FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/7 p. 172-176
  • Fahatsinjovana mialoha ny filaminan-javatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahatsinjovana mialoha ny filaminan-javatra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • FANEHOANA NY ZAVATRA HO AVY
  • FANAFAHANA AMIN’NY DEMONY—FAHAFAHANA AMIN’NY FAHAFATESANA SY NY ZAVA-MANAHIRANA
  • Ny Fahagagana Nataon’i Jesosy—Inona no Ianaranao avy Amin’izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Tia Olona Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ahoana no Ahafahan’i Jesosy Manova ny Fiainanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Miseho Amin’ny Alalan’i Kristy ny Herin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/7 p. 172-176

Fahatsinjovana mialoha ny filaminan-javatra

Tsy ilaina akory ny hanonofy ny ho avy. Ny Tenin’Andriamanitra mampiseho azy amintsika.

MBA inona no zavatra tsinjonao mialoha fa hihatra amin’ny olombelona sy ny tany mandritry ny arivo taona manaraka ny fahataperan’ity taon-jato faha-roapolo ity? Betsaka mihitsy ny olona mino ka hamaly fa ny fanadinoana; misy indray koa ny olona sasany manonofy fahafinaretana, toy ny: fahitana filaminan-javatra aero-dinamika, siantifika, izay ny fanindriana bokotra fotsiny dia ho ampy ka amin’izany ny olombelona dia ho tompon’ny zavatra rehetra manodidina azy. Tsy ho vitsy koa nefa akory ireo izay hamaly fa zavatra tsy maharisika azy raha momba ny ho avy. Ireo rehetra ireo nefa dia fomba fisainana ratsy daholo. Ny filaminan-javatra amin’io arivo taona io dia hahitan’ny olombelona ny fahatanterahan’ny faniriana miredareda ny zavatra nokatsahiny hatramin’izay, ka ho afa-po tanteraka izy amin’izany satria Andriamanitra fa tsy ny olombelona no Mpanjaka tsy refesi-mandidy amin’izany.

Eny, ny fanoronana filaminan-javatra vaovao tsara, na paradisa lavorary, dia efa mby an-dalana. Ny fanjakany dia efa eo amim-panaovan-draharaha; ireo izay honina eo amin’ny paradisa lavorary voalaza io dia efa tafangona ankehitriny ary mandray fampianarana sy famolavolana; ny fampianarana momba ny fanovàna hatao amin’ny fomba fiainana dia efa eo amim-panaovana azy ary ny fahatontosan’izany tanteraka dia tsy ho ela intsony akory. Jaona Apostoly kristiana, dia manome fanampiana antsika mba hahafantatra mazava izany rehetra izany noho ny fanambarana ara tsidrimandrin’Andriamanitra voarainy mikasika ny fisehoan-javatra amin’izao taon-jato faharoapolo misy antsika izao, dia fisehoan-javatra izay hitarika antsika ho amin’ny fahataperan’ny filaminan-javatra ratsy sy ny fijoroan’ny filaminan-javatra tsara vaovao. Araka ny fahitana hitan’io Apostoly io, “ny lanitra taloha sy ny tany taloha dia levona” teo anatrehan’Andriamanitra ary tsy nisy toerana intsony ho an’ny faharatsiam-panahy ankehitriny. Izany toe-javatra izany dia tsy maintsy hiseho eo amin’ny fanombohan’ny arivo taona izay hanapahan’Andriamanitra ny tany amin’ny fahamarinana, ary araka ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia efa antomotra tokoa izany fotoana izany. Asehon’i Jaona amintsika fa nahita “lanitra vaovao sy tany vaovao” izy izay “hamafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony [dia ny mason’ny olombelona izany] ary tsy hisy fahafatesana intsony sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”.—Fanambarana 20:4,11; 21:1, 4, MN.

Aoka nefa tsy hino isika fa izany zavatra izany dia fanovàna endrika fotsiny ny tantaran’i Shangrila nataon’i Hilton, sy ny nofinofy momba ny fitondram-panjakana tsara, tsy azo tanterahina, nataon’Ing. Thomas More. Rariny loatra ny fananan’ny Apostoly Jaona finoana, eny, dia ny fiaikeny tanteraka fa hisy marina izay zavatra hitany tao amin’io fanambarana io. Io fahitan’i Jaona apostoly io dia tsy zavatra mikasika mihitsy ny voalazan’i Hilton sy More, izay samy mpanoratra. Saino fotsiny amim-pahatsorana ny dikan’ny teny hoe ‘’utopie” (fomba tsara fitondram-panjakana tsy azo tontosaina). Io teny hoe Utopie io dia fitambaran’ny teny grika anankiroa, ka ny dikany dia hoe “tsia, na iray aza” ary “toerana”. Atambaro ireo fa izao no azonao: tsy misy na toerana iray aza. Koa ny dikan’io teny hoe Utopie io dia hoe “tsinontsinona”! Fa ny filaminan-javatra vaovao tsara hataon’Andriamanitra kosa dia tsy mba nofinofy tsy ho azo tontosaina toy ny an’i T. More akory. Toerana voatondro mazava no misy io filaminan-javatra vaovao io; ny misy ny fanjakany dia ao “an-danitra vaovao”, izay avy any no hanomezany ny fahasoavana sy fitahiana ho an’ny mponin’ny “tany vaovao”. Noho izany indrindra no nanisian’Andriamanitra tombokase ny fahitan’i Jaona tamin’izao teny fanomezan-toky izao hoe: “Soraty, satria mahatoky sy marina ireo teny ireo”.—Fanambarana 21:5, MN.

Dia hilaza va hianao fa izany filaminan-javatra vaovao izany dia tsy hisy akory raha tsy avy amin’ny fahagagana angaha? Eny, marina ny anao. Fa moa tokoa va ny Mpamorona ny filaminan-javatra vaovao tsy Andriamanitra mpanao fahagagana? Toy izao no ambarany momba ny fahefany izay hanomezany toky antsika: “Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra, moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?” Izao koa no nolazain’ny anjelin’Andriamanitra tamin’i Maria momba ny fahaterahana mahagagan’i Jesosy: “Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra”. (Jeremia 32:27; Lioka 1:37). Ireo fanambarana ireo dia voamarina tamin’ny fahagagana nataon’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, satria ny zavatra marobe nataony teto an-tany dia taratra nanambara avokoa ny fahagagana hiseho eto ambonin’ny tany manontolo amin’ny filaminan-javatra vaovao tsara.

FANEHOANA NY ZAVATRA HO AVY

Voalohany indrindra dia tsara ny hahafantarana izay antony manokana nahavitan’i Jesosy ny fahagagany. Izao fiainana ankehitriny feno alahelo mahazo ny olombelona izao dia avy amin’ny zavatra tokana monja, dia izao: mpanota ny olombelona. Misy fotoana izay tsy naha-mpanota an’i Adama, niaina tamin’ny fahalavorariana izy tamin’izany. Raha tamin’io fotoana nahalavorary azy io no nisy olona nilaza tamin’i Adama fa ho avy ny andro izay hahafenoan’ny tany haratsiam-panahy sy mponina ratsy toetra, marary eny mikoro fahana, dia ho sahirankirana ihany Adama amin’ny finoana izany; tsy ho azon’i Adama mihitsy angamba izay zavatra lazaina aminy. Isika kosa, izay notorontoronina sy nateraka tamin’ny ota dia angamba ho sahirankirana raha hino fa nisy taloha, ary hisy vaovao indray, ny filaminan-javatra lavorary tahaka ilay nigoladinan’i Adama. Ny fiovan’ny tsara ho ratsy dia vokatry ny fahotana ihany, koa tsy hety mihitsy akory ny hiovan’ny ratsy ho tsara raha tsy amin’ny fiongotan’ny fahotana, ka tsy misy afa-tsy ny fahafatesana izay sorona nataon’i Jesosy lavorary ny tenany tamin’ny maha-nofo azy no afaka hiantoka ny fahatanterahan’izany fiovana izany. Efa fantatr’i Jesosy mialoha izany ka dia nanokan-tena handia ny lalan’ny sorona izy tamin’ny fotoana nanaovam-batisa azy teo amin’ny ranon’i Jordana. Tsy nanana fiafarana io lalana io raha tsy tamin’ny nahafatesany teo ambony hazo fampijalaina, nefa teo anelanelan’ny fotoana nahavita batisa azy sy ny nahafatesany dia navelan’Andriamanitra izy hanao fahagagana marobe izay fanambarana mialoha ireo fahasoavana sy fitahiana mandrakizay ho zaraina amin’ny olombelona rehefa voatolotra mivantana ny olombelona ny fahamendrehan’ny sorona nataon’i Jesosy nilaza tamin’ireo olona nositraniny, tamin’ireo fahagagana marobe nataony, hoe: “Voavela ny helokao”.—Matio 9:2, MN.

Tamin’ireo fahagagana enina amby telo-polo, na mihoatra, nataon’i Jesosy ary voarakitra ao amin’ny Filazantsara efatra, dia ny fanasitranana ny nofo no ankamaroany, tsy latsaka ny antsasak’io isa io. Indray andro raha tao an-trano nitoerany tao Kapernaomy izy dia nisy vahoaka betsaka tonga niangona nanodidina ny tranony. Mba ahatongavan’ilay lehilahy efa-dahy nitondra lehilahy iray kilemaina, tsy afa-manao na inona na inona, ho eo anilan’i Jesosy, dia nongotan’izy efa-dahy ny tafon-trano ahazoany mampidina ilay kilemaina. Angamba io lehilahy kilemaina io dia nanam-pahavoazana mafy tokoa tamin’ny ati-dohany. Moa va ho hain’i Jesosy ny hanasitrana azy? Nolazainy tamin’io marary io aloha fa voavela ny helony, ary dia hoy izy nanaraka izany: “Mitsangàna, betao ny fandrianao ka modia any an-tranonao”. Dia nataon’ilay narary (sitrana) arak’izany tokoa.—Marka 2:1-12, MN.

Efa mba nahita olona boka va hianao? Marobe mihitsy izy ireny tamin’ny andron’i Jesosy. Mbola betsaka koa nefa izy ireny na dia amin’izao fotoana izao aza. Saingy ao amin’ny filaminan-javatra vaovao hataon’Andriamanitra kosa dia tsy hisy intsony akory izy ireny. Toy izao no fitantaran’i Lioka azy: “Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro nisy lehilahy heniky ny habokana! Ary nony nahita an’i Jesosy izy dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety hianao dia mahay manadio ahy”. Naiken’i Jesosy tokoa izany. Natsotrany ny tanany ka natehany taminy ary hoy izy: “Mety aho, madiova hianao’’. Dia niala azy ilay boka nony sitrana. Moa mba azonao an-tsaina fa io Filohan’ny filaminan-javatra vaovao hataon’Andriamanitra io dia afaka hanao fahagagana an-arivo, eny an-tapitrisa aza raha ilaina mba hahasitrana ny boka sy ny aretina hafa rehetra?—Lioka 5:12-14; Hebreo 4:15.

Nasehon’i Jesosy imbetsaka koa ny fahaizany mampahiratra ny jamba, fa ny nampahiratany an’i Bartomeo jamba no tena mahagaga loatra satria io lehilahy io dia tsy namela mihitsy hijoro ny zavatra nisakantsakana azy tsy hananany fahasitranana. Nodradradradrainy tamin’i Jesosy ny fananany finoana ny hahasitranany azy; hoy ny voasoratra: “Ary maro no niteny mafy azy mba hangina fa vao mainka niantsoantso izy”. Dia nahazo valiny ny finoany. Nantsoin’i Jesosy izy ary nampahiratiny indray ny masony (ilay jamba). Tsy misy hafa amin’izany no ho tonga amin’ireo olona marobe, izay jamba, nampiseho finoana tsy mihozongozona sahala amin’ny nananan’i Bartomeo, ka miaraka mikely aina mba hiditra ao amin’ny filaminan-javatra vaovao tsaran’Andriamanitra.—Marka 10:46-52.

FANAFAHANA AMIN’NY DEMONY—FAHAFAHANA AMIN’NY FAHAFATESANA SY NY ZAVA-MANAHIRANA

Ao amin’ity izao tontolo izao ankehitriny ity, izay Satana tsy hita maso no filohany, dia betsaka tokoa ny aretin-tsaina. Ny aretin-tsaina sasany dia vokatry ny fanafihana mivantana ataon’ny demony izay manao, amin’izao fotoana izao, ady hanangolena ny sain’ny olombelona. Nefa, ny anankiray amin’ireo asa izay hataon’i Jesosy voalohany indrindra amin’ny fanombohan’ny filaminan-javatra tsara vaovaon’Andriamanitra, dia ny hanao izay tsy hahafahan’i Satana sy ny demoniny manao na inona na inona. Ny amin’izany dia efa voalaza antsika ara-paminaniana ao amin’ny fahitan’i Jaona izay efa voalazantsika. Hatsipy ao anaty lavaka tsy hita noanoa Satana sy ny andian-demoniny “mba tsy hamitaka ny firenena intsony” (Fanambarana 20:1-3) Tamin’i Jesosy mbola teto ambonin’ny tany dia nanao fahagagana betsaka izy mampiseho ny fahaizany mandidy ny herin’ny demony. Ao amin’ny Marka toko 5:1-20 dia ahitantsika ny tantaran’ny lehilahy anankiray izay azon’ny demony marobe fa tsy tokana. Nodidin’i Jesosy fotsiny ireo demony ireo hiala tamin- dralehilahy, dia niala!

Amin’ireo fahavalo rehetran’ny olombelona dia ny fahafatesana no sarotra finganina indrindra. Ny nofinofy mamy sy ny zava-boaharin’ny olombelona dia mirodana ho azy eo anatrehan’ny fahafatesana. Kanefa ny maty dia hanana fahavelomana indray eo amin’ny filaminan-javatra vaovao tsaran’Andriamanitra. Toy izao no nambaran’i Jesosy: “Ary izao no sitrapon’izay naniraka ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny ahy fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy”. Koa satria efa fantatr’i Jesosy fa ny asa dia miendrika lavitra noho ny fitenenana, dia nasehony tamin’ny asa nampitolagaga ny zavatra rehetra noteneniny. Ny nampitolagaga indrindra tamin’ireny dia ny nananganan’i Jesosy an’i Lazarosy sakaizany, tamin’ny maty. Faty efa nilevina nandritra ny efatra andro, izany hoe efa nanomboka ho lo, vatana izay tsy azon’ny olombelona atao na inona na inona intsony, vatana izay niverina amin’ny vovoka, nefa dia nandray ny fahavelomany indray tamin’ny fananganana azy tamin’ny maty ka niantsoan’i Jesosy tamin’ny feo mafy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Tsy hita intsony ny ilazana ny hafalian’ny fontsika amin’ny fieritreretana fa ny havantsika rehetra efa maty dia hanana fahavelomana indray amin’ny fahenoana antso toy izany ao amin’ny filaminan-javatra tsara vaovaon’Andriamanitra!—Jaona 6:39; 11:1-44.

Jehovah dia nanome toky antsika ny fiainana tonga lafatra sy feno fahasambarana ao amin’ny filaminan-javatra vaovao tsara hataony. Tsy hanahirana kely akory ny hisian’izany, satria Jesosy dia efa nampiseho ny fahaizany mamonona sakafo ho an’ny velona araka izay ilàna azy. Tamin’ny fampakaram-bady tao Kana dia ny fisian’ny divay tsara efatra ka hatramin’ny enin-jato litatra no fahagagana nataony voalohany indrindra. Tsy misy tokony ahiana koa na kely aza ny amin’ny tsy fisian-kanina amin’ny fahafantarana ilay fahagagana nataon’i Jesosy izay nampihinanany ny lehilahy tsy homby dimy arivo, afa-tsy ny zaza amim-behivavy. Tamin’inona no namokisany azy? Tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa monja. Io fahagagana io dia niteraka fieritreretana lalina tamin’ireo mpianany satria io no hany fahagagana niarahan’ny evanjelista efa-dahy notantaraina tao amin’ny evanjeliny avy.—Matio 14:14-22; Jaona 6:1-13.

Dia hanontany tena angamba hianao ka hanao hoe: ahoana ary moa no hetezan’ny fahatanterahan’izany eto ambonin’ny tany. Moa va Jesosy dia tsy maintsy hiverina ara-batana eto ambonin’ity planetantsika ity indray ka handany taona marobe mba hitetezana izao tontolo izao hitsabo ny fery sy hanasitrana ny aretina? Tsia, tsy ilaina akory ny fisehoan’i Jesosy ara-batana eto ambonin’ny tany mba hahazoany manao ny asa-panasitranany. Tsarovintsika fa nositraniny fotsiny tamin’izao, na tsy teo anatrehany aza, ny mpanompon’ilay manam-boninahitra anankiray. Mbola naveriny indray io fomba fanasitranana mahagaga nataony io, na tsy teo anatrehany aza ilay marary, tamin’ilay zanaky ny vehivavy iray fenisianina sy tamin’ilay zazalahy zanak’andriana tao Kapernaomy (Matio 8:5-13; 15:22-28; Jaona 4:46-54). Ankehitriny Jesosy dia efa mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianana ao an-danitra, ary nomena azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. (Matio 28:18). Jesosy sy ireo anjely marobe eo ambany fifehezany any an-danitra avo be any, dia afaka mivoivoy eran’ny lanitra. Any an-danitra any no hanolorany ny fahasoavana, noho ny sorona fanalalanana nataony, ho an’ny olombelona rehetra mankatò eto ambonin’ny tany. Ny olombelona rehetra mankatò sy tsy mivadika aminy dia hanana fahalavorariana miandalandalana ary amim-pahagagana, satria tsy hanam-pahafatesana intsony ny olona. Hiroborobo tsy mitsahatra mihitsy koa ny fahasalamana. Foana ny ady, foana ny fahasahiranana mikasika ny fanavakavahan-bolon-koditra sy ny herisetra isan-karazany. Ho fahagagana eo amim-panombohana ary haharitra mandrakizay ny filaminan-javatra tsara sy vaovaon’Andriamanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara