FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 7/14 p. 3
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Etazonia
  • Espaina
  • Oseana Pasifika
  • Emirà Arabo Mitambatra
  • Inona no Maha Ratsy ny Miboboka Toaka?
    Mifohaza!—2004
  • Izaho ve dia Haninona na Misotro Be Aza?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Rehefa Tsy Tsara Kokoa ny hoe Vaventy Kokoa
    Mifohaza!—1997
  • Ny Zava-miafina Momba ny Volamena
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 7/14 p. 3

TOPY MASO ERAN-TANY

Etazonia

Milaza ny Minisiteran’ny Fambolena fa olona 49 tapitrisa, izany hoe ny 14,5 isan-jaton’ny fianakaviana amerikanina, no “sahirana vao nahita sakafo, na tsy nahita sakafo ampy ho azy mianakavy”, tamin’ny fotoana sasany tamin’ny taona 2012.

Espaina

Nanontaniana ny mpianatry ny oniversite, ka ny 56 isan-jaton’ny vehivavy sy ny 41 isan-jaton’ny lehilahy no efa nisotro toaka be. Valo tavoahangy na mahery no tonga dia sotroina tsy an-kihetsika eo, ho an’ny lehilahy, moa ny an’ny vehivavy enina tavoahangy.

Oseana Pasifika

[Sary, pejy 3]

Misy lavaka lalina be efa ho 11 kilaometatra ambanin’ny ranomasina, any akaikin’ny Nosy Mariannes. Nanao fikarohana tany ny mpahay siansa ka nahita fa misy bakteria sy mikraoba be dia be any, na dia maizin-kitroka sy mangatsiaka be aza, sady mahery be ny tsindry ampiharin’ny rano. Noheverina anefa fa zara raha nisy zavamananaina velona tany.

Emirà Arabo Mitambatra

Te hampihena ny isan’ny olona matavy loatra ny fanjakana any Dobay. Omena volamena iray grama (sivy alina ariary eo ho eo tamin’izany) àry ny olona, isaky ny nahavita nihena iray kilao. Tsy maintsy nisoratra anarana aloha izay te hahazo an’ilay volamena sady niezaka nihena roa kilao, fara fahakeliny, mandritra ny volana Ramadany izay fifadian-kanina ho an’ny Silamo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara