FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/4 p. 20-25
  • Torohevitra tsara dia tsara ho an’ny tanora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Torohevitra tsara dia tsara ho an’ny tanora
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fahendrena sy ny fahalalana
  • Tsy mitondra soa ny ditra
  • An’i Jehovah ny toerana voalohany
  • Ny fakam-panahy
  • Ny asa sy ny fiavonavonana
  • Ny fianakavianao
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-20 — Ohabolana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Miezaha Hahazo Fahendrena ary Ekeo ny Fifehezana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Ohabolana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Fambolena Tahotra Araka An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/4 p. 20-25

Torohevitra tsara dia tsara ho an’ny tanora

“Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko. (...) Làlam-pahendrena no atoroko anao.”​—Ohabolana 4:10, 11.

1, 2. a) Fanontaniana inona avy moa no apetraka amin’ny tanora? b) Aiza no mety hahitana valiny azo inoana?

ZATOVOLAHY sa zatovovavy ianao? Tsy toa mampitahotra ve indraindray izao tontolo izao aminao? Tsy ho tianao ve ny hahafantatra ny fomba hanatonana ny zava-manahirana eo amin’ny fiainana sy izay hahitana torohevitra azo antoka sy fahendrena?

2 Hahita ny fanampiana ilainao ianao ao anatin’ny boky iray tena tranainy izay mikendry indrindra ny hanome “fahalalana sy fisainana mazava ho an’ny zatovo.” Inona izany boky izany? Ny OHABOLANA, boky iray ao amin’ny Baiboly. Raha tanora ianao, dia tokony hamaky azy io satria afaka hanampy anao hahita fahasambarana sy fahombiazana eo amin’ny fiainanao izy. Olon-dehibe ve ianao, ray na reny? Io boky io àry dia hanampy anao hanavaka ny fomba tsara indrindra hanampiana ny zanakao sy ny sakaizanao tanora. Ao amin’ireo toko siviny voalohany, dia tolorana torohevitra ianao tahaka ny fanaon’ny ray tia iray izay manome izany ho an’ny zanany amin’ny filazana hoe: “Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko (...). Làlam-pahendrena no atoroko anao”.​—Ohabolana 1:1-4; 4:10, 11.

3. Hevitra Sarobidy ho an’ny tanora inona no atolotry ny bokin’ny Ohabolana?

3 Mazava ho azy fa tsy ny olona rehetra akory no maniry handray izany fanampiana izany. Ny sasany, mifidy hanao izay tiany, dia tsy maniry hotoroana hevitra, na dia avy amin’Andriamanitra aza. Izao anefa no vakintsika: “Aoka ny Hendry hihaino ka hitombo saina”. (Ohabolana 1:5). Io boky io dia manazava ny fomba hananana fiainana sambatra kokoa. Velabelariny ny zavatra momba ny lalàna ara-pitondrantena ary resahiny ny vokatra tsaran’ny fiainana mahitsy. Mety hanampy anao handray fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena koa izy. Asehony fa ny fahendrena sy ny fahalalana dia hitondra fahafinaretana ho anao ary amin’ny fanalavirana ny mpanakorontana no hamonjenao ny fiainanao. Ny bokin’ny Ohabolana dia loharanon’ny torohevitra tsara dia tsara ho anareo, ry zatovo, sy ho an’ireo zokinareo.

Ny fahendrena sy ny fahalalana

4, 5. a) Mety ho azo ve ny fahendrena? b) Nahoana no betsaka no tsy mihaino? d) Inona, araka ny hevitrao, no fihetsika mampiseho fahendrena, ary nahoana?

4 Andriamanitra, Mpamorona ny zavatra rehetra, dia loharanon’ny fahendrena koa. Satria tiany ho fantatra ny fahendreny, dia nasainy nambara “teny an-kalalahana” izany mba handrenesan’ny rehetra azy. Nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy nety nihaino; ny sasany aza dia tsy tia ny fototra iavian’izany fahendrena izany. Kanefa izao no vakintsika “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. Ary koa: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana; fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.”​—Ohabolana 1:20; 9:10; 1:7.

5 Olona maro no tsy maniry hankato an’Andriamanitra. Tiany ny zavatra ho tahaka izao, nefa ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah”. (Ohabolana 8:13.) Ny fahatahorana an’i Jehovah dia hisakana azy ireny tsy hanao izay tsy ankasitrahany. Ny fahendrena àry dia ny fianarana ny lalana sy ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ka manaraka izany alohan’ny zavatra rehetra. Amin’izany ianao dia hitandrin-tena tsy hanao zavatra izay hahamenatra anao, izay hitondra fahoriana na alahelo ho anao, na izay mety hamoizanao na dia ny ainao mihitsy aza.

6. Inona no tokony hatao mba hahazoana ny fahendrena?

6 Mety ho azon’ny olona rehetra ny fehendrena, nefa ilaina amin’izany ny hanaovan-javatra mba hahazoana azy. Tokony haniry izany ianao, hiasa mba hananana azy ary hihevitra izany ho sarobidy. Mitaky fotoana sy fiezahana izany. Mety àry ny hametrahanao ireto fanontaniana ireto amin’ny tenanao: “Amin’inona no hampiasako marina ny fiainako? Inona ireo zava-kendreko? Moa ve aho manokana ny tapany lehibe amin’ny fotoanako hanaovana asa tsy ilaina, na moa ve aho mampiasa ny fotoana omen’ny fahatanorako mba hihadiana hahazoana ny fahalalana sy ny fahendrena?” Ny fahendrena dia sarobidy kokoa noho ny firavaka, ary “ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.” (Ohabolana 8:1, 5, 6, 11.) Mihady ve ianao mba hahazoana azy tahaka ny hataonao mba hahazoana azy tahaka ny hataonao mba hahitana vola na harena miafina? Milaza amintsika toy izao ny bokin’ny Ohabolana: “Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.” Manao fiezahana toy izany ve ianao mba hianarana ny Tenin’Andriamanitra?​—Ohabolana 2:4-6.

7. a) Inona no azonao atao mba hahatonga ny famakian-teny sy ny fianarana ho mora kokoa? b) Nahoana no mendrika ny hanaovana fiezahana izany?

7 Angamba milaza ianao hoe: “Tsy tiako ny fianarana; manorisory ahy ny famakian-teny.” Nefa arakaraka ny ianaranao sy amakianao teny dia hihamora ny vakiteny sy ny fianarana. Ampifandraisinao amin’izay efa fantatrao izay zavatra ianaranao, ka izany dia hahafahanao hahazo azy tsaratsara kokoa. Rehefa manao izany karazana fiezahana izany ianao dia tahin’i Jehovah. Arakaraka ny hitomboan’ny fahalalanao sy ny fahatakaranao zavatra dia hahita fifaliana kokoa ianao amin’ny fianarana, ary ny zavatra ianarana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia ho fiarovana ho anao eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Tsy hoe teny mahafinaritra na faniriana tsara fotsiny izany. Izany dia ny zavatra tena izy, eny, ny fahamarinana, satria izao no vakintsika: “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana, ka hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy sy amin’ny lehilahy izay miteny fitaka, izay mahafoy ny làlan’ny fahamarinana mba hizorany amin’ny làlan’ny fahamaizinana.”​—Ohabolana 2:10-13.

Tsy mitondra soa ny ditra

8, 9. Zava-manahirana inona fahita any an-tanàn-dehibe no dinihin’ny bokin’ny ohabolana, ary torohevitra lehibe inona no omeny momba izany?

8 Io boky io (ny Ohabolana) koa dia mandinika ny fakam-panahy sy ny zava-manahirana iombonan’ny tanora rehetra, na ny tamin’ny andron’ny Baiboly izany na ny amin’izao andro izao. Ao amin’ireo tanàn-dehibe dia tsy misy afa-tsy ditra, herisetra, tsy resahina ny amin’ny antoko voalamin’ny tanora mpanao ratsy ary olona manao azy ireny ho rembiny. Fampitandremana inona no omen’io boky tranainy io mba hanampiana anao hiaro tena amin’ireny loza ireny?

9 Ampitandremany amin’ny olona sasany tsy mendrika izay mety hifaneraseranao ianao, amin’izao teny izao: “Anaka, raha taomin’ny mpanota hianao, aza manaiky. Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika (...) dia ho azontsika ny fananana saro-bidy rehetra, ka hofenointsika babo ny tranontsika; avia mba hiara-miloka eto aminay; aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra; anaka, aza miara-dàlana aminy hianao; arovy ny tongotrao tsy hankamin’ny alehany; fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ny ratsy sady faingana handatsa-dra.”​—Ohabolana 1:10-16.

10. Inona no lazain’ny bokin’ny Ohabolana ny amin’ny lalan’ireo ratsy fanahy, ary nahoana izany no zava-dehibe?

10 Raha sendra tafaraka amin’ny olona maditra ianao dia mandosira. Nanoratra toy izao i Solomona: “Aza mialona ny olona ratsy fanahy, na maniry ho namany; fa fandravana no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana ny tenenin’ny molony.” (Ohabolana 24:1, 2). Tadidio izao: tsy mitondra soa ny ditra. Na dia tsy tratra aza ianao, Andriamanitra mahita anao. Ho fahadalana ny hamoizana ny fiainana mandrakizay noho ny tombony sasany azo tamin’ny fomba ratsy! Ny Ohabolana dia manome izao torohevitra izao ho an’ny tanora sy ny tsy dia tanora intsony: “Aza mankany amin’ny alehan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny làlan’ny ratsy fanahy. Manalavira azy; aza mandalo eo akory; mivilia, ka mizora. (...) Esory amin’ny ratsy ny tongotrao.”​—Ohabolana 4:14, 15, 27.

An’i Jehovah ny toerana voalohany

11. Fitahiana inona no horaisinao raha mandeha ao amin’ny fahatokiana sy mitondra tena mifanaraka amin’izay ataon’i Jehovah ianao?

11 Ny lalan’ny faharatsiana dia mifanohitra tanteraka amin’ny an’ny fahendrena. Ny bokin’ny Ohabolana dia milaza amintsika fa Jehovah dia ‘ampinga’ ho an’ireo izay mandeha amim-pahatokiana sady “miambina ny làlan’ny olona masina”. (Ohabolana 2:7, 8.) Manome fahafahana hiaina mandrakizay ho an‘ireo izay manao ny tsara izy. “Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao”. (Ohabolana 2:21). Hotahina tsy misy toy izany ianao raha mametraka an’i Jehovah amin’ny toerana voalohany. “Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra; ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ny vata fanantazanao.”​—Ohabolana 3:9, 10.

12. Ohatry ny zatovo inona izay nametraka an’Andriamanitra ho eo amin’ny toerana voalohany moa no ananantsika, ary valisoa inona no azony?

12 Zatovo maro no mitondra tena toy izany ankehitriny: mametraka an’i Jehovah amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany izy ireny. Manokana ny fahatanorany ho amin’ny fanompoana manontolo andro izy ireny amin’ny maha-minisitra mpitory maharitra, na miasa any amin’ny Betela izay amokarany Baiboly sy boky hanampiana olon-kafa mba hahafantatra an’Andriamanitra. Anontanio izy ireo raha notahin’i Jehovah izy. Hamaly anao amim-pahatsorana izy ireo fa nanao izany be dia be Jehovah ka manankarena ara-panahy lavitra noho ireo namany tanora izay mametra ny fahazoana fananana betsaka ho zava-kendrena izy.​—Ohabolana 10:9; 15:16.

Ny fakam-panahy

13, 14. Miasa eo amin’ny faniriana inona moa Satana? b) Misy ve io zava-manahirana io eo amin’ny toerana misy anao?

13 Ny fikambanana mpanao dokam-barotra dia mampiasa ny amin’ny lahy sy ny vavy mba hivarotana ny zavatra vokarina, ary Satana dia mampiasa ny fahalotoana eo amin’ny lahy sy ny vavy mba hakana fanahy ny mpanompon’Andriamanitra. Ohatra, Isiraelita an’arivony maro izay nandany taona maro tany an’efitra ka tonga tany akaikin’ny Tany nampanantenaina tamin’ny farany, no latsaka tao anatin’ny fijangajangana ka namoy ny fiainana.​—Nomery 25:1-9.

14 Ny olona izay tsy maniry ny mba hampiomanana ny tanora amin’ny loza dia manakimpy ny masony amin’ny toe-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ny revio sy ny sarimihetsika maloto, ny “sex shops”, ny momba ny soratra na sary maloto (pornographie) ary ny fivarotan-tena dia mitombo an-karihary eny an-dalambe. Mirakitra fampitandremana mahery amin’ny fanoloran-javatra maloto toy izany ireo toko voalohany amin’ny bokin’ny Ohabolana.

15. Fampitandremana inona ny amin’ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy no omen’ny bokin’ny Ohabolana antsika?

15 Resahina ao ny amin’ny vehivavy iray ratsy fitondrantena izay mitaona tanora tsy ampy fanandraman-javatra. Izao no vakintsika: “Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra, ary ny vavany dia malama noho ny diloilo. Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela. Ny tongony midina ho any amin’ny fahafatesana. (...) Ampanalaviro azy ny alehanao, ary aza manakaiky ny varavaran’ny tranony; fandrao omenao ho an’ny sasany ny voninahitrao, ary ny taonanao ho an’izay lozabe”.​—Ohabolana 5:3-14; 2:16-19; 6:27-29, 32.

16. Inona no mety hitranga amin’izay tsy mandositra avy hatrany ny fakam-panahy maloto?

16 Ireo toko ireo koa dia mampiseho amintsika, tovolahy “kely saina”, “tsy ampy saina”, izay nihaino ny teny fetsy sy sahisahy nataon’ny vehivavy ratsy fitondrantena iray ka, tsy menatra akory, dia nanary izay rehetra nety ho fifehezan-tena. “Tamin’ny fandroboan’ny molony no nitaomany azy. Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina (...), fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.” Tsy izy irery no voavily niala tamin’ny fankasitrahan’Andriamanitra sy notarihina ho amin’ny fahafatesana, satria “maro be no efa matiny”.​—Ohabolana 7:6-27.

17. Inona no maha-lehibe ny fijangajangana eo imason’i Jehovah?

17 Ireo fampitandremana ireo dia atolotra ho an’ny zatovolahy, nefa mahakasika ny zatovovavy ihany koa izany. Tsy maninona izay heverin’ny olona ny amin’ny vokatry ny fijangajangana, ny fihevitr’i Jehovah dia tena mazava. Lalan’ny fahafatesana izany. Mety hamoizanao ny paradisa an-tany haoriny indray izany. “Moa ve tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.”​—I Korintiana 6:9, 10; Efesiana 5:5.

18. a) Enta-mavesatra ve ny torohevitry ny Baiboly momba ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy? Nahoana ianao no mamaly toy izany? b) Torohevitra tsara dia tsara inona no omen’ny bokin’ny Ohabolana amin’io lafiny io?

18 Tsy misy olona tokony hihevitra fa ny fampiharana ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy, dia enta-mavesatra. Midika kosa aza izany, fihenan’ny fisaraham-panambadiana, ny tokantrano rava, ny ankizy maditra, ny fivarotan-tena, ny firehetan’ny fahasarotam-piaro ary milaza fianakaviana sambatra kokoa sy fiainana mahafaly kokoa. Ny bokin’ny Ohabolana dia mampiasa fiteny poetika mahafinaritra mba hamporisihana hanaraka izany lalan’ny fahendrena izany. Milaza aminao izy mba tsy hitady ny fahafinaretana eny an-dalambe na eo amin’ny olona tsy madio, na eo amin’ny olona maromaro, satria ny fipasahan’ny loharanonao eny ivelany izany. Mamporisika anao hifaly amin’ny vadinao izy rehefa manambady ianao, fa tsy ho latsaka ao amin’ny fandriky ny faharatsiam-pitondrantena avelatry ny hafa. Ny malemy dia mety hanaiky ho resin’ny faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana ka tsy hanana izany avy eo raha tsy amin’ny vadiny.​—Ohabolana 5:15-23.

Ny asa sy ny fiavonavonana

19. Torohevitra inona momba ny asa no omen’ny bokin’ny Ohabolana?

19 Manampy antsika amin’ny fomba hafa ihany koa ny bokin’ny Ohabolana. Araka izany, dia mamporisika antsika mba hiasa amim-pahazotoana izy, ka tsy mahafaly zatovo maro loatra izany. Izany dia marina na any an-tsekoly na any am-piasana na ao amin’ny fanompoana kristiana manontolo andro. “Mandehana any amin’ny vitsika, hoy ny toroheviny, diniho ny fanaony ka mba hendre.” Tahaka ny vitsika mahery miasa, ny kristiana dia hanome andro fiasana manontolo marina ho an’ny mpampiasa azy ka tsy hahavoatery an’io hanara-maso azy foana.​—Ohabolana 6:6-11; Efesiana 6:5; Titosy 2:9, 10; Hebreo 6:10-12.

20. a) Inona koa no halan’i Jehovah b) Amin’ny fomba ahoana no hampiharanao io torohevitra io eo amin’ny fiainanao?

20 Zava-dehibe indrindra koa ny tsy hahatongavana ho miavonavona sy mpanakorontana. “Izao enina izao no halan’i Jehovah,​—eny, fito no ataony ho fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela fandainga, ary ny tànana mandatsa-dra marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakaza hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy.”​—Ohabolana 6:16-19.

Ny fianakavianao

21. Torohevitra inona momba ny ray aman-dreny no atolotry ny bokin’ny Ohabolana, ary nahoana izany no zava-dehibe?

21 Aza hadinoina ny fanampiana mety hoentin’ny fianakavianao. Izao no vakintsika: “Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza mahafoy ny làlan-dreninao hitari-dalana anao ireo; raha mandry hianao, dia hiambina anao; ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.” (Ohabolana 6:20-22). Ary vao mainka marina izany raha mpanompon’Andriamanitra ny ray aman-dreninao. Nefa, na dia tsy mpino aza izy ireo, dia efa vavolombelon’ny zavatra maro izay tsy hitanao, ka ny torohevitra omeny dia mety hanampy anao hanalavitra fahasahiranana maro.

22. a) Inona no azo lazaina ny amin’ny maha-zava-dehibe ny famborahana ny ao am-po amin’ny ray aman-drenin’ny tena rehefa zatovo? b) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Hebreo 12:11 sy ny Ohabolana 4:10-13?

22 Na manao ahoana na manao ahoana, aza avela ny fotoana maha-zatovo anao​—na dia tsy zaza intsony aza ianao, nefa tsy mbola olon-dehibe​—hampanalavitra anao amin’ireo ray aman-dreninao, tahaka ny ataon’ny tanora maro. Angamba mihevitra ianao fa nilaozan’ny toetr’andro ny ray aman-dreninao, fa “lamaody antitra”. Kanefa afaka manampy anao hihazona ny fandanjalanjanao izy mandritra izany fe-potoana fiovaovana izany. Miresaha amin’izy ireo. Ataovy izay hihainoany anao rehefa manan-java-manahirana ianao. Tsy iriny ny hanakantsakana anao na hamatopatotra anao eo amin’ny fiainana, fa mba hahatonga izany ho mora kokoa kosa. Marina fa ny tanora dia maniry hiaina araka izay tiany ka sosotra matetika rehefa toroana hevitra. Nefa rehefa mampiseho fanetren-tena izy ireo, dia tsy ho mora sosotra. Ny olona manetry tena dia mahafantatra fa mety hanao fahadisoana izy ka ankasitrahany ny fiezahana ataon’ny hafa mba hanampiana azy. Ny bokin’ny ohabolana dia manambara hoe: “Ny hendry no anaro [ahitsio], dia ho tiany hianao.”​—Ohabolana 4:10-13.

23. Inona, aminao, ny hevitra fototra indrindra tamin’io foto-dresaka io?

23 Ny tanora àry dia mety hahazo ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Na dia tsy ampy fanandraman-javatra aza ianao, dia afaka mianatra sy mahataka-javatra. Miantso anao ny fahendrena. Resahiny ny amin’ny “zava-tsoa” [zavatra lehibe voalohany, MN] ary “ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.” (Ohabolana 8:6, 11.) Mba hahazoana ny fahalalana sy hahatongavana ho hendry, dia ilainao ny hianarana, hihadiana, eny, hihady tahaka ny hataonao mba hahitanao harena mahagaga iray. “Izay mahita ahy [ny fahendrena] dia mahita fiainana sady mahazo sitraka amin’i Jehovah”.​—Ohabolana 8:35.

Rehefa avy namaky ity lahatsoratra ity ianao, dia angamba ho tianao koa ny hamaky ny toko 1 ka hatramin’ny 9 amin’ny bokin’ny Ohabolana izay niorenany.

Tadidinao ve izany?

◻ Inona moa no fanampiana omen’ny bokin’ny Ohabolana ho an’ny tanora?

◻ Nahoana moa no misy olona be dia be mandà izany fanampiana izany?

◻ Koa satria mety ho azo ny fahendrena, ahoana no mety hananan’izany fahafahana izany hery eo amin’ny fiainanao?

◻ Mampitandrina antsika amin’ny fakam-panahy inona avy fahita any amin’ireo tanàn-dehibe moa ny bokin’ny Ohabolana?

◻ Nahoana moa no tsy enta-mavesatra akory ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly ny amin’ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy?

◻ Inona moa no fanampiana azon’ny tanora raisina avy amin’ny fianakaviany?

[Efajoro, pejy 22]

NY FAHALALANA, NY FAHENDRENA, SY NY FAHAIZANA

Ny bokin’ny Ohabolana dia manan-javatra betsaka hambara ny amin’ireo teny telo ireo. Amin’ny ahoana izy ireo no tsy mitovy?

NY FAHALALANA dia ny fitambaran’ny fanazavana azo tamin’ny fianarana, ny fandinihana na ny fanandraman-javatra. Ny hendry dia ‘mirakitra fahalalana’ sady manana tahirim-pahalalana izay azony anovozana.​—Ohabolana 10:14.

NY FAHENDRENA dia manakambana ny fahalalana sy ny fahaizana mandanjalanja tsara. Izany di any fahafahana mampiasa tsara ny fahalalana, mandamina zava-manahirana ary manalavitra ny loza. Mitaky fahalalana lehibe sy fahatakaran-javatra lalina izany ka hahafahana mitsara zavatra amin’ny fomba mazava sy mahasoa. Raha manam-pahalalana ianao, nefa tsy hainao ny fomba hampiasanao azy, dia tsy ampy aminao ny fahendrena. “Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena”, satria raha tsy ao izany dia tsy hisy vidiny firy ny fahalalana.​—Ohabolana 4:7.

NY FAHAIZANA dia ny fahazoana mahataka-javatra. Araka izany, dia fantatrao izao ny fahasamihafana amin’ny fahalalana sy ny fahendrena: azonao atao ny manavaka azy roa. Angamba ianao manana fitondrantena sasany satria mandidy izany Andriamanitra, nefa raha fantatrao ny antony andidiany izany, ny zava-kendrena tsara sy ny soa entiny, dia ho vonona kokoa ianao hanao izany. Ny bokin’ny Ohabolana dia manome hevitra azo ampiharina izay hanampy anao hahafantatra, tsy ny lala-mahitsy na ratsy fotsiny, fa nahoana tokoa no toy izany no izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara