FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 12/13 p. 3
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Etazonia
  • Nizeria
  • Espaina
  • Zava-misy eran-tany
  • Nahoana Ianareo no Tsy Mampiasa Lakroa?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Teo Amin’ny Lakroa Tokoa ve i Jesosy no Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Natao ho an’ny kristiana ve ny lakroa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Tokony Hampiasa Lakroa ve ny Kristianina?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 12/13 p. 3

TOPY MASO ERAN-TANY

Etazonia

Hita fa efa ho ny ampahatelon’ny olona miampita arabe no variana mitelefaonina, na mihaino hira. Ny tena mampidi-doza anefa dia ny SMS. Mandeha miadana kokoa mantsy ny olona mandefa SMS rehefa miampita, sady tsy dia manaraka ny lalàn’ny fifamoivoizana. Misy koa tsy mijery havia sy havanana akory. Ny hafa indray miampita eny amin’ny toerana tsy tokony hiampitana.

Nizeria

Be dia be ny vehivavy any no amidy an-tsokosoko ka terena hivaro-tena any Eoropa. Entina manao fombafomba eny amin’ny toerana falehan’ny mpilalao ody aloha ry zareo, dia asaina mivoady hoe tsy hilaza na amin’iza na iza. Hararaotin’ny mpanondrana olona ireny vehivavy ireny, satria tena matahotra ny herin’ny maizina.

Espaina

Tsy soratan’ny olona ao amin’ny taratasy fangatahana asa ny diplaomany teny amin’ny oniversite, na ny traikefany sasany. Ny 5 na 10 isan-jaton’ireo tsy an’asa efa ela no manao izany. Lasa hoatran’ny mahay loatra mantsy, hono, ry zareo ka tsy hisy handray satria sao ambony loatra ny karamany.

Zava-misy eran-tany

Efatra tapitrisa isan-taona no maty vokatry ny setroka, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Afo kitay na saribao no tena mahatonga izany. Milaza ny manam-pahaizana fa mahafaty hoatran’ny poizina avy amin’ny sigara ihany ny zavatra simika amin’ny setroka kitay na saribao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara