Zava-miafina iray nianaran’ny Filipiana
IZA no tsy faly nahafantatra tsiambaratelo iray? Azo antoka fa faly ianao raha nampisehoan’olona iray fitokisana ka nilazany tsiambaratelo iray, angamba fiafaran-javatra tsara iray izay nolazainy taminao tamim-pitokisana mandra-pamborany izany amin’ny olona rehetra.
Ny fahalalana na fahatakaran-javatra, dia karazana zava-miafina hafa izay tsy ananan’ny olona sasany. Io karazana zava-miafina io dia zava-dehibe tamin’ny antokon’olona kristiana iray tamin’ny taonjato voalohany, ny kongregasionan’ny tanànan’i Filipy tany Makedonia. Mba hahatakarana hoe inona izany zava-miafina manokana izany sy mba hahitana ny fomba handraisantsika tombontsoa avy aminy, dia aoka hojerentsika vetivety ny tarehin-javatra nanoratana ny taratasy iray ho an’ny Filipiana, taratasy iray izay anisan’ny Baiboly izao.
Paoly — Ho an’ny Filipiana
Paoly, misionera, dia tany an-tranomaizin’i Roma teo amin’ireo taona 59-61 amin’ny fanisan-taona iraisana. Nandritra izany fotoana izany izy dia afaka nieritreritra ireo zavatra hitany maro be nandritra ireo diany. Azony natao ny nahatsiaro ireo rahalahy nahatoky maro be hitany toy ireo kongregasiona izay nananany tombontsoa ny nametraka azy voalohany teo amin’ny lalan’ny fahamarinana sy ny nahita azy nitombo. Tsy afaka ny tsy hieritreritra ny kongregasionan’io tany Filipy izy. Nitana toerana tena manokana tao am-pony izy io noho ireo zava-nitranga tsy dia fahita loatra nifandray taminy.
Nandritra ny diany misionera faharoa, tamin’ny taona 50 amin’ny fanisan-taona iraisana teo ho eo, no nandraran’ny Fanahin’Andriamanitra an’i Paoly (sy Silasy) tsy hitory tany amin’ny distrikan’i Azia, Mysia ary Bitynia. Nankany Troasy àry i Paoly, ary tany izy dia nahazo fahitana tamin’ny alina. “Nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia ka vonjeo izahay!” (Asa. 16:9). Teo no ho eo ihany tsy nangataka andro i Paoly sy ireo namany dia niondrana an-tsambo ho any Samotrakia ary nanohy nankany amin’ny seranan’i Neapolisy. Avy eo izy ireo dia namakivaky ny tany ho any Filipy.
Angamba gaga izy ireo raha nahita fa toa tsy nanana synagoga akory ireo Jiosy vitsivitsy tao amin’io tanàna io. Tamin’ny andro sabata, dia tsy nankany amin’ny synagoga iray araka ny fanaony, i Paoly sy Silasy fa nandroso nivoaka ny vavahady ho eo akaikin’ny renirano iray ary nanomboka niresaka tamin’ireo vehivavy tafangona teo. (Asa 16:13.) Hahafantatra bebe kokoa ny amin’izany fitsidihana tany Filipy izany ianao amin’ny famakiana ny Asa. 16:11-40. Ny fanambaran’i Paoly dia nitarika ho amin’ny niandohan’ny kongregasiona iray tany Eropa, ary taty aoriana izy dia niverina nitsidika io kongregasiona tany Filipy io, mety ho indroa mihitsy aza. — Asa. 20:1, 2, 6; Filipiana 2:24.
Fony izy tao an-tranomaizina tany Roma, i Paoly dia afaka nieritreritra ireo kristiana tsara izay nifaneraserany tany Filipy. I Lydia dia nampiseho fahaiza-mampiantrano vahiny tsy nanam-paharoa. I Eodia sy Syntike dia niara-niasa tamin’i Paoly tamin’ny fampielezana ny “vaovao tsara”. Tsy afaka nanadino koa ilay mpiandry ny tranomaizina sy ny ankohonany i Paoly, ary koa ilay zava-nahagaga nitranga izay nanana fifandraisana tamin’ny naneken’ireo ny kristianisma.
Raha nahatsiaro ny fitiavana sy hatsaram-po ary fiahiana ny hafa nananan’ny Filipiana i Paoly, dia nanana antony nanoratana taratasy ho azy ireo. (Filipiana 1:3, 12.) Izany àry dia zava-miafina ny amin’ny fiainana kristiana, na inona na inona tarehin-javatra mitranga, dia tokony hiantehitra amin’ny Jehovah hatrany.
Ny Filipiana dia nianatra io zava-miafina io, ary nisy vokany teo aminy tamin’ny lafiny maro izany. Voalohany aloha, dia feno zotom-po teo amin’ny fitoriana ny kongregasiona. Hoy ny soratan’i Paoly: “Ianareo miseho ho tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao”. (Filipiana 2:15.) Nanaiky ny vaovao tsara tamim-pifaliana lehibe izy ireo ary nanohy nampandroso izany vaovao tsara izany. I Paoly dia afaka ny niresaka ny amin’izy ireo ho toy ny: “mpiombona (...) amin’ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy”. — Filipiana 1:7.
Raha nanoratra io taratasy io Paoly dia fantany fa ho liana hahafantatra ireo zavatra hitany tao an-tranomaizina izy ireo. Nohazavainy fa, na dia tao an-tranomaizina aza izy, ny zavatra nanjo azy dia “efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa”, “ka ao amin’ny Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra”, hoy izy. (Filipiana 1;12, 13). Notantarainy koa fa ny ankamaroan’ireo kristiana Romana dia nampiseho fahasahiana kokoa tamin’ny firesahana ny tenin’Andriamanitra tsy amin-tahotra noho ny fifatorany. Nety ho nampahery ny Filipiana ny nahafantatra fa na dia tao an-tranomaizina aza i Paoly, dia mbola be zotom-po hatrany tamin’ny fitoriana ny fanjakana tahaka ny tenan’izy ireo. — Filipiana 1:14.
Ny zavatra hafa iray izay nety ho nanana fifandraisana tamin’ilay zava-miafina voambara ao amin’ny Filipiana 4:12, 13 dia ny tokony hananan’izy ireo fomba fisainana mety. Ny fahavononan’izy ireo dia tsy tokony ho ny hahafaly ny tenany akory, fa ny hanampy ny hafa kosa. Raha ny marina dia tena nanampy an’i Paoly tokoa izy ireo. Fony tany Tesalonika izy, dia nandefasan’izy ireo fanampiana ara-nofo indroa, ary izy ireo irery ihany no kongregasiona nanao izany. (Filipiana 4:15, 16). Taty aoriana, raha nandia fotoan-tsarotra sy nila fanampiana ny kongregasionan’i Jerosalema, teo ambany fanenjehana, ireo Filipiana na dia nahantra aza ny tenany, dia nanao fanomezana an-tsitrapo. Nosoratan’i Paoly fa izany fanomezana izany dia ‘nihoatra noho ny zakany aza’. (II Korintiana 8:3). Taty aoriana ihany koa, raha tao an-tranomaizina tany Roma i Paoly, dia nandefasan’izy ireo fanampiana ara-nofo tamin’ny alalan’i Epafrodito.
Eny, ireo Filipiana dia niahy tamim-pitiavana ireo kristiana namany. Nanao asa nifanaraka tamin’ny famporisihan’i Paoly izy ireo, ka tsy “samy nihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” Fampisehoana fomba fisaina mamelombelona re izany! Mampiseho izany fa ireo Filipiana dia nanana toe-tsaina feno fanetren-tena, tahaka an’i Jesosy, ary tsy nanakiana ny hafa. — Filipiana 2:1-5, 14.
Afaka mianatra sy mampihatra ny zava-miafin’izy ireo isika
Amin’izao fotoana misy antsika izao isika dia tsy afaka mifandray amim-pirahalahiana mivantana amin’ny apostoly Paoly. Tokony ho feno fankasitrahana àry isika, noho ny nitehirizan’Andriamanitra tao amin’ny Teniny, ny taratasy azo tamin’ny tsindrimandry ho an’ny Filipiana! Noho izany isika dia afaka miezaka mba hianatra sy hampihatra ireo torohevitra tsara dia tsara ao aminy, anisan’izany ilay zava-miafina nianaran’i Paoly, ary miharihary fa nozarainy tamin’izy ireo.
Ho an’ireo Filipiana, izany zava-miafina izany dia nisy fifandraisana tamin’ny fahalalana, ny fomba fisaina ary ny fitondrantena. Namporisika azy ireo i Paoly mba “ho mendrika ny filazantsaran’i Kristy” ny fitondrantenany. (Filipiana 1:27.) Raha nanaraka ny fampitandreman’i Paoly izy ireo, dia ho “tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka (...), dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra.” (Filipiana 2:15.) Marina fa mba hihazonana izany fitondrantena madio izany dia takina ny fitandremana, na dia eo amin’ny fomba fisaina aza. Tena misy lesona ho antsika koa eo. Mety ho tiantsika ny hanao toy ny nataon’ny maro hafa izay mikatsaka mba hampihatra io “zava-miafina” io dia ny hahatadidy sy hieritreritra tsy tapaka izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny Filipiana 4:8, ny amin’ny fomba fisaina. Afaka mamerina an’io teny io tsianjery ve ianao?
Ny zava-miafina ny amin’ny fiankinana amin’Andriamanitra sy ny fanompoana azy amim-pifaliana, na betsaka na kely ny fanananao ara-nofo, dia afaka mitondra fiainana tena mahafa-po. Raha ny amin’ny ohatr’i Paoly, dia hevero ny fahafinaretana mety ho tsapany raha nieritreritra ny vokatry ny fiezahany hita teo amin’ny kongregasion’i Filipy izy. Hitany io kongregasiona io nitombo tamin’ny fitiavana ny fahamarinana kristiana sy tamin’ny zotom-po tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara. Hitany koa ny fitiavan’izy ireo nampihariny tamin’ireo kristiana namany. Afaka nahatsapa fahafinaretana lalina izy tamin’ny fahitana fa izy ireo koa dia nianatra ny niankina tanteraka tamin’Andriamanitra tamin’ny zavatra rehetra nataony sy tamin’ny fanompoana azy tamin’izay rehetra nananany.
Ny kristiana tsirairay avy amin’izao andro izao dia afaka manontany tena tsara raha nianatra ilay zava-miafina voambaran’i Paoly ao amin’ny Filipiana 4:12, 13 ny tenany manokana. Ny ho porofon’izany dia ny fahazoantsika ny fitahian’i Jehovah, ka ho “feno ny vokatry ny fahamarinana” isika. (Filipiana 1:9-11; 4:17.) Fanampin’izany, raha nianatra izany zava-miafina iankinan’ny aina izany isika ka mampihatra azy, ireo olona manodidina antsika dia hahazo fanampiana amin’io lafin-javatra io koa. Hanome ohatra tsara ho an’ny hafa isika, toy ny nataon’i Paoly koa, hany ka afaka nanoro hevitra ny Filipiana toy izao izy: “Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.” (Filipiana 3:17; ampitahao amin’ny andininy 13, 14). Ho antsika sy ny ho an’ny hafa koa àry izany zava-miafina izany dia manan-danja lehibe tokoa; manampy amin’ny fahazoana ny fiainana mandrakizay izy io.