TELAMA
(Telàma).
Toerana tany amin’ny sisin-tanin’ny Gesorita sy ny Girzita ary ny Amalekita, tamin’ny andron’i Davida, araka ny sora-tanana 12 amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. (1Sa 27:8) Raha izany no izy, dia toa i Telama ihany ilay Telaima resahin’ny 1 Samoela 15:4, sy ilay Talema tany amin’ny faritra atsimon’i Joda. (Js 15:21, 24) Tsy hoe “nanomboka tany Telama” (1Sa 27:8) anefa no ao amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta fa hoe “nanomboka efa ela be”, ka renisoratra hebreo roa monja no nahatonga an’ireo filazana ireo tsy hitovy.