Ny Fiheveran’ny Kristiana ny Amin’ny Fahasalamana
NY APOSTOLY Paoly dia nanoratra ho an’ireo kristianina tany amin’ny tanànan’i Filipy fahiny hoe: “Aoka ho fantatry ny rehetra ny fahalalanareo ny antonony.” Tamin’izany izy dia nampirisika ny Filipianina sy ny kristianina rehetra atỳ amin’ireo taonjato manaraka, mba haneho fahalalana onony sy fahaiza-mandanjalanja.—Filipianina 4:5.
Zava-dehibe indrindra ny hahalalana ny antonony eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Ohatra, tokony hohalavirintsika ny tsy fahalalana onony eo amin’ny fihinanana ka hanao fampiasan-tena sy fialan-tsasatra ampy isika. Ny fahalalana ny antonony sy ny fahamalinana koa no tokony hitondra ny fihetsika asehontsika raha ny amin’ny fitsaboana, mba tsy ho voasinton’ny lamaody ara-pitsaboana. Tokony hahalala ny antonony koa isika mba hahitana ny mety amin’ny fahasalamana ara-panahy sy ara-batana; tiantsika ny ‘hamantatra izay zavatra tsara indrindra’ ka tsy hiahy be loatra ny amin’ny fahasalamantsika, hany ka hanilika ny Fanjakan’Andriamanitra ho any amin’ny toerana faharoa.—Filipianina 1:10.
Ny fifidianana fitsaboana
Rehefa tsy maintsy manao fanapahan-kevitra isika ny amin’ny fahasalamantsika na ny fomba fitsaboana, dia tsara ny mitadidy fa amin’io lafiny io koa, ny hevi-bahoaka na ny lamaody dia mety hisy heriny. Tsy isalasalana fa tsaroanao ny fitsaboana be mpanaraka aoka izany taloha, nefa efa niovana hevitra tanteraka. Tadidinao ve ny fotoana nitsaboan’ny dokotera ny mony tamin’ny “Rayon X”, nandidiana foana ny ankizy tamin’ny kambo sy nanoroana hevitra hampiasa zavatra vaovao toy ny “sulfamides” na ny “pénicilline”, saika tamin’ny aretina rehetra. Niova ny zavatra amin’izao fotoana izao. Na dia mbola mety ihany aza ireo fanafody ireo amin’ny toe-javatra sasany, ny fanandramana sy ny fikarohana dia nampiharihary ny fisian’ny vokany manaraka manimba na nanipy hevitra mba hahay hifantina kokoa amin’ny fampiasana an’ireny fitsaboana ireny.
Raha ny dokotera izay niofana tany amin’ny sekoly “ara-tsiansa” sy nianatra nihevitra tamim-pahamalinana ireo fomba fitsaboana vaovao aza mety ho voatariky ny hevitra be mpanaraka, vao mainka ny tsy mahafantatra dia mety tsy hahajoro ka hanaraka fanaom-bahoaka sasany. Olona an-tapitrisany maro no latsaka tao anatin’izany fandrika izany ary matetika izy ireny no nanaraka fomba fitsaboana izay voafetra ny fahafahany manasitrana, nefa nampiasain’olona tsy mahay be loatra tamin’ny fomba mahamenatra. Ny “fanafody” hafa nanana ny fotoana nampahalaza azy dia tsy nandaitra tanteraka raha ny marina noho izy fitaka fotsiny.a Izy ireny dia navoakan’olona izay nanao ho fifaliana ny fanamaivanana an’ireo marary tamin’ny volany. Ny Kristianina dia tsy matokitoky koa ny amin’ny fitsaboana be mpanaraka sasany toa misy fampiasana ‘hery tsy araka ny natiora’ na herin’ny maizina, fanao melohin’ny Baiboly.—Isaia 1:13; Deoteronomia 18:10-12.
‘Nefa hanontany angamba ianao hoe ahoana no mety hahafantarako na fitaka na tsia ny fomba fitsaboana iray? Mety ho sarotra fantarina izany, satria fiasana na zavatra be dia be izay tsy nisy vidiny mihitsy araka ny hevitry ny maro, no nitondra anarana ara-tsiansa. Afa-tsy izany koa, ny sasany tamin’ireo fanazavana momba ny fomba fiasany dia nety ho toa marina. Amin’ny toe-javatra toy izany, aiza no itadiavana torohevitra?b
Aoka isika hiseho ho mahalala ny mety hatao
Nanoratra i Jakoba mpianatra fa “ny fahendrena izay avy any ambony dia ... mahay mandanjalanja.” (Jakoba 3:17, TV) Na dia tsy manam-pahaizana ara-pitsaboana aza ny Kristianina izay miezaka mba hahalala ny mety hatao hatrany dia ho afaka hahatsapa ny vidin’ny fomba isan-karazany heverina ho famantarana aretina na fanasitranana azy.
Mazava ho azy fa tokony hekentsika hoe misy fomba isan-karazany fandinihana zava-manahirana iray amin’ny lafiny ara-batana; tsy afaka mandinika azy rehetra ny Kristianina miasa iray. Nefa, rehefa mila fitsaboana izy ka toroana fanaovana izany, dia afaka manontany tena hoe: ‘Toa mety ve ny fomba anoroana hevitra ahy? Moa ve izany mifanitsy amin’izay fantatro momba ny tenan’olombelona sy ilay aretina resahina? Mifamadika amin’izany, toa hafahafa amiko ve ilay fomba ary mahatalanjona ny filazany ny aminy? Moa ve misy olona tsy mahalala ny amin’izany akory na handray tombontsoa ara-nofo avy amin’ny fivarotana azy, manandrana manery ahy? Raha misalasala aho, moa ve aho tsy ho afaka hiandry mba hahafantarana bebe kokoa ny amin’io fomba fitsaboana io?’
Mety ho toa madinika ireo fanontaniana ireo, nefa mendrika ny hapetraka amin’ny tena. Ampy, mba hiaikena ny amin’izany, ny hahatsiarovana ny lazan’ny fomba fitsaboana hafahafa sasany taloha. Vao haingana izay, dia izao no nitranga: Ny vehivavy iray nanana fari-pahaizana ara-dalàna izay niasa tao amin’ny birao iray dia lasa nanatona mpitsabo izay nanantitrantitra mba hanarahany fifadian-javatra ara-tsakafo mafy. Tatỳ aoriana, dia notantarainy tamin’ireo namany fa ilay dokotera dia nampiseho taminy “tavoahangy misy zavatra avy amin’ny fivontosana navoakan’ireo marary”, anisan’izany ny “fivontosana tamin’ny atidoha.” Raha mahalala ny mety isika dia manontany tena avy hatrany hoe: Fantatry ny olona antonontonony ve ny hoe toy inona ny zavatra avy amin’ny fivontosana? Azo atao ve ny manantitrantitra fa tena zavatra avy amin’ny fivontosana tokoa no naseho taminy, tsy misy fiahiana ny amin’ny fomba heverina fa ‘namoahana’ azy? Koa satria faritra amin’ny tena mihidy ny atidoha, ahoana no nety ho nahatonga marary ‘hamoaka’ zavatra avy amin’ny fivontosan’ny atidoha amin’ny alalan’ny tsinay na hafa?
Farany, be dia be amin’ny fandinihana na fitsaboana izay niharihary fa tsy nandaitra no naseho ho toy ny “zavatra mahagaga”, na koa, izany dia “hery” na fomba hafahafa izay nahatonga mpitsabo ho afaka “hamaky” ny toe-pahasalamanao, indraindray tamin’ny alalan’ny famantaranandro, indraindray tamin’ny fandinihana faritra iray amin’ny tena izay toa tsy nisy fifandraisana mihitsy tamin’ny famantarana aretina. Nampiasaina ny fihetseham-po, ny fitiavana zava-miafina na ny herin’ny maizina ko aza, fa tsy ny fahendrena.—Jereo Levitikosy 19:26.
Ahoana no hiheverana an’ireo fanambarana?
Azontsika atao ny mitadidy izao torohevitra hafa izao: “Ny kely saina dia mino ny teny rehetra fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.”—Ohabolana 14:15.
Tsara dia tsara io torohevitra io, satria ny ankamaroantsika dia nandre olona nanoro fanafody sasany tamin’ny fiankinana tamin’ny fanambarana karazan’izao: ‘Nilaza tamin’Atoa Ranona ny dokotera fa efa-bolana sisa hahavelomany; nihinana fanafody toy izao anefa izy ka sitrana izao.’ Na tena voan’ilay aretina resahina tokoa “Atoa Ranona” na tsia, dia fantatrao tsara tokoa fa ny ankamaroan’ny fitaka ara-pitsaboana taloha dia nohamafisin’ny fanambarana manohana koa. Tsy milaza akory izany hoe rehefa mitantara ny fanandramany manokana ny namana iray, dia tokony hihaino azy amin’ny sofina manakiana isika. Nefa, rehefa tsy maintsy manao fanapahan-kevitra lehibe isika, dia tsy tokony hianina amin’ny ‘finoana ny teny rehetra.’
Aoka isika hanontany tena toy izao, ohatra: Raha tena narary tokoa “Atoa Ranona” ka sitrana, ahoana no hanazavana izany fanasitranana izany? Na dia amin’ny fitsaboana mahazatra aza, dia heverina ho zava-dehibe ny “vokany ‘placebo.’” Nisy fandinihana nampiseho fa eo amin’ny telopolo ka hatramin’ny efapolo isan-jato eo ho eo amin’ny marary no nihatsara rehefa avy notsaboina tamin’ny pilina tsy misy vokany mahasitrana akory na notsindromina tamin’ny rano. Nitantara toy izao ny Science Digest tamin’ny septambra 1981: “Ny finoana, ny fanantenana, ny fitokisana, izay mandray anjara lehibe eo amin’ny vokany ‘placebo’, dia sady mety hampanolatra ny fery, no manova ny metabolisma, na misy heriny mihitsy aza eo amin’ny fandehan’ny aretina sarotra sitranina indrindra.” Noho izany, alohan’ny hanapahana hevitra hoe finoana inona ny ‘teny rehetra’ no tokony hananana, dia tadidio ny “vokany ‘placebo’” ary manontania tena hoe: Moa ve ny fandinihana amim-pahatsorana sy ny fitsapana lalina nanaporofo ny fandairan’ilay fitsaboana mihitsy?
Na dia toa lehibe kokoa noho ny fanambarana fotsiny aza izay re, dia tsara ny handinihana raha toa ny fomba fanasitranana resahina ka azo ekena araka ny fiheverana ara-pitondran-tena na ara-pivavahana. Ny gazety ara-pitsaboana amerikanina iray (The Journal fo the American Medical Association) dia niresaka ny amin’ny vehivavy iray valo amby roapolo taona izay voan’ny aretin-koditra mahateramena azy, aretina “immunologique” izay mety ho hita amin’ny alalan’ny fandinihana maro atao amin’ny marary. Tsy nety nitsabo tena izy fa nanatona mpimasy izay “nanala ny mosavy natao taminy.” Rehefa niverina izy dia nanjavona daholo ny fisehoan’ny aretina; niharihary fa sitrana izy. Napetrak’ilay revio àry ny fanontaniana ny amin’ny hahafantarana hoe ahoana no nahafahan’ny mpanasitrana aziatika iray ‘namoaka fanahy ratsy’ sy nanasitrana an’ilay vehivavy tanora. Na dia toa nahomby aza io fitsaboana io, dia tsy hampiasa izany ny Kristianina, toy ny tsy hampiasany ny fomba fitsaboana hafa rehetra toa mifamatotra amin’ny herin’ny maizina rehetra.—Jereo Matio 7:22, 23.
Manatona olona mahay
Mazava ho azy fa mba handaminana zava-manahirana momba ny fahasalamana sy mba hifidianana fomba fanasitranana iray, dia matetika isika no mila torohevitra feno fahendrena. Afaka miantehitra amin’izay isika? Ny Soratra Masina dia manome antsika izao fanamarihana feno fahendrena izao: “Mahita olona mailaka amin’ny raharahany ve ianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hitsanganany.”—Ohabolana 22:29.
Ny olona iray manao fianarana ary mahazo fahakingana amin’ny lafiny sasany, amin’ny farany dia ho fantatra fa olona mahay na ho manam-pahaizana mihitsy amin’ny zavatra hainy manokana. Marina koa izany amin’ny lafiny ara-pitsaboana. Noho izany, rehefa manome torohevitra anao ny mpitsabo iray na olona ao amin’ny fikambanan’ny mpitsabo, dia manontania tena toy izao: Inona no antony ametrahako fitokisana aminy? Ny valiny dia tsy miankina fotsiny amin’ny anaram-boninahitra entin’ilay olona na amin’ny fanafohezan-teny manaraka ny anarany. Be dia be no mandray anaram-boninahitra mba hisehoana ho malaza (jereo Matio 23:6, 7). Ny sasany izay tia ny hantsoina hoe “dokotera” dia mizaha na mitsabo marary (maimaim-poana na andoavam-bola) nefa tsy namaky afa-tsy boky vitsivitsy izy ireny na nanatrika “fianarana” ora vitsivitsy.
Manontania tena koa hoe: Manao ahoana ny halehibe sy ny hatsaran’ny fiofanana azony? Manaja azy ve ny olona mahafanta-javatra tsara ka mihevitra azy ho olona mahay? Tsy isalasalana fa nahita fianarana i Lioka mpianatra ary nahazo fanandraman-javatra mafy orina, satria ny apostoly Paoly dia niresaka azy ho “mpitsabo malala”. Nohajaina ny fahaizany.—Kolosianina 4:14.
Mazava ho azy fa mety hisy olona mahay amin’ny fitsaboana manome torohevitra ratsy na mampandray fanafody tsy antonona. Inona no antony? Indraindray dia satria ireny olona ireny tsy tena mihevitra ny marariny. Angamba koa izy ireny manana fiheverana manokana ny amin’ny fitsaboana. Na tsy nataony koa izay tsy hahalany andro ny fahalalany, ka tsapa izany amin’ny lafiny sasany manokana. Amin’izany koa anefa dia manome torohevitra mahasoa antsika ny Baiboly.
Izao no lazainy: “Ho foana ny fikasana raha tsy misy mpisaina; fa raha maro ny mpanolo-tsaina dia tanteraka izany.” (Ohabolana 15:22) Io andinin-teny io dia manipika fa ilaina ny hitadiavana ny torohevitry ny olona faharoa, ny fahatelo koa aza. Marary maro no matoky ny dokoterany ka noho izany dia tsy mila mampiseho amin’olon-kafa izay rehetra lazainy aminy. Nefa rehefa misy raharaha lehibe na rehefa tsy tena mahafa-po anao ny torohevitra nomena anao, dia mety ny hanontaniana hevitr’olon-kafa. Fantaro tsara anefa raha toa io olon-kafa io ka hahay hanome hevitra tsy misy fizahan-tavan’olona anao. Na dia mampiasa fomba hafa noho ny an’ilay voalohany aza ilay mpitsabo faharoa atoninao, dia tokony hahay hanome torohevitra voazava tsara anao izy. Araka izany, ny ‘mpanolo-tsaina maro’ dia hahatonga anao ho afaka hanana fahasalamana tsaratsara kokoa.
Ny antonony amin’ny fahasalamana ara-panahy sy ny fahasalamana ara-batana
Aorian’izany zavatra vao nolazaintsika rehetra izany momba ny fahasalamana sy ny fomba fitsaboan-tena, dia tadidio izao: Na dia zava-dehibe tokoa aza ny fahasalamantsika ara-batana, dia tokony hoheverintsika ho zava-dehibe kokoa ihany ny fahasalamantsika ara-panahy.
Nanome izao torohevitra izao i Jesosy: “Aza manahy ny amin’ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin’ny vatanareo, izay hotafinareo.” Aoka àry isika hitandrina mba tsy hanahy loatra ny amin’izay hohanintsika, ny amin’ny fitafiana hanaovantsika na ny fanafody hampiasaintsika koa. Hampalahelo tokoa raha toa noho ny fiahiana loatra ny amin’ny fahasalaman’ny tenany ara-batana, ka manjary manao tsirambina ny fahasalamany ara-panahy ny Kristianina iray.—Lioka 12:20-22.
Marina fa maniry ny hikarakara ny fahasalamantsika isika mba hahafahana foana mampiasa ny fiainantsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nefa ny fitantarana voarainay avy any amin’ny tany samihafa dia mampiseho fa mihevitra ho zava-dehibe loatra ny fahasalamany ara-batana ny Kristianina sasany. Izao, ohatra, no nosoratan’ny Vavolombelona iray any andrefan’i Etazonia ho anay: “Be dia be no toa somary miahy be loatra ny amin’ny fahasalamany. Tsy mieritreritra afa-tsy izany izy [araka ny porofoin’ny resaka ataony].” Nohazavain’ilay taratasy fa Kristianina maro no toa nanomboka niahy be loatra ny amin’ny fahasalamany rehefa nandre filazana fa voan’ny homamiadana izy. Ny nilaza izany taminy dia mpanandranandrana asa fotsiny izay nilaza fa afaka mamaky ny fisian’ny homamiadana ao amin’olona ka noho izany dia nanoro azy fitandremana ara-tsakafo sy “vitamines”. Ny mpanoratra an’ilay taratasy aza dia nandre mpitsidika iray nanambara hoe: “Tsy mifanerasera amin’ireo anisan’ny fiangonana izay tia kokoa ny tsy hahalala ka manatona ny dokoterany izahay [ireo izay nanaraka ireny fitsipika ara-tsakafo ireny].”
Manimba amin’ny lafiny maro ny fihetsika toy izany. Ireo fivoriana sy fivoriambe kristianina dia tsy tokony ho fotoana hanaovana resaka be momba ny fahasalamana na mba hanandramana mamantatra ny aretin’ny hafa na midera aminy ny fomba fitsaboana isan-karazany. Ireny fihaonana ireny dia atao mba hanomezana antsika fiarahana ara-panahy mafana. Hitandrina àry ireo anti-panahy mba tsy hahatonga ny Efitrano Fanjakana hanjary ho toerna fanaovana fampielezan-kevitra ny amin’ny fomba fanasitranana samihafa na hevitra momba ny fitsaboana, fa mba hampiasana izany foana ho amin’ny fampiraisan-tsaina sy ny fanompoam-pivavahana marina.—Jereo Jaona 2:16, 17.
Tsy azo atao ny hanana fahasalamana tonga lafatra ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Amin’izany, dia hilaina ny miandry fahatongavan’ny tontolo vaovao ka “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” Hety izany fiovana izany satria amin’izay dia ho voavela ny fahotan’ny olona (Isaia 33:24). Aoka àry isika tsy hanaraka fiheverana tafahoatra ny amin’ny fahasalamantsika ankehitriny, toy ny hoe tiantsika ny hahita fahatanterahana ara-batana dieny izao. Aoka isika hiseho ho hdnrey sy mahlala ny antonony ary hiahy ny amin’ny fahasalamantsika ara-panahy.
Raha niresaka ny amin’izay tokony hitana ny saintsika Jesosy dia nanambara toy izao: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Aoka isika tsy hanaiky ho voavily hiala amin’io asa nanirahan’Andriamanitra io. Aoka ny raharaha ny amin’ny fahasalamana tsy hisakana antsika tsy hanohana an’ilay Fanjakana amin’ny fontsika rehetra. Ny lalam-pahendrena sy mety dia ny ‘fikatsahana ny fanjakana aloha.’ Amin’ny fitondrana ho antsika ny “fiadanan’Andriamanitra”, ny fihetsika toy izany dia angamba hanatsara ny toe-pahasalamantsika. Nefa, ny zava-dehibe kokoa, izany dia hitondra ho antsika zavatra tsy hay tombanana: ny fankasitrahan’Andriamanitra, miaraka amin’ny fahatsinjovan-javatra kanto rehetra vohany. Hanjary ho zavatra tena izy izany fahatsinjovan-javatra izany, nefa tsy hisy izany raha tsy rehefa ho nitarina ho amin’ny olona rehetra ny soa azo avy amin’ny sorom-panavotan’i Kristy.—Filipianina 3:8-11; 4:6, 7; Matio 6:33.
[Fanamarihana ambany pejy
a Any Saint Louis (Missouri, Etazonia), dia misy fitehirizana rakitry ny ela ampisehoana fitaovana nanaovana fitaka toy izany. Azo atao ny mahita milina “elektronika”, jiro miloko mba “hanasitranana” ny marary izay mandry manandrify ny avaratra ny lohany, milina heverina ho mampita “hery kosmika” sasany sy hafa koa izay mamantatra aretina amin’ny fampiasana “hery anaty” mifono zava-miafina.
Efajoro
b Indraindray dia misy olona manoratra amin’ny Fikambanana Watchtower mba hahafantarana raha avy amin’ny fitaka na ny herin’ny maizina ny fomba manokana toy izao mba hamantarana na hitsaboana aretina. Tsy afaka manao ny fikarohana ilaina izahay ka hilaza ny hevitray ny amin’ny “fomba fitsaboana” maro karazana ampiasaina eo amin’izao tontolo izao. Mino mafy izahay fa ireo torohevitra velabelarina ao amin’ireto lahatsoratra roa ireto dia hanampy ny mpamaky hanaiky hotarihin’ireo toro lalana ao amin’ny Baiboly sy ny fahalalana ny mety hatao rehefa tsy maintsy mifidy fomba fanasitranana aretina izy ireo.
[Efajoro, pejy 24]
Ahoana no Hahavelomana Hatramin’ny Zato Taona
Ny mpihevi-draharaha amerikanina notendrena handinika ny fahelavelon’olombelona dia nanao famotopotorana tamin’olona arivo nahatratra zato taona. Be dia be tamin’izy ireo no nanan-javatra niombonana, ary namintina izany toy izao ny gazety iray:
“Aza manala andro foana mihitsy. Mifohaza maraina. Manàna fiainana ara-panahy. Aoka ianao hanan-javatra hatao foana. Mahaiza mianina amin’izay anananao.”
Voamarika koa fa mandrakariva dia matory aloha ireny olona ireny. Vitsy aminy no matavy. Ny ankamaroany dia karazan’ny mahery miasa fa tsy mifototra amin’ny hevitra fotsiny.
[Efajoro, pejy 24]
Ny Fahasalamana — Zavatra Ahina Mitatra
Teo amin’ny boky iray vao nahita fahombiazana lehibe, ny dokotera Lewis Thomas, prezidàn’ny foibe fiadiana amin’ny homamiadana any New York (Memorial Sloan-Kettering Cancer Center), dia nanao izao fanamarihana izao:
“Atỳ amintsika ny fahasalamana dia manjaray fanorisorenana. Misy zavatra tena tsy tsara tanteraka amin’izany fisehoan-javatra izany. Toa tsy mitady hiaina amin’ny fomba feno kokoa isika, fa mitady indrindra ny hanilika ny tsy fahombiazana, hanosika ny fahafatesana. Verintsika izay rehetra mety ho fitokisana ny tenan’olombelona. Mifanaraka isika izao mba hieritreritra fa tsy tsara ny nanamboarana antsika, tsy mety anatiny, mora voan’ny ehry manimba maro be, anatiny na ivelany, fa manana fiainana tsy azo antoka tokoa isika ka mety ho potipotika foana.
“Ny zava-manahirana dia isika iharazan’izany fampielezan-kevitra izany. ... Raha ny marina, ami’ny ankapobeny isika dia manana fahasalamana mahafa-po. Tsy itambaran-javatra tsy mifandray velively ny tenantsika. Mafy amin’ny fomba mahagaga kosa aza izy, mahatohitra, feno fahasalamana ary vonona ny hisetra ny ankamaroan’ny toe-javatra miseho. Ny loza vaovao mandrahona ny fahasambarantsika, dia hoe raha manohy mihaino izay rehetra lazaina amintsika isika, dia ho firenen’olona manjoni-dava nefa salama izay sahirana foana, efa mila ho eo ambavahoana sahady noho ny fanahiana.
“Tsy manam-potoana hanaovana toy izany intsony isika ary tsy afaka manaiky ho voavily toy izany tsy hijery zava-manahirana hafa mahadodona lavitra izay mamely antsika. Raha ny marina, dia tokony hanontany tena iskka raha toa ny fiheverantsika ho zava-dehibe ny fahasalamantsika manokana ka tsy famantarana ny fitadiavantsika hanilika an’ireo zava-manahirana ... nefa any ivelany ny vahoaka manontolo dia misamatsamaka.”—”Tsy Medusa and the Snail” (1979), pejy faha-36-40.
[Sary, pejy 22]
Ny “MICRO-DYNAMETER” Noheverina izy io fa ‘mamantatra ny aretina fantatra rehetra’
[Sary, pejy 23]
Tany Soisa ny “abbe” Mermet dia nampiasa zavatra mikipilipily mba hamantarana ireo aretina sy hahitana olona very