FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/9 p. 3-4
  • Inona no tsiambaratelon’ny fahasambarana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no tsiambaratelon’ny fahasambarana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka ny hanao izay hahasambatra antsika ve Andriamanitra?
  • Inona no ataony ho antsika?
  • Mety ho azonao ny fahasambarana
  • Ny Fahasambarana Marina eo Am-panompoana An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Momba ny Fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Sambatra Izay Manompo An’ilay “Andriamanitra Falifaly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Aiza no Mety Hahitana Tena Fahasambarana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/9 p. 3-4

Inona no tsiambaratelon’ny fahasambarana?

MBA hahasambatra dia ilaina ny hanan-karena, tsara tarehy sy ho tian’ny olona rehetra. Izany fara faharatsiny no mety hoeritreretina raha mifototra amin’ny dokambarotra sy ny sarimihetsika ary ny tantara foronina amin’izao andro izao.

Nefa rehefa heverina tsara daholo ny zavatra rehetra, moa ve ny vola sy ny harena be dia be mitondra tena fahasambarana maharitra. Heverinao fa tena ilaina ve ny fahatanorana sy ny hasoan’ny vatana mba hahasambatra anao? Marina fa toa hita ho sambatra matetika ny ankizy sariadriaka. Inona anefa no tsiambaratelon’ny fahasambarana?

Afaka ny hanao izay hahasambatra antsika ve Andriamanitra?

Angamba ianao efa nandre filazana fa raha ny marina, ny fahasambarana dia avy amin’ny fifandraisana tsara amin’ny Mpamorona. Sarotra amin’ny olona be dia be anefa ny mino Fisiana tampony iray. Tsy hitan’izy ireo tokoa izy io, tsy fantany ka mihevitra izy ireo fa angatahina aminy ny hanekena tsotra izao ny fisiany. Koa tsy takany ny hoe amin’ny ahoana Andriamanitra no mety hitondra fahasambarana ho azy ireo.

Marina fa tsy afaka mahita an’Andriamanitra isika satria “Fanahy” izy. (Jaona 4:24.) Nefa moa ve tsy misy zavatra tsy hita maso maro izay ekentsika an-tsitrapo ny fisiany? Ohatra, tsy lavintsika ny hasarobidin’ny fisakaizana na dia tsy hitantsika aza ny fihetseham-po mamatotra antsika amin’ireo sakaizantsika. Tsy azo lavina fa mieritreritra isika, nefa iza no efa mba nahita eritreritra? Tsy misy iadian-kevitra fa velona isika, nefa moa ve isika na dia izany aza efa nahita ny herim-piainana izay manetsika antsika?

Izay rehetra tsy mbola novan’ny olombelona eto an-tany dia mampiseho filaminana sy hatsaran-tarehy ary misy vokany. Ny natiora àry dia tena tsy maintsy noheverina sy noforonin’olona, olona mahay mifidy ny zavatra tsara tarehy tsy manam-paharoa, fisiana izay nahafantatra izay mety hahatonga antsika ho sambatra. Mahaliana fa ny mpanoratra iray fahizay dia nanazava fa ireo toetr’Andriamanitra tsy hita maso dia fantatra eo amin’ny zavatra nataony. Rehefa dinihina tokoa, moa ve ny hosodoko na ny sary sokitra kanto iray tsy mampahafantatra be dia be an’ilay mpanan-talenta nanao azy? Mihatra amin’Andriamanitra koa io fotopoto-pitsipika io. Azo atao ny “mahita” azy ao amin’ny zavatra noforoniny sy ao amin’ny zavatra rehetra nataony ho antsika.​—Romana 1:20.

Inona no ataony ho antsika?

Afaka manampy antsika ho sambatra Andriamanitra. Marina fa ny zavatra noforoniny dia tsy mamela antsika hahazo an-tsaina afa-tsy sombiny amin’ny heriny, ny fahendreny sy ny fitiavany. Nefa, mifanohitra amin’ny filoha be dia be eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, Jehovah dia tsy miseho ho mangatsiaka na lavitra ny vahoakany. Noho ny fitiavana, dia zarainy amim-pahalalahan-tanana amin’ny zavaboariny ny fampianarana izay mety hanampy azy ireny hanana fiainana sambatra. Ny Baiboly tokoa dia feno ireny ‘fampitandreman’Andriamanitra’ ireny izay mitondra fahasambarana ho antsika.​—Salamo 25:8-10, MN.

Jesosy Kristy dia nanonona sasantsasany tamin’ireo lalàna izay mampiharihary amintsika ny fiheveran’Andriamanitra ny amin’ny fanao samihafa, amin’izao teny izao: “Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’.” (Matio 19:18, 19). Araka ny hevitrao, ho sahala amin’ny hita ankehitriny ve izao tontolo izao raha narahina ny toromarika toy izany? Raha tsy nisy mpamono olona, na mpijangajanga, na mpanao ratsy hafa teto an-tany, dia tsy azo lavina fa ho sambatra lavitra noho izao ny olombelona.

Izao no ambaran’ny Soratra Masina: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny”! (Salamo 144:15). Marina loatra ireo teny ireo! Amin’ny fampiharana ny torohevitr’Andriamanitra, dia olona be dia be no nahita ny fahatoniana sy ny fitokisana izay tena ilaina mba hahazoana fahasambarana marina (Filipiana 4:6, 7). Nefa aoka hohenointsika izay holazain’ny sasany amintsika ny amin’izany.

Ahoana no mety hahitan’ny mpiavy tia zava-mahankona iray fahasambarana? Tia filalaovan-dratsy, mpimamo, fatra-pitia lanonana “pop” sy mpila ady ambonin’izany io lehilahy io ka nahita tsara fa tsy nanitsy velively ny fitambaran’olona nankahalainy ny fomba fiainany. Ny hany sisa tokony hataony, hoy ny eritreriny, dia ny nilalao sy ny nanao ny danin’ny kibony. Nefa, ny ray aman-drenin’ilay zazavavy novadiny dia nanoro azy lalana izay mitarika ho amin’ny fitambaran’olona vaovao iray, dia fitambaran’olona efa eo am-piforonana hatramin’izao. Izao no nambarany: “Rehefa nanambady aho, dia azo nolazaina hoe voatery nahatsapa fa ny fiainana nananako hatramin’izay dia tsy afaka nitarika ahy afa-tsy ho amin’ny loza aman’antambo. Izao aho dia miaiky mafy fa ny fampiharana ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly dia mety hitondra fihatsarana mahatalanjona eo amin’ny fiainan’ny lehilahy iray. Vavolombelon’i Jehovah vita batisa aho izao ary manompo an’Andriamanitra miaraka amin’ny vadiko sy ny zanako roa.” Nahita ny tena fahasambarana io lehilahy io tamin’ny fahatongavana ho kristiana.

Alohan’ny hijerena toe-javatra hafa iray, dia alao sary an-tsaina fa hoe vao avy nodidiana tamin’ny homamiadana ianao, fa mbola tsaboina amin’ny “radiothérapie” ary miandry ny hodidiana fanindroany. Ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, ho sambatra tokoa ve ianao? Ny vehivavy iray nahita toe-javatra mahatsiravina toy izany amin’izao fotoana izao, dia fantatra fahiny ho vehivavy janga ao amin’ny faritra onenany. Nila fotoana naharitra izy mba hampiharana ny torohevitra ao amin’ny Baiboly rehetra azony. Nefa, nitoky tamin’Andriamanitra izy ka nahazo ny hery hanaovana fiovana tanteraka teo amin’ny fiainany. Tao amin’ny vohiny any Pays-Bas izay tsy nisy tsy nahalala ny lazany taloha, ankehitriny izy dia mandeha manambara ny “vaovao tsara” isan-trano mba hanampy ny mpiara-belona aminy hahazo ny tena fahasambarana.Na dia ao aza ny zava-manahirana azy lehibe ara-pahasalamana, dia manambara toy izao izy: “Nametraka ny fitokisako rehetra tamin’i Jehovah aho ka matoky fa hanampy ahy izy.” Mahita ny tena fahasambarana izy ankehitriny.

Ny hita tamin’ny vehivavy be taona iray nonina tany Amsterdam dia hampiseho amintsika koa, raha ilaina izany, fa tsy hoe tsy maintsy mamoy ny tena fahasambarana akory ny tena raha iharan’ny loza maro eto amin’izao tontolo izao feno fahoriana. Nahita fahasambarana tao an-tokantrano izy nandritra ny 57 taona. Nefa, volana vitsivitsy monja taorian’ny nahafatesan’n vadiny, dia mbola nilaza toy izao ihany izy: “Sambatra aoka izany aho, azoazoko ny aiko ato an-tokantranoko ary tsy matahotra aho.” Inona no tsiambaratelony? “Raha mankato ny lalàn’Andriamanitra ny tena, hoy izy, dia tsy maintsy sambatra.”

Mety ho azonao ny fahasambarana

Hita àry fa ny fiadanana anaty sy ny fifaliana dia tsy miankina loatra araka ny iheverana azy amin’ny fahasalamana, ny harena, ny voninahitra na zavatra hafa sahala amin’izany. Mba hahitana fahasambarana maharitra, dia zava-dehibe kokoa ny hananana fieritreretana tsara, fanajan-tena, namana mendrika izany anarana izany, ary ambonin’ny zavatra rehetra, ho sakaizan’ny Mpamorona. Nahoana àry no tsy manandrana “mijery” an’Andriamanitra, amin’ny fandinihana amim-pahiratan-tsaina kokoa ny zavatra noforoniny, ary ny mbola tsaratsara kokoa ihany, amin’ny fianarana ny Baiboly? Tsy isalasalana fa tsy azonao an-tsaina ny fahasambarana mety ho azonao raha raisinao am-po ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra.

Nefa moa ve ireo tonga Vavolombelon’i Jehovah mifaly amin’ny fahasambarana tsy misy fangarony foana? Mba hisehoana ho tsotra, dia tsia no tokony havalinay. Araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka, dia manan-java-manahirana daholo ny olona tsy tanteraka ary mila fanamiana izy ireo mba handaminana izany. Nefa ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia tena afaka manohana ny kristiana tso-po amin’ny diany eo amin’ny lalan’ny fahasambarana mandrakizay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara