Ny fankasitrahana — fihetseham-po tsy hita intsony ve?
TEO am-panasana lovia somary tsy sazoka ny zazalahy iray roa ambin’ny folo taona raha nikorisa tampoka avy teo an-tanany ny lovia fisaka lehibe iray ka vaky nitresaka maty teo amin’ny tany tao an-dakozia. Toa tsy nisy farany ny fahanginana fohy nanaraka izany. Hoy ny renin’ilay zazalahy taminy tamin’izay: “Hitanao ve, ry Robert, hatramin’ny fotoana namafanao lovia dia vao voalohany izao no nanjera zavatra ianao. Hitako tsara izany vokatry ny fanatanjahan-tena izany.”
Nisava ny fanahian’ilay zazalahy ka nohazavain’ny tsiky tamim-pitiavana tamin-dreniny. Ireo teny fankasitrahana vitsivitsy notononina tamin’ny fotoana tsara ireo dia namela an’ilay reny ho afaka hamonjy tamin’ny tarehin-javatra. Izany dia manipika ny fahamarinan’ireto tenin’i Solomona hendry ireto: “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” — Ohabolana 25:1, 11.
“Tsy mahay mankasitraka”
Manohina aoka izany ny tsirairay avy amintsika ny teny fiderana vitsivitsy na ny fanehoana fankasitrahana. Inona anefa no tsara raha ny amin’ny fahatsiarovana hankasitraka? Nahoana eo amin’izao tontolo izao fatra-pitia ny zavatra hita maso ankehitriny no mila tsy ho hita intsony ny fanehoam-pankasitrahana amim-pahatsorana? Manome toerana ho an’ny tsy fiheverana afa-tsy ny tena ny fankasitrahana. Tsy hita ao amin’ny voambolan’ny olona be dia be ny teny roa tsotra dia tsotra hoe “misaotra be dia be”. Araka izany, dia tanteraka ireto tenin’i Paoly ireto: “Aoka ho fantatrao izao, fa amin’ny andro farany, dia hiseho ny fotoan-tsarotra. Fa ny olona ho tia tena, (...) tsy mahay mankasitraka.” — II Timoty 3:1-5, Liénart.
Ao anatin’izany fotoana izany koa, dia matetika ny fandokafana no misolo toerana ny fankasitrahana. Ny tena fanehoam-pankasitrahana dia avy amin’ny fo ary tsy misy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena tanteraka. Mifanohitra amin’izany, ny fandokafana izay mandrakariva miavaka amin’ny resaka tafahoatra sy tsy misy fahatsorana, dia hetsehin’ny faniriana afenina ny hahazo fisondrotana na tombontsoa manokana (Joda 16). Iza no maniry hodokafana? Hafa dia hafa anefa rehefa hoe fanehoana fankasitrahana amim-pahatsorana.
Nanambara toy izao indray andro ilay mpanoratra atao hoe Mark Twain: “Afaka ny hiaina roa volana ao amin’ny teny fiderana tsara aho.” Ny ankamaroantsika dia mankasitraka ny teny fiderana amim-pahatsorana. Raha ny marina, ny teny vitsivitsy natao hiderana antsika na mba hisaorana antsika dia mety hamporisika antsika hanohy hanome ny tsara indrindra amintsika, sy hanohy hanome ny tsara indrindra amintsika, sy mba hidera na hankasitraka koa ny hafa rehefa afaka manao toy izany isika.
Ny amin’ny hoe maha-fihetseham-po ankasitrahan’Andriamanitra ny fankasitrahana, izany dia miharihary mazava amin’ny fanambarana maro ao amin’ny Baiboly. Salamo be dia be, ohatra, no mirakitra fisaorana. Araka izany, Davida mpanao salamo dia naneho tao amin’ny vavaka ny faniriany honina amin’ny andro iainany rehetra ao amin’ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah mba hijery “amim-pankasitrahana” ny tempolin’Andriamanitra (Salamo 27:4). Ny mpanao salamo hafa iray, Asafa, dia nanambara toy izao: “Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny hisaoranay Hianao.” (Salamo 75:1). Mety àry ny hieritreretantsika ny amin’ny fankasitrahana.
Ahoana anefa no azontsika ampisehoana ny fankasitrahantsika ny namantsika? Ary ahoana no azontsika anehoana ny fankasitrahantsika feno an’ilay namorona ny zavatra rehetra?