FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • gf lesona 8 p. 14
  • Iza no Fahavalon’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Fahavalon’Andriamanitra?
  • Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Miambena Satria Te Handrapaka Anao i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Fantaro Ilay Fahavalonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Satana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Satana
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
gf lesona 8 p. 14

LESONA 8

Iza no Fahavalon’Andriamanitra?

I Satana Devoly no fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra. Anjely nikomy tamin’i Jehovah izy. Manohitra an’Andriamanitra foana i Satana ary mampijaly ny olombelona. Ratsy fanahy izy, sady mpandainga sy mpamono olona.—Jaona 8:44.

Demonia

Nisy anjely hafa koa niara-nikomy tamin’i Satana. Antsoina hoe demonia izy ireny ao amin’ny Baiboly. Fahavalon’ny olombelona ny demonia. Tia mampijaly olona koa izy ireo, toa an’i Satana. (Matio 9:32, 33; 12:22) Kely sisa dia tsy havela hampijaly ny olona intsony i Satana sy ny demoniany. Haringan’i Jehovah mandrakizay mantsy izy ireo.—Apokalypsy 12:12.

Tsy tokony hanao izay tian’i Satana ianao, raha te ho naman’Andriamanitra. Mankahala an’i Jehovah i Satana sy ny demonia. Fahavalon’Andriamanitra izy ireo, ary tiany ho toy izany koa ianao. Tsy maintsy mifidy ianao hoe iza no tianao: i Satana sa Jehovah. Tsy maintsy mifidy ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra ianao, raha te hiaina mandrakizay. Mampiasa tetika sy fomba maro anefa i Satana mba hamitahana olona, ary efa voafitany ny ankamaroany.—Apokalypsy 12:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara