FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w75 15/2 p. 101-103
  • Tena olona tokoa ve ny fanahy masina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena olona tokoa ve ny fanahy masina?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Olona sa hery miasa?
  • Tsy olona akory ny “mpanampy”
  • Ny Fanahy Masina — Hery miasan’Andriamanitra
    Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
  • Inona moa ny Fanahy Masina?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fanahy Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Famantarana ny fanahy masina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
w75 15/2 p. 101-103

Tena olona tokoa ve ny fanahy masina?

METY malahelo ny fanahy masina; mety miteny izy, mampianatra, manao fanambarana, manampy olona hahatsiaro zavatra sy manao ny asan’ny mpanampy. Tsy hampoizinao ve ny hiresahana toy izany ny amin’ny olona iray, ohatra, ny amin’ny “olona faha-telo’’ amin’ny trinite? Nefa ny toetra hafa mampiavaka ny fanahin’Andriamanitra dia tsy ampiasaina velively hilazana olona. Araka izany, io fanahy io dia mety “halatsaka” eo amin’olona na ‘hameno’ azy ireny. Ahoana no hanazavana izany? Inona marina tokoa moa no atao hoe fanahy masin’Andriamanitra ?

Olona sa hery miasa?

Ny teny hebreo sy grika nadika hoe ‘‘fa­nahy (esprit)” dia tsy mampahafantatra fa hoe olona izany. Ny lazainy indrindra dia tso-drivotra, rivotra mihetsika, tafiodrivotra (jereo Zakaria 2:10; Joba 41:8; Jaona 3:8). Ny tondroiny ary dia zavatra tsy hita maso, hery miasa. Azo ‘alatsaka’ eo amin’ny olona maro miaraka izy io, araka ny lazaina mikasika ny fanahy masina; azo afindra amin’izy ireny izany na ‘mameno’ azy. — Asan’ny apostoly 2:4, 33.

Marina fa ny Baiboly dia mampiasa ny teny hoe “fanahy (esprit)” hoenti-milaza olo­na. Izao no vakintsika: “Andriamanitra dia Fanahy.” (Jaona 4:24). “Ary ataony fanahy (esprits) ireo anjeliny.” (Hebreo 1:7, MN). Koa satria masina Andriamanitra sy ireo anjeliny tsy nivadika, izy rehetra dia samy ‘fanahy masina’. Moa ary ve olona koa ny fanahy masin’Andriamanitra? Raha izany no izy, moa ve tsy tokony hampoizintsika ny hanaovan’ny Baiboly fanavahana an’io fanahy masina io amin’ny ‘fanahy masina (esprits saints)’ hafa? Raha tsy misy teny hafa mihitsy manondro ny fanahy masina ho olona, dia tokony hisy mpanondro teny voafaritra tsara hampisehoana fa ny resahina dia Ny fanahy masina. Nefa moa ve izany no hita? Tsia. Ny fandinihana andinin-teny maro no amin’ny Soratra masina ao amin’ny fandikan-teny eny anelanelan’ny andalan-tsoratra iray na inona izany na inona, dia mampiharihary fa ny fitenenana hoe “fanahy masina” dia miseho tsy misy mpanondro anarana voa­faritra, ka izany dia mampiseho fa tsy manana ny maha-izy azy ny fanahy. — Asan’ny apostoly 6:3, 5; Romana 9:1; 1 Korintiana 12:3; Hebreo 2:4; 6:4; II Petera 1:21; Joda 20.

Fa nahoana no lazaina fa ny fanahy ma­sina dia miteny, mitari-dalana, mampianatra, manao fanambarana, ets. ? Moa ve ireo raharaha ireo tsy mampiseho fa manana ny maha-izy azy izy io. Tsy voatery ho izany no izy. Hevero izao famoaboasan-kevitra manaraka izao nataon’ny boky iray mpanohana ny tri­nite, dia ny Nouvelle encyclopédie calholique (anglisy; boky XIII, p. 575):

“Ny ankamaroan’ny teny ao amin’ny Testa­menta Vaovao dia mampiseho ny fanahin’ Andriamanitra ho zavatra fa tsy olona; izany no miharihary indrindra amin’ny fifanitsian’ ny fanahy sy ny herin’Andriamanitra. Rehefa misy asa saika fanaon’ny olona ihany, lazaina fa ataon’ny fanahin’Andriamanitra, ohatra, miteny, misakana, maniry, monina (Asan’ny apostoly 8:29; 16:7; Romana 8:9), dia tsy misy antony tokony hanatsoahan-kevitra avy hatrany mihitsy fa ao amin’ireo andinin-teny ireo ny fanahin’Andriamanitra dia heverina ho Olona; ampiasaina koa ireo fitenenana ireo ihany ao amin’ny fanoharana mikasika za­vatra na hevitra tsy hita mivaingana nefa atao sary velona (jereo Romana 8:6; 7:17). Araka izany, ny teny eo aloha sy eo aorian’ny fehezan-teny hoe: ‘ny fitenenan-dratsy ny Fanahy’ (Matio 12:31; jereo koa Matio 12:28; Lioka 11:20) dia mampiharihary fa ny herin’Andriamanitra no resahina eo.”

Marina tokoa fa ny fiheverana zavatra iray ho toy ny olona dia tsy manaporofo akory fa hoe olona izany. Ohatra, ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny fahotana izay ‘nanjaka’, izay ‘mitondra’, izay ‘mamitaka’ sy ‘mamono’. (Romana 5:21; 7:8-11.) Toy izany koa, ny fahendrena dia aseho ho toy ny olona, ary misy firesahana ny amin’ny ‘zanany’ sy ny amin’ny “asany”. (Matio 11:19; Lioka 7:35.) Nefa tsy hisy hilaza mihitsy fa hoe olona ny “fahotana” sy ny “fahendrena”. Toy izany koa, ny fampisehoana ny fanahin’Andriamanitra ho toy ny olona dia tsy manipaka ny fanambarana mazava dia mazava ataon’ny Baiboly izay milaza fa ny fanahy masina dia “zavatra fa tsy olona”.

Koa satria mifamatotra mafy amin’Andriamanitra Loharanony ny fanahy masina, izay manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra dia ‘mampalahelo ny fanahiny’. (Efesiana 4:30.) Fa ahoana no hetezan’izany raha tsy olona ny fanahy masina? Ny tenin’ny apostoly Paoly mikasika ny fanahin’ny tenany (esprit) na fironana manapaka, dia mampahafantatra antsika ny amin’izany. Ao amin’ny I Korintiana 5:3-5, dia izao no vakintsika: ‘‘Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko (esprit), dia efa nitsara sahady an’ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho: amin’ny anaran’i Jesosy Tompontsika — rehefa tafangona hianareo sy ny fanahiko (esprit) omban’ny herin’i Jesosy Tompontsika — hanolotra izany anankiray izany ho an’i Satana.”

Tamin’io toe-javatra io, noho ny taratasin’ i Paoly, ireo kristiana tany Korinto dia nahalala ny sainy na eritreriny mikasika ny vokatra manimba noleferina tao amin’ny kongregasiona. Rehefa nivory izy ireo mba handinika an’io raharaha io, ny saina na eritreritra mafin’i Paoly dia niaraka tamin’izy ireo, toy ny olona. Rehefa avy nanao fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny saina nasehon’i Paoly ireo kristiana tany Korinto, dia afaka nilaza toy izao: ‘Izahay sy ny fanahin’i Paoly dia nanapa-kevitra ny handroaka an’ilay lehilahy tsy nibebaka.’ Nefa kosa raha nanao zavatra mifanohitra amin’ny saina tsara nasehon’i Paoly izy ireo, dia ho ‘nampalahelo’ ny fanahiny (esprit).

“Nefa, hilaza angamba ianao hoe, izany dia tsy mahasakana ny firesahan’ny Baiboly ao amin’ny teny mifanakaiky, ny amin’ny Ray, ny Zanaka sy ny fanahy masina. Tsy isalasalana fa izany dia manaporofo fa olona ny fanahy masina.”

Aoka ary hojerentsika ny andinin-teny roa aroso mba hanaporofoana an’io hevitra io. Izao no vakintsika: “Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.” — II Korin­tiana 13:14; Matio 28:19.

Moa ve ireo andinin-teny roa ireo mana­porofo fa ny “Fanahy Masina” dia “persona fahatelo” amin’ny trinite? Lazainy ve fa ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina dia Andriamanitra tokana ihany? Tsia, ary ny firesahana fotsiny ny amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia tsy mampiseho amintsika ny fifandraisana mampifamatotra azy ireo.

Ankoatr’izany, ny tokony hanaovana batisa ny mpianatra amin’ny “anaran’ny” fanahy masina akory tsy porofo fa hoe olona ny fanahy. Na dia ireo mpanohana ny trinite aza dia miaiky fa ao amin’ny Matio 28:19 ny teny hoe “anarana” dia tsy manondro anarana manokana. Izao no ambaran’ilay helenista atao hoe A. T. Robertson (Word Pic­tures in the New Testament, boky I, p. 245): “Ny fampiasana ny anarana ([amin’ny teny grika] onoma) eo dia fahita ao amin’ny Septante sy ireo “papyrus” mba hanondroana ny hery na fahefana.” Mba hampisehoana fa ny teny hoe “anarana” ampiasaina toy iza­ny dia tsy hoe tsy maintsy milaza olona akory, dia azo atao ny mahatsiahy ny fitenenana frantsay hoe “amin’ny anaran’ny lalàna”. Izay rehetra zatra an’io fiteny io dia tsy hanatsoaka avy amin’izany fa hoe olona ny lalàna. Izao fotsiny no dikan’io fitenenana io: “noho izay asehon’ny lalàna”, ny fahefany. Toy izany koa, ny hoe atao batisa ‘amin’ny anaran’ny fanahy’ dia milaza fanekena an’io fanahy io, ny heriny sy ny asany.

Tsy olona akory ny “mpanampy”

Inona koa no holazaina ny amin’ny filazan’ ny Baiboly ny fanahy ho “mpanampy”, “mpampionona” na “mpanalalana” ka mampiasa ny mpisolo anarana milaza lahy “izy (il)” izy mba hanondroana azy? Moa ve izany tsy porofo fa olona ny fanahy? Aoka ho­jerentsika ny amin’izany.

Araka ny Jaona 16:7, 8,13, araka ny fandikan-teny amin’ny teny anglisy atao hoe Fandikan-teny nahazoana alalana, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra [parakletos]: fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy. Ary raha tonga Izy [amin’ny teny anglisy “he”, mpi­solo anarana milaza lahy], dia hampiaiky izao tontolo izao. (...) Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy [“he”] no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra.”

Mikasika an’ireo andinin-teny ireo, ny Nouvelle encyclopédic catholique (anglisy; boky XIII, pp. 575, 576) dia manao izao famoaboasan-kevitra izao: “Tamin’i masindahy Joany, dia miharihary fa ny Fanahy dia olona iray misolo an’i Kristy ao amin’ny Eglizy, ka nampiasa mpisolo anarana milaza lahy [ekeinos] izy miaraka amin’ny Fanahy, na dia “tsy milaza lahy na vavy (neutre)” aza io teny io [pneuma, fanahy (esprit)] (16:8, 13-16). Noho izany, dia miharihary fa i masindahy Joany dia nihevitra ny Fanahy Masina ho Olona, miavaka amin’ny Ray sy ny Zanaka, izay, miaraka amin’ny Zanaka nomem-boninahitra sy ny Ray, dia tonga sy miasa eo amin’ny mpivavaka (14:16; 15:26; 16:7).”

Nefa moa ve Jaona tena nampiasa mpisolo anarana milaza lahy tokoa nefa ny teny hoe “fanahy (esprit)” dia tsy milaza lahy na vavy (neutre) ? Tiany ve ny hampiseho fa raha ny marina dia olona ny fanahy? Nahoana no tsy vakina indray ny andinin-teny ao amin’ny Jaona 16 voatonona eo aloha? Inona no teny soloan’ny mpisolo anarana milaza lahy hoe “izy” [“he”] ? Moa ve tsy ny teny hoe “Mpampionona” ? Izany tokoa, ary ny teny grika nadika toy izany dia parakletos, anarana milaza lahy. Ara-drariny tokoa ary ny nampiasan’i Jaona ny mpisolo anarana milaza lahy ao amin’io andinin-teny io satria mitaky izany ny gramera.

Nefa Jaona tsy nampiasa mpisolo anarana milaza lahy rehefa ny teny “neutre” hoe pneuma (esprit) tokoa no nosoloana. Tsapa mora foana ny amin’izany amin’ny famakiana fandikan-teny ara-bakiteny toy ny an’i Rotherham, amin’ny teny anglisy. Ao amin’io fandikan-teny io, araka ny Jaona 14:16, 17, dia toy izao no amakiana ny tenin’i Jesosy: “Hangataka amin’ny Ray aho, dia hanome anareo Mpisolo vava [parakletos] hafa izy, mba hahafahany [“he”] hiaraka aminareo mandrakizay, — dia ny Fanahin’ny [pneuma] fahamarinana, — tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany izany [amin’ny teny anglisy “it”, mpisolo anarana “neutre”] na fantany. Ianareo kosa anefa mahalala azy [“it”] satria monina miaraka aminareo izy [“it”] ary ao aminareo.” Milaza lahy ny mpisolo anarana (“he”) rehefa ny anarana “masculin” parakletos no soloana, fa “neutre” kosa (“it”) rehefa ny anarana “neutre” pneuma no soloana.

Izany toe-javatra izany dia matetika no voafina ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly amin’ny teny anglisy izay manolo ny mpisolo anarana “neutres” amin’ny mpisolo anarana milaza lahy. Tsy hita izany fahasamihafana izany ao amin’ny fandikan-teny malagasy, satria tsy misy “neutre”. Ao amin’ ny fanamarihana ambany pejy iray mikasika ny Jaona 14:17, dia miaiky toy izao ny La nouvelle Bible américaine: “neutre” ny teny grika nadika hoe ‘Fanahy (Esprit)’, ary na dia mampiasa mpisolo anarana (‘he’, ‘his’, ‘him’) aza isika amin’ny teny anglisy, ny ankamaroan’ny MSS [ sora-tanana] amin’ny teny grika dia mampiasa ny hoe ‘it’.”

Hitantsika ary fa ireo mpanohana ny trinite dia manamarika ny mpisolo anarana re­hefa toa manohana ny fiheverany izany, fa tsy resahiny kosa ny amin’izany rehefa tsy mety aminy. Nefa, ny fandinihana amim-pitandremana andinin-teny ao amin’ny Baiboly ampiasain’izy ireny dia mampiharihary fa ny fampiasan’i Jaona mpisolo anarana — “neu­tres” na milaza lahy — dia raharaha mika­sika ny gramera, ary izany dia tsy manohana velively ny filazan’izy ireny, dia ny hoe maha-olona ny fanahy, “olona fahatelo” amin’ny Andriamanitra telo izay iray.

Tsy ny ankamaroan’ny teny ao amin’ny Baiboly àry, fa ny Soratra Masina manontolo no mampiseho fa tsy “olona” akory ny fanahin’Andriamanitra fa “zavatra”. Ampy ny famakiana amim-pitandremana ny Soratra Masina mba hahatakarana mazava fa raha ny marina, ny fanahin’Andriamanitra dia ny heriny miasa tsy hita maso.*

[Fanamarihana ambany pejy]

Mba hahazoana fanazavana amin’ny antsipiriany kokoa, dia jereo ilay bokikely hoe “La Parole” — qui est- ce, selon Jean? sy ilay boky amin’ny teny anglisy hoe Auxillaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy faha-1541-1548.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara