FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpitondra Hafatra”
  • Mpitondra Hafatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitondra Hafatra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitoriana, Mpitory
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Daniela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Teny Efatra Izay Nanova Izao Tontolo Izao
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’i Daniela?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpitondra Hafatra”

MPITONDRA HAFATRA

Tandapa nanambara ampahibemaso ny baiko sy didin’ny mpanjaka. Hita ao amin’ny Daniela 3:4 ny hoe mpitondra hafatra. Nilaza ny didin’i Nebokadnezara izy io hoe tokony hivavaka amin’ilay sarivongana nataony ny rehetra. Nisy koa ‘nanambara’ fa lasa mpitondra fahatelo teo amin’ny fanjakan’i Babylona i Daniela, araka ny baikon’i Belsazara Mpanjaka. (Da 5:29) Nambaran’ny mpitondra hafatra ny anaran’ny mpifaninana tsirairay tamin’ny lalao grika fahiny sy ny tany niaviany, ary ny anaran’ny mpandresy sy ny tany niaviany ary ny anaran-drainy.

Keryssô no matoanteny grika nadika hoe “mitory.” Miverina imbetsaka ao amin’ny Soratra Grika Kristianina io matoanteny io, ary azo adika koa hoe “mitondra hafatra.” Toy ny mpitondra hafatra ny mpitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Mt 24:14; Mr 13:10; ampit. Lk 8:39; Ap 5:2.

Midika hoe “manambara” (vaovao tsara na ratsy) ny hoe keryssô, fa ny hoe eoaggelizômai kosa midika hoe “milaza vaovao tsara.” Nitory (na nitondra hafatra, keryks) tamin’ny olona i Noa hoe ho avy ny Safodrano. (2Pe 2:5) Nitory (na nitondra hafatra) tamin’ireo fanahy tao am-ponja i Kristy, saingy tsy vaovao tsara ilay izy.​—1Pe 3:18, 19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara