Mandraisa soa amin’ny fieritreretana nomen’Andriamanitra anao
“Ny lalàn’Andriamanitra no ao am-pony; tsy mba ho solafaka ny diany.”—Salamo 37:31.
1, 2. Nahoana moa isika no tokony hanontany tena ny amin’ny fomba itarihan’ny fieritreretantsika antsika (Ohabolana 12:15; 14:12)?
NA DIA tsy nangataka tamin’ny kristiana mba hitandrina fitambaran-dalàna tsy misy farany aza Andriamanitra, dia nomeny antsika ihany ny lalàna vitsivitsy na fitsipika hentitra, sy ny fotopoto-pitsipika maro tokony hampiharintsika mifanaraka amin’ny finoantsika sy ny fieritreretantsika. Zavatra hafa anefa ny manana fieritreretana ary zavatra hafa ny mandray soa feno avy amin’izany. Be dia be no miteny anakampo hoe: ‘Raha mbola tsy manenjika ahy koa ny fieritreretako, dia mety ny zavatra.’ Toy izany ve no tokony ho fomba fihevitra?
2 Asehon’ny Baiboly fa noho ny nofontsika mpanota, dia mety hampaniasia antsika ny fieritreretantsika; mety halemy izany, ho diso lalana na haloto. Ho takatsika kokoa fa mampidi-doza ny fihainoana an’ireo izay milaza hoe: ‘Avelao hitarika anao ny fieritreretanao’, amin’ny fandinihana izay hita tamin’ireo mponina tany Kreta izay fantatra tamin’ny taonjato voalohany ho ‘mpandainga, biby ratsy, kamo be tenda’. — Titosy 1:10-12.
3. Nisy heriny teo amin’izy ireo ve ny fieritreretan’ny Kretana?
3 Sahala amin’ny olona rehetra, ny Kretana dia teraka nanana fieritreretana, nefa tsy nandray soa avy amin’izany. Raha nanoratra ho an’i Titosy izay tany Kreta ny apostoly Paoly dia nanambara toy izao: “Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ny olona madio; fa raha amin’ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.” (Titosy 1:15; Romana 2:14, 15). Ny ankamaroan’ny Kretana dia nanana fieritreretana tsy nihontsina izay tsy nanampy azy ireny hanao izay tsara sy madio (I Timoty 4:2). Tamin’ny maro be tamin’izy ireny, dia ‘tsy nisy nadio na inona na inona’. Noho izy nanana fieritreretana naloto, dia nahitany fahafahana hanao ratsy daholo ny tarehin-javatra tsirairay avy. Angamba izy ireny niteny anakampo koa hoe: “Tsy manenjika ny fieritreretako izany.’ Nefa tokony ho nanenjika azy ny fieritreretany! Rehefa voalaza izany, tamin’ny andro Pentekosta taona 33, tany Jerosalema, dia nisy Jiosy sy proselyta tonga avy any Kreta. Ny fahalalany ara-panahy dia efa nanampy azy ireo hanary ny lainga, ny ditra sy ny hatendan-kanina. Fa raha ny amin’ireo izay nanaiky an’i Jesosy, izy ireo dia nahita tao amin’ny fampianarany, fanampiana amboniny mba hahazoana fieritreretana madio sy miasa. — Asa. 2:5, 11; Titosy 1:5; 2:2-5; 3:3-7.
4, 5. Mampahafantatra inona antsika moa izay hita tamin’i Paoly raha ny amin’ny fieritreretana?
4 Ny fieritreretana koa dia mety hampahadiso hevitra ny olona iray izay mandray soa amin’ny herin’ny Tenin’Andriamanitra ka ta-hanao ny tsara. Saoly, na Paoly, dia nahalala tsara ny Soratra masina ary nanaraka ny fivavahany tamin-jotom-po nifanaraka tamin’ireo fepetra notakin’ny Lalàna. Tsy noheveriny anefa ny fahatanterahana miandalan’ny sitrapon’Andriamanitra. Tonga ny Mesia, nitory ary maty ho fahatanterahan’ireo faminaniana, nefa nanohy nanaraka ny jodaisma narahin’ny Fariseo i Paoly. Ny fieritreretany dia tsy nisakana azy tsy ‘hanenjika ny kongregasiona’ sy ‘hifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatry ny Tompo.’ — Filipiana 2:4-6; Asa. 9:1, 2.
5 Ireo ohatra ireo dia mampiseho tsara fa mety hampahadiso hevitra antsika ny fieritreretantsika. Koa satria matetika isika no tojo fanapahan-kevitra izay tsy azo tapahina amin’ny alalan’ny lalàna hentitra ao amin’ny Baiboly fa anisan’ny raharahan’ny fieritreretana, dia tokony ho fantatsika ny fomba hampiasana ny fieritreretantsika sy handraisan-tsoa faran’izay betsaka avy amin’izany. Hojerentsika amin’izany ireo anton-javatra telo tokony hoheverina.
Inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra?
6, 7. Inona moa no anankiray amin’ireo fomba mety hanampian’ny Tenin’Andriamanitra antsika eo anoloan’ny raharaha momba ny fieritreretana?
6 Ny Tenin’Andriamanitra tonga lafatra dia mirakitra fanazavana maro izay afaka manazava antsika ny amin’ny fiheverana na fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ka mamolavola ny fieritreretantsika. Araka ny efa nolazaintsika, Josefa dia tsy nahazo mihitsy avy tamin’Andriamanitra, lalàna voasoratra manameloka ny fijangajangana. Notezainy tsara anefa ny fieritreretany. Tsy isalasalana fa noeritreretiny ny hoe Andriamanitra dia namorona ny lehilahy sy ny vehivavy mba hahatonga azy “roroa” ho nofo iray ihany, ka izany dia nanilika izay rehetra nety ho fijanganjangana tamin’ny olona fahatelo. Fantatr’i Josefa koa ny tantaran’i Abrahama, sakaizan’Andriamanitra, ary tsaroany indrindra ny tantara kely nampiharihary ny fiheveran’Andriamanitra ny amin’ny fijangajangana. — Matio 19:5; Genesisy 2:24; 20:1-18.
7 Ny Tenin’Andriamanitra dia mety ho fanampiana lehibe ho antsika koa. Ohatra, mety hisy hanipy hevitra amintsika indray andro any mba hiara-misakafo na hifampiraharaha amin’olona iray hafa firenena, firazanana na fiaviana noho isika. Mazava ho azy fa anjarantsika ny manapa-kevitra. Nefa, raha toa isika, tamin’ny famakiana ny Baiboly, ka nanaiky ho vonton’ny tsy fizahan-tavan’olona sy ny fahitsian’Andriamanitra, ny fieritreretantsika dia hampifandanja ny fitompoan-teny fantatra nitaizana antsika angamba, ka hanao zavatra hifanaraka amin’izany isika (Asa. 10:34, 35; Jakoba 2:1-4). Mety ho tena hahasoa antsika koa àry ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly.
8. Inona moa no tokony hataontsika eo anoloan’ny raharaha momba ny fieritreretana?
8 Raha tiantsika ny ‘hitana fieritreretana tsara’ eo anoloan’ny zava-manahirana sasany, dia tokony hotadiavintsika izay nety ho nolazain’i Jehovah raha ny amin’io karazan-java-manahirana io, satria izany dia ho afaka sady tokony hisy heriny eo amin’ny fieritreretantsika sy eo amin’ny fanapahan-kevitsika (I Petera 3:16). Tsy hianina amin’ny fitadiavana isika hoe misy lalàna hentitra ve, fa hanontany tena koa isika raha misy fotopoto-pitsipika sasany ao amin’ny Baiboly mifandray amin’ny zava-manahirana antsika. Moa ve Jesosy nilaza na nanao zavatra sasany mahatonga antsika ho afaka hahafantatra izay heveriny amin’io lafiny io? Afaka manao fikarohana ao amin’ireo boky fianarana Baiboly isika. Azontsika atao koa ny manatona kristiana hafa izay hanampy antsika hahita ireo fotopoto-pitsipika mety ao amin’ny Baiboly. Mazava ho azy fa amin’ity toe-javatra farany, ny fikasantsika dia tsy ny hampitondra ny andraikitsika an’ireny kristiana ireny na hanontany azy hoe: ‘Inona no ho nataonao raha teo amin’ny toerako?’ — Galatiana 6:5.
9. Inona no tokony ho fikasantsika rehefa manao fanapahan-kevitra ny amin’ny raharaha momba ny fieritreretana iray isika?
9 Eo anoloan’ny fanapahan-kevitra misy lafiny manokana, ny kristiana tso-po dia tokony hanao fisafidianana izay hahatonga azy ireo ho afaka hitana fieritreretana madio sy milamina eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fanirian’izy ireo dia tokony ho ny fahafahana hilaza toy izao amin’ny toe-javatra rehetra: “Ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin’Andriamanitra (...) no nitondranay tena teo amin’izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.” (II Korintiana 1:12). Hasehon’ny kristiana iray ny hoe hatraiza ny fitiavany an’i Jehovah sy ireo fotopoto-pitsipiny, amin’ireo fanapahan-kevitra hataony ny amin’ny raharaha momba ny fieritreretana.
Ny vokany eo amin’ny hafa
10, 11. Lafiny hafa inona amin’ireo raharaha momba ny fieritreretana moa no soritana amin’ilay zava-nanahirana nipetraka tao amin’ny tanànan’i Korinto fahizay raha ny amin’ny sakafo?
10 Koa satria ny fanirian’ny kristiana dia ny hanosehan’ny fieritreretany azy hanahaka an’Andriamanitra, ny fitiavany ny namany dia tokony handray anjara mampanapa-kevitra eo amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Nanantitrantitra ny amin’io anton-javatra io i Paoly raha niresaka ny amin’ny raharaha isan-karazany momba ny sakafo.
11 Tao amin’ny kongregasiona tany korinto, dia nisy zava-nanahirana nipoitra ny amin’ny hena aterina amin’ny sampy. Ny kristiana iray izay ho nihinana ireny hena natao sorona nandritra ny fombafombam-pivavahana ireny dia ho nanao fanompoan-tsampy. Nanazava anefa i Paoly fa tsy fahotana ny mihinana ny sisa amin’ny hena namidy nanaraka izany tao amin’ny karazana hotely nifandray tamin’ny tempoly na teny an-tsena. (I Korintiana 8:10; 10:25; Asa. 15:29). Na dia izany aza, ny kristiana sasany izay mpivavaka tamin’ny sampy teo aloha dia mora tohina (nanana fieritreretana nalemy) ny amin’ny fihinanana hena toy izany, na dia rehefa namidy tamin’ny vahoaka aza izany ka tsy nisy fifandraisana intsony mihitsy tamin’ny fivavahana. Na dia tsy nanala tsiny an’ireo izay nanana fieritreretana malemy aza i Paoly dia namporisika ny kristiana hafa haneho fiheverana an’ireo rahalahiny. Raha ohatra tokoa, tamin’ny nataony, ka nanao izay hahatafintohina ny malemy izy ireny na nitarika azy ireny hieritreritra fa azony natao indray ny nandray anjara tamin’ny fanompoan-tsampy tamin’ny fieretreretana tsara, dia ho tsy ampy fitiavana izy.
12, 13. Nahoana moa isika no tokony hijery ireo hevitra sy ny fieritreretan’ny hafa? Manomeza ohatra iray.
12 Novelabelarin’i Paoly tamin’ireo teny izao ny fihetsika tokony hananantsika rehetra: “Koa raha ny hanina [na zavatra hafa na inona na inona] no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay”. Raha toa, amin’ny lafiny iray avela ho araka ny fieritreretantsika ka noho izany dia ananantsika fahafahana amin’ny ataontsika, ka tsy mety mihevitra ny fieritreretan’ny hafa isika ary ‘mamery ny rahalahintsika izay navotan’i Kristy’, dia mety hamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra isika. Nanontany toy izao i Paoly: “Fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain’ny fieritreretan’ny olon-kafa?” (I Korintiana 8:3, 11-13; 10:29). Na dia mihevitra aza ny olona iray fa eo anoloan’ny ‘raharaha iray momba ny fieritreretana manokana tanteraka’, dia mety hiharan’ny fanamelohana avy amin’Andriamanitra izy raha mitera-pahavoazana ho an’ny namany. Milaza izany fa diso tokoa ny fiheverana hoe: ‘Raha mbola avela koa ho an’ny fieritreretako izany, dia mety.’
13 Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny mpivady iray izay nianatra ny Baiboly, izay nanatrika an’ireo fivoriana ary nivonona ny hatao batisa. Raha niresaka tamin’ilay lehilahy indray andro ny loholona iray tao amin’ny kongregasiona dia nilaza taminy fa tiany aoka izany ny sarimihetsika iray. Namaly toy izao ilay lehilahy: “Ahoana hoe! Mandeha mijery sarimihetsika andrarana ny latsaka ny valo ambin’ny folo taona ve ianao?” Nanandrana nanamarin-tena ilay loholona tamin’ny filazana fa ny sasany amin’ireny sarimihetsika ireny (izay na dia izao tontolo aza dia mihevitra azy ho mampiahiahy) dia misy zavatra mahaliana sasany raha hay ny tsy mihevitra ny lafiny ratsy. Very hevitra ihany anefa ilay lehilahy nandre izany ary taty aoriana, dia niadam-pandroso kokoa noho ny vadiny izy. Raha mba nosaintsainin’ilay loholona ny Kolosiana 3:2-8, Efesiana 5:3-5 sy Matio 7:12, ireo teny ireo dia tsy isalasalana fa ho nisy heriny teo amin’ny fieritreretany sy ny fitondrantenany. — I Korintiana 9:22, 25-27.
14, 15. Moa ve ny fanapahan-kevitra manokana sasany mitaky ny hiheverana ny fieritreretan’ny kolejin’ny loholona?
14 Ny fanehoana fiheverana ny hafa dia ny tsy fitadiavana aminy koa mba hankasitraka zavatra sasany izay mandona ny fieritreretany. Ao amin’ny kongregasiona iray, ohatra, dia anjaran’ireo loholona ny manapa-kevitra raha azo atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny fombafomba amin’ny fampakaram-bady iray, ahoana no ho fandehan’ny fombafomba amin’izany, ny fomba handravahana ny efitrano, sy ny sisaa. Izao anefa no nosoratan’ireo loholona tao amin’ny kongregasiona iray: “Tamin’ny fampakaram-bady iray, dia nahita zazavavy mpanotrona nilahatra tao amin’ny lalankely sady nanofahofa fikopaka. Tamin’ny fampakaram-bady nanaraka, dia tiana ny hanao zavatra tsaratsara kokoa ary ireo zazavavy mpanotrona, tamin’io indray mandeha io, dia nilahatra nanaraka ny lalankely sady nanodinkodina elo. Fa ny fampakaram-bady fahatelo dia tiana mbola halaza kokoa ihany: nangataka mba hanana zazavavy mpanotrona roapolo sy zazalahy mpanotrona roapolo ireo mpanambady. Nanjary tonga kianja filalaovana ny efitranonay.”
15 ‘Raharaha momba ny fieritreretana tokony hotapahina manokana ve izany? Tsia; na dia misy mpifamofo manana fieritreretana malaladalaka aza mba hanaiky fomba fanao tafahoatra, dia tokony hoheveriny ny fieritreretan’ny fitambaran’ny loholona. Na dia tsy maniry hampanaraka ny zavatra tiany manokana aza ireo loholona ireo, dia alatsany am-po ny fiadanana, ny fifandrindrana sy ny fahasalamana ara-panahin’ny kongregasiona manontolo. Ny fieritreretan’izy ireo dia manome adidy azy hampahafantatra an’ireo rahalahiny sy anabaviny ny ‘fitondrantena mety hatao ao an-tranon’Andriamanitra, andry sy fiorenan’ny fahamarinana’. — I Timoty 3:15; I Korintiana 10:31.
16. Tokony hanontany tena hoe ahoana moa isika rehefa tsy maintsy manao fanapahan-kevitra ny amin’ny raharaha iray momba ny fieritreretana?
16 Rehefa tsy maintsy manao fanapahan-kevitra ny amin’ny ‘raharaha momba ny fieritreretana’ iray àry isika, dia tokony hanontany tena 1) ny amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny zava-manahirana antsika ary 2) ny ho vokatry ny fanapahan-kevitsika eo amin’ny hafa. Rehefa voalaza izany, dia mbola tokony hihevitra anton-javatra lehibe fahatelo isika.
Ny vokany eo amin’ny tenantsika
17. Inona moa no nataon’ny rahalahy iray tany New York noho ny fitarihan’ny fieritreretany?
17 Ny revio hoe Histoire naturelle (anglisy) tamin’ny aogositra 1981 dia nirakitra lahatsoratra iray momba ny zazalahy mpivezivezy any New York izay mamakivaky ny tanàna amin’ny bisikileta mba hitondra fonosana sy taratasy maika dia maika ho an’ireo fikambanana. Anisan’ny ohatra maromaro ny amin’ny lehilahy nifidy an’io karazana asa io, ilay lahatsoratra eo ambony dia nanonona an’ity: “Donald, iraika amby efapolo taona, dia afaka mamelona ny vadiny sy ny zanany dimy ambin’ny folo taona amin’ny karaman’ny faniraka raisiny. Taloha i Donald dia mpanasa sarimihetsika, nefa niala tamin’ny asany izy satria, amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah azy, dia tsy zakany ny nandray anjara tamin’ny famoahana sarimihetsika maloto. Rehefa manao ny asan’ny faniraka izy izao dia tsy vitan’ny hoe manana fieritreretana milamina, fa afaka mandao ny asany koa rehefa tiany izany, ary manokana fotoana misimisy kokoa amin’ny fitaomana olona hiray hevitra amin’ny tenany.”
18. a) Inona moa no tsy isalasalana fa nitarika an’io rahalahy io hanao fanapahan-kevitra toy izany? b) Inona moa no fianarana azontsika tsoahina avy amin’izany?
18 Raha ny amin’ny asa, dia misy anton-javatra isan-karazany mety havesa-danja rehefa manao fanapahan-kevitra isika (jereo ny soratra voafefy ao amin’ny pejy faha-25). Mety ho tonga eo amin’ny toeran’i Donald ny kristiana iray. Miasa ao amin’ny laboratoara iray fanasana filma izy: sary, sarimihetsika an’olona mpanandranandrana fotsiny na sarimihetsika fanaovana dokambarotra sy ara-barotra. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana anefa, no nitomboan’ny sary maloto teo ambany mason’ilay rahalahy. Dia tonga ny andro nanombohan’ny fieritreretany tsy handry. Tsapany fa noterena izy hikarakara fanaovana sary maloto na asa tsy ara-dalàna iray. Na noho ny karazana asa asaina hataony na satria ny hafa mampifandray azy amin’ny raharaha iray mamoaka sary maloto, dia hihevitra angamba io kristiana io fa tokony hiala amin’ny asany izy raha tiany ny tsy ‘hanan-tsiny’, dia toetra lehibe indrindra ho an’ireo izay manana na mikatsaka andraikitra ao amin’ny kongregasiona. Amin’izany izy dia hanomboka hitady asa hafa ary ho afaka hangataka amim-pitokisana tanteraka amin’i Jehovah mba hitahy ny fikarohana ataony (I Timoty 3:2, 8-10; Romana 13:5). Kristiana be dia be no namela izany karazana asa izany toy izay hanaiky ho azon’ny fahalotoana (jereo Matio 5:28). Noho izany, rehefa tsy maintsy mandamina raharaha momba ny fieritreretana isika, dia aoka hanontany tena hoe: ‘Arakaraka ny anekeko na andavako tsy hanao zavatra toy izao na izao, inona no ho vokany eo amiko?’ Aoka isika hitandrina indrindra mba tsy hampangina ny fieritreretantsika, hanamafy azy ka amin’izany dia hamoha lalana ho amin’ny fanaovan-dratsy hafa. — I Timoty 4:2; Joda 10; Efesiana 4:18, 19.
19, 20. a) Amin’ny heviny ahoana moa ny fieritreretana sy ny finoana no samy mety hisy heriny eo amin’ny fanompoantsika? b) Na manan-karena isika na tsia, inona no tokony ho faniriantsika?
19 Raha mieritreritra ny fanapahan-kevitra nataon’i Donald isika, dia hahamarika fa ny faniriany dia tsy ny hitana fifandraisana tsara amin’i Jehovah fotsiny, fa hitory bebe kokoa ny finoany koa. Hita koa izany fifamatoran’ny fieritreretana sy ny finoana izany amin’ireto tenin’i Paoly ireto: “Fa ny anton’ny didy dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy.” — I Timoty 1:5.
20 Azo deraina izay, noho ny finoany sy ny faniriany hitana fieritreretana tsara, dia manao fiovana eo amin’ny fiainany mba ‘tsy hampivembena ny diany’ sy mba hahafahany manome fotoana sy fiheverana misimisy kokoa amin’ny asa fanambarana “ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra”. (Asa. 20:26, 27.) Inona izao no tokony hoeritreretina ny amin’ireo izay ho afaka hitory bebe kokoa nefa tsy manao izany? Angamba izy ireny mahazo vola be ary toa efa manana malalaka izay hiainana tsy mananosarotra ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Nefa, tsy mpitory maharitra izy ireny ary tsy manolo-tena manontolo andro amin’ny asa fanaovana mpianatra fa manohy mampandroso ny raharahany, mandamina ny tokantranony sy mampitombo ny zavatra mampiadana azyb (jereo Marka 10:17-22; Lioka 12:16-21). Tsy anjarantsika ny mitsara ny hafa amin’io lafiny io, satria “samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra”. Nefa raha ny amintsika, dia aoka havelantsika ny finoantsika hanosika antsika tsy misy fihatsarambelatsihy hanompo an’Andriamanitra amin’ny herintsika rehetra, mba hahafahantsika manana fieritreretana madio. — Romana 14:1-4, 10-12.
Tarihin’ny fieritreretana tsara
21. Afaka mampihatra fitaomana manorina inona eo amintsika moa ny fieritreretantsika?
21 Ny fieritreretana kristiana mora tohina sy efa nampiasaina tsara dia hitarika antsika foana ho amin’ny tsara. Porofon’izany izay hita tamin’i Paoly. Nihevitra aoka izany an’ireo ‘rahalahiny’ jiosy io apostoly io ka nanoratra toy izao: “Miara-milaza amiko ao amin’ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako, fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ny foko.” (Romana 9:1-3). Eny, nanao izay rehetra azony natao izy mba hampitana tamin’ireo mpiray firenena taminy ny vaovao tsaran’ny kristianisma.
22. Nahoana moa ny fieritreretantsika no mety ho hery manosika ambony noho ny an’ireo fitsipika, ho antsika?
22 Tokony ho toy izany koa amintsika. Raha ekentsika ny vidin’ny fieritreretana nomen’Andriamanitra antsika, dia tsy hirona ho amin’ny fiheverana miankina amin’ny fitsipika foana isika. Ny fitsipika dia mety hampiseho amintsika ny faritra ambany indrindra amin’ireo fepetra tokony hofenointsika na ny zava-kendrena tokony hotratrarintsika. Ny fieritreretana amporisihin’ny fitiavana sy ny finoana kosa anefa dia tsy isalasalana fa hitaky bebe kokoa amintsika ary hanosika antsika hanaiky hanana fahafoizan-tena lehibe kokoa sy haneho fandavan-tena kokoa. Amin’izany no handraisantsika soa avy amin’ny fieritreretantsika. Izany dia hampihataka antsika amin’izay rehetra mety hitarika tsy fankasitrahan’Andriamanitra ary hanampy antsika hanao izay tena ankasitrahany tokoa, indrindra fa amin’ny fitarihana antsika handray anjara bebe kokoa amin’ny fanambarana ny vaovao tsara. Moa ve misy soa lehibe kokoa noho ilay noresahin’i Paoly tamin’i Timoty fony izy nanoratra hoe: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” — I Timoty 4:16.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo La Tour de Garde tamin’ny 1 aogositra 1974, pejy faha-274-277.
[Sary pejy 22]
b Fitahiana hatrany ho an’ny kongregasiona iray ny mpitory maharitra vaovao. Kanefa olona maro noana eo amin’ny lafiny ara-panahy no miaina ao amin’ny faritra izay mpitory vitsy no afaka miorim-ponenana ao noho ny tena fahavitsian’ny asa. Endrey ny fitahiana rehefa misy kristiana izay mifaly amin’ny tsy fananana ahiahy ara-bola. Afaka mandeha mitondra an’ireny olona mitokana ireny, ny fanampiana izay ilainy! — Asan’ny apostoly 16:9, 10.
Tadidinao ve izany?
◻ Nahoana moa no mampidi-doza ny fieritreretana hoe: ‘Raha mbola tsy manenjika ny fieritreretako koa izany dia tsy mampaninona.’
◻ Inona moa ireo anton-javatra telo tokony hoeritreretina tsara rehefa tojo raharaha momba ny fieritreretana ianao?
◻ Raha ny amin’ny fiderana an’Andriamanitra ampahibemaso, tokony hanosika anao hanao inona moa ny fieritreretanao?
[Efajoro, pejy 25]
Anton-javatra tokony hoheverina eo amin’ny fifidianana asa tsy ara-pivavahana
Rehefa tsy manao fanapahan-kevitra ny amin’ny asa tsy ara-pivavahana ny kristiana iray, dia tokony hanontany tena aloha hoe karazana asa inona no hankinina aminy. Ireto misy fanontaniana roa mety raha eritreretina:
Moa ve fanaovan-javatra melohin’ny Baiboly ilay asa mihitsy?
Ny Baiboly dia manameloka fanao toy ny halatra, ny fanompoan-tsampy sy ny fampiasana ny ra amin’ny fomba ratsy. Tsy ho azon’ny kristiana iray atao àry ny hanaiky asa izay hitarika azy hanohana mivantana fanao toy izany.
Moa ve ilay kristiana hiaraka akaiky amin’ny fanao iray voaheloka ka hanjary mpiray tetika amin’izany mihitsy?
Na dia ny toeran’ny mpiambina na ny mpandray olona ao amin’ny trano fanangonan-dra na ao amin’ny fanamboaram-piadiana aza dia mifamatotra akaiky amin’ny asa melohin’ny Tenin’Andriamanitra. — Levitikosy 17:13, 14; Isaia 2:2-4.
Afa-tsy ny karazan’ilay asa mihitsy, dia misy anton-javatra hafa koa azo heverina.
Moa ve ilay raharaha atao ho fanampiana olombelona fotsiny fa tsy asa melohin’ny Soratra masina?
Ny “facteur” iray dia mizara taratasy amin’ny olona manokana sy ny fikambanana. Tokony homelohina ve ny kristiana iray satria mametraka taratasy ao amin’olona mangalatra na ao amin’ny fikambanana iray mivarotra sampy? — Matio 5:45.
Manao ahoana ny fahefan’ilay kristiana eo amin’izay atao?
Ny kristiana tompon’ny magazainy dia tsy hanangona na hivarotra sampy na “boudin” mainty. Tsy mitovy ny toerany sy ny an’ny mpiasa ao amin’ny “supermarché” iray ivarotana sigara, “boudin” mainty, nefa koa zavatra hafa an’arivony maro.
Manao ahoana ny anjara raisin’ilay kristiana?
Ny mpandray vola iray izay mivarotra sigara indraindray dia mety hahita tsy fitovian’ny toerany amin’ny an’ny mpiasa hafa iray izay mandany ny ankamaroan’ny fotoanany handaharana fonosan-tsigara eo amin’ny talantalana.
Iza no mandoa ny karaman’ilay kristiana ary aiza izy no tokony hiasa?
Ao amin’ny tany iray hanankinan’ny fitondram-panjakana ny volavolan-keviny ara-tsosialy rehetra amin’ny Fiangonana, ny olona iray dia mety handray ny karamany avy amin’ny fandaminana ara-pivavahana iray. Nefa, ny asany natao hikarakarana zaridainam-bahoaka dia tsy ara-pivavahana, tsy mamporisika hanaraka fanompoam-pivavahan-diso na manery ny kristiana hiasa any amin’ny toerana an’ny Eglizy.
Inona no mety ho vokatry ny asan’ilay kristiana eo amin’ny kongregasiona amin’ny fitambarany?
Moa ve izany mahatafintohina rahalahy be dia be ka misakana an’ilay kristiana tsy hoheverina ho “tsy manan-tsiny”? (I Timoty 3:2, 10.) Inona no vokatr’izany eo amin’ny fieritreretan’ny tenany?
[Sary pejy 22]
Ny Kristiana hafa iray dia ho afaka hanampy anao hahita izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ny amin’ny raharaha momba ny fieritreretana