FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/7 p. 4-7
  • Mety hampidi-doza ve ny mozika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety hampidi-doza ve ny mozika?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny herin’ny mozika
  • Moa ve ny mozika mety ho fomba fampielezana filozofia iray?
  • Ahoana no Ahafahako Mihazona ny Mozika ho eo Amin’ny Toerany?
    Mifohaza!—1993
  • Be Loatra ve ny Fotoana Ihainoako Mozika?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Tsy Mampaninona ve Izay Mozika Henoiko?
    Manontany ny Tanora
  • Ny fahafinaretana avy amin’ny mozika — Ahoana no hanandramana izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/7 p. 4-7

Mety hampidi-doza ve ny mozika?

‘AHOANA àry no mety hahatonga ny mozika hampidi-doza?, hoy angamba ianao anakampo. Rehefa dinihina tokoa dia tsy inona mihitsy izany fa fitambaram-peo fotsiny.’ Marina izany. Nefa ny feo indrindra no mety hisy heriny lalina eo amintsika. Iza no tsy mahatsapa na inona na inona rehefa mandre kiakiaka manabataba amin’ny alina? Afa-tsy izany koa, moa ve na dia ny fihomehezana aza tsy mamindra? Matetika, raha vao mihomehy tsotra izao ny olona iray dia tsy mahatana hehy ny rehetra fa mikakakaka koa.

Ny herin’ny mozika

Aoka hovantsika ho mozika izao izany feo izany. Arakaraka ny karazan-kira na kalo, tsy ho ela ny olona dia ho hita hipaipai-tongotra, hihinjakinjaka, hitehaka na hihira hingonongonona. Miova ny olona rehetra. Noho ny inona? Noho ny feo mahaforona ny mozika fotsiny.

Ho ohatra, dia aoka hotadidiantsika fa i Davida izay noresahintsika teo aloha dia mpitendry zava-maneno tao an-dapan’i Saoly mpanjaka nandritra ny fotoana kelikely. ‘Nahay nitendry’ lokanga io zazalahy io, ary ny mozikany dia nanampy nampitony an’i Saoly rehefa nisamboaravoara izy.​—I Samoela 16:18-23.

Ny mozika dia mahay manaitra ny fihetseham-po. Mety hitsangana toy ny olona iray monja ny vahoaka manontolo rehefa miventy feon-kira hay ny antokona “jazz” iray. Ny olona fatra-pitia mozika kilasika sasany dia ho taitra ao amin’ny fara atiny indrindra rehefa mahare ny “Ouverture solennelle ‘1812’” nataon’i Tchaïkovski: Mirehitra ny ady, mipoaka ny tafondro, manakoako ny lakolosy mba hanambara ny fandresena. Toy ny any izy ireo. Marina tokoa fa tsy azo lavina ny herin’ny mozika.

Nandritra ny taonjato maro,dia nisy mpanao politika sy mpitondra, nahay nampiasa izany hery izany mba hampiovana ny fon’ny olona. Ahoana izany? Tamin’ny alalan’ny hiram-pirenena sy hiram-pitiavan-tanindrazana. Ohatra, moa ve Hitler sy ny antoko nazia tsy nitarika ny vahoaka teo amin’ny lalan’ny fahafatesana sy ny fandringanana tamin’ny fanononana ny hiram-pirenena hoe Deutschland über alles (Alemaina ambonin’ny zavatra rehetra)? Nefa, na dia mety hahagaga tokoa aza izany, io hira io dia nalaina avy amin’ny tonon-kira kilasika nataon’i Haydn. Ho valiny, ny Anglisy dia niredona tamin-kafanam-po ny God save the King (Hamonjy ny mpanjaka anie Andriamanitra), fa ny frantsay kosa nihira ny La Marseillaise. Ny tenan’i Hitler koa dia fatra-pankafy ny mozikan’i Wagner.

Niharihary toy izany ny hery mitaona mampiavaka ny mozika tamin’ny andron’ny Baiboly. Araka izany, araka ny voalazan’ny bokin’ny Eksodosy, raha mbola niakatra tao an-tendrombohitra Horeba i Mosesy mba handray ireo vato fisaka nisy ny Lalàna avy tamin’i Jehovah, dia tsy nahandry ny Isiraelita ka nandidy an’i Arona, rahalahin’i Mosesy, mba hanamboatra andriamani-kafa ho azy ireo, dia sarin’ombilahikely vita tamin’ny metaly narendrika. Avy eo dia nandamina fety ara-pivavahana izy ireo ka tamin’izany izy dia nanolotra fanatitra ho an’io sampy io. Inona no nataony nanaraka izany? Izao no avalin’ny Baiboly: “Ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.”​—Eksodosy 32:1-6.

Rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy sy Josoa, dia nandre tabataba avy tao amin’ny tobin’ny Isiraely. Noheverin’i Josoa ho tabataban’ady aloha izany horakoraka izany. Mosesy kosa anefa tsy diso hevitra. Hira izany. Tsy hiran’ady nankalazana fanaovan-javatra tamin-kerim-po akory. Tsy hira mampiseho faharesena koa anefa. “Feon’ny mihira” hafa izany. Rehefa nandre izany tabataba tsy nahazatra izany i Mosesy dia nahatakatra avy hatrany fa tsy nanambara zavatra tsara na inona na inona izany mozika izany. Avy aiza izany? Nihira sy nandihy nanodidina an’ilay ombilahikely volamena ny Isiraelita. Nanaram-po tamin’ny fanompoan-tsampy nahamenatra indrindra, narahin’ny hira sy ny dihy izy ireo. Nandray anjara tena lehibe teo amin’ny fanompoam-pivavahan-disony maloto ny mozika.​—Eksodosy 32:7-25.

Amin’izao androntsika izao, ny kristiana dia afaka manatsoaka fianarana avy amin’io zava-niseho io. Voalohany indrindra, dia tokony hekenao fa mety hisy heriny eo aminao ny mozika. Marina fa mihevitra azy ho zava-dehibe tokoa izao tontolo izao. Nefa moa ve izany antony tokony hisian’ny mozika ara-damaody, matetika mikiakiaka, izay ny fanononana azy manaitaitra ny filan’ny nofo dia midera fitondrantena mampiahiahy, ao amin’ireo takariva fialam-bolin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Tsy izany velively. Mampalahelo fa tao anatin’izao taona faramparany izao, dia nisy loholona sy ray aman-dreny nanakimpy ny masony tamin’io karazam-pialam-boly io, hany ka voamarika ny fironana hilefitra loatra amin’io lafiny io. Indraindray anefa izany mozika izany dia manandratra ny fahalotoam-pitondrantena, ny fikomiana, ny fampiasana zavatra mahadomelina, na ny spiritisma mihitsy aza.

Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsy maintsy manimba ny herin’ny mozika? Tsy izany velively. Araka ny nasainay nomarihina teo aloha, ny mozika dia nanana ny toerany teo amin’ny fanompoam-pivavahana masina tamin’i Jehovah. Tao amin’ny anankiray tamin’ireo fanoharana nataony koa, moa ve Jesosy tsy nilazalaza ny amin’ny ray iray izay nankalaza ny fiverenan’ny zanany lahy adala tamin’ny “zava-maneno sy dihy”?​—Lioka 15:25.

Moa ve ny mozika mety ho fomba fampielezana filozofia iray?

Amin’izao androntsika izao, ny mozika dia mandray anjara mihamitatra hatrany eo amin’ny fiainana andavanandro. Tao anatin’ny am-polo taonany maromaro, dia nisy fanaovan-taozavatra lehibe aoka izany nitatra haingana dia haingana naneran-tany, ka namoaka isan-taona, disika sy “cassettes” an-jato tapitrisany maro. Zato taona lasa izay, mba hihainoana mozika, dia ny tena no tokony hanao izany na mankany amin’ny konsertra. Tamin’izany dia mahalana kokoa no nifampikasohana taminy, nefa ankehitriny dia re isan’andro izany. Koa mety tokoa izao fanontaniana izao: Mety ho fomba fampielezana filozofia iray ve ny mozika? Misy heriny eo amin’ny fomba fijery na ny fomba fiainan’ny olona ve izany?

Tsy ho ela dia ho hita ny fototry ny valiny rehefa eritreretina ny fampielezan-kevitra amin’ny alalan’ny televiziona sy ny radiao. Dokambarotra maro tokoa no aseho amin’ny mozika. Amin’izany, noho ny mozika, dia voasoritra ao an-tsain’ny mpihaino, na dia ny an’ny ankizy sy ny zazakely aza, ny anaran’ilay zavatra.

Teo amin’ny Isiraely, fahizay, ny mozika dia nampiasaina tamin’ny fomba sahala amin’izany, nefa noho ny fikasana mihaja lavitra. Ohatra, natao an-kira sy nohiraina ireo salamo, ka tsy isalasalana mihitsy fa izany dia nanampy ny Isiraelita hitadidy ny tonony. Araka izany, dia milaza amintsika ny Baiboly fa tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Solomona, dia novorina ireo mpihira avy tamin’ny fokon’i Levy mbamin’ny mpitendry sy mpitsoka zava-maneno hafa “nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga (...) ary teo aminy koa nisy mpisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra; ary (...) toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’i Jehovah izy”. Ny mozika nampiasaina tamin’izay fotoana izay dia nisy heriny nampipoitra hevitra mendrika. Natao hiderana an’i Jehovah izany.​—II Tantara 5:12, 13.

Ireny mpitendry sy mpitsoka zava-maneno ireny dia azo inoana fa nitendry sy nitsoka ny Salamo 136 tamin’ireny fivoriana ireny, ary tsy hisalasalana fa nanampy azy ireny hitadidy ny tonony ny mozika. Na ahoana na ahoana, dia izao no tokony ho fanatsoahan-kevitra avy amin’izany: Mety ho fomba fampielezana hafatra iray ny mozika. Na arahin’ny tonony izy io na tsia, dia mety hampiasaina koa mba handokafana zavatra, filozofia na fomba fiaina iray. Mbola azo hamarinina ihany io fanamarihana io amin’izao androntsika izao, na amin’ny fahaiza-mozika kilasika na amin’ny famoahana azy amin’ny andro ankehitriny.

Ohatra, tao amin’ny fitantarany ny fiainan’i Ludwig van Beethoven, izay “matetika heverina ho ny mpamoron-kira nalaza indrindra hatramin’izao”, dia izao no ambaran’ny Encyclopédie britannique: “Mihoatra noho ny teo alohany rehetra, dia nasongadiny ny herin’ny mozika hampiely filozofia tsy misy soratra.” Ohatra iray mibaribary ny amin’ny ny “symphonie Pastorale” nataony, fantatra hatraiza hatraiza. Hita taratra mazava eo amin’izy io ny fitiavana nampifamatotra an’i Beethoven tamin’ny natiora. Eny, mety hampihetsi-po antsika ny mozika ka hamoha fientanam-po ao amintsika.

Aoka horesahintsika izao ny amin’ny asan’ilay mpamoron-kira aotrisiana atao hoe Gustav Mahler, izay ankamamin’ny mpitia mozika kilasika maro aoka izany. Ny manam-pahaizana momba ny mozika iray dia nanipika ny “zavatra nanesika azy ho amin’ny fahafatesana” ary nampahatsiahy “ny fitadiavana tsy misy farany ny hevitry ny fahavelomana izay tsy maintsy ho nameno ny fiainana sy ny mozikan’i Mahler”. Io mpanoratra io ihany koa no nilazalaza ny amin’ny 1re Symphonie nataony tamin’izao teny izao: “Nohamaizinin’ny zavatra nanesika ho amin’ny fahafatesana tsikelikely ny fifaliana miaina.” Eo ambany kokoa, dia nanampy teny toy izao izy: “Ny ‘2e Symphonie dia nanomboka amin’ny zavatra nanesika ho amin’ny fahafatesana (...) ary miafara amin’ny fieikena ny finoana kristiana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy (...). Ao amin’ny asany, dia zava-dehibe tokoa ny foto-javatra ara-pivavahana.” Noho izany antony izany, dia mipetraka izao fanontaniana manaraka izao: Moa ve ny fisafotofotoana ara-pivavahana, ny zavatra nanesika sy ny aretin-kozatr’i Mahler mety hanimba an’izay mihaino azy?

Aoka hotononintsika koa ny Sacre du Printemps nataon’i Stravinski. Io dihy io dia mampiseho an-tsehatra, fombafomban’ny mpanompo sampy andihizan’ny zazavavy virijina mandra-pahafatiny mandra-pahafatiny mba hahazoana sitraka amin’ny andriamanitry ny lohataona. Araka ny voalazan’ny mpivaofy teny iray, io fombafomba io dia “miseho eto amin’ny mozika izay ny toetra mampiavaka azy indrindra manaitra ny sain’ny mpihaino avy hatrany, dia ny herin’ny figadony, ny fitaomana mampatory sy manerin’ny rafi-pingadonany”. Manome vokany manaitra sy mahavery hevitra mihitsy aza izany. Ny nanaovana azy io indrindra dia “ny hanakorontanana ny finoana eoropeana raha ny amin’ny mozika nentin-paharazana”.

Araka izany àry, na dia ny mozika kilasika aza dia tokony hampieritreritra anao. Mety ny hanontanianao tena hoe: Raha vonton’ny karaza-mozika iray loatra aho, moa ve izany hitarika ahy ho ketraka na ho taitaitra mafy? Moa ve ny filozofian’ilay mpamoron-kira mety ho tafatsofoka ao an-tsaiko ka hisy heriny manimba eo amin’ny fomba fisainako. Mazava ho azy fa raha tsy manimba mihitsy ny finoanao ny Mpamorona sy ny asany mahagaga ny mozikany, dia angamba tsy hisy heriny ny fitaoman’ilay mpamoron-kira na ho tsara dia tsara aza. Nefa amin’izany koa, dia mety hihaino mozika ny tena nefa tsy hahalala mihitsy ny hevitr’ilay mpamoron-kira. Amin’izany, ny fandraisan’ny mpihaino ny hevitry ny mozika, raha manoa izany izy, dia hiankina tanteraka amin’ny fanaovany sary an-tsaina.

Fa ahoana no azo ampiharana izany zavatra mampiavaka izany amin’ny mozika amin’ny andro ankehitriny? Moa ve manandratra ilay mihaino azy izany sa mampietry azy? Mety hampidi-doza ny fitondrantena sy ny fahasalamana ara-panahin’ny kristiana ve izany? Hamaly ireo fanontaniana ireo sy ny maro hafa koa ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 5]

Mety hampiasaina amin’ny fomba mahatsiravina ny mozika.

[Sary, pejy 6]

Mampandroso foana ve ny mozika?

MAHLER

WAGNER

STRAVINSKY

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara