FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/15 p. 16
  • Maresaka Momba ny Fianakaviana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Maresaka Momba ny Fianakaviana
  • Mifohaza!—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Afrika
  • Kanada
  • Holandy
  • Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • “Lova avy Amin’i Jehovah” ny Zanaka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? Fizarana 2
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Modely ho An’ny Zanakao ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 10/15 p. 16
Miasa amin’ny ordinatera ilay vehivavy ary te horaharahaina ilay zanany kely

TOPY MASO ERAN-TANY

Maresaka Momba ny Fianakaviana

Maro ny olana atrehin’ny fianakaviana. Manampy azy ireo ho sambatra anefa ny torohevitra ao amin’ny Baiboly, izay tsy mety lany andro.

Afrika

Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa tokony hanomboka hampinono ny zanany ny reny, ao anatin’ny adiny iray aorian’ny ahaterahany. Nono fotsiny no tokony ho sakafon’ilay zaza mandritra ny enim-bolana. Milaza anefa ny solontenan’ny UNICEF any amin’ny faritra atsimo sy atsinanan’i Afrika, fa mbola miely be any ilay hevi-diso hoe “mitovy amin’ny rononon-dreny ihany ny vovo-dronono atao amin’ny biberao.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.”—Ohabolana 14:15.

Kanada

Nilaza ny mpikaroka any Montréal fa atahorana kokoa hatavy loatra ny ankizy raha hentitra loatra ny ray aman-dreniny sady zara raha maneho fitiavana. Tsy atahorana hitranga kosa izany raha be fitiavana izy ireo nefa miezaka hifehy ny zanany.

FANTATRAO VE? Efa ela be ny Baiboly no nilaza hoe inona no fomba tsara indrindra hitaizana ny ankizy.—Kolosianina 3:21.

Holandy

Nanaovana fanadihadiana ny fianakaviana holandey sasany. Samy miasa ny mpivady ao amin’ireo fianakaviana ireo. Hita fa mifandray kokoa amin’ny zanany ny ray aman-dreny rehefa tsy avelany hanelingelina ny andraikiny ao an-tokantrano ny asany. Mety tsy hiraharaha ny zanany, ohatra, izy ireo raha manao antso an-telefaonina mifandray amin’ny asa rehefa ao an-trano.

ERITRERETO IZAO: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.”—Mpitoriteny 3:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara