Nahazo ny loka voalohany izy io
Nanoratra toy izao ny mpamaky iray Ny Tilikambo Fiambenana: “Tamin’ny fampisehoan-tsary indiana tany Filadelfia, any Mississippi, tamin’ny volana jolay 1981, dia nanana fahafahana izahay nahita fampisehoana asan-tanana sy zava-kanto indiana maromaro. Rehefa nijery ny zavatra nahazo ny loka voalohany izahay dia gaga sady faly nahita fa teo amin’ireo boky ara-pivavahana, ny boky hoe Recueil d’histoires bibliques dia nahazo ny loka voalohany.”
Heverinay fa ianao koa dia ho tia kokoa an’io boky be velarana misy sary mahafinaritra tokoa io. Izy io dia mirakitra tantara 116 nalaina avy ao amin’ny Baiboly izay mahatonga ny mpamaky hahita ny ankapoben’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly. Ireny tantara ireny dia hita araka ny filaharana tena nitrangan’ny zava-niseho tokoa. Izy io dia boky izay tsy isalasalana fa hahasoa anao tokoa mba hianarana hanondro ny fotoana nitrangan’ireo zava-niseho avy raha ampitahaina amin’ny hafa.
Mba hahazoanao an’io boky 256 pejy io, dia avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako an’ilay boky hoe Recueil d’histoires bibliques.