandriny indrindra, handao ny tokantrano. Noho ny antony inona? Holazaiko aminao.
Izahay mivady dia hindoa, ary ny zanakay koa àry izany dia notezaina tao amin’io endri-panompoam-pivavahana io. Kanefa, folo taona teo ho eo talohan’ny nahafatesan’ny vadiko, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandom-baravarana tato aminay, tao amin’ny faritry ny asany voalamina ho an’ny fitoriana. Ny hafatra ao amin’ny Baiboly nentiny milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanavotra ny olombelona, dia nisy vokany teo amiko. Taorian’ny resadresaka sy fianarana tsara ny Baiboly nandritra ny volana vitsivitsy, dia nino marimarina aho fa Jehovah no ilay Andriamanitra tokana sady marina ary Jesosy Kristy no fiasana nofidiny hanomezana fiainana ny olombelona (Salamo 83:18; Asan’ny apostoly 4:12). Noho izany, na teo aza ny fanoheran’ny fianakaviako sy ny nanehoan’ny vadiko miharihary ny tsy fahafaliany, dia natao batisa aho ary tonga Vavolombelon’i Jehovah.
Ao amin’ny fikambanan’olona hindoa, ny hoe maha-lasa kristiana dia nanisy marika tsy azo kosehina anao. Nihoatra izay mety ho zakan’ny vadiko izany. Hatreo amin’ny andro nahafatesany dia nanohitra foana ny hanarahako ny kristianisma izy. Ny zokiny sy ny zandriny indrindra tamin’ireo zanako lahy dia nanaraka ny lalan’ny rainy ka nifikitra tamin’ny fomba fiaina hindoa. Ny fahafatesan’ny vadiko dia namela fahafahana ho azy ireo handao ny tokantrano ary tamin’izany koa dia tsy hizaka ela intsony ny fahafaham-baraka manana reny kristiana. Nefa kosa dia afaka nampino ny zanako lahy faharoa, Jayasimman, aho, ny amin’ny fahamarinana sy ny mahavoalanjalanja ny Baiboly sy ny hafa-pamonjena raketiny. Hatreo dia izaho sy Jayasimman irery sisa no niaraka. Inona no hataonay eo anoloan’ny fahantrana izay nisy anay?
Fahaiza-miatrika ny zava-misy sy fitsitsiana
Rehefa lasa ny fahatairana mafy nanozongozona ahy ka tsapako izao fa ilay namelona ahy hatreo dia tsy teo intsony, dia voatery nipetraka aho ary nandinika ny toe-javatra nisy ahy. Tsy afaka niankina tamin’ny vola fanampian’ny Fanjakana aho, na tamin’ny fiantohana ara-tsosialy nomen’ny fitondram-panjakana. Voatery niezaka irery àry aho mba hiala amin’ny fahasahiranana. Raha ny marina, tsy mbola ela loatra izay, teo amin’ny fitambaran’olona hindoa dia noheverina fa ny mpitondratena dia teo amin’ny laharana ambany indrindra eo amin’ny ambaratonga ara-tsosialy. Ny anjarany dia tena nampijaly ka tsy mahalana no ahitana azy mamono tena ao amin’ny afo velomina mba handevenana ny maty.
Nefa mba tompon’ny efitrano telo tsotra ihany izahay tao Madras, eto India. Fara faharatsiny dia mba nanana trano ialofana àry izahay. Nanapa-kevitra aho hampanofa iray amin’ireo efitrano ka tsy ela dia nanantena fidiram-bola isam-bolana, kely nefa tsy tapaka, 60 roupies (eo amin’ny 500 ariary) aho. Nanana milina fanjairana voizina koa aho; nanomboka nanao akanjo hamidy àry aho, ary indrindra zip izay entin’ny vehivavy ao ambanin’ny “sari” (lamba fitafin’ny vehivavy karana). Arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia nanana mpividy vitsivitsy tsy tapaka aho, ka izany dia nahafahako nahazo fidiram-bola isam-bolana 144 roupies (eo amin’ny 1 200 ariary eo) tamin’ny fitambarany.
Nefa na izany aza, dia tsy maintsy nanana fiainana tsotra izahay. Nanana rano sy jiro izahay tato an-trano, nefa kosa tsy nisy na dia fanaka iray aza. Kanefa tsy zava-manahirana izany; an-tapitrisany maro amin’ireo mpiray tanindrazana aminay no tsy manana koa. Izahay dia zatra matory amin’ny kidoro tsy matevina loatra apetraka amin’ny tany. Ary rehefa madio fotsiny ny gorodona dia hitanay fa mahafinaritra ny mitalapetraka amin’ny tany mba hihinan-kanina. Mba handrahoan-kanina dia mampiasa fatana mandeha amin’ny solitany aho, ary tsy manelingelina ahy akory izany rehefa tsy manahirana noho ny fampiasana afo kitay. Inona no mahaforona ny sakafonay?
Tsy dia ratsy loatra ny sakafonay sy Jayasimman. Ny anankiray amin’ny hanina ankafizinay indrindra amin’ny sakafo maraina dia izay antsoina hoe idli. Izany dia mofomamy kely vita amin’ny kobam-bary afangaro amin’ny voa madinika voatoto, masahana amin’ny etona ary hanina miaraka amin’ny “chutney”, laron-tsakafo vita amin’ny vovo-boaniho, anana fanatsiroana sy zava-manitra. Aminay aty India, dia heverina ho sakafo maraina matevina, tena mety tsara ny idlis roa na telo, akondro iray sy kafe iray kaopy.
Ny vary misy karia, foto-tsakafonay, dia aroso ny antoandro sy ny hariva. Mba hitsitsiana, dia manao anam-bazaha misy karia aho matetika, ary mba hanovana izany isan’andro dia mampiasa karazan’anam-bazaha samihafa aho.
Nisy fotoana, mba hiatrehana ny fahasahirananay ara-bola, nanovako ho trano kely fisakafoana ny efitrano iray tato an-trano. Mifoha amin’ny efatra ora maraina aho ary mikarakara ireo idlis, ny “chutnety” sy ny kafe, ary mandroso ny sakafo maraina ho an’ireo mpividy tsy tapaka. Ny asa madinika momba ny zaitra sy lakozia nataoko tato an-trano, nampian’ny hofantrano, no nahazoanay izay nilainay isan’andro. Kanefa ankoatra ny fahaiza-miatrika ny zava-misy sy ny fitsitsiana, dia nisy zavatra hafa nilaiko koa mba hiatrehana ny fahantrana.
Fanampiana iray lehibe kokoa
Izany dia ny fanampiana azoko avy tamin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Amin’ny ahoana ny Baiboly no mahasoa eto? Satria izy mitantara ny oha-pinoana mahavarianan’ireo lehilahy sy vehivavy fahiny toa an’i Joba patriarka izay, tamin’ny fotoana sasany, dia nahita fahantrana, fietrena sy fangirifiriana. Ny fisaintsainana ny ohatra navelan’izay ireny dia nanampy ahy betsaka tamin’ny fisedrana nahazo ahy.—Joba 1:13-19; 2:7-9; 21:7.
Ary ny finoana notovoziko tao amin’ny Baiboly dia tena nampahery ahy betsaka. Na dia miaina eo amin’ny fetran’ny fahantrana aza aho, dia tsy mitahiry lolompo na alahelo. Ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia manome ahy fomba fijery manorina. Nianarako fa raha mametraka ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany sy maniry hiasa ka mamelon-tena amim-pahamarinana aho, Jehovah dia hanome ahy izay ilaiko, araka ny fampanantenana nomen’i Jesosy hoe: “Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:31-33). Tena velom-pankasitrahana aho satria ny fanandraman-javatra hitan’ny tenako manokana dia namela ahy hanaporofo ny fahamarinan’ireo teny ireo!
Ny finoako ireo fampanantenan’ny Baiboly tahaka ireo izay vao avy notononiko, dia nanampy ahy hianina tamin’izay nananako teo amin’ny fiainana, ary mieritreritra matetika izay lazain’ny Soratra Masina ao amin’ny I Timoty 6:8 aho, dia ilay manao hoe: “Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.”
Nanampy ahy tamin’ny lafiny hafa koa ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tamin’ny fotoana naha-hindoa ahy sy niainako tao amin’ny fitambaran’olona hindoa, dia zatra tamin’ny fiarovana sy ny fikarakaran’ny vadiko aho. Koa saika mandositra na tsy ampy fahatokisan-tena aho rehefa hoe hifandray amin’ny olon-kafa eny ampahibemaso. Kanefa, izao izay nianarako tao amin’ny Soratra Masina dia mamporisika ahy hitsidika ny olona any an-tranony, hihaona aminy, mba hiresahana aminy ny fikasan’Andriamanitra ary indrindra ny fampanantenany hanorina fandaharan-javatra vaovao izay hanjavonan’ny fahantrana (Salamo 72:12-14). Izany fiovana mahagaga teo amin’ny toetrako izany dia noho ny fahendrena avy amin’Andriamanitra hita ao amin’ny Baiboly. Ny Salamo 19:7 dia manambara hoe: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina.”
Ny fankasitrahana tsapako dia nitarika ahy handamina tsara ny fiainako ka tonga mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana manontolo andro aho. Izany dia milaza fa tsy afaka manomana sy mandroso sakafo ao an-tranoko intsony aho. Nefa izao dia ampanofaiko ny efitrano roa amin’ny tontalim-bidiny isam-bolana 12 roupies (eo amin’ny 1000 ariary), ary arakaraka ny fotoana sisa tavela, dia manohy manao zaitra an-trano aho. Jayasimman koa dia mahazo karama kely isam-bolana; manao asa madinika samihafa izy ary manaiky handray anjara amin’ny lany amin’ny fanomezana ny telo ampahefatry ny karamany. Mividy izay ilainay izahay arakaraka ny tontalin’ny vola miditra aminay isam-bolana. Izany dia mamela ahy hanokana fotoana isan’andro hitsidihana ny olona any an-tokantranony sy hampiononana ireo izay mitaraina sy misento, tahaka ahy koa izay nampiononin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly.—Matio 5:4; II Korintiana 1:3, 4.
Eny, marina fa nahita fotoan-tsarotra aho teo amin’ny lafiny ara-bola—noho ny fandaniana tampoka sy tsy nampoizina—ary nanontany tena matetika aho ny amin’ny fomba hahatafavoahako. Nefa tsapako fa Jehovah dia nanampy ahy tamin’ny fomba iray na tamin’ny hafa. Tamin’ny fotoana nilana izany indrindra, dia nisy zava-nitranga foana izay nahafahako niatrika ny zava-manahirana hitako. Nahazo taratasim-bola nalefan’ny iray tamin’ireo zanako roa lahy hafa izay tsy nanadino ahy tanteraka aho. Na nahazo fampanjairana akanjom-behivavy tsy nampoizina aho. Araka izany, na dia sahirana matetika aza aho nandritra ireo taona, ny fahatapahan-kevitra hiasa mafy sy ny fahaizana mampiasa izay rehetra eo am-pelatanako dia nahafahako foana nahita fanafodiny.—Avy amin’ny anankiray amin’ny mpamaky.