FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/11 p. 277-285
  • Ireo Maty izay Hitsangana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Maty izay Hitsangana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • IREO IZAY AO AMIN’​NY SHEOLA (HADESY)
  • AHOANA NY AMIN’​IREO RAY?
  • Iza no Hatsangana Amin’ny Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Fizarana faharoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Inona no Atao hoe Sheola sy Hadesy?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Tsy maintsy hamoaka ny maty ny fahafatesana sy ny Hadesy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/11 p. 277-285

Ireo Maty Izay Hitsangana

Fa ny Amin’​ny Fitsanganan’​ny Maty, Moa tsy Mbola Novakinareo va ny Teny Nataon’​Andriamanitra Taminareo Manao hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’​i Abrahama sy Andriamanitsika ary Andriamanitr’​i Jakoba’? tsy Andriamanitry ny Maty izy, fa An’​ny Velona.—MATIO 22 :​31, 32, MN.

1. Nahoana no ho maro ny olona ho gaga, rehefa velona indray, amin’​ny fitsanganan’​ny maty?

LEHILAHY sy vehivavy maro Fahizay no niandry ny fitsanganan’​ny maty. Sesehena koa anefa ny olon-kafa tsy nahalala na inona na inona ny amin’​ny fitsanganan’​ny maty ary tsy nanantena izany. Hafa ny zavatra nampianarin’​ny antokom-pivavahany azy. Ho gaga ve ireny olona ireny rehefa velona indray amin’​ny fotoana hampiasan’​Andriamanitra Tsitoha ny fahefany hanangana ny maty, mandritry ny hanapahan’​ny Fanjakany ambonin’​ny tany?

2, 3. a) Inona no boky tranainy azo itokiana, afaka hamaly izany fanontaniana izany, ary inona no hitantsika momba izany ao amin’​ireo toko voalohany sy farany amin’​io boky io? b) Ahoana no lazain’​io boky io, ao amin’​ny fanambarany farany momba ny fitsanganan’​ny maty?

2 Bokim-pivavahana tranainy iray ihany no afaka hanome antsika valin-teny azo itokiana. Io no hany boky mampianatra fa hitsangana ny maty, amin’​ny alalan’​ny Fanjakan’​Andriamanitra sy ny Zanany malalany izay hanjaka ka hitondra soa ho an’​ny olombelona. Ny Baiboly masina no anaran’​io bokim-pivavahana mahagaga io, ary amin’​izao fotoana izao, sivin-jato sy arivo taona aty aorian’​ny nahavitana azy, dia mitana ny laharana voalohany izy amin’​ny boky eto amin’​izao tontolo izao, na bokim-pivavahana izany na tsia. Milaza ny amin’​ny fitsanganan’​ny maty ny toko dimam-polo voalohany amin’​ny Baiboly masina. Ary ny toko roa amby roapolo mamarana io boky io, dia milaza: 1) ny amin’​ny fitsanganan’​i Jesosy Kristy, Zanak’​Andriamanitra; 2) ny amin’​ny fitsanganan’​ny mpianany mahatoky, amin’​ilay antsoina hoe “fitsanganana voalohany”; 3) ny fitsanganan’​ny olona amin’​ny ankapobeny (jereo Fanambarana 1:​17, 18, 5; 2:10; 20:​4-6, 12-14, MN). Ao amin’​ny fanambarany farany momba ny fitsanganan’ ny maty, dia izao no nambaran’​ilay mpanoratra io tapany farany amin’​ny Baiboly io:

3“Ary hitako fa indro nisy seza fiandriana fotsy lehibe sy ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany sy ny lanitra dia nandositra ny tavany ka tsy nisy hitoerany intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’​ny seza fiandrianana; ary novelarina ny horonam-boky. Nefa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny horonam-bokin’​ny fiainana. Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra tao anatin’​ny horonam-boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny, ary ny fahafatesana sy ny Hadesy namoaka ny maty tao aminy, dia samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny Hadesy dia natsipy tany amin’​ny farihy afo. Fahafatesana faharoa no hevitry ny hoe farihy afo.”— Fanambarana 20:​11-15, MN.

4. Karazan’​olona inona no hitan’​i Jaona nitsangana, ary inona ny zavatra mikasika ny fahamboniana, tsy maintsy ho fantatr’​izy ireo amin’​izay?

4 Raha namaky ny andininy faha-12, voalaza etsy aloha isika, dia nahamarika fa ilay mpanoratra kristiana, ny apostoly Jaona, tsy nilaza fa ny maty hitsangana dia ny tsara sy ny ratsy. Tsy nanoratra izy hoe: “Ary nahita ny maty aho, na ny tsara na ny ratsy”, fa hoy izy: “Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely.” Raha lazaina amin’​ny fomba hafa dia izao: nahita olona avy amin’​ny toerana samihafa ara-tsosialy izy. Na ny lehibe na ny kely dia samy niverina mba hiseho eo anoloan’​ny seza fiandrianan’​ilay Mpitsara ny voahary rehetra, dia Andriamanitra Avo Indrindra Tsitoha. Na dia tsy nahalala azy aza ireo taloha, dia ho fantany, amin’​io fitsarana io, ny fahamarinan’​ilay teny vosoratra ao amin’​ny Salamo 83:19 (AC), momba an’​Andriamanitra, ilay Mpitsara ambony, dia ilay hoe: “Aoka ho fantany, fa ny anaranao, fa hianao irery ihany Jehovah ô, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ ny tany rehetra!” Arak’​izany dia tsy ho afaka handositra ny fitsarana hataon’​ilay Andriamanitra Avo Indrindra atao hoe Jehovah, ny maty.

5. Na dia Jiosy aza Jaona, nahoana izy no tsy nampiasa ny teny hoe Sheola no amin’​ny Fanambarana 20:​11-14?

5 Ny fahafatesana dia ny toetr’​izay maty. Avy aiza anefa no hivoahan’​ny maty voalaza ao amin’​ny faminanian’​ny Fanambarana 20:​11-14? Izao no ambaran’​ny andininy faha-13: “Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny ary ny fahafatesana sy ny Hadesy namoaka ny maty tao aminy.” Samy mahalala ny ranomasina isika rehetra ary fantatsika fa toerana ilevenan’​ny olombelona maro ao. Fa inona kosa ny Hadesy? Ny ankamaroan’ ny olona dia tsy mbola nahazo mihitsy fanazavana marina, izany hoe, araka ny Baiboly, momba izany. Na dia kristiana aza ny apostoly Jaona, dia Hebreo na Jiosy hatramin’​ny nahaterahany. Nefa nanoratra ny Fanambarana 20:​11-14 tamin’​ny fiteny niraisam-pirenena tamin’​izany fotoana izany, dia ny teny grika nitenenan’​ny be sy ny maro, izy, ary arak’​izany dia nampiasa ny teny grika hoe Hadesy izy, tao amin’​ireo andalan-teny ireo. Raha nanoratra tamin’​ny teny hebreo izy, dia ho nampiasa ny teny hebreo hoe Sheola. Fandikan-teny sivy vao haingana amin’​ny teny hebreo, nandikana ny Fanambarana nomena an’​i Jaona tokoa mantsy, no ahitana ny teny hoe Sheola eo, ary ny fandikan-teny syriaka nampiasaina matetika tany Atsinanana, dia ahitana ny teny mitovitovy amin’​io hoe: “Shiul.”

6. Ahoana no ampiasana ny teny hoe Sheola sy Hadesy ao amin’​ny Baiboly, ary inona no ho fantatsika amin’ ny fahalalana hoe: iza no ao amin’​io toerana io?

6 Raha lazaina amin’​ny teny hafa dia izao: ao amin’​ny Baiboly masina misy ny Soratra hebreo nome-tsindrimandry sy ny Soratra grika nome-tsindrimandry, ny teny hoe Hadesy sy hoe Sheola. dia milaza zavatra iray. Ny Hadesy na Sheola, dia ny fasana iraisan’​ny maty izay milevina ao amin’​ny vovoky ny tany. Arak’​izany, ny fandikan-tenin’​ny mpanjaka Jacques amin’​ny teny anglisy, dia mandika indraika amby telopolo ny teny hebreo hoe Sheola, amin’​ny teny hoe “ny fasana.” Noho izany, raha fantatsika, amin’​ny alalan’​ny Baiboly ny hoe: iza no ao amin’​ny Sheola na Hadesy, dia ho fantatsika koa ny hoe: iza no maty hitsangana na hivoaka avy ao amin’​io toerana io (izay hafa noho ny ranomasina) .

IREO IZAY AO AMIN’​NY SHEOLA (HADESY)

7, 8. a) Ahoana no heviny nomena ny teny hoe Sheola, tany Atsinanana, tamin’​ny taon-jato faha-valo ambin’​ny folo talohan’​i Jesosy Kristy? b) Ahoana no nambaran’​i Joda tany Egypta, momba ny Sheola?

7 Fiton-jato sy arivo taona mahery talohan’​izao fanisantsika taona izao, dia nampiasaina tany Atsinanana ny teny hoe Sheola, ho enti-milaza ny fasana iraisan’ ireo izay maty teny an-tany maina, fa tsy tany an-dranomasina. Tamin’​ny 1750 talohan’​i J. K, rehefa nentina sy namidy tany Egypta Josefa, ka nilaza tamin’​i Jakoba (na Isiraely) ireo rahalahiny meloka, fa maty izy, dia. tsy nety nampiononin’​ireo zanany hafa Jakoba ka nilaza hoe: “Hidina misaona ho any amin’​ny zanako, any amin’​ny sheola aho.” (Genesisy 37:​25, Li). Roa amby roapolo taona taty aoriana, dia te-hitondra an’​i Benjamina zandriny hiaraka taminy tany Egypta ny sivy tamin’​ny zanak’​i Jakoba, mba hitady sakafo, satria nisy mosary tamin’​izany fotoana izany. Tamin’​ny voalohany, dia tsy navelan’​i Jakoba andeha izy, ka izao no nolazainy: “Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako, fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa. Raha misy loza manjo azy any amin’​ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin’​ny sheola amin’​alahelo ny volo fotsiko.” (Genesisy 42:​38, Li). Taty aoriana dia naverin’​i Joda zana-kalahin’​i Jakoba fahaefatra ara-bakiteny, ireo tenin’​ny rainy ireo, satria toa saiky notanana ho andevo tany Egypta Benjamina (Genesisy 44:29). Dia nampian’​i Joda hoe:

8 “[ Raha hitany] fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy, ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin’​ny mpanomponao rainay ho any amin’​ny sheola amin’​alahelo.”— Genesisy 44:​31, Li. (Ny Septante [LXX] dia nandika ny hoe Sheola amin’​ny teny hoe Hadesy).

9. Taiza no toerana nirin’​i Jakoba handevenana azy, raha teo ambavahaona’​ny fahafatesana izy?

9 Tamin’​izany fotoana sarotra izany dia tany Egypta, toerana nanomezana andraikitra azy handamina ny toe-karen’​ny tany, Josefa, zanaka malalan’​i Jakoba. Nifankahita tamim-pifaliana tany ny zanak’​i Jakoba rehetra. Jakoba izay efa zoki-olona, dia nidina nankany Egypta izay, nandaniany ny sisa tamin’​ny fito amby efapolo amby zato taona niainany. Talohan’​ny nahafatesany, dia izao no nambarany tamin’​i Josefa zanany izay praiminisitra tany Egypta: “Rehefa modimandrv any amin’​ny razako aho, dia ho entinao hiala aty Egypta ka halevinao ao amin’​ny fasany.” (Genesisy 47:​30, Li). Dia nianiana taminy Josefa fa hanao toy izany.

10. a) Araka ny nambaran’​i Jakoba tamin’​ny zanany, talohan’​ny nahafatesany, hangonina any amin’​iza izy? b) Nidina nankaiza, ary ho any amin’​iza Jakoba, tamin’​ny nahafatesany?

10 Rehefa teo ambavahaonan’​ny fahafatesana Jakoba, dia nitso-drano ny zanany roa ambin’​ny folo ka nanao taminy hoe: “Efa madiva hangonina ho any amin’​ny razako aho; aleveno ao amin’​ny razako aho, dia ao anatin’​ny zohy izay any amin’​ny sahan’​i Efrona Hetita, ao anatin’​ny zohy izay any amin’​ny sahan’​i Makpela, tandrifin’​i Mamre, any amin’​ny Kanana, dia ilay novidin’​i Abrahama tamin’​i Efrona hetita, mba hananany tany fandevenana. Tao no nandevenana an’​i Abrahama sy Sarah vadiny; tao no nandevenana an’​i Isaka sy Rebeka vadiny, tao koa no nandevenako an’​i Lea.” (Genesisy 49:​29-31, 33, Li). Najaina ny hafatra farany nataon’​i Jakoba, ka noho izany dia natambatra tao amin’​ny toeram-pandevenana iray, tao amin’​ny zohin’​i Makpela, ny taolambalon’​i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, tao amin’​ilay toerana natao hoe faritanin’​i Joda, taty aoriana (Genesisy 50:​12-14). Niafara tamin’ ny fidinana nankany amin’​ny razany, tany amin’​ny Sheola ary Jakoba, fa tsy nankany amin’​i Josefa zanany.

11. a) Taiza Abrahama fony Jesosy tety ambonin’​ny tany? b) Ahoana no ahahalalantsika fa nilaza fanoharana Jesosy, ao amin’​ny Lioka 16:​22-26?

11 Mazava amin’​izany, fa araka ny Baiboly dia ao amin’​ny Sheola Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Mbola tany ihany Abrahama, taon-jato maro taty aoriana, tamin’​ny andro nitoeran’​ny iray tamin’​ny taranany tety an-tany, dia Jesosy Kristy ilay nilaza ny amin’​ny “Mpanan-karena” iray sy ny amin’​ny “mahantra iray natsoina hoe Lazarosy.” Noho ny fahafantarantsika izay ampianarin’​ny Baiboly momba ny Sheola na Hadesy, dia mino isika, fa raha nilaza ny amin’​ilay “Mpanan-karena” sy io “mahantra” io Jesosy, dia nanao fanoharana na fampitahana. Nampiasa fitenenana an-ohatra izy ka naka an’​i Abrahama ho sary ara-paminaniana. Mba hampiaiky anao, dia ampy ny mamaky tsara ilay tantara nambaran’​i Jesosy arak’​izay voasoratra ao amin’​ny Lioka 16:​22-26, araka ny Baibolin’​i Crampon-Tricot:

12. Ahoana no nambaran’​i Jesosy momba an’​i Abrahama sy ny Hadesy?

12 “Ary maty ilay mahantra, dia nentin’ ny anjely ho any an-tratran’​i Abrahama. Ary maty koa ilay mpanan-karena, dia nalevina. Raha nijaly tao amin’​ny Hadesy [hebreo: Sheola; Syriaka: Shiul] izy ka niandrandra, dia nahita an’​i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany. Ary niantso izy ka nanao hoe: ‘Ry Abrahama raiko ô, mamindra fo amiko ka iraho Lazarosy mba handroboka ny tendron’​ny rantsan-tanany amin’​ny rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako, fa fadiranovana aho eto anatin’​ity lelafo ity!’ Fa hoy Abrahama: ‘Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’​ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy. Ankehitriny izy no ampiononina ety fa hianao kosa no fadiranovana. Ary mihoatra noho izany, misy tevana maka-diry ajadona eo anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny.’ “

13. Inona no fanontaniana tokony hapetraka mba hahalalana raha tokony horaisina amin’​ny heviny ara-bakiteny ireo tenin’​i Jesosy ireo?

13 Izao dia manontania tena hoe: Moa ve Jesosy nihevitra marina fa nitondra ny fatin’​i Lazarosy feno fery ny anjely ka nametraka azy tao amin’​ny zohin’​i Makpela, tany akaikin’​i Hebrona, ary dia nanaisotra an’​i Saraha teo an-tratran’​i Abrahama vadiny mba hampandrina an’​i Lazarosy maty, teo? Ankoatr’​izany, Abrahama, Isaka sy Jakoba dia samy ao amin’​ny Hadesy na Sheola. Te-hilaza ve ary Jesosy fa misy lelafo ao amin’​ny Hadesy na Sheola, toerana nisy ilay “Mpanan-karena” taorian’​ny nahafatesany sy ny nandevenana azy, araka ny nolazain’​i Jesosy? Mampijaly ny sasantsasany amin’ ireo izay ao amin’​ny Hadesy na Sheola ve izany lelafo izany, kanefa tsy mamely ny sasany kosa? Afaka mifankahita sy mifampiresaka eo andanin’​ny “tevana mankadiry” avy ve ny mponin’​ny Hadesy na Sheola? Ary farany, moa ve ao amin’​ny Hadesy na Sheola misy rano azo handrobohana ny tendron’​ny rantsan-tanana ?

14. a) Misy milaza ve amin’​izao fotoana izao fa ilay “Mpanan-karena” sy Lazarosy dia milevina ao amin’​ilay zohy lazaina fa fasan’​i Abrahama sy Isaka ary Jakoba? b) Arak’​ilay fanoharan’​i Jesosy, inona no ampianarin’​ny Baiboly momba ny Hadesy na Sheola?

14 Maro ny mpamaky ny Baiboly milaza fa amin’​ireo an-dalan-teny ireo, dia tsy niteny tamim-panoharana na tamin’​ny alalan’​ny sary fampitahana Jesosy, fa nilazalaza zavatra tena misy tokoa. Amin’ ny fanohanany izany tsangan-kevitra izany, dia toy ny manao an’​i Jesosy ho fihomehezana izy, satria raha marina ny filazan’​izy ireo, dia ho toy ny manohitra izay rehetra ambara ao amin’​ny Baiboly momba ny Hadesy na Sheola, Jesosy. Aoka izay misalasala, ho any Atsinanana ka hitsidika an’​i Hebrona sy ilay zohy voalaza fa nandevenana an’​i Abrahama sy Isaka ary Jakoba izay saronan’​ny môske iray ankehitriny. Hanazava aminy ve ny mpita-ridalana azy amin’​ny fitsidihana ilay toerana, fa ilay zohy dia fasan’​i Lazarosy mahantra koa sy an’​ny “Mpanan-karena” iray (antsoin’​ny sasany hoe Dives) ? Tsia dia tsia! Ambonin’​izany koa, ny Baiboly masina dia tsy milaza mihitsy fa ny Hadesy na Sheola dia Paradisa amin’​ny maty sasantsasany fa toeram-pijaliana kosa amin’ ny sasany. Ny Sheola araka ny Baiboly, dia toerana mangina dia mangina tsy anaovana na inona na inona. Ny maty izay ao dia tsy miteny mihitsy, na dia hoe ho fiderana an’​Andriamanitra aza. Tsy misy asa, na hevitra na fahalalana, na fahendrena any amin’​ny Sheola na Hadesy.— Isaia 38:18; Mpitoriteny 9:​5, 10; Salamo 6:⁠6, Li.

15. Mampiseho an’​iza Abrahama ao amin’​ilay fanoharana, ary nahoana no mety io fanoharana io?

15 Izay mamaky ny Baiboly amin’​ny fo mahitsy, dia hahafantatra amin’​ny mason’​ny sainy, fa fanoharana na sary fampitahana no ampiasain’​i Jesosy Kristy ao amin’​ny Lioka 16:​19-31. Ho fantatr’​izany mpamaky izany fa Jesosy dia naka an’​i Abrahama ho sary mampiseho ilay Ray any an-danitra dia Jehovah Andriamanitra izay nampanantena an’​i Abrahama sakaizany tety an-tany fa hitahy ny firenena rehetra ety an-tany amin’​ny alalan’​ny teraka na ny taranak’​ilay patriarka. Toy ny nitondran’​i Abrahama an’​Isaka zanany ho sorona velona, araka ny baikon’​Andriamanitra, dia toy izany koa no tena nanoloran’​i Jehovah Andriamanitra ho sorona an’​i Jesosy Kristy Zanany, ilay Taranaka nampanantenaina izay hitahiana ny firenena rehetra ambonin’​ny tany.— Genesisy 22:​1-18; Jaona 3:⁠16.

16. Mampiseho inona ilay Mpanan-karena sy Lazarosy, ary miankina amin’​ny inona izany fanazavana izany?

16 Arak’​izany, ilay “Mpanan-karena” sy ilay “mahantra atao hoe Lazarosy”, dia tsy tokony horaisina amin’​ny heviny ara-bakiteny. Mampiseho kilasin’​olona roa izany. Ny iray dia maty ny amin’​ny toeram- pankasitrahana notanany teo anatrehan’ ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah Andriamanitra, ka nijaly ara-panahy tety ambonin’​ny tany. Ny iray kosa maty ny amin’​ny toe-javatra ratsy ara-pivavahana ka nentina tamin’​ny herin’​anjely sy nahazo ny fankasitrahan’​ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah Andriamanitra, noho ny soron’​i Jesosy Kristy Zanany. Izany fanazavana ilay fanoharana ara-paminaniana nataon’​i Jesosy izany, dia mifototra avy amin’ izay tena niseho tokoa teo amin’​ireo kilasy roa lehibe ara-pivavahana nisy tamin’ ny andron’​i Jesosy, teo amin’​ireo taranak’​i Abrahama patriarka ara-nofo.a

17. Miandry inona Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ary ahoana no nanehoan’​i Abrahama fa nino ny fitsanganan’​ny maty izy?

17 Abrahama sy Isaka ary Jakoba dia miandry ao amin’​ny Sheola, ny fahatanterahan’​ny Fanambarana 20:​12-17, izany hoe ny fitsanganan’​ny maty, rehefa hamoaka ny maty ao aminy ny Sheola. Nankato an’​Andriamanitra Abrahama tamin’​izy nivonona hanolotra an’​Isaka zanany malalany ho fanatitra, ary naneho ny finoany ny fitsanganan’​ny maty izy tamin’​izany. Izao no voasoratra ao amin’​ny Hebreo 11:​17-19 (MN), momba izany: “Finoana no nanateran’​i Abrahama an’​Isaka, raha nozahan-toetra izy; ny zanani-lahy tokana no naterin’​ilay nandray tamim-pifaliana ny teny fikasana, kanefa nolazaina taminy hoe: ‘Ho avy amin’​Isaka ilay hantsoina hoe “taranakao.”’ Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana na ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin’ izany no nandraisany azy.”

18. Rehefa nandray an’​Isaka velona Abrahama, dia tandindon’​iza ary inona no andininy ao amin’​ny Salamo tanteraka tamin’​izany ?

18 Arak’​izany, rehefa nanaisotra an’​Isaka zanany velona, teo amin’​ny alitara Abrahama, ka nanatitra fanatitra ondrilahy ho solony, dia tandindon’​ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah Andriamanitra, izay nandray an’​i Jesosy Kristy Zanani-lahy tokana avy tamin’​ny maty, tamin’​ny alalan’ ny fitsanganana, araka ny voalaza mialoha ao amin’​ny Salamo 16:10 (Da), toy izao: “Fa tsy ho foinao ho any amin’​ny Sheola ny fanahiko, tsy hamela ny masinao hahita ny fahalòvana [ny lavaka, Jé] hianao.”

19, 20. a) Ahoana no nanomezan’​i Jesosy toky antsika, fa hitsangana Abrahama sy Isaka ary Jakoba? b) Inona no fikasan’​Andriamanitra naseho tamin’​izany?

19 Azo antoka ny hitsanganan’​i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Manamafy izany ny tenin’​i Jesosy sasantsasany. Tamin’​ny androny, dia tsy nino ny fitsanganan’​ny maty ny Sadoseo. Nanao izay tratry ny ainy izy ireo mba hanaporofo tamin’​i Jesosy fa tsy ahitana fifanarahan-kevitra ao amin’​ny finoana izany, ary dia nametraka fanontaniana fandrika taminy, momba ny vehivavy iray nanambady im-pito izy ireo.

20 Raha nampiseho Jesosy fa tsy hanahirana an’​Andriamanitra izany zavatra izany, dia izao no nambarany tamin’​ireo Sadoseo ireo: “Diso hevitra hianareo satria tsy mahalala ny Soratra Masina sy ny herin’​Andriamanitra; fa amin’​ny fitsanganan’​ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Fa ny amin’​ny fitsanganan’​ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’​Andriamanitra taminareo manao hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’​i Abrahama sy Andriamanitr’​Isaka ary Andriamanitr’​i Jakoba’? Tsy Andriamanitry ny maty izy, fa an’​ny velona.” (Matio 22:​29-32, MN). Raha lazaina amin’​ny teny hafa dia izao: raha tsy ho velona indray ireo patriarka telo ireo, dia tsy ho nanambara Andriamanitra hoe: “Izaho no Andriamaniny”, fa hoe: “Andriamanitr’​ireo olona ireo aho taloha.” Noho ny fahafantarany, araka ny fikasany anefa, fa ho velona indray ireo olona maha-toky ireo, amin’​ny alalan’​ny fitsanganan’ ny maty, dia afaka milaza Jehovah hoe: “Izaho no Andriamanitr’​ireo” patriarka ireo.— Marka 12:​24-27.

21. Amin’​ny heviny ahoana no naha “velona’​’ ireo patriarka telo ireo, teo imason’​Andriamanitra?

21 Tena azo antoka tokoa ny hitsanganan’​i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, amin’​ny maty, hany ka raha niteny tamin’​i Mosesy Andriamanitra, dia nihevitra azy ireo ho toy ny efa “velona.” Izao no nambaran’​i Jesosy, araka ny Lioka 20:​37, 38, (MN): “Fa ny amin’​ny hoe hitsangana ny maty, na dia Mosesy aza dia nampiseho izany tao amin’​ny tantaran’​ilay kirihitra raha nilaza an’​i Jehovah ho ‘Andriamanitr’​i Abrahama sy Andriamanitr’​Isaka ary Andriamanitr’​i Jakoba’ izy. Andriamanitry ny velona Izy fa tsy an’​ny maty, satria velona ho azy avokoa izy rehetra.” Tsy nilaza akory Jehovah Andriamanitra fa efa velona Abrahama sy Isaka ary Jakoba, tamin’​ny fotoana nitenenany tamin’​i Mosesy teo anoloan’​ilay kirihitra nirehitra, tany amin’​ny efitr’​i Arabia. Raha efa velona izy tamin’​izany dia tsy ilaina intsony ny hananganana azy avy ao amin’​ny Sheola na Hadesy, ary raha izany dia tsy ho porofon’ ny hisian’​ny fitsanganan’​ny maty ny teny nataon’​i Jehovah. Noho ny fikasany hanangana ny maty no nitenenan’​Andriamanitra ny amin’​ireo patriarka telo ireo, toy ny efa velona izy ireo. Amin’​ny lafiny mikasika ny fitsanganana ho avy, dia efa “velona” avokoa izy ireo, eo imason’​Andriamanitra.

AHOANA NY AMIN’​IREO RAY?

22. a) Inona no fanontaniana mipetraka mikasika ireo rain’​i Abrahama, ary aiza no hahitantsika ny valin’ izany? b) Nankany amin’​iza Abrahama rehefa maty, ary oviana izy no maty?

22 Izao dia mety ny mandinika ny amin’ ireo razana na rain’​i Abrahama. Satria izy ireo efa maty hatramin’​ny an-arivo taonany maro izao, aiza no misy azy ankehitriny? Hitsangana koa ve izy ireo? Aiza no hahitantsika valin’​ireo fanontaniana ireo? Ao amin’​ny Tenin’​Andriamanitra voasoratra! Araka ny Genesisy 15:​15, dia izao no nambaran’​i Jehovah Andriamanitra tamin’​i Abrahama fony izy tany amin’​ny Tany nampanantenaina: “Hianao kosa ho any amin’​ny razanao amin’​ny fiadanana. Ho tratrantitra indrindra hianao vao hodimandry.” Tanteraka io teny io sivi-folo taona taty aoriana. Izao no ambaran’​ny tantara momba izany: “Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’​ny razany izy. Ary nalevin’ Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin’​ny zohy ao Makpela, tao amin’​ny sahan’​i Efrona, zanak’​i Zohara [Hetita, Li, NW, tandrifin’​i Mamre, dia ilay saha novinidin’​i Abrahama tamin’​ny taranak’​i Heta; tao no nandevenana an’​i Abrahama sy Saraha vadiny.”— Genesisy 25:​8-10.

23. Nangonina tany amin’​iza Abrahama rehefa maty ary inona no azo tsoahina avy amin’​izany, momba ireo olona ireo?

23 Arak’​izany, dia mifanaraka amin’​izay voalazan’​Andriamanitra mialoha, fa nankany amin’​ireo rainy tamim-piadanana Abrahama ary voangona any amin’​ny razany. Iza moa ireo rain’​i Abrahama ary iza no razany? Ny tena rain’​i Abrahama niteraka azy dia Tera, avy tany amin’​ny tanànan’​i Oran’​ny Kaldeana. Manome ny anaran’​ireo taranaka sivin’​ny rain’​i Abrahama, hatramin’​i Sema zanak’​i Noa, ny toko faha-iraika ambin’​ny folo amin’​ny Genesisy. Roa taona monja talohan’​ny nahaterahan’​i Abrahama, no nahafatesan’​i Noa, ary dimy amby roapolo taona talohan’​ny nahafatesan’​i Abrahama no nahafatesan’​i Sema. Tany amin’​ireo olona ireo, dia ny rainy ary, no nalehan’​i Abrahama tamim-piadanana, tamin’​ny nahafatesany, ary teo amin’​ireo razany ireo no voangona izy. Inona no azo tsoahina avy amin’​izany? Raha nankany amin’​ny Sheola na Hadesy Abrahama tamin’​ny nahafatesany, ary nanaraka azy tany koa Isaka sy Jakoba, dia tokony ho any amin’​ny Sheola na Hadesy koa ny razana na rain’​i Abrahama hatramin’​i Noa, ry noho izany, izy ireo koa dia miandry ny fitsanganan’​ny maty izay hisy eo ambanin’​ny Fanjakan’​Andriamanitra sy ny Kristiny.

24. Tany amin’​iza ary taiza, no nangonina Isimaela zanak’​i Abrahama, rehefa maty?

24 Ismaela, rahalahin’​Isaka iray ray aminy, zanak’​i Abrahama tamin’​i Hagara vaditsindranony egyptiana, dia velona nandritry ny fito amby telopolo amby zato taona, ary araka ny Genesisy 25:​17, dia “niala aina izy ka maty ary voangona any amin’​ny razany.” Ny anisan’​ireo razany, dia Abrahama rainy izay nalevin’​izy sy Isaka sivi-folo taona talohan’​izay. Arak’​izany, Ismaela koa, dia nankany amin’​ny Sheola na Hadesy, dia ny fasana iombonan’ ny maty mandry ao amin’​ny vovoky ny tany.

25. Tany amin’​iza no nangonina Arona rahalahin’​i Mosesy ary oviana no maty izy?

25 Ny Tenin’​Andriamanitra voasoratra, dia milaza ny amin’​ny olona hafa koa izay voangona any amin’​ireo rainy, rehefa maty. Dimy ambin’​ny folo amby zato taona taorian’​ny nahafatesan’​i Jakoba raiben’​ny raibeny tany Egypta, no teraka Arona; telo taona taorian’​ny nahaterahan’​i Arona, dia teraka ny rahalahiny, ilay ho tonga Mosesy mpaminany. Rehefa feno telo amby roa-polo amby zato taona Arona, dia izao no nambaran’​Andriamanitra: “Arona hangonina any amin’​ny razany; fa tsy hiditra any amin’​ny tany izay nomeko ny Zanak’​Isiraely izy.” Arak’​izany dia maty tao an-tendrombohitra Hora, tany atsinanan’​ny Tany nampanantenaina, Arona mpisorona-ben’​Andriamanitra (Nomery 20:​23-29). Taty aoriana, tamin’​io taona io ihany, dia izao no nambaran’​i Jehovah tamin’​i Mosesy mpaminany: “Hangonina any amin’​ny razanao koa hianao, tahaka izay nanangonana an’​i Arona rahalahinao.”— Nomery 27:⁠13.

26. Taiza Mosesy no nangonina tany amin’​ny razany ary aiza izy ankehitriny?

26 Talohan’​ny nahafatesany, dia namaly ny Midianita Mosesy, araka ny baikon’​i Jehovah (Nomery 31:​1, 2). Tamin’​ny andro tokony ahafatesan’​i Mosesy, tamin’​ny taona 1473 talohan’​i J.K., dia nasain’​i Jehovah niakatra tao an-tendrombohitr’​i Nebo izy hijery ny Tany nampanantenaina, ary rehefa izany dia ho azo hangonina any amin’​ny razany izy (Deoteronomia 32:​48-52). Nankatò izany baiko izany Mosesy. Izao ny fitantarana nosoratana, taorian’​ny nahafatesany: “Ary Mosesy, mpanompon’​i Jehovah, dia maty teo amin’​ny tany Moaba, araka ny baikon’​i Jehovah. Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin’​ny tany Moaba, tandrifin’​i Beti-Pogora [Beti-Peora] izy. Tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.” (Deoteronomia 34:​5, 5, AC). Tsy mampaninona izay toerana nisy ny fasan’​i Mosesy, fa nidina ho any amin’​ny Sheola na Hadesy izy. Azon’​Andriamanitra hatao ny hamoaka azy sy Arona avy ao, amin’​ny alalan’​ny fananganana ny maty hataon’​i Jesosy Kristy Mpanjaka.

27. Tany amin’​iza no nangonina Josoa sy ireo niara-belona taminy, ary nidina nankaiza izy ireo?

27 Iza no nandimby an’​i Mosesy tamin’ ny naha-mpitsara hita maso azy teo amin’ ilay firenena voafidin’​Andriamanitra? Josoa, zanak’​i Nona. Nitarika ilay firenena voafidy teny an-dafin’​i Jordana izy, ary nampiditra azy tao amin’​ny Tany nampanantenaina. Nahatoky hatramin’​ny fahafatesana izy. Izao no voasoratra momba an’​i Josoa, zanak’​i Nona, mpanompon’​i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny. Dia nalevina tao amin’​ny faritanin’​ny lovany izy, dia tao Timnata-Heresa, any amin’​ny tendrombohitr’​i Efraima, avaratry ny havoanan’​i Gasa. Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’​ny razany, ary taranaka hafa no nitsangana nandimby azy.” Koa satria ireo niarabelona tamin’​i Josoa, samy voangona any amin’​ny razany, dia nidina any amin’​ny Sheola na Hadesy avokoa izy ireny.

28. a) Niara-nandry tamin’​iza Davida, rehefa maty? b) Araka ny voalazan’​ny apostoly Petera, taiza Davida tamin’​ny andro Pentekosta, tamin’​ny taona faha-33 amin’​izao fanisantsika taona izao?

28 Taon-jato maromaro taty aoriana, dia tonga mpanjakan’​ny foko roa ambin’​ny folo manontolo teo amin’​ny Isiraely, Davida avy any Betlehema. Izy no mpanjaka Jiosy voalohany nanjaka tao Jerosalema. Tao amin’​ny ankamaroan’​ny Salamo nataony, dia nilaza ny amin’​ny nanafahana azy tamin’​ny Sheola na Hadesy, Davida (Salamo 16:10; 18:⁠5; 30:⁠3; 86:​13, Li). Tratrantitra izy ka nahita an’​i Solomona olon-kendry, tonga mpandimby azy teo amin’​ny seza fiandrianana tany Jerosalema. “Ary Davida dia lasa nodimandry any amin’​ny razany, ka nalevina tao an-tanànan’​i Davida.” (I Mpanjaka 2:10; Asan’​ny Apostoly 13:36). Nanaraka ireo rainy any amin’​ny Sheola na Hadesy izy. Afaka fotoana elabe taty aoriana, tamin’​ny androm-piravoravoana amin’​ny Shavuoth (Pentekosta), tamin’​ny taona faha-33 amin’​izao fanisantsika taona izao, dia nilaza marimarina Petera, apostoly kristiana, fa mbola tao amin’ ny Sheola na Hadesy, Davida. Nambaran’ ny apostoly, tamin’​io andro io, fa ny Salamo 16 (nataon’​i Davida) dia tanteraka tamin’​ny taranak’​ilay mpanao salamo nampanantenaina, dia Jesosy Kristy. Izao no nazavain’​i Petera momba an’​i Davida: “Hitany mialoha ny hitsanganan’​i Kristy ka nambarany raha nilaza izy fa tsy nafoy ho any amin’​ny Hadesy izy, ary ny nofony tsy tratry ny lo. Izany Jesosy izany dia efa natsangan’​Andriamanitra, ary vavolombelon’​izany izahay rehetra. (.⁠.⁠.⁠) Raha ny marina, dia tsy niakatra ho any an-danitra Davida.” (Asan’​ny Apostoly 2:​1-34, MN). Arak’​ireo tenin’​i Petera ireo, dia mbola ho avy ny fitsanganan’​i Davida.

29, 30. a) Araka ny fanambaran’​i Holda mpaminani-vavy, hangonina any amin’​iza Josia mpanjaka ary ahoana no nahatanterahan’​izany? b) Nalevina tao amin’​ny toerana iray ihany ve ireo mpanjaka rehetra talohan’​i Josia?

29 Tamin’​ireo mpandimby an’​i Davida, dia Josia izay nanjaka tamin’​ny taon-jato fahafito talohan’​izao fanisantsika taona izao, no iray tamin’​ireo mpanjaka nahatoky. Tamin’​ny fampitodihana ny vahoakany ho amin’​ny lalàn’​i Jehovah Andriamanitra, dia nanao izay tsy hahatongavan’​ny loza tamin’​ny firenena, Josia. Raha nanontany an’​i Jehovah tamin’​ny alalan’​i Holda mpaminanivavy izy, ny amin’​izay hanjo ny fireneny, dia izao no fampanantenana nomen’​i Jehovah azy: “Indro, hangoniko any amin’ ny razanao hianao, ary hangonina any amin’​ny fasanao amin’​ny fiadanana, ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko hamely ity tanàna ity.”— II Mpanjaka 22:⁠20.

30 Maty noho ny ratra nahazo azy tamin’​ny ady nataony tao amin’​ny lohasahan’​i Megido, Josia. Arak’​izany dia tsy nahita ny loza mahatsiravina nihatra tamin’​i Jerosalema izy. Rehefa naratra mafy Josia, dia “nesorin’​ny mpanompony tamin’​izany kalesy izany ka napetrany teo amin’​ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema. Dia maty izy ka nalevina tao ampasan-drazany. Ary Joda sy Jerosalema rehetra nisaona an’​i Josia.” (II Tantara 35:​22-24). Ireo mpanjakan’​i Jerosalema rehetra talohan’​i Josia, dia tsy mba nalevina tao amin’​ny toerana iray, any Jerosalema, “tao amin’​ny fasan’​ny mpanjakan’ Isiraely.”— II Tantara 28:27; 21:20; 24:25; 32:33; 16:⁠14.

31, 32. a) Mba hahavoangona any amin’​ny razany azy rehetra, moa ve tokony ho ao anatin’​ny fasana iray ihany izy? b) Hivoaka avy aiza izy rehetra ary amin’​ny fomba nanao ahoana?

31 Koa raha voangona tany amin’​ny razany na ny rainy ireny mpanjaka sy patriarka rehetra ireny, dia tsy hoe tsy maintsy nalevina tao amin’​ny toeram-pandevenana na fasana iray ihany akory. Rehefa maty Abrahama patriarka ka “nangonina tany amin’​ny razany”, dia tsy nalevina tao amin’​ny fasan’​i Tera rainy izay maty tany Harana, any avaratra andrefan’​i Mesopotania akory, na tao amin’​ny fasana nisy an’​i Noa sy Sema.

32 Tsy isalasalana toy izany koa fa, rehefa maty tao an-tendrombohitr’​i Hora Arona mpisoronabe ary maty tao amin’​ny havoanan’​i Nebo Mosesy rahalahiny, ka samy nangonina ho any amin’​ny razany izy mirahalahy, dia tsy nalevina niaraka tamin’​i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambeny tao amin’​ny zohin’​i Makpela, akaikin’​i Hebrona, tany amin’​ny Tany nampanantenaina akory izy ireo. Izany anefa tsy mahasakana ny hihaonan’​izy rehetra ireo ao amin’​ny Sheola na Hadesy. Samy nodimandry ao amin’​ny Sheola na Hadesy iray ihany izy ireo; ary araka ny Fanambarana 20:13 (MN), dia avy ao ny hivoahany amin’​ny fitsanganan’​ny maty.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay boky hoe: “La religion a-t-elle servi l’​humanité”, toko faha-19, mitondra ny lohateny hoe: “Ireo maty ao an-tratran’​i Abrahama’​’, pejy faha-217-227 ary ny pejy faha-276, fehin-tsoratra faha-11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara