FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/7 p. 159-165
  • Aoka ny vokatry ny fanahy hanova ny toetranao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka ny vokatry ny fanahy hanova ny toetranao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY HASOAN’NY TOETRA VAOVAO
  • NY ANDRAIKITRAO AMIN’NY TENANAO
  • AOKA ISIKA HANDROSO HO AMIN’NY FAHAMASAHANA ARA-PANAHY SY HO AMIN’NY FAHATANTERAHANA
  • ZAVA-TSOA DIENY IZAO
  • Tafio Foana ny “Toetra Vaovao” na dia Efa Vita Batisa aza Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • “Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Ario ny toetra taloha raha te-ho velona mandrakizay hianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • ‘Velona ny Tenin’Andriamanitra’
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/7 p. 159-165

Aoka ny vokatry ny fanahy hanova ny toetranao

“Koa mamoasa voa mendrika ny fibebahana hianareo. Fa ny hazo rehetra (...) izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.’’—Matio 3:8,10, MN.

1. Tamin’ny Toriteny toe an-tendrombohitra, ahoana no nolazain’i Jesosy momba ny fahasamihafan’ny hazo tsara sy ny hazo ratsy?

“AMIN’NY voany no hahafantaranareo azy.” Tononina matetika io hevitra marina voalaza amin’ny ohabolana io, nefa maro amin’ireo manonona azy no tsy mahalala fa avy tamin’ilay Toriteny malaza nataon’i Jesosy teo an-tendrombohitra izany. Mba hanazavany am-panoharana io fitsipika marina io, dia izao no nambaran’ilay Mpampianatra lehibe tamin’io toriteny io ihany: “Tsy mioty voaloboka amin’ny tsilo ny olona, na aviavy amin’ny songosongo, moa tsy izany va? Toy izany koa, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, fa ny hazo ratsy mamoa voa ratsy; ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Koa amin’ny voany ary no hahafantaranareo ireny olona ireny”. “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony, ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany.”—Matio 7:16-20; Lioka 6:45, MN.

2. Araka ny filazan’i Paoly, inona no karazam-boa entin’ireo izay ho any amin’ny fandringanana mandrakizay?

2 Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Galatiana dia nanambara koa Paoly fa fantatra amin’ny voa ratsy avy aminy, ny hazo ratsy. Raha voadinikao fa milomano amin’ny fijangajangana na ny fahalotoana ny olona iray, ka ratsy ny fitondrantenany, raha manompo sampy na manao ody ratsy izy, ka miavaka amin’ny fankahalana, ny fifandirana, ny fandrafiana, ny fiafonafonana, ny fifampiandaniana, ny fisarahana, ny fitokoana, ny fialonana, ny fahamamoana, ny filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, dia fantatrao fa hazo ratsy io ka vetivety foana dia hokapaina sy hatsipy any anaty afo, dia afo milaza an-ohatra ny fandringanana mandrakizay. “Fa ny amin’ireo zavatra ireo, hoy koa Paoly, dia mampiomana anareo aho toy ny efa nanaovako izany, fa izay manao izany zavatra izany, dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.’’—Galatiana 5:19-21, MN.

3. Araka ireo andalan-teny ao amin’ny Baiboly ireo, inona no fehin-kevitra azontsika tsoahina?

3 Arak’ireo voalaza teo aloha ireo, dia izao no fehin-kevitra mipetraka: mba hampamoa voa tsara ny hazo ratsy iray, dia tokony ho tonga hazo tsara aloha izy; tokony hihatsara aloha ny fon’ny olona iray vao afaka hamoaka zavatra tsara ny vavany; ny olona tsy mety miova, dia ho levona na ho ringana tampoka. Azo tsoahina avy amin’izany koa fa raha toa tsy azo atao ny manova ny toetra na ny fitondrantenantsika, dia tsy hisy heviny akory ny filazana nataon’i Paoly ho an’ny Galatiana.

4. Noho ny inona no mety hahazoantsika manova tanteraka ny toetrantsika?

4 Fa ahoana ary no ahazoana manova ny toe-tsaina, ny fomba fiaina, ny fiteny sy ny asa, mba ho vaovao tanteraka ny toetra? Ahoana no nahatonga fiovana toy izany teo amin’ny kristiana tany Korinto izay mpijangajanga, mpaka vadin’olona, mpangalatra, mpimamo, mpiteny ratsy sy mpanao an-keriny teo aloha? Toy izao no amalian’ny Soratra Masina araka ny tsindrimandry antsika: ‘‘Fa efa voasasa tsara hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny fanahin’Andriamanitsika hianareo.” Arak’izany, noho ny fanampian’io fiasan’Andriamanitra io, dia ny hery miasan’i Jehovah na ny fanahy masin’Andriamanitsika, isika izay tena mpianatr’i Jesosy Kristy Tompontsika, dia afaka hanao fanovàna toy izany ankehitriny.—I Korintiana 6:11, MN.

5. a) Lazalazao ny amin’ny “vokatry ny fanahy’’. b) Iza no afaka hanome vokatra toy izany?

5 Ho fanamafisana fa ny hery miasa na fanahy masin’Andriamanitra no mampamoa ny voa tsara azo avy amin’ny tena kristiana, dia izao no nambaran’ny taratasy ho an’ny Galatiana (5:22-25, MN): “Ny vokatry ny fanahy, dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fahononam-po.(...) Ary koa, izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny tamin’ny hazo. Raha velona amin’ny fanahy isika dia aoka handeha mirindra rak any fanahy hatrany.” Raha mbola hetsehin’ny “sain’izao tontolo izao” ihany ny olona iray, dia tsy afaka hanantena hamoa karazam-boa toy izany na oviana na oviana, satria izay nandray ny fanahy avy tamin’Andriamanitra ihany no afaka hanome voa toy izany.—I Korintiana 2:12, MN.

NY HASOAN’NY TOETRA VAOVAO

6. Ahoana no hahitàna taratra ny toetrantsika vaovao eo amin’ny fitenintsika?

6 Ny fanahy maherin’i Jehovah dia tsy isalasalana fa afaka hanome toetra vaovao tanteraka ho an’ny olona iray. Ohatra, raha mahari-po hianao, na malemy fanahy, na mahonom-po, dia tsy maintsy hihatsara ny fiteninao. Raha mahafehy ny lelanao hianao, dia tsy hanao teny ratsy na mandratra. Hamaly mora izay miteny ratsy anao hianao (I Petera 3:15). Raha manaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra hianao, dia tsy hisy teny maloto, na vazivazy ratsy na resaka fahadalana, hivoaka ny vavanao satria hohetsehin’ny fitiavanao ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly, sy ny fitsipika ao anatiny hianao. Izao no nandidian’io Teny io antsika: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny maloto, (...) na (...) resaka fahadalana, na vazivazy ratsy.” “Fa ankehitriny, esory tanteraka (...) aminareo (...) ny fitenenan-dratsy, ny teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo.”—Efesiana 4:29; 5:4; Kolosiana 3:8; Jakoba 3:8-12, MN; Ohabolana 15:1.

7. a) Amin’ny fomba hafa inona koa no mety hanovan’i Jehovah ny toetrantsika? b) Noho ny fahononam-po, inona no “fanirian-dratsy’’ azontsika hialàna mba hahazoam-pamonjena?

7 Raha avelanao hanova ny toetranao ny herin’ny fanahin’i Jehovah, dia ho afaka nanana fahononam-po hianao eto amin’ity izao tontolo izao ratsy sy milomano ao amin’ny fahafinaretan’ny nofo sy ny fanaitairan-tena ity. Ho afaka “hamono ny momba ny tenanao hianao (...) ny amin’ny fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy”. Amin’ireo ‘fanirian-dratsy’ dia azontsika raisina ny fifohana sigara sy ny karazan-drongony. Eo amin’ny fisotro sy ny fihinana raha mahalala onony sy mahonom-po hianao, dia tsy ho tonga tendan-kanina na mpimamo. Ho tohina angamba izao fandrosoana ankehitriny be rendrerendra izao raha lazaina fa feno mpimamo. Aleony mampiasa teny an-kifono ka milaza fa mitady izay fanafodin’inona anefa na inona anarana omena ireo ny “fisotroan-java-mahamamo” izy. Na inona anefa na inona anarana omena ireo mpisotro tafahoatra, dia milaza marina ny Baiboly fa tsy manova ny toetrany hanana fahonanam-po izy ireny ka tsy ho afaka hiaina ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao sy madio ary marina nampanantenain’Andriamanitra.—Kolosiana 3:5; I Korintiana 6:10, MN; Ohabolana 23:20, 21.

8. Ahoana no mety hamoazana ny vokatry ny fanahy ao anatin’ny tokantrano ary inona no mety ho vokatr’izany?

8 Eo amin’ny fandraisanao amin’olona indrindra no tokony hanehoanao ny toetra vaovao izay ny fanahin’i Jehovah ihany no afaka nampitombo izany tao aminao. Atombohy amin’ny ao an-tranonao, eo amin’ny fianakavianao izany na dia tsy ao anatin’ny fahamarinanana aza izy. Maro ny zava-manahirana eo amin’ny ara-bola sy mikasika ny fianakaviana, izay ilàna fanafodiny amin’izao fotoan-tsarotra izao. Raha maneho hatsaram-po sy hatsaram-panahy ary fahari-po hianao, dia hitondra fiadanana sy fifaliana ho an’ny ankohonanao. Alohan’ny zavatra rehetra, dia manehoa fitiavana amin’ny olona rehetra, satria, araka ny nolazain’ny apostoly Petera, na dia ny lehilahy tsy mpino sy hetsehin’ny sain’izao tontolo izao aza, dia mety ho “voataon’ny fitondrantenan’ny vavy, na dia tsy amin’ny teny aza, noho ny fahitany ny toetrany madio sy ny fanajany feno”.—I Petera 3:1, 2, MN.

9. a) Any ivelan’ny tokantrano, aiza no tokony hanehoantsika ny toetra kristiana? b) Inona ihany no antony tokony ho hitan’ny fahavalontsika hitenenan-dratsy antsika?

9 Tsy hoe amim-pihatsarambelatsihy akory no tokony hanaovana izany. Ny toetra vaovao dia tsy an-kosotra ivelany fotsiny natao iarovan-tena akory, na saron-tava azo anaovana na esorina araka ny fotoana. Raha etsehin’ny fanahin’Andriamanitra hianao fa tsy ny an’izao tontolo izao, dia ho raikitra aminao izany toetra vaovao izany, ka tsy ho tafasaraka aminao intsony. Amin’ny fotoana rehetra, ao anatin’ny fikambanana, raha misy fandehanana manodidina ny tany, ao anatiny na any ivelan’ny tokantranonao, raha fintinina, na aiza na aiza, dia tokony hanaraka anao izany toetra soa maha-kristiana izany. Raha mamangy ny mpiara-monina na ny namanao hianao, raha mitety trano, amin’ny fifandraisana amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra na amin’ny fotoana hafa, dia tokony hasehonao ny toetranao vaovao. Ho voatery hanaiky amin’izay ny namanao, ny mpiara-monina, ny mpiara-miasa, ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra aminao, fa noho ny herin’ny fanahin’Anriamanitra dia manana toetra nohavaozina tanteraka ny vavolombelon’i Jehovah. Raha miteny ratsy anao izy, aoka noho hianao tsy mety tezitra na noho hianao tsy mety mandainga, na mangalatra, na mamitaka, na noho hianao tsy manaiky hijangajanga, na haka vadin’olona, na ho tonga andevon’ny sigara sy ny karazan-drongony, na ho mpimamo, raha fintinina. dia “noho hianao tsy manohy miara-mihazakazaka aminy amin’izany lalana izany ho amin’ny honahonan’ny fanaranam-po amin’ny ratsy”.—I Petera 4:3, 4, MN.

10. Inona no toetra mampiavaka ireo anisan’ny fikambanana kristiana?

10 Ao anatin’ny fikambanan’ny olon’i Jehovah indrindra no tena ho voamarika sy hankasitrahana ny “toetranao vaovao” nomarihin’ny fitiavana. Na ao amin’ny fikambanana kely hianao na ao amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena ataon’ny vavolombelon’i Jehovah, dia tokony “handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemen-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny fanahin’ [Andriamanitra] amin’ny fehim-pihavanana”. (Efesiana 4:1-3, MN). Izao koa no voasoratra ao amin’ny Kolosiana 3:12-14 (MN), ho an’ireo anisan’ny fikambanan’i Jehovah: “Araka ny maha-olom-boafidin’Andriamanitra, sady masina no malala anareo, dia mitafia fangoraham-po sy hatsaram-po, fanetren-tena sy fahari-po. Mifandefera sy mifamela heloka hatrany raha misy manana alahelo amin’ny sasany. Tahaka ny namelan’i Jehovah ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka koa. Nefa ambonin’izany rehetra izany dia tafio ny fitiavana izay kofehy mampiray tanteraka.”

NY ANDRAIKITRAO AMIN’NY TENANAO

11. a) An’ny Mpahary ve sa an’ny voahary ny andraikitra amin’ny famoronana toetra vaovao? b) Ahoana no nampihariharian’i Jesosy izany hevitra izany?

11 Inona no andraikitrao amin’ny tenanao eo amin’ny fanovana ny toetranao? Fony nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony hianao, moa ve niankina tamin’i Jehovah irery ihany ny fahazoanao toetra vaovao? Raha natao batisa hianao ho mariky ny fanoloran-tenanao ho an’Andriamanitra, moa ve hianao nivoaka ny rano voatafy toetra vaovao sy madio? Tsia, tsy tonga toy izany ny fiovàna, na vetivety toy izany. Marina fa mandray anjara lehibe Jehovah, tsy azo lavina izany. Manome ny heriny miasa na ny fanahy masina izay mahatonga fiovana lehibe eo amin’ny toetrantsika izy. Nefa tsy manome ny fanahiny Jehovah afa-tsy ho an’izay maniry sy mitady ary mangataka izany amim-pitalahoana. Nosoritan’i Jesosy izany fitsipik’Andriamanitra izany raha nanambara toy izao izy tamin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra: “Mangataha mandrakariva, dia homena hianareo; mitadiava mandrakariva, dia hahita hianareo, mandondòna mandrakariva, dia hovohana hianareo. Fa izay mangataka no mahazo, izay mitady no mahita ary izay mandondòna no hovohana.” Ho an’izay mangataka dia “mahay manao mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika” Jehovah.—Matio 7:7, 8; Efesiana 3:20, MN.

12. Amin’ny fandraisantsika andraikitra hanary ny toetra taloha, ahoana no tokony tsy hananantsika fahatokisan-tena be loatra?

12 Noho izany, ny andraikitrao voalohany indrindra dia ny mangataka amin’i Jehovah mba hanomezany anao ny fanahiny masina, sady miseho ho mendrika hahazo izany amin’ny fanoloranao tena hanao ny sitrapony. Rehefa nahazo ny fanampiana sy ny herin’Andriamanitra hianao dia adidinao ny mamela io fanahy io sy ny vokany, hanova ny toetranao. Hatramin’izao hianao dia tsy maintsy manary ny toetra taloha sy ny asany. Tsy zava-mora akory izany. Asa makadiry ilàna fikelezan’aina lehibe avy amin’ny tsirairay izany. Nefa na eo aza ny fikelezan’ainao, raha tsy misy ny hery miasa na ny fanahin’i Jehovah, dia tsy hahavita izany fanovàna izany hianao, satria tsy misy na iray aza amin’ny taranak’i Adama mpanota an-tsitrapo, manana hery hahatanterahana izany fiovàna izany avy amin’ny tenany ihany. Aza hadinoina io fahamarinana io. Aza dia matoky tena loatra. Fa aza mitsahatra ny mangataka amin’i Jehovah kosa, mba hanomezany anao ny fanahiny ary aza mitsahatra mitady ny fanampiany.

13. Ahoana no fomba tadiavin’ny sasany handosirana ny andraikiny amin’ny fanovàna ny toetrany?

13 Misy mitady hitsoaka ny adidiny amin’ ny tenany ka milaza hoe: “Efa toy izao aho. Tsy misy azoko atao amin’izany.” Izany no fialan-tsiny ratsy ataon’ny mpimamo sy mpisotro toaka ary ireo andevon’ny sigara sy ny karazan-drongony. Tsy misy afaka handa ny fahamarinan’ilay teny voalohany hoe: “Efa toy izao aho”. Nefa rehefa ampian’ireny olona ireny hoe: “Tsy misy azoko atao amin’izany”, raha ny marina, dia te-hilaza izy hoe: “Tsy manaiky hiova aho.” Maneho toe-tsaina toy ny an’i Kaina izy amin’izany. Kaina dia tsy mba nanaiky hihaino ny anatra nomen’i Jehovah hoe: “Raha manao ny tsara hianao”, fa nikiry niteny toy izao kosa: “Tsy afaka miova aho”. Izany no antony nahalavo an’io olona mafy hatoka io tamin’ny fisetrasetra sy ny tsi-fankatoavana, ka nitarika azy ho amin’ny fahaverezana mandrakizay.—Genesisy 4:6-8, NW; Joda 11.

14. Moa ve mahazo miverimberina milomano amin’ny fitondrantena ratsy satria hoe azon’ny “fiovaovan-toetra’’?

14 Misy koa olona sasany mamita-tena ka te-hampino ny olona fa azon’irony atao hoe “fiovaovan-toetra” na toetra roa, izy. Heveriny amin’izany fa tsy manana andraikitra amin’ny tenany izy ary mahazo misafoaka raha vao misy zavatra kely mahatohina azy na mahazo milomano amin’ny fanaranam-po ratsy indraindray. Nefa diso dia diso izy amin’izany! Tsy mba azo ekena ao anatin’ny fikambanana araka an’Andriamanitra ny toy izay nisy tamin’i “Dr Jekyll sy Atoa Hyde” satria ny toetra miovaova toy izany, dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Nilaza marina Jesosy fa: “Izay tsy momba ahy dia manohitra ahy.” Izao koa no voasoratra: “Tsy mahazo misotro amin’ny kapoakan’i Jehovah sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana amin’ny ‘latabatr’i Jehovah’ sy ny latabatry ny demonia hianareo.” Tsy mety hoe sady hetsehin’ny sain’izao tontolo izao hianao, no hanana ny fanahin’Andriamanitra koa. Ny olona tsy misy saina ihany no mihevitra fa hadio izy na dia miverimberina amin’ny loany sy ny fotaka nihosenany teo aloha aza.—Matio 12:30; I Korintiana 10:21; II Petera 2:22, MN; Ohabolana 26:11.

15. Ahoana no tokony hitondran’ny kristiana tena amin’ny maha-zanaky ny mazava azy?

15 Tsy azo afangaro arak’izay itiavana azy ny andro sy ny alina. Raha tafavoaka avy tao amin’ny maizina ary isika, ka tafiditra amin’ny fahazavan’Andriamanitra mahagaga, dia zanaky ny fahazavana. Hatramin’izao dia tsy mahazo mitondra tena toy ny zanaky ny maizina intsony isika. Izany no fanazavazavana nomen’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana: “Efa ho lasa ny alina, hoy izy; ka efa akaiky ny andro. Aoka hariantsika ary ny asan’ny maizina ka hotafiantsika ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana. Fa tafio Jesosy Kristy Tompo ary aza miahy ny amin’ny filan’ny nofo.”—Romana 13:12-14; I Petera 2:9, MN.

AOKA ISIKA HANDROSO HO AMIN’NY FAHAMASAHANA ARA-PANAHY SY HO AMIN’NY FAHATANTERAHANA

16. Azontsika tsoahina avy amin’izany ve fa azo atao ny mitafy tanteraka miaraka amin’izay ny toetra vaovao?

16 Raha jerena amin’ny teny henjana nataon’ny apostoly Paoly ao amin’ny Kolosiana 3:9, dia misy angamba hihevitra fa ny fanariana ny toetra taloha sy ny fanoloana azy amin’ny toetra vaovao, dia zavatra azo atao avy hatrany ary miaraka amin’izay. Tsy amarinin’ny Soratra Masina na ny zavatra misy anefa izany hevitra izany. Raisintsika ho ohatra ny voa nafafy tamin’ny fahavaratra ary masaka amin’ny fararano. Miandalana ny fitombony ary mila fikelezan’aina lehibe sy asa mafy avy amin’ny mpamboly. Nampitodika ny saina ho amin’izany fandrosoana sy fitomboana tsikelikely izany Petera raha nanoratra toy izao: “Ampio fahatanjahan- tsaina ny finoanareo, ampio fahalalana ny fahatanjahan-tsaina, ampio fahononam-po ny fahalalanareo, ampio faharetana ny fahononam-po, ampio toe-panahy araka an’ Andriamanitra ny faharetanareo, ampio fitiavana ny rahalahy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ampio fitiavana ny olona rehetra ny fitiavanareo ny rahalahy.” Nanome fanazavana betsaka momba izany koa Paoly raha nilaza hoe: “Na hatraiza na hatraiza fetra efa nahatongavantsika amin’ny fandrosoana, dia aoka isika hanohy hizotra tsara amin’izany lalana izany.”—II Petera 1:5-7; Filipiana 3:16, MN.

17. Ahoana no nampisehoan’i Jaona sy Jakoba fa ilaina mandrakariva ny fikelezan’aina mba hanatsarana ny toetrantsika?

17 Hitantsika amin’izany ary fa mila fotoana maharitra mba hanovàna ny toetoe-tsika ary izany fanovàna izany, dia tsy ho tapitra raha mbola tsy tanteraka isika. Tsy ho tonga amin’ny fahatanterahana ny toetrantsika alohan’ny hijoroan’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina nampanantenain’i Jehovah. Izany no antony ilàna fikelezan’aina tsy tapaka mba hanatsarana ny toetrantsika. Toy izao no nilazan’i Jaona sy Jakoba mpanoratra nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, izany hevitra izany: “Raha hoy isika: ‘tsy manana ota isika’, dia mamita-tena isika ary ny marina tsy ao amintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra. Raha hoy isika: ‘tsy nanota isika’, dia mampandainga azy isika ary tsy ao amintsika ny teniny.” “Tafintohina matetika isika. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no olona tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra.”—I Jaona 1:8-10; Jakoba 3:2, MN.

18, 19. Inona no ady tsy maintsy hilofosan’ny kristiana hatrany, araka izay hita tamin’i Paoly?

18 Na dia ny apostoly Paoly aza dia tsy nahaova ny toetrany ho tanteraka, raha mbola tao amin’ny nofo izy. Raha tsy izany dia tsy ho nanoratra toy izao izy: “Koa hitako amiko izao lalana izao: rehefa te-hanao ny tsara aho, dia tonga ao amiko ny ratsy. Fa mankasitraka ny lalan’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty, nefa mahita lalàna hafa momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.” Mandra-pahafatiny io mpiady kristiana mahery io, dia niaiky fa tsy maintsy niady mafy. “Asiako mafy ny tenako ho mangana, hoy ny teny nosoratany, ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako na amin’inona, na amin’inona.”—Romana 7:21-23; 1 Korintiana 9:27, MN.

19 Toy ny apostoly Paoly dia tokony hamely mafy ny fironan’ny nofontsika ratsy ho amin’ny fahotana koa isika, ka hanandevo ny tenantsika mba hanekeny ny baikon’ny toetrantsika vaovao. Satria raha tsy manome ny vokatry ny fanahin’i Jehovah isika, dia ho lavin’Andriamanitra ka hitondra antsika ho amin’ny loza amin’antambo izany.

20, 21. Araka ny fampiomanana nataon’i Jesosy, inona no hihatra amintsika raha tsy mamela ny fanahy hanova ny toetrantsika isika?

20 Mba azonao an-tsaina moa ny ho vokatry ny tsi-fankasitrahan’i Jehovah? Ny alina farany tamin’ny fiainan’i Jesosy tetỳ an-tany, fotoana fohy talohan’ny nisamborana azy, dia nilaza tamin’ny mpianany ny amin’ny zava-mahatsiravina hihatra amin’ny kristiana voahosotra izy, raha lavin’i Jehovah ireo noho izy tsy nanome ny vokatry ny fanahiny. Izao no nambaran’i Jesosy: “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa, dia esoriny; fa ny sampany izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa. (...) Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa voa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko (...). Raha misy tsy miray amiko dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina ireny sampany ireny ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.”—Jaona 15:1-6, MN.

21 Jehovah dia mpamboly mahavokatra ka hataony izay hahavanona ny tsirairay avy amin’ny mpikambana ao amin’ny fandaminany araka an’Andriamanitra sy hamoazany ny voa tsaran’ny fanahiny. Aoka tsy ho diso hevitra hianao, raha tsy mamoa ny voan’ny toetra kristiana hianao, dia tsy hahazo toerana ao anatin’ny fikambanana araka an’Andriamanitra intsony, dia ny toerana maha-vavolombelona kristianin’i Jehovah! Ny sampana tsy mamoa sy mpiodina rehetra dia ho esorina ka atsipy any ivelan’ny fandaminany, dia ho maina ary farany dia hodorana amin’ny afon’ny fandringanana mandrakizay! ‘‘Zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona.”—Hebreo 10:31, MN.

22. Nahoana no tsy tokony hataontsika tsinontsinona ny famaizan’i Jehovah Ray tia antsika?

22 Tsy aleo ve manaiky hanaraka ny fitsipiky ny Raintsika any an-danitra, ilay Mpamboly lehibe izay “manamboatra” ny olony amin’ny alalan’ny Teniny sy ny asany mba hiarovany antsika ao anatin’ny fandaminany mahavokatra sy hamelany antsika hanome bebe kokoa ny vokatry ny fanahy ao amin’i Jesosy Kristy Tompontsika? Marina fa araka ny nolazain’i Paoly tamin’ny Hebreo, dia zava-tsarotra ny fanitsiana na fanamboarana ny toetrantsika. “Fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra vokatry ny fiadanana, dia ny fahamarinana, ho an’izay nanaovana azy izy.” “Anaka, aza atao tsinontsinona ny famaizana ataon’i Jehovah, ary aza reraka rehefa faiziny hianao; fa izay tian’i Jehovah no faiziny.”—Hebreo 12:5-11, MN.

ZAVA-TSOA DIENY IZAO

23. Inona ireo zava-tsoa sasantsasany mety ho azonao miaraka amin’ny olon’i Jehovah, dieny izao?

23 Raha avelanao hanova ny toetranao ny vokatry ny fanahy atỳ alohan’i Haramagedona, dia handray zava-tsoa maro avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra hianao, dieny izao, eo anivon’izao tontolo izao tonta. Mety handray fitahiana sy tombontsoa miaraka amin’ny vavolombelon’i Jehovah hianao. Tsy ho tratry ny tsi-fahampiana hianao satria handray anjara tsy tapaka amin’ny fanasana misy sakafo ara-panahy mahasoa. Ho feno fifaliana sy fahasambarana mitafotafo ny kapoakanao. Ny marina izay mikatsaka ny Fanjakan’ Andriamanitra alohan’ny zavatra rehetra, dia tsy mila manahy izay hohaniny (Matio 4:4; 6: 31-33; Isaia 25:6; Salamo 37:25). Ho afaka amin’ny tahotra ny olona hianao, satria Jehovah manafaka ny olona marina ary manome azy ny fandresena na dia mampijaly azy hatramin’ny fahafatesany aza ny fahavalony (Salamo 118:6; Lioka 12:4; I Jaona 4:18). Ho afaka amin’ny fanandevozan’i Satana sy ny fandaminany misy ireo demonia hianao, satria hanafaka anao ny marina ka hahatonga anao an-tsitrapo ho mpanompo sambatr’i Jehovah sy Jesosy Kristy. (Jaona 8: 32. MN; Romana 6:6, 16; I Korintiana 7:23; Galatiana 1:10; Kolosiana 3:23, 24; I Petera 2:16). Hahazo mivavaka sy mivory malalaka hianao. Na amin’ny fivoriamben’ny vavolombelon’i Jehovah na amin’ny fivoriana kely miafina atao any ambadiky ny rindrim-by na rindrim-bolotsangana, dia ho eo afovoanareo Jesosy Kristy (Matio 18:20). Hanana tombon-tsoa amin’ny fahazoana miresaka amin’i Jehovah Rainao amin’ny vavaka hianao, sy ny fahazoana mangataka aminy mba hanomezany ny fanahiny, ny fitarihany, ny heriny, ary ny fiarovany (Matio 6:6; Jaona 14:13,14). Hahazo voninahitra amin’ny fitondrana ny anarana mahatahotr’i JEHOVAH hianao, amin’ny fanompoana azy toy ny iraka mampahafantatra ny aminy sy vavolombelona, manambara amin’ny firenena rehetra ny vaovao tsara mandrakizay.

24. Noho ny antony lehibe inona indrindra no tokony hamoazantsika bebe kokoa ny vokatry ny fanahy?

24 Alohan’ny zavatra rehetra dia aza hadinoina ny zava-tsoa sy tombon-tsoa lehibe indrindra mety hananan’ny voahary, dia ny fandraisana anjara amin’ny fanamarinana ny Teny saro-bidy sy ny Anarana masin’i Jehovah Raintsika. Ao amin’ny fanoharana nataony momba ny voaloboka sy ny sampany, dia nosoritan’i Jesosy manokana izany antony voalohany tokony hamoazantsika bebe kokoa ny vokatry ny fanahy izany. Izao no nolazainy: ‘‘Izao no nolazainy: “Izao no ankalazana ny Raiko: raha mamoa be hatrany hianareo ka miseho ho mpianatro.”—Jaona 15:8, MN.

25. Inona no tokony hataontsika hatrany, ary inona no vokatra ho azontsika?

25 Avelao ary ny vokatry ny fanahy tsy hitsahatra hanova ny toetranao. Mamoaza be hatrany. Asehoy mandrakariva fa tena mpianatr’i Jesosy Kristy sy mpaka tahaka ny toetra tsarany hianao. Raha izany dia tsy ho tsiravina hijery ny toetranao taloha efa nariana ny manodidina anao, fa ho faly kosa amin’ny fahatsapana fa nahatonga toetra mahafinaritra vaovao tao aminao ny vokatry ny fanahin’i Jehovah, ho fankalazana sy fanamasinana an’i Jehovah, ilay Ambony sy manan-daza indrindra amin’izao rehetra izao!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara