FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/7 p. 28-30
  • Nanapaka ny fiainako ny mozika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanapaka ny fiainako ny mozika
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitaoman-dratsy sy zavatra mahankona
  • Ny mozika sy ny spiritisma
  • Fomba fijery vaovao momba ny fiainana
  • Fiovana teo amin’izay nomena ny toerana voalohany
  • Mety hanan-kery eo aminao ve ny fandehan’ny mozika amin’ny andro ankehitriny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ahoana no Ahafahako Mihazona ny Mozika ho eo Amin’ny Toerany?
    Mifohaza!—1993
  • Ny fahafinaretana avy amin’ny mozika — Ahoana no hanandramana izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Be Loatra ve ny Fotoana Ihainoako Mozika?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/7 p. 28-30

Nanapaka ny fiainako ny mozika

Tantarain’i Gordon Grant

NISY “piano” tranainy iray naka toerana tao amin’ny efitra fandraisam-bahinin’ny fianakavianay. Raha vao ampy halavana aho mba hiakarana teo amin’ilay seza fipetrahana, dia nanandrana nitendry azy aho. Raha vao efatra na dimy taona teo ho eo aho dia nentin’ny renibeko tany amin’ny kaonseritra izay nankasitrahako tokoa. Ary teo amin’ny fahenin-taonako dia nanomboka nampanome lesona fianarana nitendry “piano” ahy ny ray aman-dreniko.

Avy hatrany dia lasa fahazarana nankafiziko ny “piano” ary nanao fandrosoana haingana aho. Tsy ela dia nampiala voly ny olona tao an-trano sy tany an-tsekoly aho. Ny fampiofanana voalohany azoko dia teo amin’ny mozika kilasika, nefa rehefa niditra ny taona naha-zatovo ahy aho dia nanomboka nampitombo fahalianana ho an’ny “jazz”. Tiako ny “jazz dixieland” aloha tamin’ny voalohany, nefa taty aoriana dia lasa nahaliana ahy ireo karazany amin’ny andro ankehitriny. Tamin’izany fotoana izany, teo afovoran’ireo taona 1950, ny “rock’n’roll” dia nanomboka nahazo ny fankafizan’ireo tanora tahaka ahy. Kanefa hitako fa niverimberina foana sy tsotra laotra izy io. Tamiko, ireo tonon-kirany dia tsy nisy dikany ary ny mpitendry azy dia toy ny mbola tsy ampy fahaizana. Notohizako àry ny fahalianako tamin’ny “jazz”. Nanana namana izay tia nitendry “jazz” koa aho, ary tsy ela dia nitendry mozika tany amin’ny lanonan-tsekoly izahay. Nandany tolakandro manontolo tao an-tranon-dray aman-dreniko mba hitendrena “jazz” izahay.

Nandritra ireo taona nianarako tany an-tsekoly rehetra dia fanaran-dia nahafinaritra ny mozika tamiko, nefa tsy nihevitra azy tamin’ny fomba lalina ho toy ny asa hatao mihitsy aho. Raha tena izy, tamin’ny 1958 aho dia niditra tao amin’ny “Central Oklahoma State College” mba hiofana manokana amin’ny “mathématiques”. Vetivety aho dia nifandray tamin’ireo mpitendry mozika tao amin’ilay sekoly. Sady nitendry mozika tamin’ireo alim-pandihizan’ny sekoly izy ireo no niasa tao amin’ny faritry ny tanànan’i Oklahoma. Nangataka ahy mba hiaraka taminy izy ireo, ary tsy ela aho dia nitendry mozika tsy tapaka isaky ny faran’ny herinandro. Raha nandroso ihany ny fotoana dia nandray asa tao amin’ireo tranom-pandihizana amin’ny alina teo an-toerana izahay.

Ny fanabeazana metodista azoko dia tsy naharo ahy. Ho vokatr’izany, tsy ela ireo finoana ara-pitondrantena nananako dia rava sy foana raha niditra tao amin’ilay kolejy sy nanomboka nanaraka ny fiainana amin’ny alina an’ireo mpitendry mozika namako aho.

Fitaoman-dratsy sy zavatra mahankona

Nampitombo fitiavana alkaola aho ary matetika dia mamo nandritra ny fotoana naha-tany amin’ny oniversite ahy. Nisy fotoana kely nahatoherako ny fakam-panahy hampiasa zavatra mahankona, kanefa tsy ela dia nahazo fanerena avy amin’ireo namako mpitendry “jazz” aho mba hanandrana “marijuana”. Hitako fa tiako tokoa izy io ary dia nanomboka ny fahazarana iray izay naharitra teo amin’ny folo taona teo. Nampiasa “amphétamines” aho indraindray mba “ho lasa”, nefa tsy dia tena tafiditra tamin’ireo zavatra mahankona tena “mahery” mihitsy. Kanefa dia mpampiasa “marijuana” matetika, isan’andro, aho. Vitsy kely mihitsy no naningana fa ny mpitendry mozika rehetra teo amin’ny sehatry ny tranom-pandihizan’ny tanànan’i Oklahoma dia nampiasa azy io koa. Maro be taminay no namboly mihitsy ny azy manokana.

Rehefa vitako ny fianarako tany amin’ny oniversite tamin’ny 1963, dia nanaraka antokony iray avy tany Dallas aho, samy mpampiasa “marijuana” avokoa izy rehetra. Taty aoriana dia nitendry niaraka tamin’ny antokony iray mpitendry zava-maneno tao amin’ny trano fandihizana avy any Toronto aho. Niasa tany amin’ny tanàna maro nanerana ny andrefan’i Etazonia izahay. Tsapako fa hita marina hatraiza hatraiza eran’ny tanànan’i Oklahoma ny fampiasana zavatra mahankona. Tena saika ny rehetra mihitsy no nampiasa zavatra mahankona teo amin’ireo mpitendry zava-maneno tao amin’ny trano fandihizana amin’ny alina.

Tamin’ny 1968 aho dia niverina tany amin’ny tanànan’i Oklahoma. Nandritra izay fotoana izay, ny sasany tamin’ireo namako dia nanorim-ponenana tany Los Angeles ary namporisika ahy mba ho any. Koa satria io tanàna io nanolotra fahafahana betsaka kokoa mba hahitan’ny mpitendry zava-maneno iray asa, dia nanapa-kevitra ny hifindra toerana ho any aho. Na dia ny hiasa tamin’ny naha-mpitendry zava-maneno tsy niankina tamin’iza na iza fotsiny aza no faniriako tamin’ny voalohany, ireo namako dia namorona antokona “rock” iray ary vonona ny ho tonga malaza teo amin’ny sehatry ny “pop-music”.

Ny mozika “rock” teo amin’ny faran’ireo taona 1960 dia nanjary nangolangolaina kokoa ary nahaliana kokoa noho ny “rock’n’roll” tany am-boalohany. Ny fahafahana hiasa tao amin’ireo trano fanaovana kapila (diska) sy hahazo vola be koa dia nahasarika ahy.

Ny mozika sy ny spiritisma

Teo amin’ny faramparan’ny andron’ny “hippie” tamin’izay, ary ny olona rehetra dia nanana fifandraisana tamin’ny fivavahan’ny Tatsinanana ary koa tamin’ny fanandroana sy ireo fanaovana ody ratsy hafa. Toy ny fahita, dia nisy zavatra mahankona ny toerana rehetra. Marina tokoa fa ny mozika dia tena fisehoan’io fomba fihevitra sy fomba fiainana io.

Tsy naningana ny antokonay. Nahaliana dia nahaliana anay ny fanandroana. Indray andro dia nankany amin’ny mpanao ody ratsy izahay mba hilazanay ny ho avinay tsirairay avy sy ny ho avin’ny fiarahanay. Namaky ny Yi king (boky tatsinanana momba ny fankatovana) izahay. Anisan’ireo namanay dia nisy “gourous” sy olona mpanana ody. Mahagaga ihany fa tsy noheveriko ho tena tafiditra tao amin’ny spiritisma izahay, raha noharina tamin’ireo olona hafa nanodidina anay. Ho toy ny vazivazy dia nomenay anarana hoe Méphistophélès (demonia iray ao amin’ilay anganon’i Faust) ny antokonay. Teo amin’ny fonon’ireo kapilanay dia nasianay sary hafahafa sy lehibe tsy araka ny izy nampiseho anay.

Raha mitodika ny lasa aho, dia tena mora mihitsy ny mahita fa nanan-kery lehibe teo amin’ny mozika ny zavatra mahankona sy ny spiritisma. Tsy mahagaga raha amin’izao fotoana izao, 10 taona aty aorian’izany, ka manjaka eo amin’ny mozika tiam-bahoaka ny asan’ny demonia, ny asan’i Satana, ary ny faharatsiam-pitondrantena. Hitako koa ny lalana narahin’ny fiainan’ny tenako manokana, ary afaka maka an-tsaina fotsiny izay nety ho niafarako ao raha tsy nisy zavatra sasany nitranga tamin’ny lohataonan’ny 1969.

Fomba fijery vaovao momba ny fiainana

Maro be ny mpanandro izay naminany fa hisy horohorontany lehibe tany amin’ny morontsiraka andrefan’i Etazonia tamin’ny aprily 1969. Tsara indrindra fa ny ankamaroan’ny anisan’ny antokonay dia tany ivelan’ny tanàna tamin’io fotoana io. Nanapa-kevitra izahay fa izay no fotoana tsara hiverenana hitsidika an’i Oklahoma. Nefa dia tsy tonga mihitsy ny horohorontany, kanefa mbola tsapanay ihany avy amin’izay hitanay manodidina anay fa hisy karazam-pihetsiketsehana lehibe hitranga tsy ho ela. Tao an-tsainay ny hahazo vola be sy hifindra honina tany an-tendrombohitra alohan’ny hanjavonan’ny zavatra rehetra.

Taoriana kelin’ny niverenako avy tany Oklahoma, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah roa nitsidika ahy teo am-baravarana. Nanomboka nasehony ahy avy tao amin’ny Baiboly fa tena miaina amin’ny andro farany isika ary tsy ho ela dia ho tonga ny farany. (Matio 24:3-42.) Heverio fa gaga izy ireo satria haingana be no nanekeko fa hiharan-doza tsy ho ela ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao. Tena nahafinaritra be ny nahare fa Andriamanitra dia hanova ny tany manontolo ho tonga Paradisa izay hahafahan’ny olona hiaina mandrakizay. Kanefa, noho fifandraisako tany aloha tamin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia tsy nanam-pinoana ny Baiboly intsony aho, ary nanam-piahiahiana ny amin’izay rehetra nihambo ho kristiana aho. Kanefa te hahafantatra aho, ary hita miharihary fa nahalala ny Baiboliny ireo Vavolombelona. Nekeko àry ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka.

Tamin’ny voalohany dia nisy fitiavan-tena avy taty amiko. Hitako ny karazam-pitondrantena takin’ny Baiboly amin’ireo izay maniry ny ho tena kristiana marina. (Matio 16:24; Jaona 4:23; Jakoba 4:4.) Avy dia nisy firesahana ny amin’ny mozika izay nanapaka ny fiainako hatramin’izay. Raha tsy misy fandrarana ao amin’ny Baiboly ny amin’ny tsy tokony hameloman-tena amin’ny alalan’ny mozika, dia hitako kosa fa ny toerana nisy ahy dia nanasarotra be ny hanohizako io asa io. Fantatro ny dikan’ny fanoloran-tena, satria aho nanolo-tena ho an’ny mozika nandritra izay taona maro be izay. Fantatro koa fa marina ireto tenin’i Jesosy ireto: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa.”​—Matio 6:24.

Fiovana teo amin’izay nomena ny toerana voalohany

Arakaraka ny fotoana dia tonga niaiky aho fa tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Nanomboka nitombo koa ny fitiavako an’i Jehovah sy ny faniriako hanompo azy. Niriko ny fiainana ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenainy. (Titosy 1:2.) Hatramin’izay fotoana izay, ny fiainako manontolo dia nihodinkodina teo amin’ny mozika, kanefa izao izany dia tsy maintsy haka ny toerana faharoa.

Tamin’ny febroary 1971 aho dia natao batisa ary tamin’ny septambra tamin’io taona io ihany aho dia nanomboka nanompo manontolo andro tamin’ny naha-mpitory maharitra tany Hollywood, tany Kalifornia. Nisy mpikambana roa hafa tao min’ny “Méphistophélès” teo aloha ary roa tamin’ireo namanay akaiky koa tonga Vavolombelon’i Jehovah. Mbola nanohy ny asako tamin’ny naha-mpitendry zava-maneno aho, kanefa tsy maintsy nitandrina tsara aho mba tsy hampifandraisan’ilay asa noraisiko ahy tamin’ireo zavatra izay nekeko izao fa melohin’Andriamanitra. Nanomboka niasa ho toy ny mpanadio sy mpitondra fiarakodia koa aho mba hameloman-tena teo amin’ny fanompoako.

Tamin’ny 1973 aho dia nasaina mba hanompo tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Brooklyn, tany New York. Ao no misy ahy hatramin’izay ka hatramin’izao. Na dia efa taona maro aza izy no nifandraisako tamin’ny raharaha momba ny mozika, dia mbola mitendry miaraka amin’ny hafa ilay mozika izay ankafiziko aho, any amin’ireo fivoriana kristiana sy ireo fivoriana iarahako amin’ireo Vavolombelona namako. Mahafantatra Vavolombelona hafa izay nanohy namelon-tena tamin’ny alalan’ny mozika sady nahomby teo amin’ny naha-mpitendry zava-maneno sy teo amin’ny naha-kristiana azy aho. Kanefa tsy afaka nanao izany izy ireo raha tsy nametraka ny mozika teo amin’ny toerana tokony hisy azy. Ny zava-dehibe aminy voalohany indrindra dia ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah sy ny fanompoana Azy. Mitandrina mafy koa izy ireo ny amin’ny fomba fisainana sy fanaon’ireo mpiara-mitendry zava-maneno aminy tsy kristiana.​—I Korintiana 15:33.

Izao aho dia miandry sy manantena ny fotoana izay hitendrena sy hankafizana ny mozika ivelan’ny fitaoman’ny fandehan-javatra mikororosy sy ratsy fitondrantena. Amin’izay ny fotopoto-pitsipika marin’Andriamanitra dia hanjaka maneran-tany ary ny mozika rehetra dia hampandroso, ho loharanom-piderana an’i Jehovah.​—Isaia 11:9; 54:13; Salamo 135:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara