FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Lanonana Feno Filibana”
  • Lanonana Feno Filibana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lanonana Feno Filibana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fankalazana Karnavaly — Tsara sa Ratsy?
    Mifohaza!—1996
  • Fifaliana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Afaka Manao Izay Hahafaly ny Fianakavianao koa Ianao
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Fitondran-tena Baranahiny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Lanonana Feno Filibana”

LANONANA FENO FILIBANA

Miseho intelo ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny teny grika hoe kômôs, izay nadika hoe “lanonana feno filibana”, ary ratsy foana ny heviny. Milaza i Joseph Thayer fa ny hevitr’io teny io ao amin’ny asa soratra grika fahiny dia hoe “filaharan’olona mamomamo sy nitabataba ary falifaly ka niadaladala. Nilahatra eran’ny arabe izy ireo tamin’ny alina, rehefa avy nisakafo hariva, ary nitondra jiro sy nampaneno mozika ho voninahitr’i Bacchus na andriamanitra hafa [na olona nandresy tamin’ny lalao]. Nihira sy nilalao teo anoloan’ny tranon’ny namany lahy sy vavy izy ireo.” (Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika-Anglisy, 1889, p. 367) Fahita tany amin’ireo tanàna grika tamin’ny andron’ny apostoly izany filaharan’olona ratsy fitondran-tena sy tsy nahafehy tena izany, ary mitovy amin’ny karnavaly any amin’ny tany sasany ankehitriny. Nila fampitandremana àry ny tena mpivavaka, ary nahasoa azy ireo izany.

Tena tsy mety amin’ny Kristianina ny lanonana feno filibana, sady raran’ny Tenin’Andriamanitra. Nanoratra ho an’ny Kristianina nonina tany amin’ireo faritany nanjakan’ny kolontsaina grika, tany Azia Minora, i Petera. (1Pe 1:1) Taloha ny sasany tamin’izy ireny dia “niaina tao anatin’ny fitondran-tena baranahiny, sy ny filan-dratsin’ny nofo, sy ny fibobohana divay, sy ny lanonana feno filibana, sy ny fifaninanana misotro, ary ny fanompoan-tsampy izay tsy araka ny lalàna.” Niova anefa izy ireny rehefa lasa Kristianina. (1Pe 4:3, 4) “Asan’ny haizina” ny lanonana feno filibana, ary manaitra ny filan’ny nofo sady mahatonga hanaram-po tanteraka, ka tsy tokony hanao izany ny Kristianina.​—Ro 13:12-14.

Mahazo mifalifaly ny olona ary tsy mandrara izany ny Baiboly. Nasaina hifaly amin’ny Mpamorona ny olona, hifaly amin’ny vadiny ny lehilahy, hifaly amin’ny asany ny mpiasa, ary hifaly amin’ny vokatry ny asa mafy nataony ny tantsaha. (Sl 32:11; Oh 5:18; Mpto 3:22; De 26:10, 11) Mahafaly ny mihinana sy misotro (Mpto 9:7; Sl 104:15), nefa ilaina foana ny mahalala onony sy mahay mandanjalanja. (Oh 23:20; 1Ti 3:2, 11; 1Ko 10:31) Lasa lanonana feno filibana ny korana, raha misy misotro mandra-pahamamo sy mitabataba ary manaitra ny filan’ny nofo. Nilaza i Paoly fa anisan’ny “asan’ny nofo” ny lanonana feno filibana, ka “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra” izay mpanao izany.​—Ga 5:19-21.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara