Ampiasao ny fananantsika hanome voninahitra an’Andriamanitra
“MANKALAZA an’i Jehovah amin’ny fanananao”, hoy ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, amintsika. Ny anankiray amin’ ireo hira ao amin’ny fihiranan’ny vavolombelona kristianin’i Jehovah, dia milaza ny amin’izany fananana izany. Io hira io, izay mitondra ny lohateny hoe: “Fanoloran-tena”, ary hita ao anatin’ny boky misy ireo Hira fanomezam-boninahitra an’i Jehovah, dia milaza koa hoe: “Raiso ny androko, raiso ny fotoanako rehetra, mba hidera anao lalandava; raiso ny volako sy ny volamenako fa hianao irery no fananako’’. — Ohabolana 3:9, AC.
Ireo teny ireo dia maneho tsara ny fomba fihevitry ny kristiana ny fananany manomboka eo amin’ny fotoana nanolorany tena ho an’i Jehovah. Manomboka eo amin’ io fotoana io tokoa mantsy, dia voafikitr’i Jehovah Andriamanitra izy mba hampiasa ny fananany rehetra amin’ny fiderana azy.
NY ANDRO AMPIASAINA MBA HANOMEZAM-BONINAHITRA AN’ANDRIAMANITRA
Ny andro no anankiray amin’ireo fananana izay tsy maintsy atolotry ny kristiana nanolo-tena amin’Andriamanitra. Ny androny sy ny fiainany manontolo dia an’i Jehovah Andriamanitra, satria voalaza fa ny kristiana dia “olom-boavidy tamin’ny rà saro-bidin’i Jesosy Kristy, dia tsy mandanilany foana ny androny amin’ny fanaovan-javatra tsy mendrika. Toy izao koa no nosoratan’ny anankiray amin’ny apostolin’i Jesosy Kristy: “Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny sitrapon’izao tontolo izao”. — I Korintiana 6:20; I Petera 4:3, MN.
Ny andro lasa nampanaranana ny sitrapo, dia voatokana amim-pifaliana mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, indrindra amin’ny fampahafantarana ny olo-kafa ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fomba hamaranany izao filaminan-javatra ratsy ankehitriny izao. Toy izao no teny ilazan’ny Soratra Masina izany amintsika: “Koa tandremo tsara izay fandehanareo mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao”. (Efesiana 5:15, 16). Ny kristiana nanolo-tena dia “mividy indray” ny androny mba ho an’ireo tombon-tsoa kristiana ho azy: fianarana samy irery ny Tenin’ Andriamanitra, fanatrehana ireo fivoriana ataon’ny fikambanana kristiana, fandraisana anjara amin’ny fitoriana ny filazantsara, ets...; ary fanaovana ireo raharaha sasany momba izany. Mandany ny androny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy.
NY HERY SY NY RISI-PO
Ny hery dia fananana anankiray koa ananan’ny kristiana. Marina aloha fa misy kristiana sasany tsy ampy hery intsony, dia ireo efa bebe taona, kanefa dia manao araka izay azony atao izy ireo mba ho voninahitr’Andriamanitra. Raha nandany ny herinao tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra hianao ka mahatsiaro havizanana, dia tsy hahatsiaro fatiantoka kosa fa fifaliana lalina aza, satria “fantatrareo fa tsy foana akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo”. (I Korintiana 15:58, MN). Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, izay nandany ny heriny rehetra tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra, no irintsika alaina tahaka. Indray andro Jesosy dia nandeha nankao amin’ny tanàna iray natao hoe Sykara (Samaria); toy izao no lazain’ny Baiboly antsika ny momba izany: “Ary satria sasatra Jesosy tamin’ny nalehany, dia nipetraka teo am-patsakana izy”. Nahatsiaro reraka tokoa Jesosy satria betsaka ny lalana vitany tamin’ny fanatanterahany ny asany, ka nipetraka naka aina izy raha lasa nankany an-tanàna mba hividy hanin-ko hanina ireo mpianany. Na izany aza anefa, dia tsy nahasakana azy ny havizanambeny, mba hanararaotra ny fotoana nananany mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fananana ara-panahy sy ara-nofo nananany, sy hitory teny tamin’ilay vehivavy Samaritana nantsaka rano teo amin’ny fatsakan’i Jakoba. Marobe tokoa ny olona nino taorian’izany toriteny nataony izany satria Jesosy, mba handreseny ny havizanany, dia nampiasa ny heriny hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hanao ny sitrapony. — Jaona 4:6-42, MN.
Indray mandeha koa Jesosy, dia sondrian-tory nony efa nandany ny heriny sy ny risi-pony manontolo ho an’ny raharaham-pitoriany. Dia niakatra tao an-tsambokely izy sy ny mpianany mba hitody erỳ amim-pitan’ny farihy. Hoy ny voasoratra: “Dia lasa izy. Ary nony nandeha ny sambokely dia azon’ny torimaso Jesosy”. Natory Jesosy satria nila hery vaovao rehefa nandany ny heriny rehetra tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra; renoky ny torimaso aok’izany Jesosy ka voatery ny mpianany hanaitra azy noho ny rivo-doza niantefa teo amin’ny farihy, satria na ny rivotra mahery na ny onja misavoaravoara, dia samy tsy nisy nahataitra azy. — Lioka 8:22-24, MN; Matio 8:24, 25.
Ohatra tsara tokoa ho an’ny kristiana izany nataon’i Jesosy, “Tompon’ny finoantsika izay mitondra azy ho amin’ny fahalavorariana” izany! Izy no tokony ho banjinintsika sy alaintsika tahaka amin’ny fampiasantsika amim-pahendrena ny herintsika sy hitandremantsika lalandava tsy handanilany foana azy amin’ny zavatra tsy misy antony. Tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra mantsy ny kristiana amin’ny fomba handaniany ny heriny ka noho izany, dia laniany amin’ny fanompoana azy izany fa tsy ariariany foana amin’ny fanindraindrana ny nofo izay mamono antoka ny fahasalamana: fanatanjahan-tena, fiaretan-tory maharitra, famonjena izao sy izaon’ny fiainana. — Hebreo 12:2, MN.
NY FANANANA VOLA AMAN-KARENA
Hanan-tombon-tsoa tokoa ny mpanankarena raha azony atao ny mampanankarena an’Andriamanitra amin’ny volany sy ny hareny. Nefa toa zavatra tsy mety izany, satria Davida dia nilaza toy izao tamin’ny anankiray tamin’ireo vavaka nataony: “Anao Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (I Tantara 29:11, AC). Koa satria an’i Jehovah ny zavatra rehetra, dia tsy azontsika atao ny mampanan-karena azy; kanefa azontsika atao kosa ny mampiasa ny fananantsika mba ho fiderana sy fanomezam-boninahitra azy. Izany tsy milaza akory fa tokony ataontsika ny mandany ny vola rehetra ananantsika ho an’ny fanaovana ny asam-pitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra, ka androtsahantsika izay rehetra ananantsika ao amin’ny vata fandrotsahana ny fanomezana an-tsitrapo mipetraka ao amin’ny Trano Fianarana Soratra Masina. Betsaka ny vola izay tsy maintsy ilaintsika mba hikarakarantsika ny tenantsika sy ny fianakaviantsika. Izany dia fomba fandaniam-bola mendrika ataontsika tokoa satria “raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza’’. — I Timoty 5:8, MN.
Mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny volan’ny tena, dia tsy terena koa akory ny tena hiafy mafy amin’ny fiainana ka hamela izay zavatra rehetra tsy ilaina loatra. Ohatra, raha misy kristiana manan-katao, dia tsy fandaniam-bola amin’ny tsy misy fotony akory ny fividianana karipetra tsara tarehy na tabilao misy sary fametaka amin’ny rindrina mba handravahana ny efitrano. Marina fa azon’io kristiana io atao ny tsy mividy izany, nefa mazàna dia tsy fampiasana ny vola amin’ny zava-dratsy akory ny fividianana ny zavatra toy izany. Ahoana ary ny fomba ahafantarantsika na mandanilany foana ny volantsika isika na tsia? Miankina amin’ny toe-bolantsika sy ny fotoana izany, ohatra, ny vola miditra amintsika mandritra ny taona, ny zavatra ilaintsika ary ny fampiasantsika io zavatra io. Fa ny kristiana izay mividy zavatra tsy ilainy na oviana na oviana sy tsy mampanan-karena ny fiainany, dia tsy mampiasa amim-pahamendrehana ny volany. Koa satria tsy mitovy ny fidiram-bola sy ny fotoana isian’izany amin’ny kristiana rehetra, dia mety ny anankiray hampiasa amim-pahamendrehana ny volany amin’ny fividianana zavatra iray, nefa kosa ny fividianana io zavatra io ihany, dia fandaniam-bola amin’ny hafa.
Na eo aza anefa izany, ny vola matetika dia saika lanilany foana na kely na betsaka ananan’ilay olona. Koa azo atao ny hilaza arak’izany hoe: “Manam-bola mihoatra izay tokony ilaina aho atỳ ka azoko atao ny manary izany amin’ny filokana”. Ratsy anefa ny manolo-tena eo amin’ny filokana. Koa ny kristiana dia tsy tokony handany ny volany amin’izany fomba izany na oviana na oviana. Tokony ampahafantariny an’i Jehovah ny habetsahan’ny fananany rehetra fa tsy ny am-pahany fotsiny. Ny kristiana dia tsy tokony hanarinary foana ny volany any amin’ny rivotra na oviana na oviana.
Ny kristiana nanolo-tena dia, iaraha-mahalala, manana tombon-tsoa hampiasa ny fananany sasany, na toy inona na toy inona habetsahan’izany, mba hampandrosoana ny asam-pitoriana ny filazantsaran’ ny Fanjakan’Andriamanitra izay atao amin’izao fotoana izao eo ambany fitarihan’ny Watch Tower. Amin’ny fomba maro no anaovany izany. Sahala amin’izany no iantsorohany izay vola lany amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona monina ao amin’ny faritany iadidiany, afa-tsy izany ny fividianany ireo fitaovana ilainy amin’ny fitoriana, ny vola lany amin’ny fivezivezena mitory teny, ets. Ambonin’izany aza, raha manan-katao izy, dia mbola mandray anjara amin’ny fanetsenana ny vola lany tamin’ny fanadiovana ny Trano Fianarana Soratra Masina izay nivorian’ny fikambanana, satria ny vola lany rehetra momba ny fikojakojana ny Trano Fianarana Soratra Masina, dia anjaran’ny fikambanana.
Ankoatr’izany, ireo izay mbola manana amby ampy, dia afaka mandefa fanomezana an-tsitrapo mivantana any amin’ny foiben’ny Fikambanana. Amin’inona no ampiasana izany vola izany? Amin’ny fomba mendrika. Sahala amin’izany no ampiasan’ny Foibe ny vola sasany fa entiny ikarakarana ny fandroson’ireo trano fanaovam- printiny any Kanada, Angletera, Frantsa, Alemaina andrefana, Gresy, Afrika Atsimo, Etazonia, ary any amin’ireo firenena maro hafa izay anontàna Baiboly sy boky fianarana ny Baiboly. Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny birao foiben’ny Fikambanana sy ny sampan’ny foibe, ary ireo minisitra miasa amin’ny fotoana feno, dia mandray fanampiana 14 dollars avy isam-bolana. Hatramin’ny prezidan’ny Fikambanana sy ireo mpikambana rehetra ao amin’ny filankevim-pitondrana, ka hatramin’izay niditra farany indrindra ao amin’ny Betela iray’, dia samy mandray io fanampiana mitovy io. Ireo kristiana rehetra ireo, dia samy nanokana ny fiainany amin’ny fampandrosoana hiroborobo ny Fanjakan’Andriamanitra, ary io fanampiana azony io dia entiny misahana fotsiny ny fandaniana ataon’ny tenany sy ny vola laniny amin’ny fandraisany anjara amin’ny raharaham-pitoriana eo amin’ireo olona monina ao amin’ny faritany iadidiany.
Ao Brooklyn, New York, ny Foiben’ny Fikambanana dia mbola misahana koa ny Sekolim-baibolin’i Gilead izay onenana sy iveloman’ireo mpianatra avy amin’ny lafy valon’izao tontolo izao maimaim-poana. Ireo mpianatra ireo koa dia mandray fanampiana sy manaraka ny fampianarana maimaim-poana atao eo amin’ny sekoly mandritra ny folo volana. Rehefa avy eo izy ireo, dia alefa any an-tany hafa, eto amin’izao tontolo izao, ka any no hiasany miaraka amin’ireo kristiana rahalahiny manao ny asam-pitoriana ny hafatry ny fiainana momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ambonin’izany, ny Fikambanana dia misahana amim-bola koa ireo mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra fantatra amin’ny anarana hoe misionary sy mpitory mandavan-taona, mba ahazoan’izy ireo manokana ny androny manontolo amin’ny fanaovana ny asam-pitoriana, izay mihatanteraka amin’izao androntsika izao. Tamin’ny taon-dasa teo, dia vola dollars 2 808 000 no lanin’ny Fikambanana nomena ireo minisitra ireo tamin’ny fanaovana ny asam-pitoriana ny filazantsara teto ambonin’ny tany manontolo ; vola dollars 495 000 kosa ambonin’io no lany tamin’ny fanohanana ireo 1983 mpitsidi-paritany sy distrika, izay mamangy sy mampahery ara-panahy ny fikambanana no sady manorina fikambanana kristiana mandritra ny fanaovany ny raharahany amin’ny fotoana feno. Ireo mpitory tenin’ny Fanjakan’Andriamanitra manao ny asany amin’ny fotoana feno ireo, sy ireo hafa izay miasa amin’ny fotoana feno koa, sy ireo mpitory isaky ny fotoan’ny fialan-tsasatra, dia mandoa vidin’ny boky fianarana ny Baiboly amin’ny vidiny ambany noho ny vidiny tamin’ny fanontàna azy, mba ahazoany mameno moramora ny vola laniny.
Sahala amin’izany ireo fomba samihafa ampiasan’ny Fikambanana, ny vola voarainy mba ahazoan’ny vavolombelon’i Jehovah manatanteraka haingana ny fitoriana ny filazantsara araka ny voalaza ao amin’ny Matio 24:14. Koa amim-pahamendrehana tokoa arak’izany no ampiasan’ny Fikambanana ireo fananany rehetra.
Ireo fikambanan’ny vavolombelon’i Jehovah eto ambonin’ny tany manontolo, dia mandefa mivantana amin’ny Fikambanana ireo fanomezana an-tsitrapo, isaky ny misy ahazoan’izy ireo manao izany, mba hanampiany ny Fikambanana amin’ny fitondrana sy fanitarana ny asam-pitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny vavolombelon’i Jehovah tsirairay koa sy ireo olon-kafa marobe manam-paniriana ny hifarimbona amin’ny fampandrosoana io asam-pampianarana io izay mitohy hatrany amin’ny fanampian’ny Tenin’Andriamanitra, dia manana izany tombon-tsoa izany ka mandefa ireo fanomezany amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pensylvania, 124 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201. Ireo olona mpanao fanomezana any amin’ny tany hafa kosa, dia mandefa ny vola fanampiana omen’izy ireo any amin’ny sampan’ny Fikambanana any amin’ny tany misy azy, na amin’izay toerana misy ny sampan’ny Fikambanana akaiky ny fonenany.
Amin’ity taona ity, ny Fikambanana dia faly tokoa raha mba alefan’ireo olona mpanao fanomezana, any amin’ny foibe, na any amin’ny anankiray amin’ireo sampany, ny filazana fohy mampandre ny Fikambanana izay vola kasain’izy ireo harotsaka amin’ity taona ity mba hampandrosoana ny asam-pitoriana ny filazantsara. Ny Fikambanana dia tsy mihevitra izany ho toy ny fanekena, fa mba ho fahalalana fotsiny izay habetsahan’ny vola azon’ny tsirairay halefa araka ny fanambinana homen’i Jehovah azy. Izany fomba izany dia manampy betsaka mihitsy ny Fikambanana amin’ny fananganana ny soritr’asany.
Na kely na betsaka vola azony, ny kristiana nanolo-tena ho an’i Jehovah, dia manome voninahitra azy amin’ny hareny. Isika rehetra dia samy manana fotoana, hery ary vola izay azontsika ampiasaina mba hanome voninahitra an’Andriamanitra. Ny vavolombelon’i Jehovah noho izany, rehefa mihira ilay hira mitondra ny lohateny hoe “Fanoloran-tena” ao amin’ny Trano Fianarana Soratra Masina, dia samy mahatakatra tsara ny heviny. Ny vavolombelon’i Jehovah dia manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fananany rehetra.
“Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra. Dia hanan-karena amin’ny zavatra rehetra hianareo ka handroso amin’ny hitsim-po, izay ahatonga ny fisaoranay an’Andriamanitra.”—II Korintiana 9:7,11.