FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/5 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Marina Tsara ve ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Fianarana Faha-6 — Ny Soratra Grika Kristiana ao Amin’ny Soratra Masina
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Nahoana no Be dia Be ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/5 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

▪ Nahoana ilay teny hoe “izay any an-danitra” ao amin’ny Jaona 3:13 no tsy hita ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao sy ny fandikan-teny hafa?

Ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly tranainy kokoa dia tahaka izao no vakina ao amin’ny Jaona 3:13: “Ary tsy nisy olona niakatra tany an-danitra, afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona izay any an-danitra.” (Fandikan-teny nahazoan-dalana, izahay no manipika). Nefa nisy niady hevitra ny amin’ny hoe tena nanonona ireo teny voatsipika ireo tokoa ve i Jesosy.

Araka ny teny manodidina, Jesosy eo dia nanazava fa sarotra ho an’ilay mpanapaka jiosy Nikodemosy ny hahafantatra ireo zavatra any an-danitra. Fa ny tenan’i Jesosy dia nahafantatra ny amin’ireo zavatra ireo, noho izy nidina avy any an-danitra. Heverinao ve fa ara-dalàna ny hitenenan’i Jesosy fa ‘tany an-danitra izy tamin’izay’?

Ireo olona izay mino fa Jesosy dia tapany iray amin’ny andriamanitra iray misy fizarana telo dia milaza fa tena mety eo amin’io toerana io ireo teny ireo satria mampiseho tsara fotsiny ny toetra roa ananan’i Jesosy — olombelona sy andriamanitra. Izany dia midika fa fony teto an-tany tamin’ny naha-olombelona azy i Jesosy dia mbola tapany tamin’ny andriamanitra iray tany an-danitra. Ary ireo olona mino io hevitra io dia manondro Soratra grika tranainy sasany na fandikan-teny tany am-boalohany izay nampiditra ireo teny ireo tao amin’ny fandikan-teniny, ary dia ataony antony fototra hampidirana azy ireo ao amin’ny fandikan-teniny koa izany.

Kanefa maro be ireo Soratra grika tranainy izay tsy mampiditra ireo teny ireo. Ny Sinaïticus hajain’ny olona sy ny Vaticanus no 1209, izay samy tamin’ny taonjato fahefatra dia anisan’ireo. Noho izany no nandavan’ireo manam-pahaizana B. F. Westcott sy F. J. A. Hort an’ireo teny mampisalasala ireo, tamin’ny fanomananay ny Soratra grika manan-dazany, izay nifotoran’ny Soratra grika kristian’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao. Torak’izany koa, ireo teny ireo dia tsy hita ao amin’ny Testamenta vaovao amin’ny teny grika (fanontana faha-3, 1975) natontan’ny United Bible Society. Raha miresaka ny amin’io Dr. Bruce M. Metzger dia nanoratra hoe: “Ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny Komity, izay voatosiky ny porofo ivelany manohana ny famakiana fohy kokoa [izay tsy mampiditra ilay teny], dia mihevitra fa ireo teny ireo [“izay any an-danitra”] dia fanazavana fanampiny, mampiseho ny fiovan’ny fampianarana kristiana taty aoriana.” Izany hoe, mazava tsara fa ireo teny ireo dia nampian’ny “mpanao kopia iray taty aoriana, angamba taorian’ny nandraisan’ny kristianisma ny fampianarana ny amin’ny fitambaran’Andriamanitra telo avy tamin’ireo fivavahana tsy kristiana.

Noho ny antony tsara àry izany no tsy ampidiran’ny fandikan-tenin’ny Baiboly amin’ny andro ankehitriny maro an’ireo teny ireo, na ametrahany azy ery ambany pejy. Ohatra: Today’s English Version, The riverside New Testament, New American Standard ary Revised Standard, ary koa ny fandikan-tenin’i James Moffatt, Edgar J. Goodspeed, R. A. Knox ary J. B. Philips.

▪ Niresaka ny amin’ireo Jiosy sa ireo Jentilisa i Paoly rehefa nilaza ao amin’ny Romana 1:25 fa “manaja sy manompo ny zavatra natao izy fa tsy ny Mpanao”?

Azo ampiharina amin’ny Jiosy sy ny tsy Jiosy io fanazavana io, satria samy meloka ho nanao an’io izy ireo. Kanefa ny fanaporofoan-kevitra ataon’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana toko voalohany dia mikasika indrindra ny Isiraely nivadika fahiny.

Ny zavatra noforonina dia manome porofo maro be ny amin’ny fisian’ny Andriamanitra Tsitoha sy Mpamorona iray. Na dia ireo Jentilisa aza dia ho tsy nahazo famelana tamin’ny fanompoana sary mampiseho endriky ny biby sasany, fa Andriamanitra dia nampitandrina manokana an’ireo Isiraelita ny amin’ny fanompoan-tsampy, ka ireo dia vao mainka tsy nahazo famelana. — Romana 1:18-23; Deoteronomia 4:15-19; 5:8, 9.

Kanefa ireo Isiraelita matetika dia ninia tsy nahafantatra ny fahamarinana ny amin’Andriamanitra ary “nanompo ny zavatra natao, fa tsy ny Mpanao”. (Romana 1:24, 25). Ohatra, nanota tamin’ny fanompoana ny andriamanibavy Astarta (izay aseho ho toy ny vehivavy mitanjaka manana ny momba ny tenany maha-vavy azy lehibe aoka izany) sy tamin’ny ombilahikely volamena maro izy ireo. (I Mpanjaka 11:5, 33; 12:26-28; II Mpanjaka 10: 28, 29). Izany aza dia nitarika azy ireo hanaraka fanao ny amin’ny lahy sy ny vavy mampietry sy ho amin’ny fanaovan-javatra tsy araka an’Andriamanitra. Ka noho izany, ireo Isiraelita nivadi-pinoana ireo, izay nahalala “ny fitsipika nomen’Andriamanitra” momba ireo fahotana ireo, dia tena nanan-tsiny tokoa ry nila ny haneho finoana ny fanavotan’i Kristy. — Romana 1:26-32.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara