FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/10 p. 264-267
  • An’iza moa hianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • An’iza moa hianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDRIAMANITRA SY NY FANJAKANA
  • AN’IZA MOA HIANAO?
  • Andriamanitra sy Kaisara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Milaza inona ny fanekena ao amin’ny fanambadiana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ilaina ny fanajana ny fahefana mba hiainana amim-piadanana
    Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany?
  • Mpanara-dalàna ny kristiana
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/10 p. 264-267

An’iza moa hianao?

Inona no safidy azo atao? Ahoana ny anao?

TSY HO tezitra ve hianao raha misy lehilahy mitady hampihatra fahefana tanteraka amin’ny vadinao ? Tsy ho tezitra ve hianao raha tadiaviny homena azy ny fitiavany sy ny tsi-fivadihany, fa tsy homena anao vadiny?

Ho fanalam-baraka ny lehilahy ny fisalovanana amin’ny zony ara-panambadiana, toy izany. An’ny vadiny ny vehivavy. Tsy misy manana zo hanapaka ny fatoran’ny fanambadiana. Nosoritan’i Jesosy Kristy izany raha nilaza toy izao izy: “Koa amin’ izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” — Matio 19:6, MN.

ANDRIAMANITRA SY NY FANJAKANA

Misy toe-javatra sahala amin’izany amin’ izao androntsika izao, eo amin’ny zavatra tadiavin’ny Fanjakana ara-politika amin’ ny olom-peheziny, izay mikasika ny ainy mihitsy. Any amin’ny tany maro, dia misy mpitondra tsy refesi-mandidy ara-tafika, na mpanao politika lozabe, mitady izay haneken’ny vahoaka azy tanteraka. Ny fitondram-panjakana kaominista izay manapaka eo amin’ny am-pahatelon’ny mponina eto ambonin’ny tany, no anisan’ireo izay mitady ny hanekena azy tanteraka. Misy fitondram-panjakana mahery mitady hifehy sy hampihatra fitondra-miaramila tanteraka amin’ny fiainan’ny olom-peheziny. Heveriny fa azy ny olona ka voatery tsy maintsy hanao izay rehetra tiany.

Ao amin’ny Baiboly anefa Andriamanitra dia oharina amin’ny vady, amin’ny olona izay manana fifandraisana ara-panekena aminy. Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Na dia vadiny aza aho Andriamanitra”. (Jeremia 31:32, AC) Isaia 54:5). Noho izany fifandraisana izany, dia manana zo hanome fepetra sasantsasany mikasika ny fifandraisany akaiky amin’ny olony Andriamanitra. Nefa any amin’ny tany misy Fanjakana ara-politika tsy manaiky izany fifandraisana izany, dia mety hipoitra ny ady, raha toa terena hanaiky tanteraka ny olona rehetra, ao anatin’izany ny olon’Andriamanitra.

Maro amin’ny fepetra omen’ny fahefana tsy ara-miaramila no ara-drariny sy tsara. Jesosy Kristy aza dia nanambara hoe: “Omeo (...) an’i Kaisara izay zavatr’i Kaisara.” (Matio 22:21, MN). Tsy maintsy manaraka ny fepetra ara-drariny omen’ ny fitondram-panjakan’ny tany misy azy ary ny olona. Niray hevitra tamin’izany koa ny apostoly Paoly raha nilaza hoe: “Aoka ny fanahy rehetra hanaiky ny fahefana lehibe’’, izany hoe ny Fanjakana ara-politika na ny fahefana tsy ara-miaramila. — Romana 13:1, MN.

Raha ny tena marina, dia mandidy ny olon’Andriamanitra ho olona filamatra ny lalàn’Andriamanitra, na aiza na aiza tany misy azy; mandidy azy tsy hanambaka, na handainga na hangalatra, na hijangajanga, na hampiseho herisetra, ary hankato izay didy sy fitsipika omen’ny fanjakana ka tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany. Ny firenena misy azy ireny, na aiza na aiza, dia afaka hahazo tombon-tsoa amin’ny fitondrantenany mahitsy, sy mendrika. Tsy tokony hanana ahiahy ny amin’izy ireny ny fahefana, satria eo aminy tsy misy toe-piainana mankahala firaisana, na misy faniavan’ny tanora, na fanaovana heloka bevava.

Nefa moa ve izany milaza fa ny olona tsirairay, indrindra fa izay te-hiaina araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia an’ny Fanjakana manontolo na tanteraka? Tokony hanaiky ve izy na dia handrava ny fifandraisany akaiky amin’Andriamanitra milaza fa vadin’ny olony aza izany? Tsia. Na dia nampianatra hanome an’i Kaisara izay an’i Kaisara aza Jesosy, dia nilaza koa ny tokony hanomezana ‘‘an’Andriamanitra izay zavatr’Andriamanitra”. — Matio 22:21, MN.

Arak’izany, na dia tokony hanatanteraka ny adidy sasantsasany azon’ny Fanjakana tadiavina aza, dia misy zavatra hafa tsy tokony omena afa-tsy ho an’Andriamanitra Tsitoha ihany satria tsy ananan’izy ireny fahefana. Tsy misy olon-kafa mahazo mitady izany. Ny faneken’ny olona matahotra an’Andriamanitra ny Fandaminana na dia iray aza, nahazo mitady ny hanomezana azy izay an’Andriamanitra.

Azo ampiharina eto koa ny ohatra momba ny mpivady. Mahazo mankany amin’ny lehilahy hafa ny vehivavy iray, ka hiasa ho azy. Kanefa raha mitady ny hanekeny azy tanteraka ilay mpampiasa azy, amin’ny zavatra rehetra, na dia izay mikasika ny fiainany manokana amin’ny maha-vehivavy manambady azy aza, dia tsy ho afaka hanaraka ny zavatra tsy mendrika tadiaviny izy. Amin’izany ilay lehibeny dia mitady izay tsy tokony omeny afa-tsy ho an’ny vadiny ihany. Zava-dratsy ny fanerena atao aminy mba hialany amin’ny tsi-fivadihany sy ny fitiavany ny vadiny. Tsy mahazo zo afa-tsy ny fitadiavana izay hanatanterahany ny asany ilay mpampiasa. Tsy manana alalana hitady zavatra ambonin’izany izy ary tsy tokony hanantena ny hanekena izay tadiaviny. Noho ilay vehivavy tia ny vadiny, dia tsy ho afaka hanaiky ilay mpampiasa azy izy.

Azo ampiharina amin’ny fifandraisana eo amin’Andriamanitra sy ny olona izany fitsipika izany. Andriamanitra no Mpamorona. Nanome aina ny zava-boariny izy ary koa izay zavatra ilainy mba ahavelona azy. Manana fahefana hitady zavatra aminy Izy, ho valin’izany, toy ny lehilahy manome izay ilain’ny vadiny ka mitady izay hanatanterahan’ny vavy adidy sasantsasany aminy. Na dia avelan’Andriamanitra hanana fahefana sasantsasany amin’ny olona aza ny fanjakana, toy ny mampiasa manome fahefana amin’ny vadin’ny namany, dia tsy omeny fahefana feno eo amin’ny olom-peheziny ireo, na omeny alalana hampanaiky azy eo amin’ny zavatra tsy mikasika afa-tsy Izy.

Izay manana fanekena amin’Andriamanitra, dia mifandray akaiky aminy. Izay rehetra nanolo-tena ho azy dia tokony hanatanteraka ny andraikiny aminy. Fantany fa ny fahatokiany, ny tsi-fivadihany, ny fitiavany ary ny fanompoany, sy ny ainy koa, dia an’Andriamanitra. Tsy azony ataony sorona ho an’ny hafa izany. Fantany fa tokony hanaiky an’Andriamanitra tanteraka izy fa fanekena voafetra kosa no omeny ny fandaminan’olombelona, ao anatin’izany ny fanjakana ara-politika. Tsy azony omena ny hafa ny ainy, ny fahatokiany sy ny fanompoany, izay an’Andriamanitra irery. Raha manaiky ny Fanjakana ara-politika izy eo amin’ny lafiny mikasika ny fifandraisany akaiky amin’Andriamanitra, dia ho toy ny mandoto izany fifandraisana izany. Ho sahala amin’ny vehivavy manaiky hiray amin’ny lehilahy tsy vadiny izy amin’izany. Hijangajanga izy amin’izany. Amin’ny mpanompon’Andriamanitra ny fanehoana fanekena feno sy fanompoana ny Fanjakana ara-politika, dia fijangajangana, fijangajangana ara- panahy. Andriamanitra mihitsy no milaza izany ao amin’ny teniny: “Ry mpijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa izay te-ho sakaizan’izao tontolo izao dia mitsangana ho fahavalon’Andriamanitra.” — Jakoba 4:4, MN.

Ny olona mitana toerana eo amin’ny fanjakana dia tokony hihevitra tsara izao: Toy ny fahatezeran’ny lehilahy iray amin’ ny olona manao izay tsy hanatanterahan’ ny vadiny ny andraikiny eo amin’ny fanambadiana, no fahatezeran’Andriamanitra amin’izay mitady ny tsy hanatanterahan’ny mpanompony ny andraikiny aminy. Ahoana hoy Andriamanitra rehefa manenjika izay te-hanao ny sitrapony ireny olona ireny? Izao no voalazan’ny Teniny: “Andriamanitra hanorotoro ny lohan’ny fahavalony.” (Salamo 68:21 na 22 amin’ny fandikan-teny katolika). Milaza marimarina amintsika Andriamanitra fa hamaly “ny ran’ny mpanompony izy” (Fanambarana 19:2, MN). “Miaro izay rehetra tia azy Jehovah, ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra.” — Salamo 145:20, AC.

AN’IZA MOA HIANAO?

Rehefa omena ny manam-pahefana izay azy ary omena an’Andriamanitra koa ny azy, dia tena mpanompon’Andriamanitra tokoa izay manao toy izany. An’Andriamanitra izy satria mampifandanja tsara ny zavatra tadiavin’Andriamanitra amin’ny an’ny Fanjakana. Fa raha omena ny manam-pahefana kosa izay tokony homena an’Andriamanitra, dia tonga mpanompon’ ny fahefana ara-politika ny tena. An’ny fahefan’izao tontolo izao ny tena amin’ izany, fa tsy an’Andriamanitra.

Ny tena zava-dehibe dia tsy izay heverintsika fa tompointsika fa izay tena tompointsika tokoa. Hoy Jesosy: “Tsy misy mahay manompo tompo roa.” (Matio 6:24, MN). Toy izao no nanampin’ny apostoly Paoly izany: “Tsy fantatrareo va fa raha tsy mitsahatra manolo-tena ho mpanompon’ny olona iray izay ankatoavinareo hianareo, dia mpanompony satria mankatò azy?” (Romana 6:16, MN). Noho izany, na dia mino aza ny sasany fa tsy mpanompon’Andriamanitra izy, ka arak’izany dia mahazo manao izay tiany atao, raha ny marina dia an’ny Fanjakana ara-politika izy satria mankatò azy na dia asainy mandika ny lalàn’Andriamanitra amin’ny ataony aza. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Fa izay resin’ny olona iray dia tonga mpanampon’io olona io.” — II Petera 2:19, MN.

Na iza na iza te-hanao izay marina eo imason’Andriamanitra, dia tsy tokony hanadino ny zavatra marina antoky ny aina hoe: an’ny iray izy, na an’ny hafa. Amin’ny ataony no anehoan’ny olona iray na an’Andriamanitra izy, na an’ny Fanjakana. Izay rehetra te-handray ny fitahian’ Andriamanitra dia tokony hieritreritra tsara izay toerany amin’izany. Amin’ny andaniny aiza no misy anao?

Nanome izao fampiomanana izao Paoly: “Fa olom-boavidy lafo hianareo; ka aza mety ho andevon’ny olona intsony.” (I Korintiana 7:23, MN). Nomen’Andriamanitra tokoa Jesosy Kristy Zanany mba hanavotra ny olombelona amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Noho izany, na manana fanantenana hiaina any an-danitra hianao, na manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa nampanantenain’ Andriamanitra ho an’ny olombelona mpankato, dia tokony hihaino ny anatr’i Paoly mamporisika mba “tsy hety ho andevon’ny olona intsony”. Tianao ny hanahaka ilay vehivavy mahatoky nifikitra tamim-pahatsorana tamin’ny vadiny, ka tsy nety namaha ny voadiny ara-panambadiana rehefa notadiavina hanao izany tsy ara-dalana izy.

Aoka ho azonao antoka izay toerana misy anao eo anatrehan’Andriamanitra. Mifotora mafy amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Ho afaka hanavaka tsara izay andraikitrao eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona hianao amin’izany. Miezaha miaina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amim-pahatsorana. Omeo an’i Kaisara izay an’i Kaisara, kanefa fantaro tsara raha manao izay tena lehibe indrindra hianao, izany hoe: manome an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Manana toe-tsaina toy ny an’ny apostoly Paoly raha nilaza toy izao izy: “Raha velona isika dia velona ho an’i Jehovah, ary raha maty isika dia maty ho an’i Jehovah. Koa amin’izany na velona isika na maty dia an’i Jehovah.” — Romana 14:8, MN.

Raha te-handray ny fitahian’Andriamanitra hianao, dia tokony ho an’Andriamanitra. Tokony handanjalanja tsara ny fifandraisanao amin’Andriamanitra sy ny fifandraisanao amin’ny manam-pahefa,na hianao. Raha izany, dia mahazo manantena ny fitahian’Andriamanitra hianao. Ho afaka hiara-hiteny amin’ny mpanao salamo hianao hoe: “Arovy ny fanahiko fa tia vavaka aho: vonjeo ny mpanomponao, Andriamanitra ô; matoky anao izy. Mamindra fo amiko ô [Jehovah ô, NW], fa hianao no itarainako mandritry ny andro.” — Salamo 86:2, 3, AC.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara