FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wcg toko 54 p. 242-245
  • Be Herim-po tao Anatin’ny Fotoan-tsarotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Be Herim-po tao Anatin’ny Fotoan-tsarotra
  • Manehoa Herim-po ho An’Andriamanitra
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fakafakao
  • Fampiharana
  • Saintsaino izao
  • Jereo koa ireto
  • ‘Tsy Misy Lehibe Noho Izy’
    Manehoa Herim-po ho An’Andriamanitra
  • Ny Hafatrafatr’ireo Lehilahy Tsy Nivadika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Henoy Tsara ny Valin’ireto Fanontaniana Ireto
    2025-2026 Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra Miaraka Amin’ny Mpiandraikitra ny Faritra
  • Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Hanapa-kevitra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
Hijery Hafa
Manehoa Herim-po ho An’Andriamanitra
wcg toko 54 p. 242-245

54 NY APOSTOLY JAONA

Be Herim-po tao Anatin’ny Fotoan-tsarotra

Endrika Sary
Endrika Sary

HOY ny apostoly Jaona: ‘Izao no ora farany.’ Efa antitra mantsy izy tamin’izay dia fantany hoe kely sisa dia tsy hisy apostoly intsony. Efa nampitandrina i Jesosy sy ny apostoly Paoly, am-polony taona talohan’izay, fa hiroborobo ny fivadiham-pinoana. Ny apostoly no nisakana an’izany, nefa rehefa maty ry zareo dia hihabetsaka ny mpampianatra sandoka hanimba ny fiangonana. (Mat. 7:15; Asa. 20:29, 30; 2 Tes. 2:6, 7) Toa i Jaona no farany tamin’ireo apostoly nisakana an’izany. Eritrereto ange izay tsapany rehefa niely tsikelikely tany amin’ny fiangonana ny mpivadi-pinoana e! Tsy kivy mihitsy anefa izy.

Nenjehina sy natao sesitany ny apostoly Jaona tamin’izy efa be taona, ary lasa be dia be koa ny mpivadi-pinoana. Inona no nanampy azy hiatrika an’izany?

Efa 90 taona mahery i Jaona nefa mbola nafana fo “niresaka momba an’Andriamanitra sady vavolombelona momba an’i Jesosy.” Izany no nahatonga azy natao sesitany tany Patmo, nosy iray ngazana sy be vatovato tany amin’ny Ranomasina Égée. Fa maninona izy no tsy kivy? Azo antoka fa tadidiny ity fampanantenan’i Jesosy ity: “Hiaraka aminareo foana aho isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.”​—Mat. 28:20.

Azo antoka hoe nientanentana erỳ i Jaona nahita sy naheno indray an’i Jesosy, 60 taona mahery taorian’ny nilazan’i Jesosy an’ireo teny ireo. Nasehony an’i Jaona ny zavatra tsara be hitranga amin’ny hoavy. Naharihariny koa fa haverina amin’ny laoniny sady hiray saina ny fiangonana kristianina, amin’ny “andron’ny Tompo.” Hanampy ny mpanara-dia azy hiatrika fitsapana mafy i Kristy amin’izay.

Naseho tamin’ny alalan’ny “famantarana”, na sary an’ohatra, ilay fahitana. Azo antoka hoe tsy takatr’i Jaona ny ankamaroan’ny zavatra hitany, nefa takany fa tsy havelan’i Jehovah sy Jesosy handresy ny mpivadi-pinoana. Hihabetsaka ny vahoakan’Andriamanitra sady hahazo fitahiana be dia be, mandritra ny andron’ny Tompo. Hisy ady hipoaka any an-danitra dia ho resy i Satana, hatsipy etỳ an-tany, ary haringana. Azo antoka hoe nahatonga an’i Jaona ho be herim-po ilay fahitana, ary nosoratany “ny zava-drehetra hitany.”

Ny apostoly Jaona manoratra ny fahitana azony avy amin’i Jesosy. Hitany i Jesosy nomem-boninahitra, manipy ho etỳ an-tany an’ilay dragona lehibe mena hoatran’ny afo sy ny demonia.

Tsy nampihena ny fifalian’i Jaona sy ny hafanam-pony ilay sesitany tany Patmo. Azo antoka hoe nafahana izy taorian’ny nahafatesan’ilay mpanjaka romanina atao hoe Domitien, izay tena nankahala ny Kristianina. Mety ho nankany Efesosy i Jaona tatỳ aoriana. Nahazo andraikitra vaovao sady tsy mora izy, tamin’izy 100 taona teo ho eo.

Notarihin’ny fanahy masina i Jaona mba hanoratra ny Filazantsara fahefatra farany. Azo inoana fa fantany hoe hiely haingana any amin’ny fiangonana ilay izy, ka hahatonga ny Kristianina ho be herim-po. Hainy koa hoe mety ho vao mainka hampahatezitra ny fahavalon’ny tena Kristianina ilay izy. Tsy nahasakana azy anefa izany.

Nampian’ny fanahy masina i Jaona dia mbola tadidiny tsara daholo izay nataon’i Jesosy sy nolazainy, na dia efa 70 taona teo ho eo aza i Jesosy no maty. Nanoratra tantara manohina ny fo momba ny fiainan’i Jesosy izy, ary 90 isan-jato eo ho eo amin’ny zavatra nosoratany no tsy hita ao amin’ny Filazantsara telo hafa nosoratana taloha kokoa. I Jaona irery, ohatra, no nanoratra momba ny nananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty sy ny tetika nataon’ny mpitondra fivavahana mba hamonoana azy. (Jaona 11:1-46; 12:10) Nosoratany tamin’ny an-tsipiriany koa ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany sy ny vavaka nataony ho azy ireo, tamin’ilay alina namadihana azy. Tena mahasoa ny Kristianina rehetra ny zavatra nosoratany.

Notarihin’ny fanahy hanoratra taratasy telo ho an’ny mpiray finoana aminy koa i Jaona, tokotokony ho tamin’izay fotoana izay. Sahy nanala sarona ny mpivadi-pinoana, izay nanomboka nahazo vahana, izy sady nampirisika ny fiangonana mba tsy hiarahaba azy ireny akory. Niresaka be momba ny fitiavana sy ny fanantenana koa izy. Nampianatra izy hoe “Andriamanitra dia fitiavana”, ary nasehony tamin’ny fampaherezana sy ny fampirisihana nosoratany izany. Nanoratra koa izy hoe faly izy rehefa mahita fa “tsy miala amin’ny fahamarinana” mihitsy ny zanany ara-panahy. Tsy isalasalana fa mandrisika ny maro mba hifikitra amin’ny fahamarinana ny teniny.

Tsy hiaina ny zavatra natrehin’i Jaona intsony isika. Marina fa vao mainka niroborobo ny fivadiham-pinoana rehefa maty izy, ary nanimba ny fiangonana rehetra izany. Nampanantena anefa i Jehovah fa tsy havelany hitranga intsony izany. (Isaia 54:17; Asa. 3:21) Na izany aza dia mbola mety hiatrika olana ihany isika na henjehina na hogadraina, na hatoka-monina hoatran’i Jaona mihitsy aza. Andao àry isika hanahaka azy dia ho tapa-kevitra ny haneho herim-po foana ho an’Andriamanitra, na inona na inona mitranga!

Vakio ilay tantara:

  • Jaona 16:1–17:26

  • 1 Jaona 2:18; 4:8

  • 2 Jaona 9-11

  • 3 Jaona 4

  • Apokalypsy 1:1, 2, 9-11; 12:9; 20:1-6; 21:1-5

Iaraho midinika:

Ahoana no nampisehoan’i Jaona hoe be herim-po izy?

Fakafakao

  1. 1. Inona no mampiseho hoe olona nafanafana fo i Jaona? (bt 33, efajoro § 3-4)

  2. 2. Nahoana no nisy nilaza fa “tsy nahita fianarana ... sady olon-tsotra” i Jaona? (Asa. 4:13; w08 15/5 30 § 6)

  3. 3. Inona no dikan’ilay hoe ho eo foana i Jaona mandra-pahatongan’i Jesosy? (Jaona 21:22; w05 15/1 13 § 14-15)

  4. 4. Nahoana isika no afaka milaza fa i Jaona no nanoratra an’ilay Filazantsara mitondra ny anarany? (it “Jaona, Filazantsaran’i” § 2-8) A

    Fondation Martin Bodmer, Cologny (Genève)

    Sary A: Baiboly sora-tanana tamin’ny taona 200 tany ho any, misy lohateny (anaty efajoro) hoe “Filazantsara Nosoratan’i Jaona”

Fampiharana

  • Injato mahery i Jaona no niresaka momba ny nanaovan’i Jesosy sorona ny ainy sy ny soa azo avy amin’izany, ao amin’ireo boky nosoratany ao amin’ny Baiboly. Ahoana koa no azontsika ampisehoana hoe mankasitraka an’io sorona io isika?

  • Efa ho 100 taona i Jaona tamin’izy nasaina nanoratra boky dimy ao amin’ny Baiboly. Inona no ianarantsika avy amin’izany momba ny fahitan’i Jehovah ny be taona? B

    Sary: Anabavy be taona nefa mbola be atao foana. 1. Mitarika fampianarana Baiboly amin’ny alalan’ny vidéoconférence izy. 2. Manolotra fanomezana kely ho an’ny anabavy mpisava lalana tanora ao amin’ny fiangonany izy. Mitazona boky ho an’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana ilay anabavy tanora.

    Sary B

  • Ahoana no azonao anahafana ny herim-pon’i Jaona?

Saintsaino izao

  • Inona no ianarako momba an’i Jehovah avy amin’io tantara io?

  • Inona no ifandraisan’izy io amin’ny fikasan’i Jehovah?

  • Nahoana no mahafaly anao ny mahalala hoe anisan’ireo voafidy hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra i Jaona?

Jereo koa ireto

Afaka ny ho be herim-po hoatran’i Jaona koa ve ny rahalahy sy anabavy be taona amin’izao?

Miezaha ho Be Herim-po: Ry Zokiolona (2:04)

Niresaka be momba ny fitiavana i Jaona. Jereo hoe inona no azontsika ianarana avy amin’izay nosoratany sy ny modely nomeny.

“Inona no Azo Ianarana avy Amin’ilay ‘Mpianatra Tian’i Jesosy?’” (w21.01 8-13)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara