FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/8 p. 5-7
  • Ny androntsika, ny ratsy sady ny tsara indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny androntsika, ny ratsy sady ny tsara indrindra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Taranaka voamarika
  • Inona no hevitr’izany rehetra izany?
  • Ny fampanantenan’Andriamanitra
  • Ireo soa dieny izao
  • Rahoviana no ho tonga ny fandringanana an’izao tontolo izao voalazan’ny faminaniana
    Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany?
  • Akaiky “ny faran’izao tontolo izao”!
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Mbola haharitra fotoana toy inona ny fandehan-javatra ankehitriny?
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
  • Ny Fanjakan’Andriamanitra dia manana fahefana eo afovoan’ny fahavalony
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/8 p. 5-7

Ny androntsika, ny ratsy sady ny tsara indrindra

CHARLES DICKENS dia nanomboka ny Conte de deux villes, tantara nosoratany fantatry ny besinimaro, natokana hiresahana ny amin’ny Revaolisiona frantsay, tamin’izao teny izao: “Izany ny ratsy sady ny tsara indrindra tamin’ny fotoana”. Tamin’izany fomba izany izy dia nanandrana nilazalaza ny fikorontanana nanamarika ny androny, sady nampiseho ny lafitsara natrangan’ireny fitabatabana ara-tantara ireny.\

Kanefa, amin’ny fahazavan’ny zava-niseho izay vao avy notsahivintsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, ny androntsika dia azo antsoina amin’ny lafiny maro amin’ny fomba mety kokoa ihany hoe “ny ratsy indrindra amin’ny fotoana”. Nefa moa ve ny fe-potoana iray voamariky ny fahasahiranana lehibe toy izao mety ho antony azo ifaliana na dia izany aza? Mety hety tokoa izany, raha tao anefa ka mahazo antoka ny amin’ny ho avy sambatra kokoa isika.

Araka ny efa hitantsika, amin’ny fomba maro, izao tontolo izao dia mamakivaky fotoana mahatsiravina. Kanefa tena azontsika atao ny mino fa efa akaiky ny fanafahana ny taranak’olombelona. Eny, hafahana amin’ny heloka bevava, ny ady, ny mosary sy ny aretina izy. Ny Baiboly tokoa dia manolotra fanantenana toy izany. Nefa mba hahatonga an’izany ho fanantenantsika, dia ilaintsika ny mamantatra ny fe-potoana iainantsika ka mamaritra ny fihetsika tokony horaisina, araka ny Soratra Masina.

Taranaka voamarika

Tamin’ny taonjato voalohany, ny apostolin’i Jesosy dia nanantena azy haka ny fahefana teo amin’ny Isiraely amin’ny maha-Mesia nampanantenaina. Rehefa takany fa teo am-pandaozana azy ireo Jesosy kanefa tsy namaly ny fiandrasany, dia nanontany azy izy ireo ny amin’ny fiverenany tamin’izao teny izao: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra.” (Matio 24:3, MN). Ary anefa ny faminaniana notononin’i Jesosy ho valin’io fanontaniana io dia tsy tanteraka daholo tamin’ny taonjato voalohany. Ankoatra izany, ny soratra azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia tonga manamafy fa aty aoriana dia mbola ho tanteraka amin’ny lafiny lehibe kokoa amin’ny fotoana aoriana izy io (Apokalypsy 6:2-8). Moa ve izany ho ny androntsika?

Jesosy dia nanazava fa ilaina ny fahaiza-manavaka mba hamantarana ireo fotoana voambara. Nilazany mialoha ny mpianany fa ny ankamaroany betsaka amin’ny olona dia tsy hahatakatra ny hevitr’ireo fisehoan-javatra manokana izay hiseho amin’izay fotoana izay. Nanao fampitahana tamin’ny safodrano nanerana izao rehetra izao nitranga tamin’ny andron’i Noa Jesosy ka nanambara hoe: “Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona. (...) Ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra.” — Matio 24:37, 39.

Fa amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny olona mahita ny ‘fanatrehan’i Kristy’ ka handray ny fepetra ilaina noho izany mba tsy haharingana tahaka ny ankamaroan’ny olona velona tamin’ny andron’i Noa? Noho izany indrindra no nilazalazan’i Jesosy n amin’ny “famantarana” ara-paminaniana sy maro loha izay aseho ao amin’ireo Filazantsara. Aoka hojerentsika raha miseho amin’izao androntsika izao io “famantarana” io, ary izay ambarany raha miseho tokoa izany.

ADY IRAISAM-PIRENENA — FITOMBOAN’NY TSY FANKATOAVAN-DALANA: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana”. (Lioka 21:10). “Ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna.” — Matio 24:12.

Ady maro no nitranga hatramin’ny 1914, ka ny roa dia naneran-tany. Na dia amin’izao fotoana izao aza, araka ny “New Zealand Herald”, eo amin’ny miaramila iray tapitrisa sy mpiady anaty akata no any am-piadiana, ary maherin’ny zato ny zatovo maty isan’andro. Raha ny amin’ny fanaovana heloka bevava kosa, izany dia miroborobo tokoa, araka ny efa fantatrao tsara angamba. Ny mpanao gazety atao hoe Anthony Lewis dia nanao izao fanamarihana izao vao haingana: “Avy any amin’ny tany samihafa tahaka an’i Grande-Bretagne (...) sy ny Firaisana Sovietika dia ahazoana filazana mampiseho fa mitombo ny heloka arahina herisetra ary ny fahefam-bahoaka dia tsy mahasakana azy.”

HOROHORONTANY: “Ary hisy horohorontany amin’ny tany samy hafa.” — Matio 24:7.

Marina fa ireo taonjato lasa dia nahita horohorontany lehibe indraindray, fa ny antsika kosa dia voamarika manokana amin’io lafiny io. Nandritra ireo folo taona faramparany dia naharaisana isa mahatahotra indrindra amin’ny horohorontany. Araka izany, teo amin’ny 1970 ka hatramin’ny 1979, dia olona 80 000 amin’ny ara-keviny no maty isan-taona tao anatin’ny horohorontany. Ary anefa io isa io dia tsy mihevitra akory ny loza aman’antambo nandrava ny provans’I Liao-ning, any Chine, tamin’ny 1975, izay toa hoe nahitan’ny olona 800 000 fahafatesana, araka ny filazana sasany.

MOSARY — ARETINA: “Mosary sy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa.”—Lioka 21:11.

Araka ny isa nomen’ny UNICEF, dia ankizy 12 tapitrisa no maty mosary teo amin’izao tontolo izao tamin’ny 1979. Any Afrika, ny mosary dia maka ankizy iray eo amin’ny telo eo ho eo. Etsy andaniny, ny aretina dia manohy mandripaka koa ny mponina maneran-tany. Isan-taona dia ankizy dimy hetsy no matin’ny kitrotro, ary olona arivo tapitrisa no voan’ny aretina tropikaly samy hafa. Kanefa ny mponina any amin’ny tany mandroso koa dia tsy afaka mihevi-tena fa voaro satria, any aminy, ny homamiadana, ny aretim-po sy ny aretin-dratsy azo amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy dia mahavoa olona an-tapitrisany maro.

FANAMBARANA MANERAN-TANY: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity”. — Matio 24:14.

Nandritra ny roa ambin’ny folo volana lasa, teo amin’ny septambra 1981 ka hatreo amin’ny aogositra 1982, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanokana ora maherin’ny 384 tapitrisa tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara sy fampianarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny mpiara-belona taminy. Minisitra maherin’ny 2 tapitrisa no nitory tamin’izany fomba izany tany amin’ny tany sy nosy 205.

Inona no hevitr’izany rehetra izany?

Taorian’ny nanambaran’i Jesosy Kristy an’ireo fisehoan-javatra samy hafa tokoa ireo, dia nasehony ny heviny tamin’izao teny izao:

“Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” — Lioka 21:29-32.

Eny, ny fahatanterahan’izay rehetra nolazalazain’i Jesosy mialoha dia hahaforona “famantarana” iray mizarazara maro, hanambara ny fahantomoran’ny fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy misy isalasalana tahaka ny hazo “manaroka” izay manambara ny fahatongavan’ny lohataona. Raha ny marina anefa, oviana izany zavatra rehetra izany nanomboka tonga?

Ny amin’ny fisehoan-javatra iray nanova ny endrik’izao tontolo izao, ny mpandinika toe-karena frantsay atao hoe Alfred Fabre-Luce dia nanao izao famoaboasan-kevitra izao: “Ny ady tamin’ny 1914 dia nahaforona ny fihozongozonana voalohany niteraka ny fivadibadihana mbola manetsika antsika ihany.” Mpanoratra tantara sy mpitondra fanjakana maro no niaiky koa fa ny Ady Lehibe Voalohany, tamin’ny 1914, dia nanorina fotoana vaovao tanteraka. Tsara ny manamarika fa ny papa Pie faha-11 (1929-1939) dia nahita ny fisehoan-javatra nitranga hatramin’ny 1914 ho “famantarana ny andro farany, araka izay nambaran’ny Tompontsika”. Araka ny efa hitantsika, izay rehetra nambaran’ilay faminaniana dia tanteraka hatrany hatramin’izao andro izao. Misy antony tsara azontsika inoana àry fa ny taranaka vavolombelon’ny fikorontanana ankapobeny voalohany, tamin’ny 1914, taranaka izay ny solontenany maro dia mbola misy velona ihany ankehitriny dia ilay taranaka hahita koa ny fahatanterahan’io faminaniana io.

Inona àry no fihetsika tokony horaisintsika arakaraka ny mahantitra an’io “taranaka” io? Tsy tokony hanaiky ho kivy na tsy hiraika isika. Ilaintsika kosa aza ny manaraka ny torohevitra nomen’i Jesosy taorian’ny nanononany ireo zavatra samihafa mahaforona ilay “famantarana”. Nanambara izy hoe: “Ary raha vao miandoha izany zavatra izany, dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” (Lioka 21:28). Eny, mety tokoa ny hanaovantsika toy izany raha jerena izay atokan’ny ho avy tsy ho ela sy ny Fanjakan’Andriamanitra ho antsika.

Ny fampanantenan’Andriamanitra

Betsaka ireo mihevitra fa hihamaivana ny fanahianay amin’izao fotoana izao raha mba afaka miasa amim-pilaminana tanteraka ao anaty toerana mahafinaritra izy. Ary anefa ny Soratra Masina dia tsy manilika ny fiheverana toy izany velively. Ny mpaminany dia nanambara tokoa ny fahatongavan’ny toe-piainana tsaratsara kokoa, izay hahafahan’ny olona hankafy ny fiainana. Araka izany, Isaia dia nanambara hoe: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy (...). Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka.” — Isaia 65:21, 23.

Ny Soratra Masina anefa dia manintona ny saintsika manokana ho amin’ny soa ara-panahy izay ampanantenain’i Jehovah fa homeny. Ny olombelona tokoa dia tsy hahay hianina amin’ny fiadanana ara-nofo fotsiny. Mba hahasambatra, dia mila manaja fotopoto-pitsipika andidian’ny fitiavana sy ny fahamarinana isika, sy mifanerasera amin’olona izay manaja fitsipi-pitondrantena mitovy amin’izany. Ny Fanjakan’Andriamanitra indrindra anefa dia hanorina toe-piainana toy izany eto an-tany, izay hahafahan’ireo olona tso-po hivelatra tanteraka. Ny mpaminany voatonona tetsy aloha dia nanambara koa hoe: “Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.” — Isaia 26:7-9.

Ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanatanteraka zavatra izay tsy sahin’ny fitondram-panjakana rehetra mihitsy nonofinofisina; hanafaka tokoa ny olombelona amin’ny fahotana sy ny vokany, ny loza, ny aretina sy ny fahafatesana, izy. Rehefa hanao izany fanafahana izany Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, izay rehetra tia sy manao ny fahamarinana dia hahazo ny fiainana mandrakizay. — Jaona 3:16.

Ireo soa dieny izao

Kanefa aoka tsy hohadinointsika fa ny fahasambarana dia efa mety ho azontsika raha mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fikasan’Andriamanitra isika. Tsy misy tsy mahafantatra ny loza mianjady amin’ny tany, ary izy ireny dia tsy mahatonga antony hifaliana mihitsy. Nefa rehefa fantatsika ny heviny ka ekentsika ny “famantarana” avy amin’izany, dia takatsika ny hoe nahoana ny androntsika amin’ny lafiny sasany no santatra amin’ny ‘tsara indrindra amin’ny fotoana rehetra’, satria tsy ho ela dia ho vavolombelon’ny fandraisan’Andriamanitra anjara, izay hitondra ny fanafody farany amin’ny zava-manahirana ny olombelona.

Na dia maina eo anivon’ny tontolo iray mihotakotaka aza ny Vavolombelon’i Jehovah dia mifaly dieny izao amin’ny soa izay mety ho anjaranao koa. Ny fahalalany ny lalàn’Andriamanitra dia mahatonga fiarovana ara-pitondrantena ho azy ireo sady mamela azy ireo hanana fiainana voalanjalanja. Mahatsapa fiadanan-tsaina azo avy amin’ny fanantenana miorina amin’ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny fitondrantena tia fivavahana izy ireo (Salamo 119:165; I Timoty 4:8). Ankoatr’izany, izy ireo dia handray soa amin’ny fanafahana hoentin’i Kristy tsy ho ela, amin’ny fandringanany ny fahavalon’Andriamanitra, ka hanomezany amin’izany fomba izany ho azy ireo ny fahafahana hanao soa maharitra avy amin’ny Mpamorona. — Zefania 2:2, 3; Salamo 29:11.

[Sary, pejy 6]

Raha niresaka ny amin’ny androntsika i Jesosy dia nanambara fa afaka haka fianarana ny amin’ny aviavy isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara