FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpitondra Fiadiana”
  • Mpitondra Fiadiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitondra Fiadiana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Saoly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Andron’i Davida
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Samoela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Mankatò no Tsara Noho ny Sorona
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpitondra Fiadiana”

MPITONDRA FIADIANA

Miaramila mpitondra ny fitaovam-piadian’ny mpanjaka na mpitarika hafa, nijoro teo akaikiny rehefa nisy loza ary nanatanteraka ny baikony. “Mpitondra fiadiana” no nandikana ny teny hebreo hoe nôseʼ kelim (a.b.t.: ilay mitondra fitaovam-piadiana). (1Sa 14:6; ampit. 1Sa 14:1.) Mety ho namono an’izay fahavalo noratrain’ny mpitari-tafika ny mpitondra fiadiany. (1Sa 14:13) Tamin’ireo miaramila mahery fo no nifidianana mpitondra fiadiana, izay nisy vonona ho faty ho an’ny lehibeny.​—1Sa 14:6, 7; 31:5.

Nasain’i Abimeleka novonoin’ny mpitondra fiadiany ho faty izy rehefa naratra mafy, sao hisy hilaza hoe: “Vehivavy no namono azy.” (Mpts 9:52-54) Mpitondra fiadian’i Saoly Mpanjaka i Davida taloha. (1Sa 16:21) Namono tena toa an’i Saoly ny mpitondra fiadiany iray hafa, fa tsy nety namono azy ho faty. (1Sa 31:3-6) Nanana mpitondra fiadiana koa i Jonatana sy Joaba (1Sa 14:6-14; 2Sa 18:15; 23:37; 1Ta 11:39) ary ny lehiben’ireo miaramilan’ny firenena fahiny, toa an’i Goliata, Filistinina goavam-be.​—1Sa 17:7, 41.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara