FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • gf lesona 9 p. 15
  • Iza no Naman’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Naman’Andriamanitra?
  • Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Zavaboary Ara-panahy An-tapitrisany Maro
    Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?
  • “Fanahy Manao Fanompoana ho An’ny Besinimaro” ny Anjely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Lasa Anjely ve ny Olona Rehefa Maty?
    Mifohaza!—2006
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
gf lesona 9 p. 15

LESONA 9

Iza no Naman’Andriamanitra?

Jesosy Kristy, Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy anjely mitarika ny asa fitoriana

Zanak’Andriamanitra i Jesosy Kristy. Izy no tian’i Jehovah indrindra sy namany akaiky indrindra. Anjely mahery tany an-danitra i Jesosy, talohan’ny naha olombelona azy. (Jaona 17:5) Tonga teto an-tany izy, mba hampianatra ny olona ny marina momba an’Andriamanitra. (Jaona 18:37) Nanome ny ainy koa izy mba hanavotana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Romanina 6:23) Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izao i Jesosy. Fitondram-panjakana any an-danitra izy io, ary hanova ny tany ho Paradisa.—Apokalypsy 19:16.

Naman’Andriamanitra koa ny anjely. Tsy ny olombelona no lasa anjely. Noforonin’Andriamanitra tany an-danitra izy ireo, talohan’ny nanaovany ny tany. (Joba 38:4-7) An-tapitrisany ny anjely. (Daniela 7:10) Tian’izy ireo hianatra ny marina momba an’i Jehovah ny olona.—Apokalypsy 14:6, 7.

Vavolombelon’i Jehovah mitory amin’ny vehivavy anankiray

Misy naman’Andriamanitra koa eto an-tany. Antsoiny hoe Vavolombelony izy ireo. Milaza izay marina fantany ny vavolombelona, any amin’ny fitsarana. Milaza izay fantany momba an’i Jehovah sy ny fikasany koa ny Vavolombelony. (Isaia 43:10) Manahaka ny anjely ny Vavolombelona, ka maniry hanampy anao hianatra ny marina momba an’i Jehovah. Tian’izy ireo ho naman’Andriamanitra koa mantsy ianao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara