FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • kp p. 22-23
  • “Tsy Niraharaha Izy Ireo”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tsy Niraharaha Izy Ireo”
  • Miambena Hatrany!
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hihaino ny fampitandreman’Andriamanitra ve ianao?
  • Tsy miraharaha ny fampitandremana izy ireo ary maka fanahy an’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Miomana ho amin’ny fanafahana mba ho ao amin’ny tontolo vaovao iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Tadidio ny Nataon’ny Vadin’i Lota
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Sodoma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Miambena Hatrany!
kp p. 22-23

“Tsy Niraharaha Izy Ireo”

METY hiharan-doza izay minia tsy miraharaha fampitandremana.

Niomana hanao fety ny mponina tany Darwin, any Aostralia, tamin’ny 1974. Tamin’izay no naneno ny fanairana, nampitandrina fa nisy rivo-doza nananontanona. Tsy nisy rivo-doza nandalo mihitsy anefa tany Darwin tao anatin’ny 30 taona, koa nahoana moa no izao vao hisy? Tsy nihevitra ilay toe-javatra ho tena nampidi-doza ny olona, raha tsy efa nifofofofo mafy ny rivotra, ka niendaka ny tafon’ireo trano nialofan’izy ireo ary nianjera ny rindrina. Rava tanteraka ilay tanàna ny ampitso maraina.

Nisy volkano nipoaka tany Kolombia tamin’ny Novambra 1985. Nitsonika ny oram-panala sy ny ranomandry, ka nahatonga riakam-potaka nandrakotra ny tanànan’i Armero. Maherin’ny 20 000 ny olona maty. Fa angaha tsy nisy fampitandremana mihitsy? Efa am-bolana maromaro no nihovitrovitra ilay tendrombohitra. Zatra nipetraka akaikina volkano anefa ny mponin’i Armero, ka tsy taitra tamin’izany intsony ny ankamaroany. Nahazo fampitandremana ny manam-pahefana hoe tsy ho ela dia hitranga ny loza, saingy tsy tena nampiomana ny vahoaka izy ireo. Nolazaina tamin’ny radio fa tsy nisy zavatra tokony hatahorana. Nampiasaina ny fanamafisam-peon’ny fiangonana mba hampitonena ny olona. Nipoaka indroa anefa ilay volkano indray takariva, ary tena nanaitra ilay izy. Raha niaina tamin’izany ianao, ho nahafoy ny fanananao ve ianao ka nandeha nandositra? Olona vitsy no mba niezaka nandositra, fa ny hafa kosa efa tara loatra vao nanao izany.

Hain’ny manam-pahaizana tsara matetika ny mamantatra ny toerana hisy horohoron-tany. Tsy fantatr’izy ireo anefa amin’ny ankapobeny ny fotoana marina hitrangan’izany. Tamin’ny 1999, dia olona 20 000 teo ho eo no matin’ny horohoron-tany nanerana an’izao tontolo izao. Maro tamin’ireo olona maty no tsy nieritreritra ny hiharan-doza mihitsy.

Hihaino ny fampitandreman’Andriamanitra ve ianao?

Efa ela ny Baiboly no nanambara mazava tsara ireo fisehoan-javatra hamantarana ny andro farany. Mampirisika antsika koa izy io mba handinika “ny andron’i Noa.” “Fony mbola tsy tonga ny safodrano”, dia variana tamin’ny fiainany andavanandro ny olona, na dia samy nanahy momba ny fitomboan’ny herisetra aza. Rehefa nanome fampitandremana tamin’ny alalan’i Noa Andriamanitra, dia “tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.” (Matio 24:37-39) Ho nihaino ny fampitandremana ve ianao raha niaina tamin’izany andro izany? Mihaino fampitandremana ve ianao ankehitriny?

Aoka hatao hoe nipetraka tany Sodoma, teo akaikin’ny Ranomasina Maty, ianao tamin’ny andron’i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama. Toy ny paradisa ilay faritra. Nanan-karena ilay tanàna. Tsy nisy zavatra nampanahy ny olona. Tamin’ny andron’i Lota, dia “nihinana ny olona, nisotro, nividy, nivarotra, namboly ary nanorina trano.” Faran’izay ratsy koa ny fitondran-tenan’ny olona tamin’izany. Ho nanaraka ny fampitandreman’i Lota momba ny fanao ratsy tamin’izany fotoana izany ve ianao? Ho nino ve ianao rehefa nilaza izy fa nanapa-kevitra ny handrava an’i Sodoma Andriamanitra? Mety ho noraisinao ho vazivazy ve izany, toy ny nataon’ireo vinanton’i Lota? Sa kosa ianao ho nandositra ihany, fa avy eo niherika, tahaka ny vadin’i Lota? Tsy niraharaha ilay fampitandremana ny olona, kanefa rehefa nivoaka ny tanànan’i Sodoma i Lota, dia “nilatsaka toy ny orana ny afo sy solifara avy tany an-danitra, ka nandringana azy rehetra.”—Lioka 17:28, 29.

Tsy miraharaha fampitandremana koa ny ankamaroan’ny olona amin’ny androntsika. Voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa ireny ohatra ireny mba handraisantsika fianarana, sy handrisihana antsika HIAMBINA HATRANY!

[Efajoro/Sary, pejy 22]

Tena Nisy ve ny Safodrano Naneran-tany?

Manam-pahaizana maro no milaza hoe Tsia, fa ny Baiboly kosa milaza hoe Eny.

Niresaka momba azy io mihitsy i Jesosy Kristy. Nanatri-maso izany izy tany an-danitra.

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Noravana Tokoa ve i Sodoma sy Gomora?

Manamarina izany ny zavatra hita tamin’ny fikarohana ambanin’ny tany.

Voarakitra ao amin’ny tantara tsy ara-pivavahana koa izany.

Nanamafy i Jesosy Kristy fa tena nitranga izany. Boky 14 ao amin’ny Baiboly koa no miresaka momba izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara