FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g19 No. 2 p. 8-9
  • Tsy Mora Kivy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Mora Kivy
  • Mifohaza!—2019
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA IZANY?
  • NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?
  • AHOANA NO HAMPIANARANA AZY?
  • Tsy Mora Kivy ve Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Ahoana no Azo Anampiana ny Ankizy Raha Tsy Mahomby Izy?
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Ahoana no Tokony Hataoko Rehefa Misy Manome Torohevitra Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Ampianaro Hanetry Tena ny Zanakao
    Mifohaza!—2017
Hijery Hafa
Mifohaza!—2019
g19 No. 2 p. 8-9
Vehivavy iray sy ny zanany vavy. Kivy ilay ankizivavy fa tsy nety ny mofomamy namboariny, ary manampy azy ny reniny

3

Tsy Mora Kivy

AHOANA IZANY?

Tsy milavo lefona ny olona tsy mora kivy, rehefa manana olana na diso fanantenana. Rehefa avy miatrika olana imbetsaka ny olona iray vao manana an’io toetra io. Tsy maintsy mianjera tsindraindray, ohatra, ny ankizy vao tena mahay mandeha. Tsy maintsy miatrika olana tsindraindray koa ny olona iray, vao mahay hoe inona no tokony hatao raha te hahomby eo amin’ny fiainana.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Tonga dia kivy ny ankizy sasany rehefa tsy nety ny zavatra nataony, na miatrika olana izy, na misy manakiana. Misy aza milavo lefona mihitsy. Mila azony tsara anefa ireto:

  • Tsy voatery hahomby foana izay zavatra atao.—Jakoba 3:2.

  • Tsy maintsy miatrika olana daholo ny olona.—Mpitoriteny 9:11.

  • Ilaina ny fanitsiana raha te hihatsara.—Ohabolana 9:9.

Raha tsy mora kivy ny ankizy, dia hatoky izy hoe ho vitany ny hiatrika olana amin’ny hoavy.

AHOANA NO HAMPIANARANA AZY?

Rehefa tsy nety ny zavatra nataony.

TORO LALANA: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.”—Ohabolana 24:16.

Ampio izy handinika raha olana be ilay izy na tsia. Ahoana, ohatra, raha ratsy ny naotiny tamin’ny fanadinana? Mety ho kivy izy, dia hiteny hoe: “Izaho ve rangahy tsy mahay na inona na inona mihitsy!”

Ampio izy hahita hoe ahoana no azony anatsarana ny naotiny. Hiatrika an’ilay olana izy amin’izay fa tsy hitsetra tena.

Tandremo anefa sao dia ianao indray no mamaha an’ilay olana. Manampy azy hahita vahaolana fotsiny no ataonao. Azonao anontaniana, ohatra, izy hoe: “Inona no azonao atao mba hahaizanao kokoa an’io lesona io?”

Rehefa misy olana.

TORO LALANA: “Tsy fantatrareo akory ... izay hitranga aminareo rahampitso.”—Jakoba 4:14.

Miovaova ny fiainana. Mety ho lasa mahantra, ohatra, ny olona iray, na harary tampoka. Hoy ny Mpitoriteny 9:11: “Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena, ary tsy ny mahery no mandresy, ... satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.”

Azo antoka hoe miezaka mafy ianao mba hiarovana ny zanakao. Tsy ho vitanao anefa ny hiaro azy amin’izay olana rehetra mety hitranga.

Mbola kely angamba ny zanakao izao, dia tsy hainy izany hoe very asa na manana olana ara-bola izany. Afaka manampy azy hiatrika olana hafa anefa ianao. Mety hoe niady tamin’ny namany izy, na malahelo satria maty ny havanareo.a

Rehefa misy manitsy izy.

TORO LALANA: “Henoy ny torohevitra ... mba ho hendry ianao amin’ny hoavy.”—Ohabolana 19:20.

Tsy hoe te hampalahelo ny zanakao akory ny olona raha manitsy azy. Mba tiany hanova an’izay tsy mety fotsiny izy.

Raha ampianarinao hanaiky fanitsiana ny zanakao, dia samy handray soa ianareo. Hoy i John, manan-janaka telo mianadahy: “Raha arovanao foana ny zanakao rehefa misy tsy mety ataony, dia tsy handray lesona mihitsy izy. Hanana olana foana izy rehefa lehibe, dia ianao ihany no tsy maintsy hamaha azy ireny. Samy hijaly na ianao na ilay zanakao.”

Inona no azonao atao raha tianao hanaiky fanitsiana ny zanakao? Mety hanitsy azy, ohatra, ny mpampianatra na olon-kafa. Mitandrema mba tsy hiteny hoe tsy rariny ilay izy. Azonao anontaniana kosa izy hoe:

  • “Fa maninona ilay olona no nanitsy anao?”

  • “Inona no azonao hatsaraina?”

  • Inona no hataonao raha misy manitsy indray ianao amin’ny manaraka?”

Tsy amin’izao ihany ny zanakao no handray soa raha manaiky fanitsiana, fa rehefa lehibe koa.

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ampio ny Zanakao Hizaka ny Alahelony”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2008.

Vehivavy iray sy ny zanany vavy. Kivy ilay ankizivavy fa tsy nety ny mofomamy namboariny, ary manampy azy ny reniny

AMPIANARO IZY DIENY IZAO

Raha tsy mora kivy ny ankizy rehefa manana olana, dia hahavita hianatra zava-baovao izy na dia sarotra aza ilay izy. Ho hainy tsara koa ilay izy rehefa mandeha ny fotoana

Miezaha ho Modely

  • Miaiky ny fahadisoako ve aho, sa ny hafa no omeko tsiny?

  • Miresaka ny zavatra tsy nety nataoko ve aho? Resahiko ve ny lesona noraisiko avy tamin’ilay izy?

  • Maneso ve aho rehefa mba diso ny hafa?

Izao no Nataonay:

“Tsy hoe niaro ny zanakay izahay isaky ny nanana olana ry zareo, na nisy zavatra tsy nety nataony. Nanana olana koa aho tamin’izaho mbola tanora. Niezaka niatrika an’ilay izy anefa aho, dia nanampy ahy ho matotra izany. Lasa olon-dehibe matotra izao izy dahy, satria tsy nampihanta an-dry zareo izahay.”—Jeff.

“Niala tsiny tamin’ny zanakay foana izahay mivady, isaky ny nanao zavatra tsy nety tamin-dry zareo. Tsy tokony hisalasala ny ray aman-dreny hiresaka ny fahadisoany amin’ny zanany. Ho tsapan’ny zanany amin’izay hoe manao diso daholo ny olona rehetra.”—James.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara