FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Onesimosy”
  • Onesimosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Onesimosy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Filemona sy Onesimosy — Tafaray tao Amin’ny Firahalahiana Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ny taratasy ho an’i Filemona, fanambarana ny amin’ny fampiharana ny kristianisma
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Filemona, Taratasy ho An’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-57 — Filemona
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Onesimosy”

ONESIMOSY

(Ônesimôsy) [Mahasoa].

Andevo nitsoaka ary nampian’i Paoly ho lasa Kristianina. Mpanompon’i Filemona, Kristianina tany Kolosia, izy fa nandositra nankany Roma. Nangalatra ny volan’ny tompony mihitsy angamba izy hanaovany ilay dia. (Kl 4:9; Flm 18) Mety ho efa nahita an’i Paoly izy, na fara faharatsiny, nahare an’i Filemona niresaka azy. Nandalo tao amin’ny faritra nisy an’i Filemona mantsy i Paoly ka nahalala azy, na dia tsy voalaza aza fa nankany Kolosia izy tamin’ny diany misionera. (As 18:22, 23; Flm 5, 19, 22) Tsy hay ny antony, fa tafaraka tamin’i Paoly tany Roma i Onesimosy ary tsy ela dia niova ho Kristianina. (Flm 10) Lasa mpanompo nahasoa an’i Paoly sady ‘rahalahy mendri-pitokisana sy malala’ nantsoiny hoe “sombinaiko” àry izy, na dia andevo tsy nahasoa an’i Filemona aza taloha.​—Kl 4:9; Flm 11, 12.

Mbola andevo nitsoaka anefa i Onesimosy ka tsy maintsy nampody azy tany amin’ny tompony i Paoly, na dia tsy te hanao izany aza noho izy io lasa namana mahafinaritra. Tsy afaka nanery azy anefa i Paoly. Niankina tamin’i Onesimosy na hody izy na tsia. Vonona hody izy, ka nampiarahin’i Paoly taminy i Tykiko. Nampitondrainy taratasy ho an’ny Kolosianina izy roa lahy, ary nasainy nitantara izay nitranga. (Kl 4:7-9) Nampitondrainy taratasy ho an’i Filemona koa i Onesimosy, na dia nanantena ny hafahana tsy ho ela tao am-ponja aza izy ary tsy andriny ny hitsidika an’i Filemona. (Flm 22) Toy ny hoe nampahafantatra indray an’i Onesimosy i Paoly tao amin’ilay taratasy sady nidera azy. Nosoratany tao mantsy fa Kristianina nafana fo i Onesimosy sady efa niova be, ka niangavy an’i Filemona izy mba handray azy toy ny Kristianina fa tsy toy ny andevo intsony. Hefainy koa, hoy izy, izay mety ho trosan’i Onesimosy tamin’i Filemona. (Flm 12-22) Mahaliana fa nanome toro lalana momba ny fomba tokony hifampitondran’ny tompo sy mpanompo koa ilay taratasy nampitondrain’i Paoly ho an’ny Kolosianina.​—Kl 3:22–4:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara