Ny fahasambarana — Mety ho azo ve izy io?
Ny zava-manahirana ara-bola, ny fahalotoam-pitondrantena, ny heloka bevava sy ny aretina dia mampihozongozina an’izao tontolo izao ary mahaforona vato misakana sasany ho an’ny fahasambarana. Ary anefa ny boky hoe Le Bonheur — Comment le trouver? dia mvaofy an’ireo zava-manahirana ireo amin’ny fijerena ny zavatra tena misy sy mamelabelatra ho an’ny tsirairay amin’ireo ny fanafodiny maharitra: ilay lazalazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Araka izany, raha tsy azo atao ny mividy ny fahasambarana, dia maty hahazo boky iray mitarika ho amin’izany ianao. Raha irinao ny hahafantatra ny fomba hahazoana an’io boky io, dia mba avereno amin’ny anankiray amin’ny adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana eto ambany.