Fanontanian’ny mpamaky
▪ Fahendrena ve ny handefasana ny zanaky ny tena honina any amin’ny havana tsy kristiana noho izy ireny afaka manolotra tombontsoa ara-nofo sasany fotsiny?
Asehon’ny Soratra masina fa ny ray aman-dreny dia manana tombontsoa sy andraikitra hikarakara an’ireo zanany, anisan’izany ny fanomezana izay ilainy ara-panahy. Hiseho ho tsy ampy fahiratan-tsaina ny mpivady kristiana raha amin’izany adidy izany izay nankinin’Andriamanitra taminy, satria fotsiny ho afaka handray tombontsoa ara-nofo sasany ny zanany raha monina any amin’ny havana tsy kristiana.
Any amin’ny tany sasany dia fahita tanteraka ny ray aman-dreny mandefa ny zanany honina any amin’ny mpianakaviny elaela. Matetika ny ray aman-dreny manao toy izany dia monina any amin’ny faritra manokana tsy misy sekoly firy. Alefany any an-tanàn-dehibe, any amin’ny fianakaviany (na any amin’ny kilasimandry) àry ny zanany, mba hahafahany mandray fianarana tsaratsara kokoa na karazam-piainana mandroso kokoa. Antenaina mandrakariva ny hanaovan’ilay zanaka asa fikarakarana tokantrano na handoavany zavatra amin’ny fomba isan-karazany ho an’ireo havana nandray azy.
Heverina fa ny fandaharana toy izany dia hitondra tombontsoa ara-nofo ho an’ilay zanaka, nefa mety tsy ho lehibe araka ny ahitana azy raha vao jerena voalohany izany. Ny fanandramana dia mampiseho fa matetika ny vokany no manimba an’ilay zanaka izay nongotana tamin’izany tsy ho ao anatin’ny faritry ny fianakaviana ka voatery monina any an-kavana, lavitra ny ray sy ny reniny. Tsy ampitovina amin’ireo ankizy hafa ao an-trano izy fa matetika no heverina ho toy ny mpiasa ary avakavahana. Araka ny azonao alaina sary an-tsaina, ny zanaka toy izany dia hahatsiaro fankahalana satria hieritreritra, amin’ny fomba diso na marina, fa tsy ara-drariny ny fitondrana azy (jereo Genesisy 27:30-41). Ny fikorontanana ara-pihetseham-po sy ny alahelo aterak’izany dia mety hanimba ny fianarany, na dia sekoly tsara aza no alehany. Tena mahasoa azy tokoa ve izany fandaharana izany? Ambonin’izany, rehefa tsy mahazo toy izany lalàm-pifehezana tsy tapaka avy amin’ireo ray aman-dreniny tia azy ny zanaka iray, dia matetika izy no latsaka ao anatin’ny faniavana.
Ireo torohevitra omen’ny Tenin’Andriamanitra dia manampy hanalavitra izany vokany mampalahelo izany. Mazava ho azy fa ao anatin’ny tarehin-javatra maningana sasany, dia misy ankizy tsy maintsy tezain’olon-kafa ankoatra ny ray aman-dreninya. Tamin’izany no nanoroany hevitra an’ireo mpanompony hikarakara kamboty na ankizy tsy manana ny rainy (Deoteronomia 14:28, 29; 16:9-14; 24:17-21; 26:12, 13; Salamo 10:14; Jakoba 1:27). Antitranterin’ny Soratra masina alohan’ny zavatra rehetra anefa fa adidin’ny ray aman-dreny ny manome izay ilain’ireo zanany ara-nofo, ara-panahy sy ara-pihetseham-po. — Jereo I Timoty 5:8.
Nanome izao torohevitra izao ho an’ny ray aman-dreny Andriamanitra: “Ary ampianaro ny zanakareo izany [ny teniko], ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha eny an-dàlana, na mandry, na mifoha”. (Deoteronomia 11:18, 19). Ho afaka hanao izany ve ny ray aman-dreny raha minia mandefa ny zanany any amin’ny mpianakavy hafa ao anatin’ny fe-potoana lavalava? Tsia; ny ray aman-dreny dia tokony hiara-miaina amin’ny zanany mba hahafahana manitsy azy ireny sy mampianatra azy tsy tapaka, ary manome azy tokantrano anjakan’ny fitiavana, izay tena ilain’ny tanora tokoa (Efesiana 6:4; Ohabolana 6:20). Miharihary tokoa fa tsy hitondra fahasambarana ho avy (sy mandrakizay mihitsy aza) ho an’ny zanaka kristiana ny fandefasana azy hiaina miaraka amin’ny havana tsy kristiana, ka hanao sorona amin’izany ny fanabeazana ara-panahy ho azony ao an-tokantrano mba hanomezana azy fianarana tsy ara-pivavahana. Ireo kristiana maneran-tany dia mahafantatra fa ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny, ny fitaizana zanaka mba hanompoany an’i Jehovah dia raharaha sarotra izay mitaky fanaraha-maso foana avy amin’ny ray aman-dreny. Azo antoka fa hampihena ny mety ho fahombiazana ny tsy fanomezana tokantrano kristiana ny zanaka iray, ary izany dia noho ny tombontsoa ara-nofo fotsiny.
Hevero ny ohatra nomen’i Jesosy izay notezaina tao amin’ny tanàna tsotra iray tany Galilia. Nankato an’Andriamanitra Josefa sy Maria ka nitana an’i Jesosy niaraka tamin’izy ireo tany Nazareta ka tany izy dia “nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona’. — Lioka 2:41-52.
Ny fandehan-javatra ankehitriny dia manipika ny amin’ny fianarana sy ny fahombiazana ara-nofo. Re ny ray aman-dreny kristiana nilaza hoe: ‘Tsy tiako ho tonga mpiandry vavahady ny zanako lahy.’ Na dia ny ray aman-dreny kristiana aza dia mety hanaiky ho voaloton’izany toe-tsaina ny amin’ny fianarana sy ny tombontsoa ara-nofo izany. Nefa kosa izay matoky ny fahendren’i Jehovah dia hiahy voalohany indrindra mba hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
◼ Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny lehilahy iray nositraniny: “Aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.” — Jaona 5:14. Te hilaza ve izy fa raha marary isika, dia satria nanota?
Tsia, ny aretina rehetra akory tsy hoe tsy maintsy vokatry ny fahotana manokana iray.
Ny toko fahadimy amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona dia mitantara fanasitranana lehilahy iray narary nandritra ny taona maro. Taty aoriana, dia hitan’i Jesosy tao an-kianjan’ny tempoly io lehilahy io ka hoy izy taminy: “Indro, efa sitrana hianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.” — Jaona 5:14.
Nandova ny fahotana sy ny tsy fahatanterahan’i Adama daholo isika rehetra (Romana 5:12.) Porofon’izany ny faharariantsika “ho azy” indraindray. Miharihary fa ilay lehilahy nositranin’i Jesosy dia narary noho ny tsy fahatanterahany nolovana. Noho ny famindrampon’Andriamanitra anefa dia sitrana izy ary nahafantatra, tamin’ny alalan’i Jesosy, ny hoe inona no lalan’ny famonjena. Tokony hanaraka an’ilay Mpamonjy izy izao. Raha toa kosa izy ka minia mitodika any amin’ny fahotana, dia hisy zavatra ratsiratsy kokoa noho ny aretina hitranga aminy; ho meloka ho nanota tamin’ny fanahy izy ka ho mendrika ny fandringanana mandrakizay. — Matio 12:31, 32.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny tarehin-javatra iray maningana sy mampalahelo dia ny an’ny zazavavy iray miteraka satria nisy nisavika. Ireo olona voakasika mivantana, izany hoe ilay zazavavy sy ny ray aman-dreniny dia afaka mamantatra hoe inona no fihetsika mampiseho fahendrena tokony harahina arakaraka ny lafin’ilay raharaha rehetra, anisan’izany ny toe-javatra sasany karazan’izany, ny fianakavian’ilay zazavavy dia nandray an’ilay zaza sy nitaiza azy tamim-pitiavana tao anatin’ny tokantrano kristiana. Na nisy koa mpivady kristiana hafa naniry hikarakara zaza sy afaka nanao izany, nomen-dalana hanangana an’ilay zaza vao teraka.