FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/1 p. 30-31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Nioty Varimbazaha Tamin’ny Sabata Izy Ireo
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Nioty salohimbary tamin’ny andro sabata izy ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Fiotazana salohim-bary tamin’ny Sabata
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/1 p. 30-31

Fanontanian’ny Mpamaky

◼ Rehefa heverina amin’ny voalaza ao amin’ny Matio 12:1-8, azo atao ve ny mandika ny lalàn’Andriamanitra mba hamonjena aina?

Na dia mampiasa ny Matio 12:1-8 aza ny olona sasany mba hanohanana an’io fiheverana io, ny fandinihana amim-pitandremana ny Soratra Masina dia mampiseho fa diso ny fanatsoahan-kevitra toy izany.

Raha mbola mamakivaky tanimbary iray ny mpianatr’i Jesosy dia nitsimpona voa kely, araka ny nanomezan’ny Lalàna fahefana azy (Levitikosy 19:9, 10; Deoteronomia 24:19-21). Nanakiana azy ireo ny Fariseo satria nandritra ny andro sabata no nanaovany toy izany. Ireny filoha ara-pivavahana ireny dia nanampy tamin’ny Lalàna, filazana heviny be dia be mba hilazana indrindra hoe karazana “asa” inona no tsy ara-dalàna mandritra ny sabata. Araka ireny fitsipik’olombelona ireny izay ahitana taratry ny toe-tsaina henjan-doatra nananan’ireo nanao azy, dia azo notsinina ireo mpianatra satria nanatontosa karazana asa roa: nijinja izy ireo (“nanoty salohim-bary”) ary nively vary (‘nikosokosoka izany tamin’ny tanany’ izy) (Matio 12:1; Lioka 6:1). — Matio 12:3-8.

Nampahatsiarovin’i Kristy eo ireo toe-javatra nanatonan’i Davida sy ny namany an’i Ahimeleka mpisoronabe tany Noba, raha nandositra an’i Saoly mpanjaka izy. Nanambara i Davida tamin’izay fa nanankinan’ny mpanjaka asa miafina izy ary nangataka mofo izy. “Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masina ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.” Ny nasiany fitenenana dia mofo aseho, izany hoe mofo tsy misy masirasira roa ambin’ny folo nalahatra isan-kerinandro teo ambony latabatra iray amin’ny Masina amin’ny tabernakely. Koa satria mofo vaovao no naseho isan-tsabata, dia nesorina ny teo aloha ary natao “ho an’i Arona sy ny zanany” izay tokony ‘hihinana azy ao amin’ny fitoerana masina’. Nanazava i Davida fa nadio ara-pombafomba ireo niaraka taminy ary nilaza tsy nivantana izy fa masina izy ireo tamin’ny fomba sasany satria nirahin’ny mpanjaka voahosotr’i Jehovah. Dia nomen’i Ahimeleka azy ny “mofo masina, ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan’i Jehovah”. — I Samoela 21:1-6; Levitikosy 24:5-9.

Rehefa voalaza izany, dia aoka isika hiverina amin’ny fiheverana fa ho azo atao ny handika ny didin’Andriamanitra rehefa misy aina tandindomin-doza. Nihevitra toy izao ny olona sasany: ‘Rehefa nandika didy lehibe iray Davida satria notandindomin-doza ny ainy, dia nanakimpy ny masony tamin’ny nataony Andriamanitra; toy izany koa, nanala tsiny ny fandikana ny sabata i Jesosy ary nanambara fa azo atao ny manao soa sy mamonjy fanahy tamin’io andro io’ (Lioka 6:9; Matio 12:11, 12). Nefa, ny fiheverana toy izany dia sady mamitaka no mifanohitra amin’ny fampianarana ao amin’ny Baiboly.

Amin’izany, ohatra, no tokony hanekena ny fanombantombanana fa Davida sy ireo mpianatr’i Jesosy dia tao anatin’ny tarehin-javatra nahatandindomin-doza ny ainy. Izany tokoa ve no izy? Tsy milaza ny Baiboly hoe nadiva ho faty noana i Davida sy ny namany satria hoe tsy nisy na inona na inona hohanina. Raha ny marina, araka ny filazan’ny manam-pahaizana amin’ny jeografia, dia tany avaratry ny tendrombohitra Oliva indrindra, kilaometatra vitsivitsy avy eo Jerosalema sy ny tanàna maromaro, no nisy an’i Noba. Ny famakiana ny fitantarana manontolo dia mahatonga ho afaka hanao fanatsoahan-kevitra fa noana indrindra Davida sy ny namany ka nangata-javatra hohanina tamin’olona nitokisany. Toy izany koa, milaza amintsika ny Baiboly fa rehefa “noana” ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny andro sabata, dia nitsimpona voa sy nihinana izany. Azo antoka fa nisakafo izy ireo ny omalin’iny, ary, tamin’ny andro nanaraka ny sabata, dia ho afaka hividy sakafo eny amin’ireo vohitra manodidina izy (Jaona 4:8; Matio 14:15). Noho izany, raha tiana ny hampiasa an’ireo fisehoan-javatra kely ireo mba hampisehoana hoe amin’ny fotoana toy inona no azo atao ny mandika ny lalàn’Andriamanitra, dia ho azo atao tsara koa ny milaza fa isaky ny “noana” ny olona iray dia manana zo handika ny didin’i Jehovah. Miharihary tokoa fa diso io fiheverana io.

Ny hany sisa hatao dia ny mamantatra ny dikan’ny Matio 12:1-8. Nalan’i Jesosy sarona ny toe-tsaina tery sy henjan-doatra nananan’ny Fariseo. Ho tsapantsika tsara kokoa ny amin’izany raha eritreretintsika ny antony namoronana ny sabata ary raha dinihintsika amim-pitandremana ireo fanazavana omen’i Jesosy.

Nahoana ny Isiraelita no tsy nahazo niasa tamin’ny andro sabata? Moa ve izany fandrarana ny asa fotsiny? Tsia. Ny antony kosa dia mba tsy hahatonga ny asa tsy ara-pivavahana toy ny asa natao hahazoana sakafo sy fitafiana haka ny fotoana rehetra sy ny sain’ny olona. Ny fandaharana ny amin’ny sabata dia nanohana ny fanompoam-pivavahana madio tamin’ny famelana ny vahoaka hanana fahalalahana hanompo tsy ho variana amin’ny asa fanao (Eksodosy 20:8-11; Isaia 58:13). Namporisika ny hananana an’io fomba fijery io Jesosy fa tsy ny fiheverana tery nananan’ireo Fariseo.

Nambarany fa na dia ireo mpisorona nanompo tao amin’ny tempoly aza dia nety ho nampangaina fa ‘tsy manamasina ny andro sabata’ ka noho izany dia mandika ny lalàna. Tamin’ny fomba ahoana? Nandritra ny sabata ireo mpisorona dia niasa mafy namono ny biby nentina teo aminy mba hatao fanatitra. Moa ve izy mpandika ny lalàna na dia izany aza? Nambaran’i Jesosy fa ‘tsy nanan-tsiny’ ireny mpisorona ireny. Ireo adidy notontosainy tao amin’ny tempoly dia tsy nanimba velively ny fanompoam-pivavahana fa nanamora azy kosa. Rehefa nandeha Jesosy (izay ‘lehibe noho ny tempoly’ ka hanolotra ny sorona farany) sy ny mpianany, dia nampianatra ny Tenin’Andriamanitra izy ka tamin’ny fanaovana toy izany, dia nanohana ny fanompoam-pivavahana madio. Araka izany àry, dia tsy nandika ny sabata izy ireo tamin’ny fitsimponana kely mba hohanina. Araka ny nanazavan’i Jesosy azy, dia vao mainka tsy nifanohitra tamin’ny hevitry ny lalàna momba ny sabata ny “namonjy fanahy” tamin’ny fakana ondry iray avy tao an-davaka, na dia tamin’ny andro sabata aza. — Matio 12:5, 11; Lioka 6:9.

Toy izany koa, raha ny hevitra no nifikirana, ‘dia tsy azon’i Davida nohanina’ ireo mofo aseho ireo, satria, araka ny Lalàna, dia voatokana ho an’ny mpisorona ireo. Nomen’ny mpisoronaben’i Jehovah an’i Davida anefa izany. Nahoana? “Masina” ireo mofo nalaina avy teo amin’ny latabatra fampisehoana azy; tsy tokony hoheverina ho toy ny mofo tsotra izao izany, ohatra, amin’ny fanomezana azy ny mpiasa rehetra na amin’ny fihinanana azy amin’ny fitsangantsanganana natao hahitana fahafinaretana. Tokony hampiasaina ho sakafon’ny mpisorona, olona nilatsaka hanao ny fanompoana an’Andriamanitra izany. Araka izany, rehefa tonga Davida, toa voatendry hanao asa nanirahana manokana nankinin’ny mpanjaka voahosotr’i Jehovah taminy, ary rehefa nofantarin’ny mpisoronabe tsara fa nadio ara-pomba ireo lehilahy, tsy nisy na inona na inona nisakana ny hanomezana azy mofo aseho. Izany fomba fanao izany dia nifanaraka tamin’ny fomba nanokanan’Andriamanitra indrindra an’ireny mofo ireny.

Ampitahao ny voalaza eo aloha sy ny fitantarana ny amin’ireo miaramila isiraelita tao amin’ny tafik’i Saoly izay nandika ny lalàn’Andriamanitra ny amin’ny ra, araka ny voalaza ao amin’ny I Samoela 14:32-35. Tao amin’ny ady iray, dia nifanandrina tamin’ny Filistina, fahavalon’ny olon’i Jehovah, izy. Sasatra sy noana taorian’ny ady ny Isiraelita sasany ka namono biby ary ‘nihinana [ny nofony] mbamin’ny rany’. Na dia lazaina aza fa tsy fidiny izany ka nilaina ny hanomezana fahafahampo ny fahadodonana hila sakafo, ny fandikana ny lalàna ny amin’ny ra dia tsy azo nalan-tsiny. Izany dia ‘ fanotana tamin’i Jehovah’ ary nilaina ny hanolorana manokana sorona ho an’ireo izay ‘nanota tamin’i Jehovah tamin’ny fihinanana mbamin’ny rany’.

Fandikana lalàna izany satria rehefa nomena ny lalàna momba ny ra, dia nanambara Andriamanitra fa azon’ny olona natao ny nihinana nofom-biby mba hahavelona, nefa tsy tokony hihinana ny rany izy (Genesisy 9:3, 4). Tsy nanome lalana handika an’io lalàna io izy raha toa tandindomin-doza ny aina. Nandidy ny Mpamorona fa masina ny ra. Raha natao hamonjena ny ra, dia tsy tamin’ny fampidirana azy tao amin’ny tena na tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa. Amin’ny fanolorana ny ran’i Jesosy natao sorona no mety hisian’ny fiainana mandrakizay. — Efesiana 1:7.

Ny fitantarana ny nisedran’ny manam-pahefana romana an’ireo kristiana voalohany dia manamarina izany toe-javatra izany ary mampiseho fa tsy tokony hieritreritra isika hoe azo dikaina ny lalàn’Andriamanitra rehefa misy ‘raharaha iankinan’ny fahavelomana na ny fahafatesana’. Indraindray, dia tsy maintsy nifidy izy ireo na hihinana “boudin” na ho faty tao amin’ny kianja filalaovana. Moa ve àry izy ireo handika ny lalàn’Andriamanitra ny amin’ny ra, ka izany dia hitarika azy ireo hamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra? Tamin’ny fotoana hafa dia noterena izy ireny tsy handoro emboka manitra indray mitsingina ho an’ny emperora nasandratra ho andriamanitra. Handika ny didin’Andriamanitra ny amin’ny fanompoan-tsampy ve izy ireo tamin’izay? Porofoin’ny Tantara fa ireo kristiana mahatoky dia tsy nety nanao toy izany na dia rehefa nahatandindomin-doza ny ainy aza izany. Na dia maty noho ny fanarahany ny lalàn’Andriamanitra aza izy ireo dia natoky fa hahazo ny fiainana mandrakizay. — Matio 16:25, 26.

Noho izany, ny Soratra Masina dia tsy manohana ny fiheverana fa azo atao ny mandika ny didin’Andriamanitra ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra iray. Izao kosa aza no lazainy: “Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an’Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.” — I Jaona 5:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara