Toko faha-14
Iza no mankany an-danitra, ary nahoana?
1. Ahoana no amalian’ny ankamaroan’olona ny fanontaniana hoe: Iza no mankany an-danitra, ary nahoana?
BE DIA BE no mino fa ‘mankany an-danitra daholo ny tsara fanahy’. Rehefa apetraka ny fanontaniana hoe nahoana, dia izao no avalin’ny sasany: ‘Mba hiaraka amin’Andriamanitra’ na: ‘Ho valisoa noho ny fitondrantenany tsara.’ Inona no ampianarin’ny Baiboly ny amin’izany?
2, 3. a) Inona no antoka ananantsika fa ho any an-danitra ny olona sasany? b) Fanontaniana inona no mitaky valiny?
2 Porofoin’ny Baiboly mazava fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, niakatra ho any an-danitra ary hisy olona hanaraka azy any. Ny alina nialoha ny hahafatesany, dia hoy Jesosy tamin’ireo apostoliny: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” — Jaona 14:1-3.
3 Tamin’ny teny mazava no nanambaran’i Jesosy tamin’izy ireo fa ho any an-danitra izy ireo mba ho eo anilany. Nampahatsiahy matetika an’io fanantenana io ny apostoly Paoly. Izao, ohatra, no nosoratany: “Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo.” (Filipiana 3:20, 21; Romana 6:5; II Korintiana 5:1, 2). Niankina tamin’ireo fampanantenana ireo ny olona an-tapitrisany maro ka nampifantoka ny fony ho amin’ny fiainana any an-danitra. Nefa moa ve mankany an-danitra ny tsara fanahy rehetra?
MANKANY AN-DANITRA DAHOLO VE NY TSARA FANAHY REHETRA?
4, 5. Inona no porofo ananantsika fa Davida sy Joba dia tsy nankany an-danitra?
4 Taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty, dia hoy ny apostoly Petera tamin’ny Jiosy: “Davida patriarka (...) efa maty (...), ary ny fasany eto amintsika mandraka andro-any. Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra”. (Asan’ny apostoly 2:29, 34). Araka izany dia tsy nankany an-danitra akory i Davida, lehilahy tsara. Fa ahoana ny amin’i Joba marina?
5 Tao anatin’ny fahoriany, dia nivavaka tamin’Andriamanitra toy izao i Joba: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita [ny fasana] Hianao ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy.” Teo am-pahafatesany, dia nanantena ny ho any am-pasana i Joba ka ao dia tsy hahatsiaro tena, nefa tsy hoe tsy nanana fanantenana izy akory, satria izao no nolazainy: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako [fijanonana ao am-pasana] aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako. Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao.” — Joba 14:13-15.
6, 7. a) Inona no mampiseho fa tsy nisy mihitsy olona talohan’i Kristy nankany an-danitra? b) Inona no hitranga amin’ny olo-mahatoky rehetra izay maty talohan’i Kristy?
6 Jaona, izay nanao batisa an’i Jesosy, dia olona tsara koa. Izao anefa no nolazain’i Jesosy: “Ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.” (Matio 11:11). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy ho any an-danitra i Jaona. 4000 taona mahery taorian’ny nikomian’i Adama sy Eva, dia nilaza toy izao i Jesosy olona: “Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona”. — Jaona 3:13.
7 Araka izany, dia hita amin’ny filazan’i Jesosy fa tsy nisy olona niakatra ho any an-danitra mihitsy nandritra ireo 4000 taona lasa ka hatreo amin’ny androny. Davida, Joba sy Jaona mpanao batisa dia hitsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany. Raha ny marina, ny olo-nahatoky rehetra izay maty talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanantena ny ho velona indray eto an-tany fa tsy any an-danitra. Hovelomina indray izy ireny ka ho tonga vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. — Salamo 72:7, 8; Asan’ny apostoly 17:31.
NAHOANA NO MISY OLO-MAHATOKY MANKANY AN-DANITRA
8. Ny valiny amin’ny fanontaniana inona avy no zava-dehibe, ary nahoana?
8 Nahoana no nankany an-danitra i Jesosy? Nantsoina hanao inona any izy? Zava-dehibe ny valin’ireo fanontaniana ireo, satria ireo izay mankany an-danitra dia hanao asa sahala amin’ny an’i Kristy. Noho izany antony izany mihitsy no ankanesan’izy ireo any.
9, 10. Araka ny filazan’i Daniela, ankoatran’i Kristy, iza koa no tokony hitondra ao amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra?
9 Araka ny efa hitantsika, Jesosy dia hitondra ny tany vaovao amin’ny maha-Mpanjakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra azy. Taonjato maro talohan’ny nahatongavany teto an-tany, dia nambaran’ny bokin’i Daniela fa handray “fanapahana” ny ‘Zanak’olona’. Jesosy Kristy io “Zanak’olona” io (Marka 14:41, 62). Ary izao no teny nanampin’i Daniela: “Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.” — Daniela 7:13, 14.
10 Aoka homarihintsika izao: Araka ny filazan’i Daniela, io ‘Zanak’olona’ io dia tsy tokony hanjaka irery. Hoy ny Baiboly: “Ary ny fanjakana sy ny fanapahana (...) dia homena ny olo-masin’ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay.” (Daniela 7:27). Ny fitenenana hoe ‘olona’ sy “ny fanjakany” dia mampiseho fa hisy hafa hiaraka amin’i Kristy ao amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra.
11. Inona no mampiseho fa ireo mpianatr’i Kristy voalohany dia hiara-hanjaka aminy?
11 Tamin’ny alina farany niarahan’i Jesosy tamin’ireo apostoly nahatoky iraika ambin’ny folo, dia nilaza taminy izy fa ho tonga filoha eo anilany ao amin’ny Fanjakana izy ireo. “Ary hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy”. (Lioka 22:28, 29). Taty aoriana, dia tafiditra tao anatin’io fanekena io ny apostoly Paoly sy Timoty, porofon’izany izao teny nataon’i Paoly ho an’i Timoty izao: “Raha miaritra [hatrany, MN] isika, dia hiara-manjaka aminy”. (II Timoty 2:12). Ny apostoly Jaona koa dia niresaka ny amin’ireo izay ‘hanjaka ambonin’ny tany’ miaraka amin’i Kristy. — Apokalypsy 5:9, 10; 20:6.
12. Inona no toe-javatra momba ny ‘taranak’i Abrahama’ mampiharihary fa hisy mpitondra hampiarahina amin’i Kristy?
12 Ireo mankany an-danitra àry dia voantso hiara-mitondra amin’i Kristy ao amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra. Jesosy no “taranaka” lehibe indrindra ary ampiarahin’Andriamanitra aminy ny olona izay tonga anisan’ny “taranaka” koa, araka ny lazain’ny Baiboly hoe: “Fa raha an’i Kristy hianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.” — Galatiana 3:16, 29; Jakoba 2:5.
OLONA FIRY NO MANKANY AN-DANITRA?
13. a) Nahoana ireo zaza vao teraka no tsy mankany an-danitra? b) Ahoana no ilazalazan’i Jesosy ireo izay mandray ny Fanjakana?
13 Noho izy ireny natao hitondra ny tany, ny olona mankany an-danitra dia mpianatr’i Jesosy efa voasedra. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny zaza vao teraka sy ny ankizy kely tsy mbola nandalo fitsapana tamin’ny asa kristiana dia tsy mankany an-danitra (Matio 16:24). Raha maty kosa anefa izy ireny dia hovelomina indray eto an-tany (Jaona 5:28, 29). Araka izany, ny olona voantso ho any an-danitra dia vitsy raha oharina amin’ireo izay hiaina eto an-tany eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana. Hoy Jesosy tamin’ireo mpianany: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” — Lioka 12:32.
14. Olona firy no mahaforona ny “ondry vitsy” mankany an-danitra?
14 Firy no ho isan’ny mpitondra? Voafetra ho ireo apostoly sy ireo mpianatr’i Jesosy voalohany ihany ve izany? Tsia, tsy voafetra ho ireo ihany ny “ondry vitsy”, araka ny Apokalypsy 14:1, 3: “Ary hitako fa, indro, ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona [any an-danitra], ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy (...) izay navotana [nalaina] niala tamin’ny tany.” Mariho fa olona 144 000 monja no hita eo anilan’ny Zanak’ondry eo an-tendrombohitra Ziona any an-danitra (Hebreo 12:22). Tsy manambara velively àry ny Baiboly hoe mankany an-danitra daholo ny tsara fanahy, fa lazainy mazava kosa hoe olo-mahatoky sy efa nosedraina 144 000 ihany no horaisina any mba hiara-manjaka amin’i Kristy.
NAHOANA NO FIDINA AVY ETO AN-TANY IZY IRENY
15. Nahoana Andriamanitra no mifidy ireo hitondra ilay Fanjakana eo amin’ny olombelona?
15 Nahoana ireny ho mpitondra ireny no fidina eo amin’ny olombelona fa tsy eo amin’ny anjely? Satria teto an-tany no nolavina ny maha-ara-dalàna ny fanapahan’i Jehovah. Teto ny tsy fivadihan’ny olona tamin’Andriamanitra no azo notsapaina tamin’ny fanoheran’ny Devoly. Teto koa Jesosy no nanaporofo tamin’ny fomba feno ny fahitsiany teo anatrehan’Andriamanitra tao anatin’ny fitsapana, ka nanolorany ny ainy ho avotra ho an’ny olombelona. Izany no antony nanangonany olona “ondry vitsy” sy nampiarahany azy amin’ny Zanany ao amin’ny Fanjakana. Tamin’ny tsy fivadihan’izy ireo tamin’Andriamanitra, dia noporofoiny fa mpandainga ny Devoly rehefa milaza fa noho ny fitadiavana tombontsoa fotsiny no anompoan’ny olona an’Andriamanitra. Nety àry raha tamin’ny alalan’ny olombelona no nanao izay hanomezam-boninahitra ny tenany Jehovah. — Efesiana 1:9-12.
16. Nahoana isika no afaka ny ho velom-pankasitrahana satria efa velona teto an-tany ireo ho filoha ao amin’ilay Fanjakana?
16 Endrey ny fahasambarana hotapahin’olona nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra teto an-tany, ka ny sasany aza nanao sorona ny ainy ho an’ilay Fanjakana (Apokalypsy 12:10, 11; 20:4)! Tsy hitan’ny anjely izany karazam-pitsapana izany na ny zava-manahirana fahitan’ny olona. Noho izany dia tsy azony atao ny hipetraka eo amin’ny toeran’ny olona tsy tanteraka mba hahatakatra ny fahasahiranan’izy ireny. Tsy toy izany ny amin’ireo 144 000 izay tsy maintsy nisetra zava-nanahirana toy izany. Nisy taminy tsy maintsy niala tamin’ny fanao meloka ka fantany fa sarotra tokoa izany (I Korintiana 6:9-11). Hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ireo vahoakany eto an-tany àry izy ireny. — Hebreo 2:17, 18.
NY KONGREGASIONAN’ANDRIAMANITRA
17. Manondro inona moa ny teny hoe “kongregasiona”?
17 Araka ny filazan’ny Baiboly, dia Kristy no Filohan’ny kongregasionan’Andriamanitra ary ireo anisany dia eo ambany fahefany (Efesiana 5:23, 24). Araka izany, ny teny hoe “fiangonana” na “kongregasionan’Andriamanitra” dia tsy manondro trano akory fa antokon’olona kristiana (I Korintiana 15:9). Mety àry ny hiresahana ny amin’ny kongregasionan’ny kristiana iarahantsika, toy ny anasian’ny Baiboly fitenenana ny amin’ny “fiangonan’ny [kongregasionan’ny, MN] Laodikiana” sy “ny fiangonana [kongregasiona, MN] ao an-tranonao [ny an’i Filemona]”, araka ny taratasin’i Paoly ho an’i Filemona.” — Kolosiana 4:16; Filemona 2.
18. a) Iza no mahaforona “ny kongregasionan’Andriamanitra velona”? b) Inona avy no fitenenana anondroana an’io kongregasiona io ao amin’ny Baiboly?
18 Nefa rehefa miresaka ny amin’ny “kongregasionan’Andriamanitra velona” ny Baiboly (I Timoty 3:15, MN), dia manisy fitenenana ny amin’ny antoko-mpianatr’i Kristy sasany antsoina koa hoe “kongregasionan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra”. (Hebreo 12:23, MN). Araka izany, io “kongregasionan’Andriamanitra” io dia voaforon’ny kristiana rehetra izay manana fanantenana ny fiainana any an-danitra, izany hoe 144 000 amin’ny fitambarany. Vitsy monja sisa tavela amin’izao andro izao. Ireo kristiana izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany dia mitady fitarihana ara-panahy eo anilan’ireo anisan’io “kongregasionan’Andriamanitra velona” io. Ny Baiboly dia manondro azy koa amin’ny fitenenana hoe: “ny ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry”, “ny tenan’i Kristy”, “ny tempolin’Andriamanitra”, “ny Isiraelin’Andriamanitra” sy “Jerosalema vaovao”. — Apokalypsy 21:9; Efesiana 4:12; I Korintiana 3:17; Galatiana 6:16; Apokalypsy 21:2.
FOTO-JAVATRA VAOVAO AO AMIN’NY FIKASAN’ANDRIAMANITRA
19. Inona no foto-javatra vaovao nomanin’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany tamin’ny voalohany momba ny tany?
19 Tsy novan’i Jehovah ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona taorian’ny nitarihan’i Adama ny taranak’olombelona tao anatin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Izay rehetra nety ho fanovana dia nety hahatonga hieritreritra fa tsy afaka nanatanteraka ny fikasany tamin’ny voalohany izy. Vao tamin’ny voalohany, dia nikasa ny hanao ny tany ho paradisa honenan’ny zavaboary sambatra sy salama tanteraka izy. Mbola toy izany foana ny fikasany. Ny hany foto-javatra vaovao, dia ny nananganan’Andriamanitra fitondram-panjakana mba hanatontosana izany. Aoka hotadidiantsika fa Jesosy Kristy Zanany no Filohan’io fitondram-panjakana any an-danitra io ary olona 144 000 nalaina teo amin’ny olombelona no hiaraka aminy ao amin’ny fiandrianany. — Apokalypsy 7:4.
20. a) Inona no mahaforona ny “lanitra vaovao” sy ny “tany vaovao”? b) Inona no tokony hataonao mba hahatongavana ho anisan’ny “tany vaovao”?
20 Ireny mpitondra any an-danitra ireny no hahaforona ny “lanitra vaovao” ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra. Ary iza no ho vahoakan’io fitondram-panjakana io? Araka ny filazan’ny Baiboly, ireo dia hahaforona ny “tany vaovao”. (II Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4.) Anisan’izy ireo dia ho ao Joba, Davida sy Jaona mpanao batisa, eny, ny olo-mahatoky rehetra izay velona talohan’ny nahatongavan’i Kristy teto an-tany. Nefa olon-kafa maro be no mbola ho avy koa hahaforona ny “tany vaovao”, anisan’izany ireo ho tafita velona amin’ny fandringanana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Ho anisan’izy ireny ve ianao? Irinao ve ny ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra? Raha izany no izy, dia tsy maintsy mahafeno fepetra sasany ianao.
[Sary, pejy 121]
Nankany an-danitra ve ireo olona tsara ireo?
Davida mpanjaka
Joba
Jaona mpanao batisa
[Sary, pejy 122]
Tamin’ny alina farany niarahany tamin’ireo apostoliny, dia nilaza tamin’izy ireo i Jesosy fa ho filoha eo anilany ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy izy ireo.