NOFA
(Nòfa).
1. Mety ho toerana tany Moaba, araka ny soratra nataon’ny Masoreta. (No 21:29, 30) Tsy fantatra hoe taiza no nisy azy io.
2. Anarana mahazatra iantsoana an’i Memfisa ao amin’ny Soratra Hebreo. Tanàna lehibe tany Ejipta fahiny izy io.—Is 19:13; Je 2:16; 44:1; 46:14, 19; Ezk 30:13, 16; jereo MEMFISA.