FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g19 No. 1 p. 12-15
  • “Ho Be ny Fiadanana” Rehefa Hitondra ny Tany Ilay Fanjakana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ho Be ny Fiadanana” Rehefa Hitondra ny Tany Ilay Fanjakana
  • Mifohaza!—2019
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • RAHOVIANA NO HO TONGA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?
  • INONA NO HITRANGA REHEFA HANOMBOKA HITONDRA NY TANY IZY IO?
  • INONA NO TOKONY HATAONAO?
  • Ny Marina Momba ny Fanjakan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Fanjakana “Tsy ho Rava Mandrakizay”
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Mifohaza!—2019
g19 No. 1 p. 12-15
Olona mankafy fiainana ao amin’ny Paradisa

HILAMINA AMIN’IZAY NY FIAINANA

“Ho Be ny Fiadanana” Rehefa Hitondra ny Tany Ilay Fanjakana

Tsy ho ela dia hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hiadana sy hilamina ny olona rehetra. Milaza ny Salamo 72:7 hoe: “Ho be ny fiadanana.” Fa rahoviana no ho tonga ilay Fanjakana? Inona no hitranga rehefa hanomboka hitondra ny tany izy io? Ary inona no tokony hataonao raha te ho anisan’ny vahoakan’izy io ianao?

RAHOVIANA NO HO TONGA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?

Efa nilaza ny Baiboly hoe inona no “famantarana” fa kely sisa dia ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza, ohatra, izy io hoe hisy ady, mosary, areti-mandringana, ary horohoron-tany. Hihabetsaka koa ny mpandika lalàna.​—Matio 24:3, 7, 12; Lioka 21:11; Apokalypsy 6:2-8.

Miresaka famantarana hafa koa ny 2 Timoty 3:1-4. Izao no voalaza ao: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora atrehina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ... tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hahay hankasitraka, ho mora mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ... hirehareha, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.” Efa nisy olona nanana an’ireo toetra ireo hatramin’izay. Ny ankamaroan’ny olona mihitsy anefa izao no manana an’ireo toetra ireo.

Tanteraka ireo faminaniana ireo nanomboka tamin’ny 1914. Miaiky ny mpahay tantara sy ny mpitondra ary ny mpanoratra hoe niova be ny fiainana taorian’io taona io. Nanoratra toy izao, ohatra, ilay mpahay tantara danoà atao hoe Peter Munch: ‘Tena nanova ny tantaran’ny olombelona ilay ady tamin’ny 1914. Lasa feno loza ny tany, nihorohoro sy nifankahala ny olona, ary tsy nisy intsony ny filaminana na taiza na taiza. Efa nisy fandrosoana be anefa talohan’io.’

Nilaza koa i Jesosy hoe hisy zavatra tsara hitranga alohan’ny hahatongavan’ilay Fanjakana. Hoy izy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay Fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”​—Matio 24:14.

Io vaovao tsara io no tena torin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao mihitsy aza no lohatenin’ny gazety iray avoakan’izy ireo: Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah. Resahin’izy io ny zavatra tsara hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny tany sy ny olombelona.

INONA NO HITRANGA REHEFA HANOMBOKA HITONDRA NY TANY IZY IO?

Ireto misy zavatra efatra hitranga:

  1. Tsy hampiasa an’ireo mpitondra olombelona na hiara-miasa amin’izy ireo io Fanjakana io.

  2. Tsy hahafoy ny toerany ireo mpitondra eto an-tany, ka hiady amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hadalana anefa izany!​—Salamo 2:2-9.

  3. Handringana an’ireny fitondrana ireny ny Fanjakan’Andriamanitra mandritra an’io ady io. (Daniela 2:44; Apokalypsy 19:17-21) Io ilay antsoina hoe ady Aramagedona.​—Apokalypsy 16:14, 16.

  4. Tsy ho ringana izay rehetra manohana an’ilay Fanjakana. Hiaina ao amin’ny tontolo vaovao izy ireo aorian’ilay ady. An-tapitrisany izy ireo ary antsoin’ny Baiboly hoe “vahoaka be.”​—Apokalypsy 7:9, 10, 13, 14.

    INONA NO HATAON’ILAY FANJAKANA REHEFA HITONDRA NY TANY IZY IO?

    Hita tamin’ny zavatra nataon’i Jesosy teto an-tany izay hataony rehefa hitondra izy. Nanasitrana ny marary sy ny kilemaina, ohatra, izy. (Matio 4:23) Nanome sakafo olona an’arivony koa izy. (Marka 6:35-44) Nampitony tafio-drivotra mihitsy aza izy.​—Marka 4:37-41.

    Jesosy mampianatra an’ireo olona mitangorona eo aminy

    Nampianatra ny olona hihavana sy hiray saina i Jesosy. Hanana toetra tsara izay manetry tena ka mampihatra an’izay nampianariny. Hanampy an’ilay olona ho sambatra mandrakizay izany rehefa lasa anisan’ny vahoakan’ilay Fanjakana izy. Tsy misy mpampianatra hafa mahavita hoatr’izany! Anisan’ny fampianaran’i Jesosy, ohatra, ilay toriteniny teo an-tendrombohitra, ao amin’ny Matio toko faha-5-7. Tena lalina ny zavatra ampianariny ao. Tsotra anefa ny teny nampiasainy, ka tena manohina ny fo. Maninona raha mba mamaky azy io?

INONA NO TOKONY HATAONAO?

Natoron’i Jesosy hoe inona no zavatra voalohany tokony hataonao, raha te ho anisan’ny vahoakan’ilay Fanjakana ianao. Hoy izy: “Raha te hahazo fiainana mandrakizay izy ireo, dia mila mianatra mba hahafantatra anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”​—Jaona 17:3.

Mandray soa be dia be ny olona iray rehefa mahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra. Hijery roa amin’izany isika. Voalohany: Lasa mino an’Andriamanitra ilay olona. Tsy hoe minomino fotsiny anefa izy fa tena manana porofo. Resy lahatra àry izy hoe tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra, ary kely sisa izy io dia ho tonga. (Hebreo 11:1) Faharoa: Lasa tia an’Andriamanitra izy ka mankatò azy. Tiany koa ny mpiara-belona aminy, ka ampihariny ity tenin’i Jesosy ity: “Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.”​—Lioka 6:31.

Hoatran’ny ray be fitiavana ilay Mpamorona antsika, ka tena tiany ho sambatra isika. Tiany hahazo ny “tena fiainana” isika. (1 Timoty 6:19) Mbola tsy izany aloha no iainantsika amin’izao. Olona an-tapitrisany mantsy no mijaly sady miady mafy amin’ny fiainana. Hanao ahoana àry ilay “tena fiainana”? Hijery zavatra sasany hataon’ilay Fanjakana ho an’ny vahoakany isika.

HOATRAN’NY AHOANA ILAY TENA FIAINANA?

  • “Amin’ny andro [anjakan’i Kristy], dia ho be dia be ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana ... Hisy olom-peheziny ... hatrany amin’ny faran’ny tany.”​—Salamo 72:7, 8, 13, 14.

  • “[Ataon’Andriamanitra] tsy misy ady intsony eran-tany. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona.”​—Salamo 46:9.

  • “Hahavokatra be ny tany; ho be dia be ny vokatra, na dia eny an-tampon-tendrombohitra aza.”​—Salamo 72:16.

  • “Hanao trano ny olona ka hipetraka ao, ary hamboly voaloboka ka hihinana ny vokatra amin’izany. Tsy hanao trano hipetrahan’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa ... Hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.”​—Isaia 65:21, 22.

  • “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra ... Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”​—Apokalypsy 21:3, 4.

Olona mankafy fiainana ao amin’ny Paradisa

Hilamina ny fiainana ary ho be dia be ny sakafo, rehefa mitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra

HEVI-DEHIBE

LASA TIA FIHAVANANA SY MIRAY SAINA IREO MAMPIHATRA NY FAMPIANARAN’I JESOSY. HO LASA VAHOAKAN’ILAY FANJAKANA IZY IREO

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara