FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Aneta”
  • Aneta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aneta
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Rota, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Lantihy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Komina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sinapy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Aneta”

ANETA

(anèta) [gr.: anetôn].

Eken’ny mpanao diksionera ankehitriny fa aneta (Anethum graveolens) ilay zavamaniry atao hoe anetôn (gr.), fa tsy karaotimanitra (gr.: annesôn), araka ny nandikan’ny Baiboly sasany (DIEM) azy. Betsaka noho ny karaotimanitra ny aneta ambolena any amin’ny faritr’i Palestina izao, ary voaporofo fa efa hatry ny ela izy io no nambolen’ny Grika sy Romanina ary ny tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Sarotiny erỳ ny Fariseo mpihatsaravelatsihy ka nanome ny ampahafolon’ny aneta sy ny anana hafa, nefa tsy niraharaha izay mavesa-danja kokoa tao amin’ny Lalàna. (Mt 23:23) Tsy ny ampahafolon’ny voany ihany no notakin’ny Mishnah jiosy (Maaserôt 4:5), fa ny ampahafolon’ilay zavamaniry koa.

Toy ny karaotimanitra ny aneta izay hoatran’ny ahidratsy rehefa maniry, ary 50 sm eo ho eo ny haavony. Maitso tanora sady lava mahia ny raviny, ary mavo sy kely misampantsampana ny voninkazony. Ny voany manitra no itiavan’ny mpamboly azy. Fanatsarana tsiron-tsakafo izy ireny ary fitsaboana aretim-bavony.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara