Jakoba dia mamporisika ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio sy miasa
AHOANA no fiheveranao ny torohevitra avy amin’ny olona be taona kokoa? Aoana raha marina izany eo amin’ny lafiny ara-panahy ary tena mivantana? Harahinao ve izany?
Ny taratasin’i Jakoba, nosoratana talohan’ny 62 talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia mirakitra torohevitra mivantana toy izany. Ny mpanoratra azy dia zokiolona iray—lehilahy iray izay tao anatin’ny 30 taona teo dia nahita fanandraman-javatra teo amin’ny fandaminana ny zava-nanahirana an’ireo mpiara-manompo taminy. Eny, i Jakoba, loholona kristiana, rahalahin’i Jesosy Kristy iray reny taminy, dia afaka nanoratra tamim-pahatsorana noho ny fanandraman-javatra an’ny tenany manokana. (Marka 6:3.) Manamafy ny fomba fanorany feno hafanam-po ireo sary mivantana sy ireo fanontaniana mazava izay mampiseho tsara fa ny fivavahana maloto sy tsy miasa dia tsy ankasitrahan’i Jehovah.
Notarihin’Andriamanitra i Jakoba raha nanome torolalana marina izay azo ampiharina ankehitriny toy ny tamin’ny taonjato voalohany. Raha misaintsaina ny torohevitra nomeny azo tamin’ny tsindrimandry isika dia mety hahazo valin’ny fanontaniana lehibe sasany. Ary ny teniny dia tokony hanosika antsika ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio sy miasa.
Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny fitsapana
Nanoratra ho an’ny “foko roa ambin’ny folon’ny” Isiraely ara-panahy niely nanerana ny tany fantatra tamin’izay fotoana izay i Jakoba. Kanefa ny torohevitra nomeny dia mihatra amin’ny “olona betsaka” koa. (Apokalypsy 7;4-9; Galatianina 6:16.) Namporisika ireo mpiara-manompo taminy izy mba hihevitra ny fitsapana amin-pifaliana satria fahasambarana maharitra no ho vokatra raha miaritra azy ireny amim-pinoana izy ireo. Tokony hangataka amim-pitokisana amin’Andriamanitra isika mba hanomezany ny fahendrena hiaina amin’ny fomba ankasitrahany, indrindra rehefa tojo fitsapana. Ireo mpanaraka An’i Jesosy voahosotra izay miaritra fitsapana amim-pahatokiana dia handray ny “satroboninahitra fiainana”, ny tsy fahafatesana any an-danitra. Ny “olona betsaka” izay miaritra amim-pahatokiana dia hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany.—Jakoba 1:13-18; Efesianina 1: 13, 14, MN.
Inona no fivavahana marina?
Mba hanarahana ny fivavahana marina, dia tsy maintsy mamaly haingana ka mankato ny Tenin’Andriamanitra isika. Tsy maintsy ho tsy malaky mampiseho fahatezerana koa isika ary tsy maintsy manala amin’ny tenantsika izay rehetra heverin’Andriamanitra fa maloto. Amin’ny fanesorana ny faharatsiana avy amin’ny fo sy ny saintsika no amelantsika ny teny fahamarinana hiroborobo ao, ary tsy maintsy ho tsy mpihaino ny teny fotsiny ihany isika fa ho mpankato azy koa, ka tena manao ny Baiboly ho mpitari-dalana antsika. Hevero izao: Rehefa avy nijery ny tarehiny teo amin’ny fitaratra ny lehilahy iray ka mandeha dia hadinony ny hoe karazan’olona manao ahoana izy. Mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fomba azo ekena dia tsy afaka ny ho mpihaino manadino isika. Tsy maintsy mandinika ny “lalàna tanteraka” kosa isika, manaiky izay rehetra takina amin’ny kristianina marina, ary tsy maintsy miasa mifanaraka amin’izany.—Jakoba 1:19-25.
Mba hahafahan’Andriamanitra mihevitra antsika ho tena mpanompony marina, isika koa dia tsy maintsy mifehy ny lelantsika, mifehy tena mba tsy hanao resaka misy fanendrikendrehana, fanaratsiana sy ny toy izany. Ambonin’izany, araka ny fomba fihevitr’i Jehovah, ny fanompoam-pivavahana izay “madio” (masina, tsy misy tsiny) sy “tsy misy loto” (tsy voapentin’ny faharatsiana) dia mahafaoka fiheverana arahin’asa ireo tsy manana. Zavatra takina koa ny ‘fiarovana ny tena tsy hisy pentimpetina avy amin’izao tontolo izao’ny’ olombelona tsy manompo an’Andriamanitra. Tsy misy afaka ny hankasitrahan’i Jehovah raha mbola manao ireo zavatra tsy marina ataon’izao tontolo izao. Marina fa tsy notanisain’i Jakoba avokoa akory ireo fepetra takina ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Nasehony tsara anefa fa ny tena fanompoana marina an’i Jehovah dia madio sy miasa.—Jakoba 1:26, 27.
Azo melohina ve ny fanavakavahana ara-tsosialy?
Nasehon’i Jakoba fa ny fanompoam-pivavahana madio koa dia mitaky tsy fizahan-tavan’olona eo amin’ny fifandraisana amin’ny mpanan-karena sy ny mahantra. Ireo izay nilaza azy ho kristiana dia nanan-kevi-dratsy tamin’ny fampisehoana fiangarana tamin’ny mpanan-karena ka nampiseho fanavakavahana ara-tsosialy tamin’izany. Enga anie isika ka tsy ho meloka mihitsy amin’ny fanehoana fizahan-tavan’olona tsy araka an’Andriamanitra ve izany!—Jakoba 2:1-4.
Azo inoana fa tsy maintsy eken’ny kristiana fa amin’ny ankapobeny, ireo mpanan-karena dia miteny ratsy ny anaran’i Kristy tamin’ny fanenjehana ireo mpanaraka azy. Noho izany, toy izay hanota amin’ny fampisehoana fanavakavahana ara-tsosialy sy fizahan-tavan’olona amin’ireo mpanan-karena, isika dia tokony hanaraka ny “didy ambony indrindra” amin’ny fanehoana fitiavana amin’ny olona mifandray amintsika rehetra. Ahoana no azontsika anantenana ny hahazo ny famindrampon’Andriamanitra raha tsy mampiseho famindrampo sy fitiavana amin’ny mahantra isika? Eny tokoa, ny fiangarana raha ny amin’ny laharana ara-tsosialy ao anatin’ny kongregasiona dia tsy hifanaraka amin’ny fanompoam-pivavahana madio.—Jakoba 2:5-13; Matio 22:39; Asa. 10:34, 35.
Ahoana no hahafahantsika manaporofo fa manana finoana isika?
Ny apostoly Paoly dia nampiseho fa tsy amin’ny alalan’ny asan’ny Lalàn’i Mosesy akory fa noho ny finoany an’i Jesosy Kristy no anamarinan’i Jehovah ny olona. (Romana 3:19-28.) Manaiky izany i Jakoba, kanefa nanamarika izy fa ny finoantsika dia tsy maintsy porofoina fa velona amin’ny alalan’ny asa araka an’Andriamanitra izay anosehany antsika mba hatao isika. Ny finoana izay tsy manosika antsika hanao asa tsara dia tsy tena izy ary tsy hahatonga antsika ho voavonjy. Ohatra, raha toa ny mpiara-manompo amintsika ka tsy ampy fitafiana sy sakafo, teny fotsiny dia tsy hanampy azy, tsy maintsy misy fanampiana azo tsapain-tanana. Na dia ireo demonia aza dia mino fa misy Andriamanitra, nefa tsy manao asa tsara izy ireo. Ny finoana lazaina fa anarana nefa tsy misy asa tsara mba hanohana azy àry dia tsy miasa, ary tsy misy vokany raha ny amin’ny fahazoana famonjena. I Abrahama, “rain’izay” rehetra manana finoana marina, dia nampiseho ny finoany tamin’ny asa rehefa nanolotra an’i Isaka izy. I Rahaba koa dia nanana finoana niasa, satria “nohamarinina tamin’ny asa” izy tamin’ny fiarovany ireo mpisafo tany isiraelita. Noho izany àry, raha tsy manana aina toy ny vatana maty iray ny finoana lazaina am-bava fotsiny, isika izay manao asa kristiana noho ny antony manosika tsara kosa dia manaporofo fa manana finoana marina sy velona isika.—Jakoba 2:14-26.
Nahoana no tokony hofehezina ny lela?
Ny fanompoam-pivavahana madio sy miasa dia mitaky koa asa hentitra amin’ny fifehezana ny lela. Voalohany indrindra, ny kristiana rehetra—ary indrindra indrindra ireo mpampianatra ao amin’ny kongregasiona—dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hanonona fomba fihevitra diso. Nanambara i Jakoba fa toy ny ahafahan’ny lamboridy mamehy ny soavaly, isika koa dia afaka mifehy ny sisa amin’ny tenantsika mora manota raha fehezintsika ny lelantsika. Ny sambo lehibe iray aza dia mety hotarihin’ny familiana kely iray! Kanefa raha tsy fehezintsika ny lelantsika dia mety hiteraka fandravana mitatra izy, toy ny ataon’ny afo mahery iray. Amin’ny alalan’ny fanendrikendrehana, ny teny vavolombelona diso, ny fampisehoana zavatra tsy araka ny izy ary ny toy izany, ny lela tsy voafehy dia “mampipentimpentina” koa ny tena rehetra, mandoto ny tenan’ilay mpiteny manontolo. Fanampin’izany, ny lela tsy voafehy dia mety hampirehitra ny fomba fiaina iray manontolo, ary mety ho mpandringana toy ny Gehena.—Jakoba 3:1-6.
Marina fa mitaky fiezahana be ny famehezana ny lela. Na dia mahafolaka ny karazam-biby rehetra aza ny olombelona mpanota dia tsy mahafolaka ny lela amin’ny fomba tanteraka izy. Kanefa tsy maintsy miasa mafy isika mba hifehy ny lelantsika. Satria ny lela tsy voafehy dia mety hanao fitenenana mihoa-pampana sy manendrikendrika, mety handiso ny fihevitra amin’ny alalan’ny fampianaran-diso sy ny sisa, izy io dia zava-dratsy feno poizina mahafaty. Ary eritrereto fotsiny ny tsy maha-mety ny mampiasa amin’ny fomba ratsy ny lela—izay noforonina mba hiderana an’Andriamanitra aloa voalohany indrindra—mba hanozonana olombelona izay noforoniny! Tsy hety izany, toy ny tsy maha-mety ny hahazoana rano mamy sy mangidy avy amin’ny loharano ihany na oliva avy amin’ny aviavy.—Jakoba 3:7-12.
Iza no tena hendry?
Ny fahendrena marina dia ilain’ny kristiana rehetra ary indrindra fa ireo izay mampianatra ny hafa efa mpanaraka ny fanompoam-pivavahana madio. Ny olona tena hendry iray dia maneho fanetren-tena sy tahotra araka ny izy an’i Jehovah. Raha ny marina, mba hanompoana amin’ny maha-mpampianatra amin’ny fomba azo ekena, ny lehilahy iray dia tsy maintsy ho malemy fanahy, tsy ho henjana fiteny, miavonavona na manantitrantitra ny fomba fiheviny manokana. Ambonin’izany, ny fialonana sy ny fifampiandaniana dia tena tsy mety mihitsy amin’ny mpampianatra kristiana iray na ny mpanaraka an’i Kristy hafa. Mifanohitra amin’izany, ny fahendren’ireo izay manana toetra tsy araka an’Andriamanitra toy izany dia araka ny nofo, araka ny demonia.—Jakoba 3:13-16.
Ny fahendrena avy any an-danitra kosa anefa dia madio, tia fihavanana, mandefitra sy “mora alahatra”. Araka izany, ny mpampianatra kristiana mandefitra iray dia tsy hianina amin’ny fanohanana fanizingizinana tsy marim-pototra. Ambonin’izany, ny fahendrena avy any an-danitra dia “be voka-tsoa” koa, fitenenana izay mampahatsiahy indrindra ny fanaovan-javatra rehetra avy amin’ny hatsaram-po sy ny rariny ary ny fahamarinana. Mazava ho azy fa mba hanjakan’ny rariny, dia tena ilaina ny hanapahan’ny fiadanana. Noho izany antony izany, dia tsy tena hiseho ho hendry ireo mpampianatra sy ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona raha tsy manao izay hitomboan’ny fihavanana.—Jakoba 3:17, 18.
Ahoana no hisorohantsika ny ady?
Ny fiadiana nisy teo amin’ny mpiara-manompo tamin’i Jakoba dia voakotaba, satria nisy tamin’izy ireo meloka tamin’ny fampisehoana fiangarana, ny fitsarana ny hafa tsy araka ny izy ary ny fialonana, ankoatra ny zavatra hafa. Izany dia niafara tamin’ny ady tao amin’ny kongregasiona. Ary inona no loharanon’izany ady izany? Ny tsy fahazoany fahafaham-po tamin’ny filany fahafinaretena ara-nofo tsoiny. Ny faniriana ratsy toy izany dia mahatonga fitsiriritana ratsy indrindra sy fankahalana mamono.—Jakoba 4:1-3.
Mba hisorohana ny ady eo anivon’ny kongregasiona, isika dia tsy maintsy mandositra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao, izay fijangajangana ara-panahy. Izany dia mitaky ny tsy hananantsika fihetsika, zava-kendrena, fomba fiasa ary asan’izao tontolo izaon’ny olona tafasaraka amin’Andriamanitra. Na dia mitarika ho amin’ny ady sy mahatonga fanerena mafy amin’ny olombelona mpanota aza ny fitsiriritana, izany dia azo toherina amin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra izay mampiseho tokoa ny hatsaram-pony amin’izay tsy mendrika akory. Izany fanampian’ny fanahy masina izany dia mety ho azon’ny mpanompon’i Jehovah manetry tena izay tsy mitsahatra mivavaka mba hahazoana ny fanampiany ary mankato azy. Afaka manohitra ny Devoly amim-pahombiazana izy ireo. Marina fa izay rehetra nilaza azy ho kristiana ka naneho fihetsika tsy nety dia tsy maintsy manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, manetry tena eo anoloany ary mitsahatra tsy miteny ratsy ny rahalahiny na mitsara azy tsy amim-pahamarinana. Tsy mety mihitsy ho an’ny olombelona mpanota ny mitsara ny namany satria Jehovah no Mpanome lalàna sy Mpitsara tampony!—Jakoba 4:4-12.
Ny fialana amin’ny fiavonavonana sy ny fieboeboana dia anisan’ny mitondra fiadanana ho an’ny kongregasiona koa. Koa satria ny fiainana amin’ity fandehan-javatra ity dia toy ny zavona izay levona vetivety, dia ho adala isika raha mifantoka aminy sy mirehareha ny amin’izay kasaintsika hatao. Tokony hilaza kosa isika hoe: “Raha sitrapon’i Jehovah”, fara faharatsiny ao am-pontsika. Raha ny tena izy dia tsy afaka manatanteraka zavatra maharitra isika raha tsy amin’ny fankasitrahany sy ny fanampiany, ary Jehovah dia mitaky fanetren-tena sy fanekena azy ho ny loharanon’ny fiainana sy ny zavatra tsara rehetra. Tokony hiasa mifanaraka amin’izany fahalalana izany isika, satria ny manao ny mifanohitra amin’izany dia fahotana.—Jakoba 4:13-17.
Nahoana no maneho faharetana?
Anisan’ny zavatra hafa, i Jakoba dia nanantitrantitra nanaraka izany fa ilaina ny hanehoana faharetana. Azo inoana fa tao anatin’ireo kongregasiona dia nisy olona mpanan-karena vitsivitsy izay nahatsapa, tahaka azy, fa ny harena ara-nofo dia tsy misy vidiny raha oharina amin’ny harena ara-panahy ananan’ny kristiana. Kanefa, amin’ny ankapobeny, ireo mpanan-karena dia nampahory ny mahantra ary nanohitra ny olo-marina. Nanambara àry i Jakoba fa tokony hiaritra izany sy zava-tsarotra hafa amim-paharetana isika, mandra-piavin’ny fitsarana an’ireo mpampahory ireo amin’ny “fanatrehan’ny Tompo”, Jesosy Kristy. Ilaintsika ny hitovy amin’ny mpiasa tany izay miandry amim-paharetana ny fotoam-pijinjana. Raha tahiny ka tsy maharitra isika ary tsy miaritra amim-pahatokiana ny fitsapana intsony, dia ho verintsika ny fanamaivanana sy fitahiana izay tokony hiaraka amin’ny fanatrehan’ny Tompo.—Jakoba 5:1-8, MN.
Amin’ny maha-mpanompo marina antsika, isika dia tsy maintsy maharitra koa amin’ireo mpiara-manompo amintsika, tsy tezitra aminy na mimenomenona aminy tsy araka ny izy, amin’ny saina feno tsy fahafaliana be. Avy eo i Jakoba dia nanambara fa ny mpaminanin’i Jehovah dia manome ohatra ny amin’ny fiaretana ny ratsy sy ny faharetana. Toa an’i Joba fahiny, dia azontsika atao ny mandray fampiononana avy amin’ny fahafantarana fa hahazo ny famindrampo sy fiantrana lehiben’i Jehovah isika raha miaritra amim-paharetana amin’ny fo madio sy mifikitra tsara amin’Andriamanitra.—Jakoba 5:9-11.
Amin’ny ahoana no maha-misy vokany ny vavaka?
Rehefa avy nampitandrina ireo kristiana namany mba tsy hanao fianianana tsy amin’ny antony i Jakoba dia namporisika azy ireo mba hivavaka. Tena zava-dehibe indrindra ny vavaka rehefa miaritra fahalemena na aretina ara-panahy ny tena. Hety ny hiantsoana ireo loholon’ny kongregasiona izay afaka manonona sy mampahatsiahy torohevitra ao amin’ny Baiboly izay toy ny diloilo mampitony. Ireo loholona ireo dia hivavaka ho an’ilay mila fanampiana, ary ny fivavaky ny finoana” toy izany dia hisy vokany. I Jehovah dia hamela ny heloka nety ho nataon’ny olona manetry tena sy mibebaka iray, ary hamerina azy ho amin’ny fahasalamana ara-panahy. “Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra”. Ny fahamarinan’izany dia voaporofo tamin’ny namalian’i Jehovah ireo vavaka nataon’i Elia.—Jakoba 5:12-18.
Ahoana raha sendra miala amin’ny lalan’ny fahamarinana ny kristiana iray? Ireo olona manana ny toetra ara-panahy ilaina dia tokony hanandrana ny hanampy azy amin’ny alalan’ny vavaka amin-kafanam-po sy ny fiezahana mafy hampihatra ny Tenin’Andriamanitra. Raha ‘miala amin’ny lalan’ny fahadisoany’ ilay nania, ny fanahiny—ilay mpanota mihitsy—dia ho voavonjy amin’ny fahamelohana sy ny fahafatesana mandrakizay. Ilay olona nananatra azy dia miasa ho amin’ny ‘fanaronana’ na ny famelana ny helok’ilay nania.—Jakoba 5:19-20.
Aoka isika haharitra amin’ny fanompoam-pivavahana madio
Ny taratasin’i Jakoba dia mamaly araka ny izy, sasany amin’ireo fanontaniana iankinan’ny aina, araka ny nahitantsika azy. Kanefa ahoana no handraisantsika manokana izany toro hevitra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra avy amin’ny zokiolona manana fanandraman-javatra izany? Mivantana sy marina eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireny ka hanaraka azy ve isika?
Raha tena mampihatra ny torohevitr’i Jakoba tokoa isika, dia hanampy antsika hiaritra fitsapana izany, hanaraka fivavahana marina, tsy hampiseho fiangarana ary hanaporofo amin’ny alalan’ny asa tsara fa manana finoana marina sy velona isika. Ary koa, izany dia hanampy antsika hifehy ny lelantsika, hanao zavatra araka ny fahendrena avy any ambony, hisoroka ny ady ao amin’ny kongregasiona ary hiaritra amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah manetry tena sy mivavaka. Raha ny tena izy, noho ny fanarahana ny torohevitr’i Jakoba, isika dia ho afaka kokoa ny hidera ny Raintsika be fitiavana any an-danitra ka haharitra ao amin’ny fanompoam-pivavahana madio sy miasa.