Asongadina ny raharaha ny amin’ilay Fanjakana
“Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah (...). Lazao any amin’ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka.”—Salamo 96:1, 10.
1. a) Hira inona no azo natomboka nohiraina tamin’ny 1914, ary nahoana? b) Ny amin’inona no noresahin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 21:24?
TSY talohan’ny 1914 no nahafahana ara-drariny nihira sy nampihatra ireto teny manaraka ireto, notsoahina avy amin’ny fihirana iray: “Nifarana ny andron’ny Jentilisa, lasa ny andron’ireo mpanjakaa.” Tamin’ny 1 oktobra 1914, dia efa roa volana mahery no nirehetan’ny Ady Lehibe Voalohany. Ireo teny ny amin’ny andron’ny Jentilisa ireo dia nanisy fitenenana ny amin’ny faminanian’i Jesosy iray, dia faminaniana ny amin’ny handravana an’i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany voalohany sy ny tempoliny, araka ny nitranga tamin’ny taona 70. Toy izao no itantaran’ny Lioka 21:24 ny tenin’i Jesosy: “Dia ho ringana amin’ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa.” Tamin’ny andron’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, ny tanànan’i Jerosalema dia nofidina ho renivohitry ny fanjakan’Andriamanitra tandindona. Araka izany, Jerosalema dia nanjary nampiseho ny fiandrianana tandindona nampiharin’Andriamanitra teo amin’ny firenen’Isiraely nahaleotena tamin’ny alalan’ny mpanjaka voahosony. Amin’izany, araka ny asehon’io zava-nitranga io, ny tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Lioka 21:24 dia nahakasika ny fanjakan’Andriamanitra tandindona notorotoroina na nohitsahina.
2. a) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana Jerosalema no nanomboka nohitsahina? b) Nahoana moa ny Fanjakana mesianika no tsy naorina avy hatrany taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70?
2 Oviana no nanomboka izany? Tsy tamin’ny taona 70, fito amby telopolo taona taorian’ny faminanian’i Jesosy akony. Tamin’io taona io, ny tanànan’i Jerosalema voaorina indray dia noravan’ny tafika romana tamin’io indray mandeha io. Nefa ny fanitsakitsahana nambaran’i Jesosy dia tsy inona fa fitohizan’ilay niandoha tamin’ny nandravan’ny Babyloniana azy voalohany tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana. Taonjato maro taty aoriana, rehefa nandrava an’i Jerosalema voaorina indray ny Romana, dia tsy mbola nifarana ny “andron’ny jentilisa”. Fantatr’i Jesosy nialoha izany, koa tsy nilaza izy fa ny fandravana an’i Jerosalema fanindroany dia harahin’ny fiorenan’ny tena Fanjakan’Andriamanitra nankinina tamin’ny Mesia na Kristy avy hatrany. Tsia, ilay fanjakan’Andriamanitra tandindona, nasehon’i Jerosalema tamin’izany fotoana izany, dia tsy maintsy mbola hohitsahin’ireo firenena misy olona tsy voafora ihany mandra-pifaran’ny fotoana voafetra ho an’ny “jentilisa”, araka ny fanisanandron’Andriamanitra.
3. a) Ahoana no azontsika amantarana ny faharetana sy ny faran’ny andron’ny Jentilisa? b) Raharaha tena lehibe inona no naharihary tamin’ny 1914?
3 Raha mitodika any amin’ny faminanian’i Daniela tokoa faha-4 isika izao dia hahita fa fito ny “fetr’andro” resahina. Ny fetr’andro tsirairay avy dia tokony hisy taona mitovy amin’ny isan’ny andro ao anatin’ny taona ara-paminaniana araka ny volana, izany hoe 360. Ny andro tsirairay avy dia hifanitsy amin’ny taona iray, araka ny fomba fanisan’ireo firenena jentilisa ny fotoana. Rehefa isaina toy izany ny “fetr’andro fito” dia mampiseho 2 520 taona (jereo Daniela 4:13, 20, 22, 29). Koa satria izy ireo nanomboka fony ny Babyloniana nandrodana ny foiben’ny fanjakan’Andriamanitra tandindona tany Jerosalema, tany amin’ny faramparan’ny taona 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia tokony ho tapitra izany tamin’ny tapany faharoa amin’ny 1914. Tao anatin’io vanim-potoana voamarika io no nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany. Na dia mahaliana tokoa aza izany rehetra izany, ny heviny lehibe indrindra tokony handraisana ny fahataperan’ny “andron’ny jentilisa” na “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” (“MN”), tao anatin’io taona nikorontana io, dia izao manaraka izao: Ilay fanjakana ara-panahy naseho an’ohatra izay nankinin’Andriamanitra tamin’ny Zanany voahosotra, Jesosy Kristy, dia tafaorina tany an-danitra tamin’izay fotoana izay. Koa satria ireo filoha ara-pivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana sy ny hafa koa mandà izany zava-misy izany, izany dia “raharaha” na “fiadian-kevitra” lehibe dia lehibe! Ary mifanandrina amin’izany isika rehetra!
Noporofoin’ny fisehoan-javatra fa marina ny nolazain’izy ireo
4. Nanaporofo ny fahamarinan’ny voalazan’iza moa ireo zava-niseho?
4 Koa hanontany tena toy izao isika aloha: Iza moa ireo, taona maro nialoha, dia nanambara tamin’izao tontolo izao fa ny “andron’ny jentilisa” dia ho tapitra amin’ny faran’ny 1914? Izany dia ny Mpianatra ny Baiboly izay nanao izany tao amin’ireo pejin’ny gazety “Ny Tilikambo Fiambenana” toy ny tao amin’ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower hafa. Amin’izao andro izao izy ireny dia fantatra maneran-tany amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Moa ve ny fisehoan-javatra naneran-tany nanaporofo ny fahamarinan’ny nolazain’izy ireo? Izany dia izany tokoa!
5. a) Inona no valinteny nomena an’ireo izay nanohitra ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Ahoana moa, eo amin’ny lafiny ara-tantara, no anaporofoan’ny fahatanterahan’ny Lioka 21:25-27 fa nitranga tamin’ny 1914 ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa?
5 Koa satria ny ankamaroan’olona tsy mihevitra ny fandaharan-taonan’Andriamanitra, ary satria ny fivavahana lazaina fa kristiana, amin’ireo fiangonana sy antokom-pinoana an-jatony mahaforona azy manohitra ny fahamarinan’izany, moa ve ireny mpanohitra ireny, izay maro isa lavitra noho ny Vavolombelon’i Jehovah, nandresy tamin’ny fiadian-kevitra ny amin’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra nankinina tamin’i Kristy, tamin’ny 1914? Ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy ny amin’ny toetra hampiavaka ny “faran’izao tontolo izao” na ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” dia manome valiny manakoako: Tsy izany velively! Rehefa afaka sivy amby enimpolo taona atỳ aorian’ny 1914, isika dia mahita maso ny toe-javatra voambaran’i Jesosy ao amin’ny Lioka 21:25-27 araka izao: “Ary etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina. Ary amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.” Amin’izany, ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny faran’ny 1914 dia mitoetra, eo amin’ny lafiny ara-tantara, ho ny anankiray amin’ireo zavatra tena misy lehibe momba ilay Fanjakana, dia fahamarinana tokony hifikirantsika hatrany amin’izao andro izao.
6. Nahoana moa ireo mpianatr’i Jesosy no tsy miara-very hevitra amin’ireo firenena fa mifaly kosa?
6 Nefa moa ve ny olona rehetra voatery tsy maintsy ho rera-po noho ny zavatra tsy maintsy hitranga eto an-tany? Nambaran’i Jesosy ve fa hanao toy izany ny olona rehetra? Tsy izany velively. Araka ny nolazain’i tenan’i Jesosy tokoa, ireo mpianany mahatoky dia tokony haningana. Izao no teny nataony tamin’izy ireo nanaraka izany: “Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” (Lioka 21:28). Araka ny Matio 24:32, 33, dia izao koa no nambaran’i Jesosy: “Ary mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.” (Jereo koa Marka 13:28, 29). Koa satria ny toe-piainana sy ny zava-miseho dia mampiseho amin’izy ireny mazava fa akaiky ny fanafahana azy, toy ny hoe eo am-baravarany, ireny kristiana ireny dia mifaly ary tsy miara-very hevitra amin’ireo firenena jentilisa.
Mpiaro mahatoky an’ilay Fanjakana
7, 8. a) Nilahatra teo anilan’iza moa ireo “rahalahy” ara-panahin’i Kristy, ary nahoana? b) Inona no adidy nankinina taminy?
7 Inona no toerana notanan’ireny mpianatra ireny raha ny amin’ny raharaha momba ilay Fanjakana? Ireo mpianatr’i Kristy mbola eto an-tany, ireo nantsoin’i Jesosy mihitsy hoe ‘rahalahiny’ ara-panahy izay manantena ny hanana anjara miaraka aminy ao amin’ny Fanjakana any an-danitra, dia mandray toerana amin’ny fanohanana amim-pahatokiana ilay Fanjakana nankinin’i Jehovah tamin’i Kristy (Matio 25:40). Fantatr’izy ireo tsara ireo famantarana ny fotoana ka notsoahiny avy amin’izany fa ilay Fanjakana nangatahina tamin’ny vavaka hatramin’ny ela be dia tafaorina sy nanomboka niasa tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa, tamin’ny 1914. Miaiky izy ireo fa tonga ny fotoana hanambarany maneran-tany fa, nanomboka tamin’ny 1914 dia manjaka io fitondram-panjakana any an-danitra sy ambony noho ny olombelona io ary hanafoana tanteraka ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao, ka hanamarina sy hanome voninahitra amin’izany ny fiandrianan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao. Manana adidy izy ireo hanatanteraka ity faminanian’i Jesosy ity:
8 “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra [fanambarana amin’ny tany onenana manontolo, “MN”], dia vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14; Marka 13:10.
Ny toeran’ny “ondry”
9. Ahoana no anarahan’ireo ‘rahalahin’i Kristy’ ny baikony ara-paminaniana, ary inona no vokatr’izany?
9 Io faminanian’i Jesosy io dia baiko ho an’ireo mpianatr’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka voahosotra, dia an’i Jesosy Kristy izay manjaka izao. Mba hanarahana izany, izy ireo dia efa nitory ilay Fanjakana tany amin’ny tany sy nosy 205. Afa-tsy izany io hafatra be voninahitra io dia ampitaina amin’ny olombelona amin’ny fiteny 174, tsy isaina ny fiteny amin’ny alalan’ny fihetsehana. Tsy isalasalana mihitsy fa mbola tokony hanatratra mponina maro hafa amin’ny tany izy ireo noho ny fomba fifamoivoizana araka ny toetr’andro ankehitriny rehetra, azo lazaina hoe mba hahatonga “ny tany onenana manontolo” hahazo “fanambarana” alohan’ny “farany”.
10, 11. a) Ahoana moa no nampihariharian’ny fitoriana ny raharaha ny amin’ilay Fanjakana? (b) Inona no nolazain’i Jesosy rehefa nampiditra ny tapany farany tamin’ny faminaniany ny amin’ny “famantarana” izy?
10 Fa ahoana no fomba efa nandraisana ny fitoriana ny amin’ilay Fanjakana na dia tao aza ny fanenjehana sy ny fanoherana rehetra izay, araka ny filazan’i Jesosy, dia tokony ho anisan’ny “famantarana” ny ‘fanatrehany’ ao amin’ny Fanjakana any an-danitra sy ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” koa? Izany dia niteraka fisarahana hentitra teo amin’ireo mponina amin’ny tany; ny sasany milahatra hanohana ilay Fanjakana, ny hafa manohitra. Nambaran’i Jesosy ny amin’izany fanavahana izany tao amin’ny faminaniany ny amin’ny “famantarana”, ary izany dia mahaforona, araka ny fitantaran’i Matio, ny fara tampon’io faminaniana io. Nasehon’i Jesosy tamin’izao teny izao io fanoharana farany io:
11 “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany. Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao.”—Matio 25:31-34.
12. Faminaniana inona no nindraman’i Jesosy ny fitenenana hoe “Zanak’olona”, ary inona no lazain’io faminaniana io amintsika momba ilay Fanjakana?
12 Voamaritsika fa rehefa mampiseho an’io ohatra ara-paminaniana io i Jesosy dia mindrana ny fitenenana hoe “Zanak’olona” avy ao amin’ny Daniela 7:13, 14, izay amakiantsika toy izao: “Indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.”
13. a) Avy eo amin’ny toerany misy tombontsoa any an-danitra, inona no mety ho hitan’ilay Mpanjaka eto an-tany? b) Inona no manaporofo fa tsy ‘endriky’ ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany akory ny Fikambanam-pirenena?
13 Eo anoloan’io Mpanjaka nandray fiandrianana io no nangonina ny vahoaka sy ny fokom-pirenena nanomboka tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa, tamin’ny 1914. Avy any amin’ny fonenany any an-danitra, ilay Mpanjaka dia afaka ny mahataza-maso azy rehetra, raha mbola mihodinkodina ny planetantsika. Fantany fa tsy natao tamin’ny anaran’ilay Fanjakana akory ny Ady Lehibe Voalohany. Mifanohitra amin’izany kosa, taorian’io ady naharaiki-tahotra io, ny Fikambanam-pirenena dia niforona tao amin’ny fanekem-pihavanana tany Versailles, ka ny filan-kevitra federalin’ireo Fiangonan’i Kristy any Amerika dia niantso azy hoe “ny endrika ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany”. Nefa, raha izany tokoa no izy, nahoana ny fikambanam-pirenena no tsy nahomby tamin’ny asa nanirahana azy fa maty tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1945, ary nahoana izy io no tsy maintsy nosoloana fandaminan’olombelona hafa iray, dia ny firenena mikambana?
14. a) Inona no fanontaniana mipetraka amin’ny tsirairay avy? b) Ahoana no mety hahazoana ny fankasitrahan’ilay Mpanjaka? d) Amin’ny fomba manorina ahoana moa no anohanan’ny “ondry” an’ireo ‘rahalahin’ilay’ Mpanjaka?
14 Tamin’izany ireo firenena, tamin’ny naha-fototra ara-politika azy, dia nampiseho ny toerana notanany ny amin’ny raharaha momba ilay Fanjakana, dia raharaha natrehiny nanomboka tamin’ny 1914. Izao anefa ny tsirairay avy amintsika dia tokony hanontany tena hoe: “Manao ahoana ny toerako manokana raha ny amin’ny raharaha momba ilay Fanjakana?” Moa ve isika nanao safidy sahala amin’ireo “ondry” ara-panoharana voangona eo ankavanan’ilay Mpanjaka efa nandray fiandrianana, dia Jesosy Kristy? Manazava io Mpanjaka sady Mpiandry io hoe amin’ny fomba ahoana no azo itsarana ny tsirairay avy ho mendrika ny halahatra eo andaniny tsara, dia ny an’ny fankasitrahan’Andriamanitra, mifanohitra amin’ireo olona sahala amin’ny osy. Izany dia amin’ny fanaovan-tsoa amin’ireo “rahalahy” ara-panahin’ilay Mpanjaka efa nandray fiandrianana izay mbola eto an-tany ka voantso hiara-mipetraka aminy eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra. Amin’ny fanaovana toy izany, ireny “ondry” ireny dia mampiseho fa ankasitrahany ny fanambarana ataon’ireo “rahalahy” ara-panahin’ilay Mpanjaka ny amin’ny Fanjakany. Tohanan’izy ireo amin’ny fomba azo arahina rehetra izany, ary tsy menatra ny amin’ireny mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ireny izy na dia rehefa atao an-tranomaizina azy ireo, toy ny nitranga tamin’ny 1919, fa amin’izay dia manandrana manampy azy ireny hahita indray ny fahafahany izy. Ny mbola tsaratsara kokoa ihany, dia ampiany mivantana ny sisa voahosotra mba hitory “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” araka ny nolazain’i Jesosy mialoha ao amin’ny Matio 24:14 (“MN”). Izany no ataony ampahibemaso sy isan-trano.
15. a) Amin’ny ahoana moa ny valisoan’ny “ondry” no hafa noho ny an’ny ‘rahalahin’i Jesosy’? b) Inona no fifandraisan’izany amin’ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny voalohany? d) Nahoana moa no ilaina ny Fanjakana iray any an-danitra mba hanatanterahana an’io fikasana io?
15 Hovalian-tsoa ireny olona sahala amin’ny ondry ireny. Ny Mpanjaka tokoa dia hanasa azy handova “ny fanjakana voavoatra ho [azy ireo] hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. (Matio 15:34.) Aoka isika tsy hanatsoaka avy amin’izany fa izy ireny dia tokony ho faty sy hatsangana amin’ny maty mba hiaina any an-danitra miaraka amin’ireo “rahalahy” ara-panahin’ny Mpanjaka. Ny Mpanjaka tokoa dia tsy niantso an’ireo hoe “rahalahy”. Ireny olona ireny dia navahana avy amin’ny firenena rehetra tafangona eo anoloan’ny seza fiandrianany. Andrasany amim-pifaliana ny hotahin’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy sy ireo “rahalahiny” ara-panahy. Noho izany, izy ireo dia handova ny faritr’ilay Fanjakana eto an-tany, dia ny paradisa izay haorina indray manerana ny planetantsika. Rehefa nanao ny tany Jehovah Andriamanitra, dia tiany ny hahita azy tonga paradisa manontolo, ka napetrany tao ny lehilahy sy ny vehivavy mba hiandraikitra izany, tamin’ny fanombohana tamin’ny saha Edena na Paradisam-pahafinaretana. Latsaka tao anatin’ny fahotana sy ny fahafatesana Adama sy Eva, nefa tsy hahatonga ny fikasan’Andriamanitra tsy hahomby akory izany (Isaia 55:11). Mifanohitra amin’izany, Jehovah dia niomana avy hatrany hanorina indray ny paradisa maneran-tany amin’ny alalan’ny Fanjakany any an-danitra tokony handraisan’ny Zanany mahatoky ny anjara asan’ny Filoha na Mpanjaka. Tokony ho fitondram-panjakana any an-danitra izy io, satria tokony hanorotoro hatramin’ny fahafatesana koa an’ilay tompon’andraikitra amin’ny fahotana sy ny famitahana, izany hoe Satana Devoly, zavaboary ara-panahy mahery.—Genesisy 3:15.
16. a) Amin’ny heviny ahoana moa ny “ondry” no hahazo tombontsoa indrindra? b) Rahoviana moa ny “osy” no ho any amin’ny “fanafoanana mandrakizay”?
16 Ny “ondry” dia handova io faritra paradisan’ny Fanjakan’ny lanitra io. Amin’izy ireo dia hisy olona betsaka handray anjara amin’izany ka tsy ho faty mihitsy, tsy hila mihitsy ny hatsangana amin’ny maty mba hiverenana avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana eto an-tany (Apokalypsy 7:9; 21:4). Ho an’ireny “marina” ireny, izany dia azo antoka fa ho fidirana mahafinaritra ao amin’ny “fiainana mandrakizay”. Ireo dia hahita ny olona sahala amin’ny osy ho any amin’ny “fanafoanana mandrakizay”, araka ny baikon’i Kristy (Matio 25:41-46, “MN”). Izany dia hitranga mandritra ny “fahoriana lehibe”, izay hahatratra ny fara heriny amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, ao amin’ny saha fiadiana ao Hara-Magedona (Apokalypsy 7:14; 16:14-16). Ao, ireo “osy” voaozona faramparany dia hofoanana tsy hahita fiainana eto an-tany mandrakizay.
17. a) Fanontaniana mahadodona inona no tokony hovaliana? b) Tombontsoa inona avy no mba hanananao koa raha miandany amim-pahatsorana amin’ilay Fanjakana ianao?
17 Koa satria apetraka eo anatrehan’ny mponina amin’ny tany izany fisafidianana izany, dia manjary tena faran’izay ilaina maika dia maika ny hametrahana izao fanontaniana izao: “Manao ahoana ny toeranao raha ny amin’ny raharaha momba ilay Fanjakana? Miara-milahatra amin’iza ianao dieny izao ary eo amin’ny olona iza no irinao handaharana anao? Moa ve eo amin’ireo “ondry” ankasitrahana sa miaraka amin’ny “osy” voaozona? Ireo izay tapa-kevitra ny hanohana tsy misy fepetra ny Fanjakana dia tsy vitan’ny hoe hiara-mandova aminy ny paradisa an-tany, fa handray anjara mahavariana koa amin’ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny andriamanitra sy Mpanjakan’ny mpanjaka eo amin’izao rehetra izao.—Salamo 136:2; Daniela 2:47.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Io fihirana io, mitondra ny lohateny hoe ”Our King is Marching On” (Mandroso ny Mpanjakantsika) dia ao amin’ny pejy faha-162 sy 163, amin’ny fitambaram-pihirana hoe “Hymns of the Millennial Dawn”, copyright 1905.
Ahoana no hamalianao ireto fanontaniana ny amin’ilay Fanjakana ireto:
◻ Firy taona ny faharetan’ny andron’ny Jentilisa resahina ao amin’ny Lioka 21:24?
◻ Araka ny Lioka 21:25-27, zava-niseho inona avy no nanamarika ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa?
◻ Mifanaraka amin’ny Lioka 21:28, ahoana no fandraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahasahiranana maneran-tany?
◻ Inona no anjara asan’ny “Zanak’olona” voalazalaza ao amin’ireo faminaniana, ary fihetsika manorina inona no tokony harahina amin’ny fahatongavany?