Mandava ny fivadiham-pinoana, mifikira amin’ny fahamarinana!
“Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka”. — II Jaona 9.
1, 2. a) Ahoana indraindray no fomba nanandraman’i Satana namono ny fahazavan’ny fahamarinana teo amin’ireo mpanompon’i Jehovah? b) Nahoana no ilaina tanteraka ny handavan’ny vavolombelon’i Jehovah ny fivadiham-pinoana?
JEHOVAH ANDRIAMANITRA no Loharanon’ny fahamarinana ara-panahy. Nety tokoa àry raha nanolotra izao vavaka izao ho azy ny mpanao salamo iray: “Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao”. (Salamo 43:3). Izany no mahatonga ny fahamarinana ho marika mampiavaka ny mpivavaka amin’i Jehovah. — Jaona 8:31, 32; 17:17.
2 Teo amin’ny fanandramany hikendry hamono ny fahazavan’ny fahamarinana teo amin’ireo mpanompon’i Jehovah, indraindray Satana Devoly dia niezaka hanimba ny kongregasiona kristiana tamin’ny alalan’ny fampianaran-diso avy amin’ny mpivadi-pinoana (II Korintiana 4:1-6; Joda 3, 4). Nefa tsy nahomby izy satria ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky dia nanda ny fivadiham-pinoana ary nifikitra tamin’ny fahamarinana ara-panahy. Raha ny marina dia tena ilaina tokoa izany raha tiantsika ny hiaro ny fifandraisantsika akaiky amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Jaona apostoly kristiana tokoa dia nomen’Andriamanitra tsindrimandry mba hanoratra izao: “Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.” — 2 Jaona 9.
3. Fanontaniana inona avy no hovaliantsika amin’ny fandinihana ny taratasy faharoa sy fahatelo nosoratan’i Jaona?
3 Fa inoan no tokony hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanoherana ny fivadiham-pinoana? Ary ahoana no azony ampitomboana ny tombontsoa kristiana amin’ny maha-‘mpiara-miasa amin’ny fahamarinana’? (III Jaona 8.) Hamaly an’ireo fanontaniana ireo isika amin’ny fijerena ny taratasy faharoa sy fahatelo nosoratan’ny apostoly Jaona ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia taratasy nosoratany tany amin’ny 98 amin’ny fanisan-taona iraisana tany Efesosy, any Azia Minora, na tsy lavitra teo.
Tena ilaina ny fahamarinana sy ny fitiavana
4, 5. a) Nahoana ny apostoly Jaona no afaka niseho toy “ny loholona”? b) Iza moa “itompokovavy voafidy” sy “ny zanany”?
4 Nanomboka ny taratasiny faharoa tamin’izao teny izao i Jaona:
“Izao loholona mamangy an’itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin’ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa) noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay”. — 2 Jaona 1, 2.
5 Tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana ny apostoly Jaona dia tena “loholona” tokoa noho ny taonany maro, efa ho zato taona, nefa koa loholona matotra dia matotra ara-panahy (jereo Galatiana 2:9). Rehefa miresaka amin’”itompokovavy voafidy” izy, dia angamba mihevitra ny amin’ny kongregasiona iray manokana any amin’ny toerana iray tsy nambara, nefa mampiasa io fitenenana io mba hampangaina ny mpanenjika. Amin’izay fotoana izay, “ny zanak’itompokovavy” dia zanany ara-panahy, mpikambana ao amin’io kongregasiona io, kristiana nateraky ny fanahy izay ‘voafidin’Andriamanitra’ ho amin’ny fiantsoana avy any an-danitra (Romana 8:16, 17; Filipiana 3:12-14). Kanefa ny hoe Kuria (“tompokovavy” amin’ny fiteny grika) dia mety ho anaran’ny vehivavy kristiana iray koa.
6. a) Inona moa “ny fahamarinana” resahin’i Jaona? b) Amin’ny ahoana “ny fahamarinana” no mitoetra eo amin’ny kristiana tso-po ary ao aminy mandrakizay”?
6 Na ahoana na ahoana, io ‘tompokovavy voafidy io sy ny zanany’ dia tena tian’i Jaona sy ny Vavolombelon’i Jehovah hafa rehetra izay tonga tamin’ny fahalalana “ny marina”, izany hoe ny fitambaran’ny fampianarana mifototra amin’i Jesosy Kristy. Mba ho voavonjy dia tena nilaina ny hifikirana tamin’izany fahamarinana izany (Jaona 4:24; Efesiana 1:13, 14; I Jaona 3:23). Matoa mifankatia ny vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, tahaka ireo tamin’ny lasa, dia satria, tia ny “fahamarinana” izy ireo, ankoatra ny antony hafa rehetra. Mitoetra ao amin’izy ireo izany, ao am-pony. Ho an’ny kristiana marina, dia ho “mandrakizay” toy ny namana mahatoky izany. Tsy isalasalana fa izany dia zava-tsarobidy ananan’ny vavolombelon’i Jehovah ka isaorany ny Rainy any an-danitra.
7. Amin’ny ahoana ny fahasoavana, ny famindrampo sy ny fiadanana no sady avy amin’Andriamanitra no avy amin’i Kristy?
7 Ireo izay mitoetra mahatoky mifikitra amin’ny “fahamarinana” dia mahazo antoka fa handray fitahiana. Nanampy izao ilay apostoly raha nanipika izany:
“Ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana.” (II Jaona 3).
Ny fahasoavana dia sady avy amin’i Jehovah no avy amin’i Jesosy, amin’ny heviny hoe ny olombelona mpanota dia “hamarinina amin’ny fahasoavany [ny an’Andriamanitra] noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy”. (Romana 3:23, 24.) Dia tahaka izany koa, fa ny Ray any an-danitra no Loharanon’ny famindrampo, nefa omeny ny olombelona tsy tanteraka izany amin’ny alalan’i Kristy (Hebreo 4:14-16; Joda 20, 21). Ambonin’izany, mba hihavanany amin’i Jehovah, ny mpanota dia mila fanavotana amin’ny fahotany, ary azo natao izany tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesosy, izay nanome ny ainy ho avotra ho an’ny olombelona. — Kolosiana 1:18-20.
8. Ahoana no azo andraisana ny hevitry ny teny hoe “amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana” ao amin’ny II Jaona 3?
8 Nilaza koa Jaona hoe: “Amin’ny [na ao amin’ny] fahamarinana sy fitiavana.” (Kingdom Interlinear Translation; Darby). Angamba te-hilaza i Jaona fa ‘ambonin’ny fahamarinana sy ny fitiavana’, ny kristiana marina dia nanandrana ny fahasoavana, ny famindrampo sy ny fiadanana. Na te-hilaza koa izy fa ny mpanompon’i Jehovah dia hahazo fitahiana raha mitoetra ao amin’ny fahamarinana ka manohy mampiseho fitiavana.
‘Aoka isika handeha amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana’
9, 10. a) Nahoana Jaona no afaka ny ho “faly indrindra”? b) Raha ny amin’ny fahamarinana, inona no nataon’ny “sasany”?
9 Sady manondro ny iray amin’ireo antony mahatonga azy ho faly manokana ilay apostoly no nanome torohevitra tsara na nanoratra toy izao avy eo:
“Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin’ny Ray. Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.” — II Jaona 4, 5.
10 Lalina tokoa ny hafalian’i Jaona ny amin’ny ‘nandehanan’ny sasany tamin’ny fahamarinana’. Izy ireny dia naneho finoana ny anaran’ Jesosy Kristy, nifankatia ary niezaka nanaraka ny ohatra nomen’ny Zanak’Andriamanitra (Hebreo 12:1-3; I Jaona 3:23). Raha nalefa ho an’ny vehivavy iray nantsoina hoe Kuria ny taratasin’i Jaona, dia ny sasany tamin’ny zanany àry no tao amin’ny fahamarinana. Nefa izao raha toa nampiasain’ilay apostoly tamin’ny heviny ara-panoharana ny teny hoe “zanaka” sy “itompokovavy voafidy”, dia afaka nifaly izy noho ireo mpikambana tao amin’ilay kongregasiona any amin’ny toerana tsy nambara, nanohitra ny fivadiham-pinoana tamin’ny fifikirana hatrany tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny fananana fiainana tsy nivadika tamin’i Jehovah. Raha ny marina, ny vavolombelona kristian’i Jehovah mahatoky dia nihevitra foana ho adidy ny fifikirana hatrany amin’ny fahamarinana, izany hoe ny ‘fandehanana amin’ny fahamarinana’. Ho azy ireo izany dia didy avy amin’ilay Ray any an-danitra, didy izay tsy mavesatra. — Jereo I Jaona 5:3.
11. a) Inona no ilaina mba hanarahana ny baiko mandidy antsika mba ‘hifankatia’? b) Nahoana i Jaona no afaka niteny fa tsy “didy vaovao” izany?
11 Ilay apostoly dia nangataka an’”itompokovavy” mba hitandrina ny didy mibaiko antsika mba hifankatia”. (Jereo I Jaona 3:11.) Raha nilaza ny sitrapon’i Jehovah ny amin’ireo olona tia fivavahana Jesosy, dia nibaiko ny mpianany mba ‘hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo’. Tsy fitiava-namana amin’ny ankapobeny fotsiny akory izany fa fitiavana tonga hatramin’ny fanomezana ny ain’ny tena ho an’ny hafa (Levitikosy 19:18; Matio 22:39; Jaona 10:14, 15; 13:34; 15:13). Izany dia didy “hatramin’ny voalohany” ho an’ireo mpianatr’i Kristy, hatramin’ny nanolorany tena ho an’Andriamanitra, raha ny marina, hatramin’ny nanomezan’i Jesosy voalohany an’io didy io ary hatramin’ny nanorenana koa ny kongregasiona kristiana tamin’ny Pentekosta taona 33. Amin’izay heviny izay, ary araka ny nanoratan’i Jaona azy, no tsy maha-‘didy vaovao’ azy.
12. Inona no tian’i Jaona holazaina tamin’izao teny izao: “Izany no didy (...): di any handehananareo aminy.”
12 Raha miresaka ny amin’ny fitiavana i Jaona dia mbola nilaza hoe:
“Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.” — II Jaona 6.
Ny tena mpanompon’i Jehovah dia mankato Azy an-tsitrapo satria tia Azy amin’ny fony rehetra, ny fanahiny rehetra sy ny heriny ary ny sainy rehetra izy ireo (Lioka 10:27). “Hatramin’ny taloha”, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe hatramin’ny fotoana nanaovan’i Jesosy ny fanompoany na hatramin’ny nanoloran’izy ireo tena ho an’Andriamanitra, ireo nanoratan’i Jaona dia nandray ny didy ny amin’ny fitiavana. Nefa inona no tian’ilay apostoly holazaina amin’ireto teny ireto: “Izany no didy (...), dia ny handehananareo aminy.” Raha mety ny hilazana ny “didy” ny amin’ny fitiavana (Baiboly Segond) ny mpisolo anarana “aminy”, izy io dia tokony hifandray amin’ny “fitiavana” mihitsy. Na ao amin’ny toe-javatra iray na ao amin’ny hafa, ny hoe ‘mandeha aminy’ dia milaza hoe hanohy hifankatia. — I Jaona 3:18; jereo Romana 13:8-10.
Tandremo ny mpivadi-pinoana
13. a) Taiza ny “mpamitaka” no nitady hanao mpianatra? b) Fampianaran-diso inona no naeliny?
13 Ilaina ny manoa fiezahana mba hanohizana handeha amin’ny fitiavana sy ny fahamarinana. Raha nanazava ny antony Jaona dia nanoratra koa hoe:
“Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.” — II Jaona 7.
Azo inoana fa nisy mpampianatra sandoka nifindrafindra toerana mba hanandrana hahazo mpianatra eo amin’ireo kristiana marina (jereo Asan’ny apostoly 20:30). Na dia nilaza tena ho kristiana aza izy, ireny “mpamitaka” ireny dia tsy nanaiky fa Jesosy Kristy dia tonga tamin’ny nofo, tamin’ny naha-olombelona. Ny fampianaran-disony dia nanazimba ny anjara asan’i Jesosy, dia ny ho Mesia sy Mpanavotra. Nohamaivaniny koa ny toerany any an-danitra izay nanandratana azy. — Marka 1:9-11; Jaona 1:1, 14; Filipiana 2:5-11.
14. Nahoana i Jaona no niresaka ny amin’ireny mpivadi-pinoana ireny ho toy ny “mpamitaka sy antikristy”?
14 Nantsoin’i Jaona hoe “mpamitaka sy antikristy” ireny mpivadi-pinoana ireny satria ny fampianarany dia namitaka ary ny tenany dia nanohitra an’i Kristy. Ny iresahan’i Jaona ny amin’ny ‘antikristy maro’ any amin’ny toeran-kafa dia manondro fa ireo fahavalon’i Kristy dia maro, na dia mahaforona ny “antikristy” amin’ny heviny mitambatra aza izy rehetra (I Jaona 2:18). Amin’ny fandavana an’i Jesosy tsy ho Kristy sy Zanak’Andriamanitra, ireny lehilahy ireny dia mandà ny fampianarana rehetra ao amin’ny Baiboly momba azy. Ny vavolombelon’i Jehovah mahatoky dia manary tanteraka ny hevitr’ireny mpampianatra sandoka ireny.
15. a) Inona no “valim-pitia tanteraka” ho azon’ny kristiana voahosotry ny fanahy raha ‘mitandrin-tena’ izy ireo? b) Nahoana ny vavolombelon’i Jehovah rehetra no tokony hitandrina amin’ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana?
15 Koa satria ny kristiana dia nety niodina niala tamin’ny fahamarinana ho amin’ny fivadiham-pinoana, Jaona dia nandefa izao famporisihana izao ho azy ireo:
“Mitandrema hianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena [ny vokatry ny asanay, MN], fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy dia tsy manana an’Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.” — II Jaona 8, 9.
Tamin’ny ‘asa’ nataony izay nahafaoka ny fitoriana ny “vaovao tsara”, Jaona sy ireo kristiana hafa dia nanome ‘vokatra’, izany hoe ny fiovan’ireo olona nandefasany ny taratasiny. Nefa izy ireo dia tokony ‘hitandrin-tena’ teo amin’ny lafiny ara-panahy mba tsy ‘hanary’ ny fahasoavana, ny famindrampo sy ny fiadanana avy amin’i Jehovah sy ny Zanany,na ny fisakaizana amim-pirahalahiana maharitr’ireo tafaray ao amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana. Raha nijanona ho mahatoky ny kristiana rahalahin’i Jaona izay nandray ny hosotry ny fanahy, dia hanohy hifaly ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary izany dia hahazoany valisoa lehibe. Rehefa miteny ny amin’ny “valim-pitia tanteraka” i Jaona, dia tsy isalasalana fa nihevitra ny amin’ny “satroboninahitra” any an-danitra izay raisin’ny kristiana voahosotra mahatoky (Apokalypsy 2:10; I Korintiana 9:24-27; II Timoty 4:7, 8; Jakoba 1:12). Miharihary fa ny vavolombelon’i Jehovah rehetra dia tokony handa ny fampianarana manohitra ny finoana satria izany dia mety hamoizany ny fiainana mandrakizay any an-danitra sy ety an-tany.
16. a) Tamin’ny ahoana ny mpivadi-pinoana no ‘nitarika’? b) Amin’ny heviny ahoana ny vavolombelon’i Jehovah mahatoky no “manana ny Ray sy ny Zanaka”?
16 Ireny mpivadi-pinoana “mpamitaka” ireny dia ‘nitarika’ ary ‘tsy nitoetra tao amin’ny fampianaran’i Kristy satria tsy nifikitra hatrany tamin’ny fahamarinana nampianarin’i Jesosy sy ny apostoliny mahatoky. Ireny mpanohitra ny finoana ireny àry dia ‘tsy nanana an’Andriamanitra’ satria tsy tao amin’i Jehovah sady tsy nanana fifandraisana taminy (I Jaona 1:5, 6; 2:22-25). Ny vavolombelon’i Jehovah mahatoky kosa dia ‘manaiky fa tonga tamin’ny nofo Kristy’, satria maneho finoana ny sorom-panavotany izy ireo sady mifikitra hatrany amin’izay nampianarin’i Jesosy sy ny apostoliny (Matio 20:28; I Timoty 2:5, 6; II Jaona 7). Ireny kristiana tso-po ireny dia nifikitra tamin’ny fahamarinana ka noho izany dia “manana ny Ray sy ny Zanaka”, satria fantany izy ireo, ankasitrahany ny toetrany ary manana fifandraisana akaiky amin’izy ireo izy.
Ny fihetsika eo anatrehan’ny mpivadi-pinoana
17. Araka ny II Jaona 10, 11, ahoana no tokony hitondran’ireo kristiana mahatoky ny “mpamitaka”?
17 Ny kristiana dia tokony hiseho ho tia mampiantrano vahiny, nefa tsy amin’ny mpivadi-pinoana izay nanda ny finoana marina (I Petera 4:9). Izany no asehon’i Jaona mazava amin’ireto teny ireto:
“Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.” — II Jaona 10, 11.
Ny “mpamitaka” dia nandehandeha sady niasa mafy mba hampiely ny fampianaran-disony. Ny kristiana iray nanolo-tena ho an’Andriamanitra dia miharihary fa tsy ho nanao zavatra tsara raha nanolo-tanana tamim-pirahalahiana azy ireny tamin’ny fandraisana azy tany an-tranony. Tsy nety koa ny niarahabana ny mpivadi-pinoana na tamin’ny fomba ahoana izany na tamin’ny fomba ahoana, na fandraisana teo am-pahatongavany izany na firariana fitahian’Andriamanitra ho azy teo am-piaingany. Tsy hisy kristiana mahatoky handeha hirary fahombiazana amin’izay ataon’ny mpiandany amin’ny fampianaran-diso. Azo antoka tokoa fa tsy hisy vavolombelon’i Jehovah mahatoky mihitsy haniry hifanerasera amin’ny olona toy izany.—I Korintiana 5:11-13.
18. Nahoana ny vavolombelon’i Jehovah mahatoky iray no tsy haniry na dia ny hiarahaba fotsiny ny mpivadi-pinoana iray aza?
18 Ankoatr’izany, raha nisy mpanompon’i Jehovah nandray tao an-tranony mpampiana-diso toy izany, dia ho tonga “mpiray tetika amin’ny asa ataony” izy. (Bible en fran<u481>ais courant.) Noho izany, dia tsy hisy mihitsy vavolombelon’i Jehovah mahatoky amin’izao androntsika izao haniry hiarahaba mpivadi-pinoana iray voaroaka na niala an-tsitrapo tamin’ny kongregasiona, na hanao ny tokantranony kristiana ho toerana hielezan’ny fampianaran-diso. Ny mpino izay hampiantrano mpivadi-pinoana iray ka, noho izany, dia hahatonga ny fahafatesana ara-panahin’ny namana iray mpanompon’i Jehovah, dia tsy isalasalana mihitsy fa hivesatra andraikitra lehibe tokoa eo anatrehan’Andriamanitra. — Jereo Romana 16:17, 18; II Timoty 3:6, 7.
19. Fihetsika manao ahoana no harahin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny eo anoloan’ny mpivadi-pinoana?
19 Ny sasany, izay Vavolombelon’i Jehovah fahiny, dia nanda ny fampianarana maromaro miorina amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny. Ohatra, milaza izy ireny fa tsy miaina amin’ny ‘andro faran’izao tontolo izao’ ankehitriny isika, na dia ao aza ny porofo miharihary rehetra manamarina izany (II Timoty 3:1-5). Ireny mpivadi-pinoana ireny dia ‘niala avy tamintsika nefa tsy mba namantsika izy’. (I Jaona 2:18, 19.) Izany no tsy ananan’izy ireny firaisana amim-pirahalahiana mihitsy amin’ny vavolombelona voahosotra mahatoky sy ny namany. Ireny mpanohitra ny finoana tia tena ireny àry dia tsy manana “firaisana” amin’ny Ray sy ny Zanaka, na dia mihambo ho manana fifandraisana akaiky dia akaiky amin’Andriamanitra sy Kristy aza. Ao anatin’ny haizina ara-panahy kosa aza izy ireny (I Jaona 1:3, 6). Ireo izay tia ny fahazavana sy ny fahamarinana àry dia hanohitra mafy ireny mpiandany amin’ny fahadisoana ireny. Ny vavolombelon’i Jehovah mahatoky dia tsy te-ho tonga mpiray tetika amin’ny “asa ratsy” ataon’ireny mpivadika ireny amin’ny fanohanana amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa ny tenany na ny asany ratsy. Enga anie isika kosa ‘mba hiezaka mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina”! — Joda 3, 4, 19.
Aoka isika hifikitra amin’ny fahamarinana
20. Toy izay mbola hanoratra lava be, inona no nantenain’ny apostoly Jaona?
20 Taorian’ny fananarany ny rahalahiny mpino mba handa ny fivadiham-pinoana sy hifikitra amin’ny fahamarinana, Jaona dia namarana ny taratasiny faharoa azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, tamin’izao teny izao:
“Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga aty aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo. Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.” — II Jaona 12, 13.
Naleon’ilay apostoly tsy nanoratra ny hevitra hafa izay mbola tao am-pony. Natokany àry ny taratasiny vita tamin’ny zozoro, ny bararata fanoratany ary ny ranomainty (angamba fifangaroan’ny ditin-kazo notapohana rano). Na dia tao aza ny fahanterany, dia nanantena hitsidika ireny kristiana ireny izy ary hiresaka aminy “mifanatrika” na, ara-bakiteny, “am-bava”, izany ho hankamamy akaiky kokoa ny fiarahana amin’izy ireo (Darby; Kingdom Interlinear Translation; jereo Nomery 12:6-8). Ny fitsidihan’ilay apostoly dia azo inoana fa hahatonga fifamporisihana tena hahasoa eo amin’ny lafiny ara-panahy ka ho antony hitondra fifaliana lehibe koa. — Jereo Romana 1:11, 12.
21. Inona no hita mazava amin’ny famaranan-teny nataon’i Jaona ao amin’ny taratasiny faharoa?
21 Ny fitiavana kristiana izay mampiray ny mpanompon’i Jehovah dia miseho mazava eo amin’ny fanaovam-beloma nosoratan’i Jaona. Raha nanoratra ho an’ny vehivavy kristiana iray nantsoina hoe Kuria izy, dia toa nanan-janaka izay nandefa ny fiarahabany mafana izy io. Nefa raha toa kosa manisy fitenenana ny amin’ny kongregasiona iray (angamba Efesosy) ilay apostoly rehefa milaza hoe “ny rahavavinao”, ny ‘zanak’ resahina dia ny mpikambana ao amin’io kongregasiona io.
22. a) Manampy ny Vavolombelon’i Jehovah hanao inona moa ny taratasy faharoan’i Jaona? b) Fanontaniana hafa inona no mendrika hodinihina?
22 Ao amin’ny taratasiny faharoa, ny apostoly Jaona dia mandefa torohevitra mivantana nefa feno fitiavana izay tokony hanampy ny kristiana rahalahiny mba handa ny fivadiham-pinoana sy hifikitra amin’ny fahamarinana. Ary tapa-kevitra hanao izany indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny noho ny fanampian’Andriamanitra. Nefa tokony hampandroso ny tombontsoa kristiana koa isika amin’ny fanaovana ny tenantsika ho “mpiara-miasa (...) amin’ny fahamarinana.” (III Jaona 8.) Amin’ny fomba ahoana no hetezan’izany?
Azonao atao ve ny mamaly?
□ Inona no dikan’ny hoe ‘mandeha amin’ny fahamarinana’?
□ Fampianaran-diso inona no naelin’ny “mpamitaka”?
□ Araka ny II Jaona 10, 11, ahoana no tokony hiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpivadi-pinoana?
[Sary, pejy 23]
Nanda ny fivadiham-pinoana foana ireo vavolombelon’i Jehovah nahatoky