FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g20 No. 3 p. 8-9
  • Ekeo hoe Manana ny Mampiavaka Azy ny Hafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ekeo hoe Manana ny Mampiavaka Azy ny Hafa
  • Mifohaza!—2020
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Olana
  • Toro lalana
  • Inona no azonao atao?
  • Manavakavaka ve Ianao?
    Mifohaza!—2020
  • Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny Fanavakavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Nahoana no Misy ny Fanavakavahana?
    Mifohaza!—2009
  • Olana Eran-tany ny Fanavakavahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Mifohaza!—2020
g20 No. 3 p. 8-9
Sary: 1. Mpivady iray sorena satria mibahan-dalana ny vehivavy jamba iray. 2. Nanatrika fampisehoana izy mivady tatỳ aoriana. Ilay vehivavy jamba no mitendry zavamaneno ary gaga izy mivady mahita ny fahaizany.

Ekeo Hoe Manana Ny Mampiavaka Azy Ny Hafa

Olana

Mety hanavakavaka ny olona manambony tena. Mihevi-tena ho miavaka sy ambony ny olona hoatr’izany, dia heveriny fa ambany noho izy ny olona tsy mitovy aminy. Mety ho tratran’izany daholo isika rehetra. Izao no lazain’ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Saika ny olona avy amin’ny kolontsaina rehetra no mieritreritra hoe ambony kokoa noho ny an’ny hafa ny fomba fiainany, ny sakafony, ny fitafiany, ny fahazarany, ny finoany, ny fitsipika arahiny, sy ny sisa.” Inona no hanampy antsika tsy hieritreritra hoatr’izany?

Toro lalana

“Amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.”—FILIPIANINA 2:3.

Ahoana izany? Mila manetry tena isika mba tsy hifantoka be loatra amin’ny tenantsika. Raha manetry tena mantsy isika, dia lasa mahita hoe manana ny mampiavaka azy ny hafa amin’ny lafin-javatra sasany. Tsy hisy mihitsy ny hoe lasan’ny sokajin’olona anankiray daholo ny toetra tsara rehetra sy ny fahaizana rehetra.

Diniho ny ohatr’i Stefan. Lehibe tany amin’ny firenena kominista izy, ary tsy tiany izay olona tsy avy amin’ny firenena kominista. Tsy hoatr’izany intsony anefa izy izao. Hoy izy: “Tena ilaina ilay hoe mihevitra ny hafa ho ambony kokoa noho ianao, raha tsy te hanavakavaka ianao. Tsy mahafantatra ny zava-drehetra aho. Misy zavatra azoko ianarana foana avy amin’ny hafa, na iza izy na iza.”

Inona no azonao atao?

Miezaha hanetry tena, ary ekeo hoe mba manao diso koa ianao. Mila manaiky ianao hoe misy zavatra tsy hainao fa ny hafa no tena mahay an’ilay izy. Aza mieritreritra hoe manana toetra ratsy mitovy ny sokajin’olona hoatr’izao na izao.

Raha misy sokajin’olona tsy dia tianao ka mihaona amin’ny olona iray avy amin’izy io ianao, dia saintsaino hoe:

Ekeo hoe misy zavatra tsy hainao fa ny hafa no tena mahay an’ilay izy

  • ‘Tena ratsy toetra ve izy, sa tsy mitovy amin’ny ahy fotsiny ny toetrany?’

  • ‘Mahita hokianina amiko ve izy?’

  • ‘Misy zavatra hainy ve fa tsy haiko?’

Raha mamaly an’ireo fanontaniana ireo amin’ny saina tsy miangatra ianao, dia mety tsy hitsaratsara azy intsony fa hahita lafin-javatra itiavanao azy mihitsy aza.

Tantara Tena Nisy: Nelson (Etazonia)

“Nitovy fiaviana sy fari-piainana daholo ny olona tao amin’ilay tanàna nahabe ahy. Nifindra tany an-tanàn-dehibe anefa aho tamin’izaho 19 taona. Niasa tao amin’ny orinasa iray aho, ary niara-niasa tamin’ny olona samihafa fiaviana sy fari-piainana ary kolontsaina.

“Rehefa fantatro kokoa ireo mpiara-miasa amiko ireo sady lasa namako, dia lasa fantatro hoe hay ry zareo tena miasa mafy sady mendri-pitokisana. Lasa takatro koa ny tena fihetseham-pony. Tsy ahafantarana an’izany mihitsy anefa raha ny volon-kodiny fotsiny, na ny fiteniny, na ny fiaviany.

“Nanambady vehivavy tsy mitovy fiaviana amiko aho, tatỳ aoriana. Faly aho satria lasa nahafantatra karazana sakafo sy mozika tsy nahazatra ahy. Lasa haiko koa hoe samy manana ny toetra tsarany sy ny toetra ratsiny daholo ny olona rehetra. Lasa nahafinaritra ahy ireo olona tsy mitovy fiaviana sy kolontsaina amiko, ary niana-javatra tamin’izy ireo aho. Nisy vokany tsara teo amin’ny toetrako izany.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara