Zavatra fantatr’Andriamanitra mialoha
HATREO amin’ny fiandohany ka hatreo amin’ny fiafaran’ny fitantarany, ny Baiboly dia mampiseho amintsika fa ny fampiasan’Andriamanitra ny fahalalany mialoha sy ny fahefany hametra mialoha, dia mifamatotra amin’ny fanatanterahana ny fikasany sy ny sitrapony. Koa satria tanteraka foana ny fikasany, Andriamanitra dia afaka mahita mialoha ny ho vokany, ny fahatanterahany farany; azony atao ny mametra izany mialoha sy ny manao ny fandaharana heveriny fa ilaina, mba hiantoka ny fahatanterahan’izany (Isaia 14:24-27). Araka izany dia resahina ny amin’i Jehovah ho ‘manomana’ na ‘mahatanteraka’ ny fikasany mikasika zavatra na asa hiseho any aoriana (II Mpanjaka 19:25; Isaia 46:11). Amin’ny maha-Mpanefy tanimanga lehibe azy, Andriamanitra dia ‘mitarika ny zavatra rehetra araka ny fomba anoroan’ny sitrapony azy, mifanaraka amin’ny fikasany (Efesiana 1:11). Ary “ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8:28). Noho izany dia mikasika ny fikasany voafetra mialoha no anambaran’Andriamanitra “hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory”. — Isaia 46:9-13.
Namorona ny mpivady voalohany tonga lafatra Andriamanitra ary, rehefa nandinika ny vokatry ny asa famoronany rehetra izy, dia afaka nitsara fa “tsara indrindra” izany (Genesisy 1:26, 31; Deoteronomia 32:4). Ny fitantarana dia mampahafantatra antsika fa “nitsahatra” izy, fa tsy niahiahy ny amin’izay hataon’ireo ray aman-drenintsika voalohany (Genesisy 2:2). Afaka nanao toy izany izy, satria, noho ny maha-tsitoha azy sy ny fahendreny ambony indrindra, dia tsy nisy mihitsy asa na tarehin-javatra, na zavatra hiseho, nety ho nahaforona vato misakana tsy azo resena na nametraka zava-manahirana tsy ahitana fanafodiny, mety hanembantsembana ny fahatanterahan’ny fikasany lehibe. — II Tantara 20:6; Isaia 14:27; Daniela 4:35.
Ny fahalalany mialoha mikasika ireo kilasin’olona
Ny Baiboly dia mampiseho amintsika toe-javatra nahafantaran’Andriamanitra mialoha ny fitsipi-pitondrantena harahin’ny antokon’olona sasany, ny firenena sasany na ny ankamaroan’olona. Izany no antony nanambarany ny lalana harahin’izy ireny sy namerany mialoha ny zavatra hataon’ny tenany amin’izy ireny, mifanitsy amin’izany. Nefa izany fahalalana mialoha na famerana mialoha izany dia tsy misakana ny isam-batan’olona ao anatin’ilay antokon’olona na tapany amin’ny fitambaran’olombelona, hampihatra ny safidiny, mba hanarahana ny lalana nofidiny. Hanazava izany toe-javatra izany ireto ohatra manaraka ireto.
Tamin’ny andron’i Noa Jehovah dia nanambara mialoha ny fikasany hahatonga eo amin’ny tany, safodrano izay hiteraka fandringanana ain’olombelona sy biby maro. Nefa, araka ny fitantaran’ny Baiboly, Andriamanitra dia tsy nanao io fanapahan-kevitra io, raha tsy efa nihevitra fa ny toe-javatra nisy tamin’izany dia nilana fandraisana anjara toy izany. Ambonin’izany, Andriamanitra izay “mahalala ny fon’ny zanak’olombelona”, dia mahita fa “izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro” (II Tantara 6:30; Genesisy 6:5). Nefa nisy olona nitokana, Noa sy ny ankohonany, nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ka afa-nandositra ny fandringanana. — Genesisy 6:7, 8; 7:1.
Toy izany koa tamin’ny firenen’Isiraely. Andriamanitra dia nanolotra azy ny fahafahana ho tonga “fanjaka-mpisorona sy firenena masina”, amin’ny fitandremana ny fanekeny. Nefa, rehefa afaka efapolo taona teo ho eo taty aoriana, rehefa tonga teo amin’ny sisin’ny Tany nampanantenaina izy, dia nambaran’i Jehovah fa handika ny fanekeny izy ka holavina amin’ny maha-firenena. Nefa izany fahalalan’Andriamanitra mialoha izany dia voamarin’ny tsy fanekena sy ny fikomiana efa nasehon’io firenena io teo aloha. Izany no anton’ny nilazan’Andriamanitra hoe: “Fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ny tany izay nianianako homena azy izy” (Deoteronomia 31:21; Salamo 81:11-14). Na dia fantatr’Andriamanitra mialoha aza fa ny toe-pon’ny Isiraelita dia hitarika azy ireny ho amin’ny lalan’ny fitomboan’ny faharatsiana, ny fahalalany mialoha dia tsy ho tompon’andraikitra amin’izany velively. Izany dia tsy misy hafa amin’ny lehilahy iray mahatsinjo fa halaky simba ny trano iray satria naorina tamin’ny fitaovana ratsy sy nataon’olona nanao tsirambina; tsy mety ho tompon’andraikitr’izany fahasimbana izany anefa izy. Nisy mpaminanin’Andriamanitra nilaza fampiomanana ara-paminaniana, fanehoana fitsarana voatendrin’Andriamanitra mialoha, niorina tamin’ny tarehin-javatra iray, na ny toe-po efa nisy (Salamo 7:8, 9; Ohabolana 11:19; Jeremia 11:20). Nefa tamin’izany koa ny isam-batan’olona dia afaka nihevitra ny torohevitra sy ny fananarana ary ny fampitandreman’Andriamanitra ka ho mendrika ny fankasitrahan’Andriamanitra. Izany no nataon’ny olona sasany. — Jeremia 21:8, 9; Ezekiela 33:1-20.
Ny Zanak’Andriamanitra izay nanana fahefana hamaky tao amin’ny fon’olombelona koa (Matio 9:4; 2:8; Jaona 2:24, 25), dia nahazo avy tamin’ny Rainy ny fahaizana mahafantatra mialoha sy maminany ny toe-piainana, ny zavatra hiseho ary ny fisehoan’ny fitsaran’Andriamanitra. Nambarany fa hohelohina ao amin’ny Gehena ny kilasin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo (Matio 23:15, 33). Nefa, araka ny porofoin’izay hita tamin’i Paoly, dia tsy nilaza izy fa hoe ny tsirairay avy tamin’ny Fariseo na ny mpanora-dalàna raisina mitokana, dia voatendy ho amin’ny fanafoanana (Asan’ny Apostoly 26:4, 5). Nambaran’i Jesosy ny loza hanjo ny mponina tsy nibebaka tao Jerosalema sy ny tanàna hafa koa, nefa tsy nilaza izy fa hoe ny tsirairay avy amin’ny mponina tao dia voatendrin’ny Rainy hijaly toy izany (Matio 11:20-23; Lioka 19:41-44; 21:20, 21). Etsy andanin’izany, noho ny fahafantarany mialoha ny hoe hitarika aiza ny fironana sy ny toe-pon’ny olona, dia nambarany ny toe-piainana hitombo eo amin’ny olombelona amin’ny fotoana “fifaranan’ny fandehan-javatra”, sy ny zavatra hiseho hanampy amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. — Matio 24:3, 7-14, 21, 22, MN.
Ny fahalalany mialoha mikasika ny isam-batan’olona
Tsy nikasika ny kilasin’olona sasany ihany no nampiasan’Andriamanitra ny fahafantarany ny ho avy, fa nampidiriny tao amin’ny fanombanany mialoha koa ny olona mitokana sasany, anisan’izany Esao sy Jakoba, ny farao tamin’ny andron’ny fifindram-ponenana, Samsona, Solomona, Jeremia, Jaona Mpanao batisa, Jodasy Isikariota sy Jesosy, Zanak’Andriamanitra.
Tamin’izay mikasika an’i Samsona sy Jeremia ary Jaona Mpanao batisa, Jehovah dia nampiasa ny fahalalany zavatra mialoha, raha mbola tsy teraka akory izy ireo. Nefa tsy namoaka didy ny amin’izay tena ho fiafaran’ireny olona ireny izy. Niorina tamin’ny fahalalany mialoha no nanokanany mialoha an’i Samsona ho nazirita ary nambarany mialoha ny hanafahan’io ny Isiraelita amin’ny ziogan’ny Filistina; natokany mialoha ho amin’ny raharahan’ny mpaminany Jeremia, ary Jaona Mpanao batisa, ho amin’ny asa fiomanana amin’ny maha-mpialoha lalana ny Mesia (Mpitsara 13:3-5; Jeremia 1:5; Lioka 1:13-17). Na dia nahazo sitraka tokoa aza ireny olona ireny tamin’ny fandraisana izany tombontsoa izany, dia tsy efa azo antoka akory ny hahazoany ny fiainana mandrakizay na ny tsy hivadihany hatramin’ny fahafatesana (na dia samy toy izany aza izy telo ireo). Nambaran’i Jehovah fa ny anankiray amin’ireo zanakalahin’i Davida maro dia hantsoina hoe Solomona ka izy io no hanorina tempoly ho azy (II Samoela 7:12, 13; I Mpanjaka 6:12; I Tantara 22:6-19). Na dia nahazo sitraka lehibe tokoa aza Solomona tamin’izany lafiny izany sady nanana tombontsoa koa nanoratra boky sasany tao amin’ny Soratra masina, dia niala tamin’ny fivavahana marina ihany izy tamin’ny andron’ny fahanterany. — I Mpanjaka 11:4, 9-11.
Toy izany koa ny amin’Isaia sy Jakoba. Tamin’ny fahalalan’Andriamanitra mialoha, dia tsy noferany akory izay ho anjaran’izy ireo mandrakizay, fa noferany na nodidiany mialoha kosa ny hoe antokom-pirenena iza avy amin’ireo zanakalahy roa ireo, no ho tafakatra noho ny anankiray (Genesisy 25:23-26). Ny hoe hanapahan’ny iray ny iray dia mampiseho fa ho lasan’i Jakoba ny fizokiana ka hanome azy ny tombontsoa ho anankiray amin’ireo mahaforona ny fitohizan’ny teraka hivoahan’ilay ‘taranak’i Abrahama’ izany (Genesisy 27:29; 28:13, 14). Tamin’izany fomba izany no nampahafantaran’i Jehovah mazava fa ny fifidianana olona hanatontosa fikasana sasany, dia tsy miankina amin’ny fanao na ny fomba fitsara ampoizin’ny olona mandrakariva. Ankoatr’izany, ny fanomezana tombontsoa sasany dia tsy miorina amin’ny asan’ny olona iray, satria izany dia hitarika azy hino fa ‘nahazo zo’ handray izany izy, ary “zavatra tsy maintsy ho azy” izany. Nanantitrantitra ny amin’izany ny apostoly Paoly tamin’ny fampisehoana ny fomba azon’Andriamanitra nanomezana ho an’ny firenena jentilisa, ny tombontsoa toa voatokana ho an’ny Isiraely teo aloha, noho ny hatsaram-pony amin’izay tsy mendrika akory. — Romana 9:1-6, 10-13, 30-32.
Rehefa milaza Paoly fa ‘Jakoba [Isiraely] no tian’i Jehovah, fa Esao [Edoma] no halany’, ny tononiny dia ny tenin’i Malakia (1:2, 3), voasoratra elabe taorian’ny andron’i Jakoba sy Esao. Araka izany àry, ny Baiboly dia tsy milaza fa hoe tsy maintsy nanao izany fitsarana izany Jehovah, talohan’ny nahaterahan’ireo kambana ireo. Ekena ara-tsiansa fa ny toe-tena amin’ny ankapobeny sy ny toe-tsain’ny zaza iray, dia voafetra indrindra amin’ny fotoana mahatorontoronina azy, voafetran’ny fandovan-toetra entin’ny tsirairay avy amin’ny ray aman-dreny. Mazava ho azy fa manana fahefana hahafantatra izany anton-javatra izany Andriamanitra. Nilaza Davida fa nahita azy Jehovah, fony izy “tsy mbola ary fady [fony mbola “germe”, AC ]” (Salamo 139:14-16; jereo koa Mpitoriteny 11:5). Tsy azo atao ny mametra ny hoe hatraiza no nety ho herin’izany fahaiza-mandinika ananan’i Jehovah izany teo amin’ny fahalalany mialoha ny amin’ireo zazalahy roa ireo. Na manao ahoana na manao ahoana anefa, ny nitiavan’Andriamanitra an’i Jakoba noho Esao, dia tsy nanameloka an’i Esao sy ny taranany, ny Edomita, ho amin’ny fandringanana. Nefa “ny fiovan’ny fihetseham-po” notadiavin’i Esao mafy tamin’dranomaso, dia fanandramana tsy nisy vokany fotsiny, mba hampiova hevitra an’Isaka rainy, ny amin’ny fanapahan-keviny hampitoetra tanteraka eo amin’i Jakoba, ny fitahiana manokana tokony ho an’ny lahimatoa. Tsy milaza akory izany fa hoe nibebaka teo anatrehan’Andriamanitra Esao noho ny fitiavany ny zavatra hita maso. — Genesisy 27:32-34; Hebreo 12:16, 17.
Izany toe-javatra izany, izay nampiasan’Andriamanitra ny fahalalany ny ho avy talohan’ny nahaterahan’ireo olona voakasika, dia tsy mifanipaka amin’ny toetrany miharihary sy ny fitsipiny voambara. Tsy nisy na inona na inona koa nampiseho fa Andriamanitra dia nanery ireo olona voakasika tamin’izany, hanao zavatra tsy araka ny nahim-pony. Tamin’izay hita teo amin’i Farao, Jodasy Isikariota ary ny Zanak’Andriamanitra, dia tsy misy na inona na inona manaporofo fa nampiasa ny fahalalany ny ho avy Jehovah, talohan’ny nahaterahan’izy ireo. Ireo toe-javatra manokana ireo dia manazava fitsipika sasany mikasika ny fahalalana sy ny fanendren’Andriamanitra mialoha.
Ny anankiray amin’ireny fitsipika ireny dia ny fitsapan’Andriamanitra ny olona, amin’ny fanaovana na ny famelana izay hitomboan’ny toe-piainana na zava-miseho sasany, na amin’ny fanirahana hanambara ny hafany ara-tsindrimandry koa mba hahatonga ireny olona ireny ho voatery hampiasa ny safidiny ka hanao fanapahan-kevitra, ary haneho amin’izany ny tena toe-pony fantatr’i Jehovah (Ohabolana 15:11; I Petera 1:6, 7; Hebreo 4:12, 13). Ankoatr’izany, arakaraka ny fihetsiny ao anatin’ny fitsapana, dia azon’Andriamanitra atao ny mamolavola ny olona ao amin’ny lalana nofidin’ny tenan’izy ireny an-tsitrapo (I Tantara 28:9; Salamo 33:13-15; 139:1-4, 23, 24). Araka izany àry, ny “fon’ny olona” dia miseho ho vonona ny hanaraka ny lalany, alohan’ny hitarihan’i Jehovah ny diany (Ohabolana 16:9; Salamo 51:11). Ao anatin’ny fitsapana, dia miseho mazava ny toe-pon’ilay olona; mety hanamafy fo amin’ny fikomiana sahala amin’i Farao tamin’ny andro nialana tany Egypta izy, na hihamatanjaka amin’ny fifikirany tsy azo ravana amin’i Jehovah Andriamanitra sy amin’ny fanatanterahana ny sitrapony (Eksodosy 4:21; 8:15, 28). Rehefa tonga eo amin’izany faritra izany ilay olona, dia azo atao ny mahafantatra mialoha sy ny manambara ny ho vokatry ny fitondran-tenany amin’ny farany, nefa amin’izany dia tsy hampihatra ny tsy rariny na hanaisotra aminy ny safidiny. — Jereo Joba 34:10-12.
Tamin’ny fivadihany Jodasy Isikariota dia nahatanteraka faminanian’Andriamanitra iray ary nampiseho ny fahalalan’i Jehovah mialoha sy ny an’ny Zanany (Salamo 41:9; 55:12, 13; 109:8; Asan’ny Apostoly 1:16-20). Tsy azo atao anefa ny milaza fa hoe nanendry azy mihitsy hanana fitondrantena toy izany Andriamanitra. Nambaran’ny faminaniana fa anankiray tamin’ireo sakaizany akaiky no hamadika an’i Jesosy, nefa tsy nisy famerana hoe iza izany. Teo indray koa ny fitsipika araka ny Baiboly dia mifanohitra amin’ny fiheverana fa hoe nametra mialoha izay hataon’i Jodasy Andriamanitra. Ny anankiray tamin’ny apostoly dia nanonona izao fitsipik’Andriamanitra manaraka izao: “Aza malaky mametra-tànana amin’olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin’ny sasany; tehirizo madio ny tenanao” (I Timoty 5:22). Raha naneho ny fiahiany hifidy amim-pahendrena sy amin’ny fomba tsara ireo apostoliny roa ambin’ny folo Jesosy dia nandany ny alina manontolo nivavahana tamin’ny Rainy, talohan’ny nampahafantarana ny fanapahan-keviny (Lioka 6:12-16). Raha nanendry an’i Jodasy ho mpamadika Andriamanitra dia ho nampiseho fanoherana ny teniny ihany tamin’ny nataony, ary hita avy hatrany fa ho nandray anjara tamin’ny fahotan’io lehilahy io.
Noho izany dia toa niharihary fa tamin’ny fotoana nifidianana an’i Jodasy ho anankiray tamin’ny apostoly dia tsy nisy fironana ho amin’ny fivadihana mihitsy tao amin’ny fony. Navelany hisy ‘faka mangidy nitsimoka’ sy nandoto azy, ka izany dia nitarika azy hanalavitra an’Andriamanitra sy hanary ny fitarihany, mba hanaraka ny Devoly tamin’ny lalan’ny halatra sy ny famitahana (Hebreo 12:14, 15; Jaona 13:2; Asan’ny Apostoly 1:24, 25; Jakoba 1:14, 15). Raha vantany vao niala tamin’ny lalana tsara toy izany izy dia afaka namaky ny tao am-pony ny tenan’i Jesosy ka nanambara ny hamadihany. — Jaona 13:10, 11.
Marina fa mikasika ny mpianatra sasany tafintohina noho ny fampianarana sasantsasany nentin’i Kristy, dia vakintsika ao amin’ny Jaona 6:64 fa “fantatr’i Jesosy hatramin’ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy”. Na dia ampiasaina anondroana ny fiandohan’ny famoronana aza ny teny hoe “voalohany” ao amin’ny II Petera 3:4, dia mety hihatra amin’ny fotoana hafa koa io teny io (Lioka 1:2; Jaona 15:27). Araka izany, rehefa nilaza ny apostoly Petera fa ny fanahy masina dia nilatsaka tamin’ny Jentilisa “toy ny tamintsika tamin’ny voalohany”, dia nanisy fitenenana ny amin’ny andro Pentekosta, taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana izy, izay ‘nanombohan’ny’ fanahy masina nilatsaka noho ny antony voafaritra tsara (Asan’ny Apostoly 11:15, MN; 2:1-4). Tsara àry ny mijery izao fanamarihana manaraka izao, mikasika ny Jaona 6:64, nivoaka tao amin’ny Critical, Doctrinal and Homiletical Commentary, nosoratan’i Schaff-Lange: “[Ny hoe ‘fiandohana’], araka ny metafizika, dia tsy milaza ny hoe hatramin’ny niandohan’ny zavatra rehetra (...), na hatramin’ny niandohan’ny fifandraisany [fifandraisan’i Jesosy] tamin’ny tsirairay avy (...), na hatramin’ny fotoana nanombohany nanangona ny mpianany nanodidina azy, na hatramin’ny nanombohan’ny raharahany tamin’ny naha-Mesia azy (...), fa hatramin’ny nisehoan’ny fitsimohan’ny tsy finoana mangingina voalohany [nahatafintohina ny mpianatra sasany]. Tamin’izany fomba izany no nahafantarany hatramin’ny voalohany izay hamadika azy.” — Jereo koa I Jaona 3:8, 11, 12.
Ny Mesia
Fantatr’i Jehovah Andriamanitra mialoha sy nambarany ny hiaretan’ny Mesia fahoriana sy ny hahafatesany ary ny hitsanganany amin’ny maty (Asan’ny Apostoly 2:22, 23, 30, 31; 3:18; I Petera 1:10, 11). Ny fahatanterahan’ny zavatra voafetran’Andriamanitra eo amin’ny fampiharana ny fahalalany ny ho avy, dia misy miankina amin’ny fampiasana ny heriny ary misy miankina amin’ny ataon’ny olona (Asan’ny Apostoly 4:27, 28). Ireny olona ireny anefa dia ninia nanaiky ho voafitak’i Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra (Jaona 8:42-44; Asan’ny Apostoly 7:51-54). Toy ny kristiana tamin’ny andron’i Paoly ‘nahafantatra ny hafetsen’i Satana’, Andriamanitra koa dia nahatsinjo ny fanirian-dratsin’ilay fahavalony sy ny fomba ratsy hampiasainy hamelezana ny Voahosony (II Korintiana 2:11). Miharihary tokoa fa ny herin’Andriamanitra dia afaka manapaka na misakana mihitsy aza, ny famelezana rehetra na ny fiezahana rehetra natao hanoherana ny Mesia izay tsy nifanitsy tamin’ny faminaniana, raha ny amin’ny endriny sy ny fotoana.
Nanambara ny apostoly Petera fa Kristy, tamin’ny naha-Zanak’ondrin’Andriamanitra natao sorona azy, dia “fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ [endriky ny teny grika hoe katabolê ] izao tontolo izao [kosmou]”; ireo mpanohana ny finoana ny amin’ny lahatra dia milaza fa ireo teny ireo dia mampiseho ny nampiasan’Andriamanitra ny fahalalany ny ho avy, talohan’ny namoronana ny olombelona (I Petera 1:19, 20). Ny teny grika hoe katabolê, nadika hoe ‘fanorenana’, dia adika ara-bakiteny hoe “fandefasana na fametrahana”; azo ampiharina io teny io, amin’ny ‘fahatorontoronin’ny’ taranaka iray, toy ny ao amin’ny Hebreo 11:11 izay iresahana ny amin’i Abrahama nametraka ny voa hiterahana zazalahy sy Saraha nandray izany voa izany mba hananana anaka. Araka ny asehon’ny Hebreo 4:3, 4 dia niorina ny izao tontolo izaon’ny olombelona, fony Andriamanitra namorona ny mpivady voalohany, nefa taty aoriana dia verin’ny lehilahy sy ny vehivavy ny toerana naha-zanak’Andriamanitra azy (Genesisy 3:22-24; Romana 5:12). Nefa, noho ny hatsaram-pon’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, dia navela hametraka voa [hamafy] izy ireny, hanana anaka ary hitarika. Lazain’ny Baiboly manokana indrindra amintsika fa ny anankiray tamin’ireo zanany, Abela, dia nahazo sitraka tamin’Andriamanitra ka nitana toerana nahatonga azy ho afaka hanantena ny hahazo ny fanavotana sy ny famonjena (Genesisy 4:1, 2; Hebreo 11:4). Tsara homarihina fa ao amin’ny Lioka 11:49-51 Jesosy dia miresaka ny amin’ny “ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” ka mampifanitsy ireo teny ireo amin’izao teny manaraka izao: “Hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria.” Nampifamatotra an’i Abela tamin’ny “nanorenana izao tontolo izao” àry Kristy, dia tamin’io fe-potoana amin’ny ankapobeny io.
Ny Mesia na Kristy dia tokony ho ilay Taranaka nampanantenaina hitahiana ny olona mahitsy rehetra sy ny fianakaviana rehetra amin’ny tany (Galatiana 3:8, 14). Tany Edena no nisy firesahana voalohany ny amin’ny “taranaka”; nitranga izany, taorian’ny nikomian’ny mpivady voalohany, nefa talohan’ny nahaterahan’i Abela (Genesisy 3:15), izany hoe efatra arivo taona mahery talohan’ny nampahafantarana ny “zava-niafina” mikasika ny fitondran’ny Mesia ho avy. Tena “voàfina hatry ny fony fahagola” tokoa àry io tsiambaratelo masina io. — Romana 16:25-27; Efesiana 1:8-10; 3:4-11.
Tamin’ny fotoany Jehovah Andriamanitra dia nanendry ny Zanany lahimatoa hitana ny toeran’ny “taranaka” voambara, ka nanome adidy azy ho tonga Mesia. Tsy misy na inona na inona milaza fa hoe “voatendry mialoha” ho amin’io raharaha io Jesosy, talohan’ny namoronana azy na talohan’ny fikomiana tany Edena. Nefa na dia izany aza dia tsy hoe tsy nisy fiorenany mialoha akory ny fisafidianana farany nataon’ny Zanany, mba hanatanterahana ireo faminaniana. Ny fe-potoana nisian’ny fiarahana akaiky teo amin’ny Zanaka sy ny Rainy dia nahatonga ny Ray ‘hahalala azy ka hanana fahatokiana fa hanatontosa tsy amim-pivadihana ny fampanantenana sy ny sary ara-paminaniana izy. — Jereo Romana 15:5; Filipiana 2:5-8; Matio 11:27; Jaona 10:14, 15.
Ireo ‘voantso sy ireo olom-boafidy’
Ny hany sisa hodinihintsika dia ny andinin-tey sasany ao amin’ny Baiboly mikasika ireo “voantso” na “olom-boafidy” kristiana (Joda 1; Matio 24:24). Ireo voalaza ireo dia aseho ho toy ny “olom-boafidy araka ny fahalalana rahateo, izay an’Andriamanitra” (I Petera 1:1, 2), ‘nofidina fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao’, ‘voatendry rahateo ho amin’ny fananganana ho zanak’Andriamanitra’ (Efesiana 1:3-5, 11), ‘voafidy hatramin’ny voalohany hahazo famonjena sady voantso ho amin’izany’ (II Tesaloniana 2:13, 14). Mba hahazoana ny hevitr’ireo teny ireo dia ilaina ny hahafantarana raha toa izany mikasika ny fanendrena mialoha olona sasany na kilasin’olona, izany hoe ny kongregasiona kristiana, “tena iray ihany” (I Korintiana 10:17) an’ireo ho mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy sy ny Fanjakany any an-danitra. — Efesiana 1:22, 23; 2:19-22; Hebreo 3:1, 5, 6.
Raha toa ireo teny ireo mihatra amin’olona manokana, voatendy mialoha ho amin’ny famonjena mandrakizay, izany dia hahatonga azy ireny tsy hiseho hivadika mihitsy na handiso ny fiantsoana azy, satria ny fahalalan’Andriamanitra mialoha ny aminy tsy nety ho hita fa tsy marina ary ny fanendrena azy mialoha dia tsy nety ho voasembantsembana na voasakana. Nefa, ireo apostoly ireo ihany izay nanoratra ara-tsindrimandry ny teny voalaza eo aloha dia nampiseho fa ny sasany tamin’ireo izay ‘novidina’ sy ‘nohamasinina’ tamin’ny ran’ny sorom-panavotan’i Kristy ka efa “nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina ary efa nanandrana (...) ny herin’ny fiainana ho avy”, dia ho lavo ka tsy ho afaka ho velona intsony ho amin’ny fibebahana ary hitarika fandringanana ho an’ny tenany. — II Petera 2:1, 2, 20-22; Hebreo 6:4-6; 10:26-29.
Nefa kosa, raha toa ny teny voatonona eo ambony mihatra amin’ny kilasin’olona amin’ny kongregasiona kristiana na “firenena masina” amin’ny fitambarany (I Petera 2:9), ny heviny dia ny hoe nahafantaran’Andriamanitra sy nanendreny mialoha an’io kilasy io (fa tsy ny olona mahaforona azy). Ny hevitr’izany koa dia hoe nodidian’Andriamanitra sy noferany mialoha ny ho ‘modely’ tokony harahin’izay rehetra hantsoina ho anisan’io kilasy io, ary izany rehetra izany dia mifanaraka amin’ny fikasany (Romana 8:28-30; Efesiana 1:3-12; II Timoty 1:9, 10). Notendreny mialoha kosa ny asa tiany ho hita hataon’ireny voantso ireny sy ny fitsapana hihatra aminy, noho ny fahoriana hampiharin’izao tontolo izao aminy. — Efesiana 2:10; I Tesaloniana 3:3, 4.
Araka izany àry, ny fampiasan’Andriamanitra ny fahalalany mialoha dia tsy manafaka antsika amin’ny andraikitra hanao ny fiezahantsika rehetra mba hanarahana ny sitrapony marina.