Ny fandringanana “toerana masina” iray sy ny heviny amin’ny andro ankehitriny
“TRANO FIANGONANA SY TEMPOLY MARO VOARINGANA MANERANA NY TANY NOHO NY FIPOAHAN’NY HERISETRA NATERAKY NY TSY FITIAVAM-PIVAVAHANA!”
HO TOY inona ny fahatairan’ny ankamaroan’ny olona raha ohatra indray andro any, ka izany no lohateny havoakan’ny gazety sy ny fandefasam-peo! Kanefa tsy zavatra mety hitranga fotsiny izany; zavatra tsy azo sakanana izany!
Ahoana no hetezan’izany? Satria ny faminanian’ny Baiboly dia mampiseho mazava fa izany no hitranga tsy ho ela intsony amin’ny tany tsirairay. Ohatra, ny faminaniana ao amin’ny Matio toko faha-24 dia miresaka ny amin’ny fanafoanana “fitoerana masina” iray. Na dia efa nanana fahatanterahana tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana aza izy io, dia mbola manana fahatanterahana amin’ny lafiny lehibe kokoa amin’izao androntsika izao.
Io faminaniana io dia nikasika voalohany indrindra an’i Jerosalema sy ny tempoliny tsara tarehy izay nampiasain’ny Jiosy teo amin’ny fanompoam-pivavahany. Tamin’ny fotoana iray, raha niresaka tamin’ireo mpianany i Jesosy Kristy, dia hoy izy momba ireo trano nahaforona ny tempoly: “Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato mifanongoa eto ka tsy horavana”. — Matio 24:2.
Nahoana i Jehovah no hampihatra fitsarana amin’io “tempoly masina” tamin’ny taonjato voalohany io sy ny fandehan-javatra ara-pivavahana nasehony? Satria tonga mpivadi-pinoana ireo Jiosy. Nafoin’izy ireo ny lalàn’Andriamanitra nomena azy tamin’ny alalan’i Mosesy. Manaraka izany dia nolaviny ireo solontenan’Andriamanitra izay nirahina mba hananatra azy ka vitany hatramin’ny nandatsaka ny ran’izy ireo aza. Izany no nilazan’i Jesosy hoe: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao (...) Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” — Matio 23:37, 38.
‘Mandosira ho any an-tendrombohitra’
Ho an’ireo izay nivavaka tamin’Andriamanitra tamim-pahatsorana, no nitenenan’i Jesosy izao teny izao: ”Koa raha hitanareo mitsangana eo amin’ny fitoerana masina ‘ny fahavetavetan’ny fandravana’, izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay any an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. Ary lozan’ny bevohoka sy ny mampinono amin’ireo andro ireo!” — Matio 24:15-19.
Nahoana i Jesosy no nandodona ireo mpanaraka azy mba “handositra any an-tendrombohitra” haingana be toy izany? Hoy izy: “Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toy azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandra ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.” — Matio 24:21, 22.
Kanefa inona marina no tena tian’i Jesosy holazaina raha niresaka ny amin’ny “fahavetavetan’ny fandravana mitsangana eo amin’izay fitoerana masina” izy? Inona no tiany holazaina amin’ny hoe “fahoriana lehibe”, sy amin’ny “nofo” izay hovonjena? Nahoana no “hohafohezina” ilay fahoriana “noho ny olom-boafidy”?
Fahatanterahana tamin’ny taonjato voalohany
Inona no hita fa tena fahatanterahan’io faminaniana io tamin’ny taonjato voalohany? Mariho, voalohany indrindra, ny fampitandremana maika mba handosirana any an-tendrombohitra “raha hitanareo mitsangana eo amin’izay fitoerana masina ny fahavetavetan’ny fandravana”.
Inona io fahavetavetana mpandrava io? Ny Tantara dia milaza amintsika hoe inona no tena nahatonga ny fandravana an’i Jerosalema: dia ireo tafiky ny Empira romana. Rehefa niseho voalohany niaraka maro be nanodidina an’i Jerosalema ireo tafika ireo, dia izany no famantarana ho an’ireo olona ‘nisaina’ mba hialany amin’io toerana io. Ary io dia nitranga tamin’ny taona 66 amin’ny fanisan-taona iraisana. Taorian’izay, ny tafika romana teo ambany fitarihan’ny jeneraly Cestius Gallus dia nanodidina an’i Jerosalema ary nanafina ny mandan’ny tempoly mihitsy aza izy ireo, ka nanao izay hampahalemy azy. Afaka namabo ny tanàna iray manontolo mora foana izy ireo.
Nitsangana teo amin’ilay “fitoerana masina” àry ireo tafika romana. (Ampitahao amin’ny Matio 4:5; 27:53.) Na dia ireo Jiosy nivadi-pinoana aza dia nihevitra an’i Jerosalema sy ny manodidina azy ho “masina”. Ny fisian’ireo tafika ireo teo amin’io “fitoerana masina” io dia fahavetavetana ho an’ireo Jiosy.
Nefa, tamin’izay, noho ny antony izay tsy mazava ho an’ireo mpandinika ny Tantara, dia nampihataka ireo tafiny ny jeneraly Gallus ka lasa nandeha. Io ilay famantarana noresahin’i Jesosy mialoha. Tonga ilay fotoana tokony hanombohan’ireo mpanaraka azy, ireo “olom-boafidy”, handositra. Noho ny fahatakarany ny naha-maika ny fotoana, dia nivoaka haingana an’i Jerosalema sy Jodia manontolo izy araka ny toro-lalana nomen’i Jesosy azy. Nilaza ilay mpandinika ny Tantara atao hoe Eusèbe fa niampita ny ony Jordana izy ka nandositra ho any akaikin’i Pella tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada.
Rava Jerosalema
Taona vitsivitsy taty aoriana, tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana, ireo tafika romana notarihin’ny jeneraly Titus dia niverina tao Jodia ka nanodidina an’i Jerosalema. Nefa tamin’izay fotoana izay ireo “olom-boafidy” rehetra, ireo kristiana, dia efa nivoaka niala tamin’ilay “fitoerana masina”. Ka noho izany, rehefa nanodidina an’i Jerosalema ireo Romana tamin’io fotoana io, dia tsy nisy fahafahana ny handositra sy hiaro-tena intsony na ho an’iza na ho an’iza. — Lioka 19:43, 44.
Taorian’ny fahirano fohy naharitra efa-bolana sy dimy amby roapolo andro, dia noravan’ireo tafik’i Roma ny tanàna sy ny tempoly. Ilay mpandinika ny tantara atao hoe Josèphe, izay vavolombelona nahita maso, dia nilaza fa 1 100 000 ny isan’ireo maty ary 97 000 ireo babo. Betsaka ireo isa ireo satria tsy nankato ny fampitandreman’i Jesosy mba handositra ireo Jiosy tsy nahatoky. Ny nifanohitra tamin’izany no nataony. Tamin’ny fotoan’ny andro firavoravoana ara-pivavahana iray dia nirohotra tao Jerosalema izy ireo ary voafandrika daholo rehefa nanodidina ny tanàna tampoka ny Romana.
Ny tsy naha-tao Jerosalema an’ireo kristiana “voafidy” intsony dia midika hoe tsy nila ny hiahy ny amin’ny fiarovana azy ireo intsony Jehovah. Efa nandositra izy ireo. Afaka namela ny Romana hiditra tao Jerosalema Andriamanitra ka hanatanteraka haingana ny fitsarany hamelezana an’ilay tanàna. Noho ireo kristiana voafidy efa tany ivelan’i Jerosalema àry, ireo andron’ny fahoriana dia nifarana haingana, satria “nohafohezina”. Izany dia namela “nofo” sasany, ireo 97 000, mba ho tafita velona.
Io “fahoriana lehibe” tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana io no loza nahatsiravina indrindra nihatra tamin’i Jerosalema. Namarana tanteraka an’ilay tanàna naorin’ny Jiosy, ny tempoliny ary ny fandehan-javatra ara-pivavahana nihodinkodina teo aminy izy io.
Inona anefa no ifandraisan’izany tantara tranainy izany amintsika izay miaina amin’izao taonjato faha-roapolo izao? Be dia be.