FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w75 1/9 p. 535-540
  • Sahala amin’ny Jehovah, mandrosoa hatrany, mibanjina ny ho avy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sahala amin’ny Jehovah, mandrosoa hatrany, mibanjina ny ho avy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay madiva hitranga
  • Tany voadio
  • Ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty
  • Mandrosoa hatrany, mibanjina ny ho avy
  • Fitsanganana Amin’ny Maty
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Manan-kery ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Ny fananganana ny maty — hatao ho an’iza, ary ho aiza?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • ‘Horesena ny Fahafatesana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
w75 1/9 p. 535-540

Sahala amin’ny Jehovah, mandrosoa hatrany, mibanjina ny ho avy

“Ny teniko izay aloaky ny vavako (...) mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.”​—Isaia 55:11.

1. Inona avy moa no antony tokony hiandrasantsika amim-pahatokiana ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah?

TSY MISY isalasalana mihitsy fa mahatanteraka foana ny fikasany Jehovah. Ny Teniny sy ny tantaran’ny olombelona dia manaporofo fa toy izany no hita tamin’ny lasa. Izany dia manome antoka antsika fa mihevitra foana ny fahatanterahan’ny faminaniana na fampanantenana mikasika ilay Fanjakana izy, dia faminaniana nataony tamin’ny voalohany tany Edena. Tokony hotahafintsika aza Jehovah izay tsy mitsahatra ny mijery any amin’ny ho avy. Ireo faminaniana marobe mbola tsy tanteraka dia samy antony lehibe tokony hitodihantsika any amin’ny ho avy.

2. Inona moa no asa antoka ny aina nankinin’Andriamanitra tamintsika, ary inona no fanampiana raisintsika?

2 Nefa tsy vitan’ny hoe maniry hijery hatrany any amin’ny ho avy miaraka amin’i Jehovah Andriamanitra isika, fa sahala aminy, dia tiantsika koa ny handroso hatrany, satria manana asa be dia be hankinina amintsika eto an-tany izy. Tafiditra amin’io asa io, ankoatry ny zavatra hafa, ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, mba hahafahan’ny olona mampiseho na miandany na manohitra an’io Fanjakana io izy (Matio 24:14; 25:3-46). Araka ny asehon’ny Apokalypsy 14:6, 7, ny andraikitra hanao an’io asa fitoriana io dia tsy ankinina fotsiny eo an-tsorok’ireo mpanompon’Andriamanitra eto an-tany. Izy ireo dia mandray soa amin’ny fanampian’ny anjely izay mitarika azy ireny ka manan-kery eo amin’ny zavatra.

3. Inona moa no adidintsika amin’ireo namantsika ao amin’ny finoana?

3 Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy marina nanankinana ny fanatontosana an’io asa io antsika, dia tokony hiseho ho tsy mivadika isika amintsika samy isika. Tokony hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hifanampiana, satria raha manana adidy hanampy olona any ivelan’ny kongregasiona isika, dia vao mainka tokony hanompo ny namantsika isika. “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” (Galatiana 6:10). Iza no mahalala hoe fotoana toy inona no mbola hananantsika toe-piainana mora mba hanaovana toy izany? Aoka ary isika hifaneho hatsaram-po, dieny mbola tsy mametra ny fiezahantsika ny fahasahiranana ara-toe-karena na ny fanenjehana amin-kalozana. Amin’izany fomba izany, rehefa ho tonga amintsika ny andro sarotra, dia hanana ny toe-tsaina ilaina isika mba hifanampiana sy hifampaherezana. Aoka àry isika ho vonona ny tsy hijery ny fahalemena sy ny tsy fahalavorarian’ny namantsika. Tsy tokony ho mora sosotra sy himenomenona isika, fa aoka hiseho ho vonona ny hiaritra mba hisian’ny fahamarinana sy ny fihavanana eo anivon’ny kongregasiona. Eny, ‘aza mifampimonomonona, fandrao hohelohina hianareo.’​—Jakoba 5:9.

Izay madiva hitranga

4, 5. a) Inona moa no zavatra hiseho efa antomotra? b) Inona moa no azontsika antoka raha ny amin’ny “fahoriana lehibe’’?

4 Anisan’ny zavatra madiva hitranga, dia ao ny fampiharana ny fanamelohan’Andriamanitra an’i “Babylona Lehibe”, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso (Apokalypsy 17:15-18). Izany dia hanamarika ny fanombohan’ny “fahoriana lehibe”. (Matio 24:21.) Ho tafita velona amin’izany ireo tena mpianatr’i Jesosy Kristy sy ireo namany. Inona no hitranga hanaraka izany? Araka ny asehon’ny sary ara-panoharana ny amin’i Goga avy any Magoga, Satana sy ireo miaramilany dia hanafika ny vahoakan’Andriamanitra izay hialonany ny fiadanany sy ny fanambinana azy. Izany dia ho famantarana ho an’ireo tafika any an-danitra hotarihin’i Jesosy Kristy izay hamely amin’izay ny tafika hita mason’ny Devoly, ka izany dia hanamarika ny fanombohan’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao Haramagedona (Apokalypsy 16:14, 16). Io ady io dia hiavaka amin’ny ady an-trano, ny areti-mandringana, ny filatsahan’ny havandra, ny varatra, ny afo sy solifara, ny fisamboaravoaran’ny ranomasina mafy sy ny horohorontany, izany rehetra izany dia mba hanamarinana ny fiandrianana ara-dalàna ananan’i Jehovah Andriamanitra.​—Ezekiela 38:14-23.

5 Na inona na inona hitranga, dia mahazo matoky isika fa hanafaka ny olony Jehovah. Raha mbola nahafantatra marina tokoa an’i Jehovah Andriamanitra isika ka hanompo azy amim-pandavan-tena, dia tsy misy na inona na inona tokony hatahorantsika. Amin’ny maha-kilasy, dia ho tafita velona isika amin’ny “fahoriana lehibe” mba hahaforona ny fanorenan’ny tany vaovao.

6. Nahoana moa isika no afaka manizingizina fa ho fotoana fientanan-kafaliana ho antsika ny “fahoriana lehibe’’, ary inona no tokony ho herin’izany eo amintsika dieny izao?

6 Mahazo matoky koa isika fa ny “fahoriana lehibe”, ny andron’i Jehovah, dia ho fe-potoana fientanan-kafaliana. Eritrereto ny fankasitrahana tsy maintsy ho tsapan’i Noa sy ny ankohonany noho ny fomba famonjena nomanin’i Jehovah, rehefa nanomboka nilatsaka ny ranonorana. Hevero ny fifalian’ny Isiraelita rehefa tonga soa aman-tsara teny ampitan’ny ranomasina Mena izy ireo ka nahita ny rano nitelina an’i Farao sy ny tafiny. Ny ady hataon’Andriamanitra ao Haramagedona dia ho zavatra hahagaga lavitra noho ny fandraisany anjara taloha. Marina fa haharaiki-tahotra sy harahin’ny fahasahiranana maro ny “fahoriana lehibe”. Nefa hihetsi-po tokoa ireo mpanompon’Andriamanitra rehefa hahita ny fahatanterahan’izay notoriny sy nandrasany hatramin’ny taona maro. Izany dia ho zavatra hiseho hotantarainy amim-pifaliana sy fahafaham-po amin’ireo hatsangana amin’ny maty. Ny fieritreretana izany fotsiny dia tokony hanosika antsika hanambara amin-jotom-po ny andron’i Jehovah efa antomotra tokoa izao.

Tany voadio

7. a) Amin’ny alalan’ny karazan-dray aman-dreny manao ahoana moa no hitahiana ny olombelona? b) Karazan’olona manao ahoana moa no ho solontenan’ireo filoha any an-danitra, ary inona no ho vokany?

7 Fahasambarana toy inona moa aorian’ny “fahoriana lehibe” ny hahafahana mahita tany voadio ka ho velona eo am-piandohan’ny fanjakana arivo taonan’i Kristy sy ny ampakariny, dia ireo lehilahy sy vehivavy 144 000 navotana avy amin’ny tany! Hampitodika ny sainy ho amin’ny olombelona izy ireny mba hitaizana fianakaviamben’ny zanakalahy sy zanakavavy tanteraka. Ho ray aman-dreny feno fitiavana izy ireny. Hetsehin’ny fitiavana sy ny fangorahana izy ireny ka hanomboka ny adidiny amin’ny maha-ray aman-dreny amin’ny fanomezana ho an’ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana, ny torohevitra sy ny fanampiana ilaina mba handresena ny fahalemeny sy ny tsy fahatanterahany. Raha efa izany, aorian’ny hameloman’i Jesosy Kristy indray ny maty, dia hiara-miasa aminy ny ampakariny mba hanampy an’ireo ho tafatsangana amin’ny maty handroso ho amin’ny fahatanterahana. Noho izay hataon’i Kristy sy ny ampakariny ho an’ny olombelona, dia ho eo amin’ny olona ny trano-lay na na tabernakelin’i Jehovah Andriamanitra (Apokalypsy 21:1-4). Kristy sy ny ampakariny dia hanana eto an-tany, olo-mahatoky izay ho solontenan’izy ireo amin’ny maha-mpanapaka (Salamo 45:16). Ireny mpanapaka ireny dia tsy ho sahala amin’ireo filoha ara-politika mandray kolikoly sy tia tena izay manapaka eo amin’ny olona hatramin’ny taonjato maro, fa ho sahala amin’ireo olona nahazoan’i Mosesy baiko mba hofidina, izany hoe “lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly”. (Eksodosy 18:21.) Ho marina sy feno fitiavana ny fitondran’izy ireo, ary hitondra ho an’ny rehetra, filaminana sy fampaherezana.​—Isaia 32:1, 2.

8. Toe-piainana manao ahoana moa no azontsika antenaina ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra, ary nahoana?

8 Koa satria efa ho ringana izao tontolo izao manohitra an’Andriamanitra, ary Satana sy ireo demoniany hatsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, dia tsy hisy faharatsiana na fivavahan-diso intsony, na fitaoman-dratsin’ny demonia. ‘Tsy hisy fandratrana na fanimbana eran’ny tendrombohitra masin’Andriamanitra; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.’ (Isaia 11:9). Hanjaka ny fiadanana, tsy eo amin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny firazanana rehetra ihany, fa eo amin’ny olona sy ny zavaboary hafa eto an-tany koa. ‘‘Ary raha mby amin’izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ny bibi-dia sy amin’ny voro-manidina ary amin’ny biby mandady sy mikasika amin’ny tany; (...) dia hataoko mandry fahizay izy.” Hanapaka eo amin’ny biby amim-pitiavana ny olona. Tsy hatahotra ny biby izy ireny, ary ny biby tsy hanan-tahotra toy ny aretina ny olombelona. Ny tany rehetra dia hahitana taratry ny voninahitry ny Mpamorona azy, dia ilay “Andriamanitry ny fiadanana’’, sy Jesosy Kristy, “Andrian’ny fiadanana’’.​—Hosea 2:18; Romana 16:20; Isaia 9:5.

Ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty

9. Nahoana moa isika no mahazo matoky fa hisy ny fitsanganan’ny maty?

9 Azontsika atao koa ny manantena amim-pahatokiana tanteraka ny fitsanganan’ny maty. Nahoana? Satria Andriamanitra nanome fampanantenana marobe mikasika izany ho antsika ary tsy mahay mandainga izy (Titosy 1:2). Ambonin’izany dia nanome antoka ho an’ny olona rehetra izy tamin’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty (Asan’ny apostoly 17:31). Araka ny nambaran’i Jesosy tamin’ireo Sadoseo tamin’ny androny izay nisalasala, ny fananganana amin’ny maty dia zavatra azo antoka aoka izany, hany ka heverin’i Jehovah ho toy ny velona tokoa ireo maty.​—Matio 22:31, 32.

10. Inona no hatsangana ary avy aiza?

10 Inona no hatsangana amin’ny maty? Tsy ny vatana maty akory, satria izany niverina ho amin’ny vovoka ary ny potiny taminy aza dia mety ho tafiditra hahaforona ny zavatra velona hafa. Izany no nasehon’ny apostoly Paoly tamin’izao teny izao: “Izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha; ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany.” Hoy koa izy: “Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony.’’ (I Korintiana 15:35-38). Araka izany, dia tsy ny vatana voaforon’ny potipotiny teo ihany akory, fa ny fanahy,​—ilay olona,​—no hatsangana avy ao am-pasana, dia ny Sheola na Hadesy. Izany rahateo moa no nambara mikasika an’i Jesosy: “Tsy ho foinao ho any amin’ny Sheola ny fanahiko.”​—Salamo 16:10, MN. Asan’ny apostoly 2:24-27.

11. a) Inona moa no atao hoe fitsanganana voalohany? b) Iza moa no mandray soa avy amin’izany ary amin’ny fotoana toa inona?

11 Inona moa no karazam-batana horaisin’ ilay olona na fanahy tafatsangana amin’ny maty ? Ho an’ireo izay mandray anjara amin’ny fitsanganana voalohany, izany dia tena be voninahitra, araka an’Andriamanitra sy tsy mety lo. Voalohany amin’ny fotoana, amin’ny halehibeny sy ny hatsarany izany. Mandray anjara amin’io fitsanganana io ireo mpianatra voahosotr’i Kristy, dia ireo 144 000 aseho ho mitsangana eo an-tendrombohitra Ziona (Apokalypsy 20:4, 6; 14:1, 3). Mikasika ny fitsanganan’ireo kristiana voahosotra matory ao amin’ny fahafatesana amin’ny fotoan’ny fanatrehan’ny Tompo, dia izao no vakintsika: “Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra; ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha.” (I Tesaloniana 4:16). Fa raha ny amin’ireo kristiana voahosotra izay maty aorian’ny fanombohan’io fitsanganana io, dia nanampy teny toy izao Paoly: “Ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.” (I Tesaloniana 4:17; Apokalypsy 14:13). Araka ny hazavain’i Paoly ao amin’ny I Korintiana 15:51, 52, ny dikan’izany dia hoe tsy matory ao amin’ny fahafatesana ireny kristiana ireny, fa atsangana miaraka amin’izay ho amin’ny fiainana any an-danitra sy mba hakambana amin’i Jesosy Kristy Tompo any amin’ny lanitra tsy hita maso.

12. Olona iza koa no hatsangana amin’ny maty , ary rahoviana ny sasany no hatsangana?

12 Ahoana ny amin’ireo maty hafa ? Manome toky antsika ny apostoly Paoly “fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka [tsy marina, MN]”. Nanambara toy izany koa Jesosy fa “handre ny feony izay rehetra ao amin’ny fasana fahatsiarovana” ka hivoaka avy ao. Ambonin’izany, dia lazaina amintsika fa “ny fahafatesana sy ny Hadesy” dia hamoaka ny maty rehetra ao aminy. Anisan’izy ireny dia ao ilay jiolahy nangoraka izay nohomboana tamin’ny hazo teo anilan’i Jesosy ka nanambaran’ny Tompo hoe: “Lazaiko marina tokoa aminao anio: “Hihaona amiko any am-paradisa ianao.” (Asan’ny apostoly 24:15; Jaona 5:28, 29, MN; Apokalypsy 20:13, MN; Lioka 23:42, 43, MN). Koa satria tsy isalasalana fa izy ireny dia hotendrena mba ho solontenan’ilay Fanjakana eto an-tany, ireo olo-mahatoky nanomboka tamin’i Abela ka hatreo amin’i Jaona Mpanao batisa dia azo inoana fa ho anisan’ny hatsangana voalohany (Salamo 45:16). Izay rehetra hahafeno ireo fepetra takin’Andriamanitra mba hahatafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” nefa maty na mety ho faty alohan’io zavatra hiseho io, dia azo antoka koa fa hovelomina indray eo amin’ny fiandohan’ny fanjakana arivo taona. Ara-drariny izany, satria ny olona toy ireny dia mety hilaina tokoa mba hampianatra an’ireo tsy marina maro hatsangana amin’ny maty.

13. Amin’ny toetra mampiavaka manao ahoana no hananganana an’ireo maty?

13 Ao anatin’ny toe-piainana manao ahoana no hamelomana indray an’ireo ho tafatsangana amin’ny maty eto an-tany? Karazan-tena manao ahoana no hananany? Hanao ahoana ny fisehoany ivelany ara-batana? Araka ny nasehon’ireo fitsanganana tamin’ny lasa, indrindra fa ny an’i Lazarosy, ireo ho tafatsangana amin’ny maty dia hitovy be dia be amin’izay naha-izy azy talohan’ny nahafatesany, hany ka hahalala ny tenany izy ary ho afaka ny hahalala azy koa ny hafa (Jaona 11:39-44). Tsy hitsangana ho fohy akory ny olona lava iray, ary tsy ho velona indray amin’ny endriky ny zatovo akory ny olona antitra dia antitra iray. Ho lehilahy ny lehilahy ary ho vehivavy ny vehivavy. Hanana ny toetra sy ny fahatsiarovana toy ny talohan’ny nahafatesany izy ireny. Toy ny hita niharihary tamin’ireo fitsanganan’ny maty tamin’ny lasa, ireo ho tafatsangana amin’ny maty dia hanana vatana feno sy salama. Tsy ho velona indray ao anatin’ny faharariana niteraka ny fahafatesany izy ireny. Izany anefa tsy milaza hoe izy ireny dia hanana vatana tonga lafatra, satria tsy ho ara-dalàna izany noho izy ireo mbola hanana toetra tsy tanteraka. Ho velona indray amin’ny vatana tsy tanteraka kosa izy ireny, nefa, arakaraka ny handrosoan’izy ireny ara-panahy amin’ny fandresena ny fahalemeny sy ny tsy fahatanterahany amin’ny fanarahana an’ilay Fanjakana sy noho ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia hanatona kokoa hatrany ny fahatanterahana ny vatan’izy ireo.

14, 15. a) Fisehoan’ny toetr’Andriamanitra inona moa ny fananganana ny maty, ary iza no niteny toy izany? b) Inona moa no fihetseham-po ho tsapan’i Jesosy amin’ny fananganana ny maty?

14 Fisehoan’ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra ny fananganana ny maty. Izany no asehon’ny tenin’i Joba izay naharitra sy nahatoky: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? (...) Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ny tenanao Hianao. Malahelo an’ireo ao amin’ny Sheola na Hadesy tokoa Jehovah Andriamanitra, indrindra fa ireo izay, sahala amin’i Joba, dia mifikitra aminy hatrany na dia ao aza ny fitsapana mafy dia mafy.​—Joba 14:14, 15.

15 Azo antoka fa hahafaly aoka izany an’i Jesosy Kristy ny fitsanganan’ny olona tsy tambo isaina. Ny amin’ny hoe hahafaly an’i Jesosy hanao izany ho an’ny olombelona, izany dia ahariharin’ny valin-teniny tamin’ny boka iray tonga nanatona azy ka nanontany azy tamim-pinoana hoe: “Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.’’ Inona no navalin’i Jesosy azy? “Mety Aho; madiova hianao. Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.”​—Marka 1:40, 41.

16. Ahoana moa no mety hanampian’ny fanantonana ny fitsanganana amin’ny maty antsika dieny izao?

16 Zavatra tena azontsika antenaina amim-pifaliana lehibe sy tsy andrintsika tokoa ny fananganana ny maty. Raha miandry izany amim-pinoana isika, dieny izao ny fananganana ny maty dia mety ho tena loharanom-pampaherezana sy fitahiana ho antsika sy ireo namantsika. Raha maka olo-malalantsika iray ny fahafatesana, dia tsy ho resin’ny alahelo tafahoatra tsapan’ireo tsy manana fanantenana isika (I Tesaloniana 4:13, 14). Ho azontsika atao ny hitondra ny tena fampaherezana ho an’ireo ao anatin’ny fisaonana (II Korintiana 1:3, 4). Noho ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty, dia matoky isika fa na dia manaisotra ny fiainana amintsika aza ny olona, dia tsy afaka manaisotra antsika tsy ho ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra na mikasika antsika tsy hitsangana amin’ny maty (Matio 10:28). Izany dia manome antsika hery tsy hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra hatrany, na inona na inona mety hataon’ny olona amintsika.​—Apokalypsy 2:10; 12:11.

17. Inona moa no tokony ho vokatry ny mety hamoizana ny fiainana valisoa eo amintsika?

17 Ny mety hamoizana ny fiainana ho valisoa dia antony hafa iray koa manosika tsy hivadika (jereo II Timoty 4:8). Ahariharin’ny Baiboly fa ireo izay minia manota foana,​—ireo manota amin’ny fanahy masina,​—dia tsy hatsangana amin’ny maty (Matio 12:31, 32; Hebreo 10:26, 27). Tsy isalasalana mihitsy fa izany dia tokony hamporisika antsika hanahaka ny apostoly Paoly izay nanao fiezahana lehibe mba tsy hivadihana hatrany. Izao no nambarany: “Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” (I Korintiana 9:27). Aoka àry tsy ho takona amintsika na oviana na oviana ny fiainana ho valisoa ary aoka isika tsy hitsahatra ny hanao fiezahana mba hifikirana amim-pahatokiana hatrany amin’i Jehovah Andriamanitra.

Mandrosoa hatrany, mibanjina ny ho avy

18. Koa satria isika mandray anjara amin’ny fihazakazahana, tokony hanao ahoana moa ny fitondrantenantsika?

18 Manana antony marobe tokony hitodihana any amin’ny ho avy tokoa ary isika. Manana fahatsinjovan-javatra kanto isika, tsy ho amin’ny ho avy akaiky ihany, fa ho amin’ny arivo taona ho avy koa. Afaka milaza isika fa niditra hanao fihazakazahana ka tonga eo amin’ny tsipika mahitsy farany. Milaza inona ny fampitahana toy izany? Moa ve tsy manosika antsika izany mba hanao fiezahana lehibe ka hampifantoka ny saintsika ho amin’ny zava-kendrena, dia ny handresy amin’ny fihazakazahana? Raha ny marina dia ho amin’izany no ananarana antsika amin’izao teny izao: “Aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika [na fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo izany na fironan’ny nofo tsy tanteraka] mbamin’ny ota [ny fahaverezan’ny finoana] izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy.”​—Hebreo 12:1, 2.

19. Inona moa no torohevitra nomen’i Jesosy ho an’ny mpianany mba tsy hahalatsaka azy ireo ao anatin’ny fandrika ka hamoy amin’izany ny valisoany?

19 Jesosy tokoa no ohatra ho antsika ary manoro hevitra antsika izy mba ‘hikatsaka hatrany ny fanjakana sy ny Fahamarinany’. (Matio 6:33, MN.) Tao amin’ilay faminaniany lehibe koa Jesosy dia nanome izao fampitandremana izao, mikasika ny andro farany: “Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. (...) Fa miambena.”​—Lioka 21:34-36.

20. Manao ahoana moa no tokony ho fihetsika asehontsika eo anoloan’izao tontolo izao?

20 Raha ny marina, ny lalam-pahendrena ho antsika dia ny fampifantohana ny saintsika ho amin’izay antony ivelomantsika. Fantatsika fa ao anatin’ny “andro farany” isika. Izany no mahatonga an’izao torohevitr’i Paoly manaraka izao ho mbola mety kokoa ihany amin’izao androntsika izao tsy toy ny fony vao nomeny voalohany: “Efa fohy ny andro (...) mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon’izao fiainana izao.” (I Korintiana 7:29-31). Nahoana no hahavatra an’izao fiainana izao amin’ny famelana azy hitana tanteraka ny fiainantsika, toy ny hoe tsy azontsika atao ny ho diso na dia zavatra iray monja aza amin’izay atolony antsika, ka mety hamoizana ny fahasalamantsika ara-panahy mihitsy aza izany? Mifanohitra amin’izany, dia aoka tsy hohadinointsika fa “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. Fampanantenana kanto re izany! Moa ve asehontsika fa inoantsika tokoa io fampanantenana io amin’ny fampifanarahana amin’izany ny ataontsika rehetra? Moa ve ny fiainantsika ataontsika miankina tanteraka amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, ary moa ve tsy misy fifandraisana hafa na fahafinaretana hafa mihitsy avelantsika ho zava-dehibe loatra eo amin’ny fiainantsika?​—I Jaona 2:17.

21. Ahoana moa no tokony ho fiheverana ny fananana ara-nofo, ary nahoana?

21 Nahoana no hanaiky ho voagejan’ny fikatsahana fananana ara-nofo? Tao amin’ny anankiray tamin’ny fanoharana nataony, dia nampitandrina antsika tamin’ny toe-tsaina toy izany Jesosy, ka nilaza toy izao: “Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.” (Lioka 12:16-21). Ankoatr’izany, moa ve Jesosy tsy nampanantena fa raha katsahintsika hatrany aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Fahamarinany, dia hataon’Andriamanitra izay hanomezana fahafaham-po ny ilaintsika ara-nofo (Matio 6:33)? Tsy tokony hiahy loatra koa ny amin’ny ho toe-piainana ara-nofo ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao isika. Raha zava-dehibe izany, dia ho noresahin’i Jehovah tao amin’ny Teniny. Fantatsika fa tsy ny fananana ara-nofo akory na ny zavatra betsaka tsy mampananosarotra no mahasambatra ny olona amin’izao andro izao. Ny mpanompon’i Jehovah no olona sambatra indrindra eto an-tany. Ny ankamaroany anefa dia mahantra raha ny amin’ny zavatra heverin’izao tontolo izao ankehitriny ho zava-dehibe. Mahazo matoky isika fa ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao dia tsy hisy tsy ho ampy na inona na inona amintsika eo amin’ny lafiny ara-nofo. Ny mbola zava-dehibe lavitra, dia ny handraisantsika fitahiana ara-panahy marobe ka hanana sakaiza sy namana maro mpivavaka amin’ilay hany Andriamanitra marina atao hoe Jehovah izay samy hamoa daholo ny vokatry ny fanahiny isika.​—Salamo 133:1; Galatiana 5:22, 23; I Timoty 6:17.

22. Ao amin’ny lafiny inona avy ary amin’ny fomba ahoana moa no azontsika androsoana miaraka amin’i Jehovah?

22 Mandra-pahatongan’izany dia omena antsika ny fahafahana handroso amin’ny fanamafisana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, amin’ny fitomboana amin’ny fitiavana an’ireo mpianakavintsika ao amin’ny finoana sy amin’ ny fampifanarahana kokoa hatrany ny fiainantsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny fianarana manokana, ny vavaka, ny famonjena ireo fivorian’ny kongregasiona sy ny fampiharana amim-paharisihana ny zavatra nianarana, manampy be dia be amin’ny fandrosoantsika ara-panahy. Raha manararaotra ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hamelana antsika handroso hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy isika, dia tsy vitan’ny hoe hanatanjaka ny fanantenantsika isika, fa ho voatarika isika hanararaotra ny fotoana rehetra mba hanampiana olon-kafa hitana izany fanantenana izany sy hampifanaraka ny fiainany amin’izany. Raha mandroso dieny izao isika dia ho afaka kokoa hamboly ny toetra ilaina mba handrosoana ho amin’ny fahatanterahana mandritra ny fanjakana arivo taonan’i Kristy sy ny ampakariny. Aoka ary isika handroso hatrany.

23. Inona moa no fanomezan-toky antsika nataon’i Paoly ao amin’ny Hebreo 6:10, 11, ary nahoana?

23 Hanatanteraka ny fikasany sy ny fampanantenany Jehovah. Tsy hiverina aminy tsy misy vokany ny Teniny. Mahazo matoky ny amin’izany isika. Araka ny toky nomen’i Paoly, Andriamanitra akory tsy mba tsy marina ka hanadino izay rehetra “nataontsika noho ny fitiavana ny anarany’’. Aoka àry isika hampiseho hatrany “fiheverana amim-pahazotoana toy izany, mandra-pahatanteraky ny fanantenana [fanantenantsika] amin’ny farany”.​—Hebreo 6:10, 11, New English Bible.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara