Fampandrenesana
NY RAHARAHAM-PITORIANA
Manakaiky ny fiafaran’ity izao tontolo izao ratsy ity sy ny fanjakany isika. Lasa izay ny andro nanidraidraina olombelona sy fikambanana isan-karazany ary ireo zavatra natsangan’ny olona. Ho an’ireo izay maniry ny ho velona, dia fotoana mety dia mety tokoa izao mba hiderana ny Mpamorona antsika sy ny Mpanjakantsika. Tokony hampifantoka ny sainy amin’ny fiantsoana mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, ireo maniry ny hanompo ny Avo Indrindra. Izany dia manambara fiderana iraisam-pirenena ho an’Andriamanitra tokana amin’izao fotoana izao. Mifanaraka tsara amin’izany, ny vavolombelon’i Jehovah, mandritra ny volana avrily, dia hanolotra amim-pitiavana amin’ny olona rehetra famandrihana herintaona amin’ny gazety mitondra ny lohateny hoe: Ny Tilikambo Fiambenana. 25 ariary na 125 FMG ny famandrihana herintaona amin’io gazety io. Homena boky kely iray maimaimpoana manazava ny Baiboly, izay rehetra manao famandrihana. Aoka hianao ho isan’ireo mpamaky sambatra sy mpampiely Ny Tilikambo Fiambenana, ary miezàha hampitombo hatrany hatrany ny fiderana an’Andriamanitra tokana sady marina eran’izao tontolo izao.
FIANARANA “NY TILIKAMBO FIAMBENANA”
30 May: Inona no hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra aminao? § 1-30. Pejy 53.
13 Jona: Inona no hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra aminao? § 31-62. Pejy 59.