FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpitory ny Vaovao Tsara”
  • Mpitory ny Vaovao Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitory ny Vaovao Tsara
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ataovy ny Asan’ny Mpitory ny Vaovao Tsara”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Tsy Maintsy Evanjelisitra ny Kristiana Marina Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Iza no tena evanjelistra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ny fitoriana ny filazantsara — ny toerany ao anatin’ny fanompoam-pivavahana marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpitory ny Vaovao Tsara”

MPITORY NY VAOVAO TSARA

Mpitory ny filazantsara; mpitondra hafatra mahafaly. Teny grika iray tarika ny hoe eoaggelistes (mpitory ny vaovao tsara na evanjelista) sy ny hoe eoaggeliôn midika hoe “vaovao tsara” na “filazantsara.” (Jereo VAOVAO TSARA; Na 1:15; Mt 4:23) I Jehovah no Lehibe Indrindra amin’ny mpitory ny vaovao tsara na mpilaza vaovao tsara. Taorian’ny nanotan’i Adama, dia vaovao tsara ny hoe hisy taranaka hanorotoro ny lohan’ny menarana, araka ny Genesisy 3:15. Nanome fanantenana ho an’ny olombelona izany. (Ro 8:20) Nilaza vaovao tsara tamin’i Abrahama i Jehovah, rehefa nanazava taminy bebe kokoa momba ilay taranaka nampanantenaina. (Ga 3:8; Ge 12:1-3) Efa voalazan’ny Isaia 52:7 fa hisy ‘hitondra vaovao tsara’ momba ny hodian’ny Jiosy avy tany Babylona. Nanonona an’io andininy io ny apostoly Paoly rehefa niresaka momba ny fitoriana ny vaovao tsara ataon’ny Kristianina. (Ro 10:15) Nitory ny vaovao tsara koa ny anjely Gabriela, rehefa nilaza tamin’i Zakaria fa ho teraka i Jaona Mpanao Batisa, ary nilaza tamin’i Maria fa ho teraka i Jesosy. Nitory ny vaovao tsara tamin’ny mpiandry ondry ny anjely iray tamin’i Jesosy teraka. (Lk 1:18-38; 2:10) “Nitory hatrany ny vaovao tsara tamin’ny olona” koa i Jaona Mpanao Batisa. (Lk 3:18) Mpitory ny vaovao tsara daholo ny mpianatr’i Jesosy satria nanambara ampahibemaso ny vaovao tsara izy ireo.​—As 8:4.

Misionera mpitory ny vaovao tsara. Mpitory ny vaovao tsara ny Kristianina rehetra, nefa nampiasain’i Paoly tamin’ny fomba manokana io teny io ao amin’ny Efesianina 4:8, 11, 12. Resahiny ao fa nanolotra “lehilahy ho fanomezana” ho an’ny fiangonana i Kristy tamin’izy niakatra tany amin’ny avo ka “nanome ny sasany ho apostoly izy, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho mpitory ny vaovao tsara, ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra” mba “hanorenana ny vatan’i Kristy.” Ho misionera ireo mpitory ny vaovao tsara hanao asa manokana ireo. Matetika izy ireo no hanokatra faritany vaovao mbola tsy nitoriana mihitsy. Nalahatra taorian’izy ireo ny mpiandry sy mpampianatra, ao amin’ny Efesianina 4:11. Ireny mantsy no manohy ny asan’izy ireo ka manatanjaka ny finoan’ireo nitoriana ny vaovao tsara sy natao mpianatra.

Nantsoina hoe mpitory ny vaovao tsara i Filipo. Taorian’ny Pentekosta, dia izy no nisantatra an’io asa io tany Samaria, ary tena nahita vokatra izy. Nirahin’ny anjely izy hitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy tamin’ilay tandapa etiopianina izay nataony batisa avy eo. Notarihin’ny fanahy i Filipo, taorian’izay, mba hitory tany Asdoda sy tany amin’ny tanàna rehetra teny an-dalana mankany Kaisaria. (As 8:5, 12, 14, 26-40) Nahavita be koa i Paoly tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara. (2Ko 10:13-16) Misionera mpitory ny vaovao tsara i Timoty, ary nasongadin’i Paoly io asa io tao amin’izao hafatra farany nolazainy taminy izao: “Fa ianao kosa, aoka ianao hisaina tsara foana amin’ny zava-drehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary tanteraho tsara ny fanompoanao.” Nitory ny vaovao tsara niaraka tamin’ny Kristianina hafa i Timoty no sady niandry sy nampianatra ny fiangonana noho izy mpiandraikitra tao Efesosy.​—2Ti 4:5; 1Ti 1:3.

Fitoriana ny vaovao tsara amin’ny “fotoanan’ny farany.” Ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny “fotoanan’ny farany” no lehibe indrindra hatramin’izay, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity ... vao ho tonga ny farany.” (Mt 24:14) Mitsabaka amin’ny politika sy ny toe-karena, ary ny fitsaboana sy ny toy izany ny misionera eto amin’ity tontolo ity. Ny Kristianina anefa nodidiana hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanampy ny olona ho lasa mpianatr’i Jesosy Kristy. (2Ti 4:2; 1Ko 9:16; 1Pe 1:12, 25; 4:17) Hoy ilay anjely nanidina teny afovoan’ny lanitra ka nitory ny vaovao tsara mandrakizay: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany. Koa mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” (Ap 14:6, 7) Izany no tokony hotorin’ny Kristianina mpitory ny vaovao tsara na misionera. Lazain’ny Baiboly fa misionera, na mpitory ny vaovao tsara manokana ny olona sasany, toa an’i Filipo. Misy Kristianina misionera amin’ny fomba manokana toy izany koa ankehitriny, ka mitory any an-tany hafa. (As 21:8) Ny Kristianina rehetra mihitsy anefa, na aiza izy na aiza, no nirahina sy nodidiana hitory ny vaovao tsara amin’ny karazan’olona rehetra.​—Ro 10:9, 10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara