FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 9/14 p. 12-13
  • Azo Atao ny Mitandrina Amin’ny Diabeta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Azo Atao ny Mitandrina Amin’ny Diabeta
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no atao hoe diabeta?
  • Sarotra ny Fitsaboana
    Mifohaza!—2003
  • “Mpamono Olona An-tsokosoko” ny Diabeta
    Mifohaza!—2003
  • Manampy ny Olona Voan’ny Diabeta ny Baiboly
    Mifohaza!—2003
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 9/14 p. 12-13
Mpivady manao fanatanjahan-tena

Azo Atao ny Mitandrina Amin’ny Diabeta

LASA be dia be izao ny olona voan’ny diabeta eran-tany. Misy sokajiny roa ny diabeta tena mpahazo ny olona. Antsoina hoe sokajy 1 ny voalohany, ary mbola zaza ny olona sasany dia efa tratran’izy io. Mbola tsy hitan’ny dokotera anefa ny fomba hisorohana azy. Ilay sokajy 2 kosa no tena mahazatra, satria efa ho 90 isan-jaton’ny olona diabetika no voany. Io sokajy io no horesahina ato.

Olon-dehibe no tena voan’ny diabeta sokajy 2 taloha, nefa lasa voa koa ny ankizy tatỳ aoriana. Milaza anefa ny manam-pahaizana fa azo atao ihany ny mitandrina. Ireto àry misy tsara ho fantatra momba an’io aretina io.a

Inona no atao hoe diabeta?

Voan’ny diabeta ny olona rehefa be loatra ny fatran’ny siramamy ao amin’ny rany. Lasa sarotra amin’ny vatana àry ny manodina ny siramamy avy ao amin’ny lalan-dra mankany amin’ny sela. Ny sela anefa no tena mila siramamy mba hampahatanjaka ny vatana. Inona ny voka-dratsin’ny diabeta? Marary ny taova isan-karazany, na tsy mikoriana tsara ny ra, ka voatery tapahina ny tongotra na ny rantsan-tongotra indraindray. Mety ho jamba koa ilay olona, na harary ny voany. Betsaka amin’ny olona voan’ny diabeta no maty satria tapaka lalan-dra na nijanona tampoka ny fony.

Matetika koa ny olona matavy no voan’ny diabeta sokajy 2. Milaza ny dokotera fa mahatonga diabeta ny tavy miangona ao amin’ny kibo sy ny andilana. Rehefa misy tavy mantsy ao amin’ny aty sy ny sarakaty, dia sarotra amin’ny vatana ny mampidina ny fatran’ny siramamy ao anaty ra. Inona àry no azonao atao mba hisorohana an’izany?

Dingana telo hiadiana amin’ny diabeta

1. Manaova fitiliana. Misy mantsy olona mbola tsy voan’ny diabeta, nefa efa somary ambony ny fatran’ny siramamy ao anaty rany. Izany no fiandohan’ny diabeta sokajy 2. Mbola azo ampidinina anefa ny fatran’ny siramamy amin’io fotoana io. Raha efa lasa diabetika kosa ilay olona, dia tsy sitrana intsony fa tsy maintsy manaraka fitsaboana foana. Tsara ny manao fitiliana, satria mety tsy hisy famantarana etỳ ivelany hoe efa be dia be siramamy ao anaty ra. Voalazan’ny tatitra fa olona 316 tapitrisa eran-tany no tratran’izany, nefa tsy mahalala akory hoe ambony ny fatran’ny siramamy ao anaty rany. Any Etazonia fotsiny, ohatra, dia manodidina ny 90 isan-jaton’ny olona voan’izany no tsy mahafantatra.

Na mbola tsy lasa diabeta sokajy 2 aza ilay aretina, dia efa ratsy ihany raha miakatra ny fatran’ny siramamy ao anaty ra. Hitan’ny manam-pahaizana vao haingana mantsy fa mety hahatonga aretin-tsaina izy io. Raha matavy ianao, na tsy dia manao fanatanjahan-tena firy, na koa taranaka diabetika, dia atahorana ho be loatra ny siramamy ao amin’ny ranao. Aleo àry manao fitiliana.

2. Mihinàna sakafo mahasalama. Andramo izao fa mety hahasoa anao: Somary ahenao ny sakafo hohaninao. Aza misotro ranom-boankazo be siramamy na misy gazy, fa misotroa rano na dite na kafe. Mihinàna sakafo be otrikaina, fa tsy hoe mahavoky fotsiny. Tsara koa ny voamaina, trondro, hena tsy matavy, ary voan-javatra isan-karazany toy ny voanjo.

1. Salady mahasalama; 2. Olona milanja eo ambony mizana

3. Manaova fanatanjahan-tena. Hidina ny fatran’ny siramamy ao anaty ranao amin’izay, sady ho ara-dalàna ny lanjanao. Misy manam-pahaizana manoro hevitra hoe ahenao ny fotoana ijerena tele fa soloy spaoro.

Marina aloha fa tsy azonao ovana ny toe-batanao. Azonao ovana kosa anefa ny fomba fiainanao mba ho salama kokoa ianao. Mba andramo ange e! 

a Tsy mampirisika ny olona hanao fampiasan-tena manokana na hanaraka sakafo manokana ny Mifohaza! Ny tsirairay no tokony hanapa-kevitra, ka handinika tsara na hanontany dokotera aloha rehefa hifidy izay fitsaboana harahiny.

‘Tsy Nataoko Sangisangy Ilay Izy!’​—Fanadinadinana

Ahoana no nahafantaranao fa karazan’olona diabetika ianao?

Tsy nahafantatra aho raha tsy nanao fizaham-pahasalamana, tamin’izaho nahazo asa vaovao. Notenenin’ilay dokotera aho hoe ho lasa diabetika aho raha tsy manao zavatra haingana. Antony efatra no nolazainy: Karazan’olona diabetika aho, efa nisy voan’ny diabeta ny fianakaviako, mihoatra noho ny tokony ho izy ny lanjako, sady izaho koa tsy nanao spaoro. Ny roa amin’ireo aloha tsy azoko ovana, fa ny ambiny no niezahako mafy.

Dia ahoana no nataonao?

Nankany amin’ny mpitsabo diabeta aho, ary nohazavainy fa raha tsy te harary aho dia tsy maintsy manao spaoro sy mampihena tena ary mihinana sakafo mahasalama. Tapa-kevitra àry aho fa hanova ny fomba fiainako. Ny legioma no haniko voalohany rehefa misakafo aho, satria ireny no mahasalama. Efa mba vokivoky aho amin’izay, ka tsy mahalany be amin’ny zavatra hafa. Niezaka nampiasa vatana kokoa aho, na efa taona maro aza no tsy mba nanao an’izany.

Ka nanao ahoana ny vokany?

Herintaona sy tapany dia efa niverina tamin’ny laoniny ny lanjako, ka lasa mavitribitrika erỳ aho. Tsy te ho hoatran’ireny taloha ireny intsony aho. Aleoko mitandrina foana satria aretina tena ratsy ny diabeta ka tsy azo atao sangisangy!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara